"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 04 Jolay, 2008 11:22
Tsy niala ny trano aho tamin'ny herintaona nandritra ny hafanam-ben'ny été! Dia izay ny vacances! Fialam-boly mandreraka fa mipetraka fotsiny dia malemin'ny hafanana ho azy eo! Dia tsy niala voly fa nila voly!
Mba nanomboka nandamina fandaharam-potoana ihany aho tamin'ity taona ity! Maro no miandry hoe hody kely any Dago ve sa tsia! Dia tsy hisy aloha io fa efa tsara petraka aty antampon-tendrombohitra aho, maka rivotra (fa matahotra hidiran'ny rivotra)!
Iray volana no aty, miara-miaina amin'ny ankizin'ny ambanivohitra, mihanika tendrombohitra sy mandeha an-dranomasina! Ireo fialam-boly roa lehibe handaniana ny été (fahavaratra sa inona? nefa tsy misy varatra manko)!Ny vazaha mitanin'andro mba hivoara-mena! izaho mamonjy aloka mba ho fotsy hatsatra! dia mba mitovitovy avy eo! Ny tena mahafinaritra ahy dia ny fahatsiarovana ny fandehanana amin'ny cyber tany dago mba hifandraisana amin'ny havana aman-tsakaiza: tsy misy net manko ny tranohipetrahakoka mila mifindra toerana vao mahazo!
Dia hoy aho hoe : ny aza mba zatra (na tsara na ratsy) ihany fa dia mahafinaritra ny mamola-tena! Miala tsiny ho an'izay mandefa mailaka fa hovaliany ho azy ao izany hatramin'ny faran'ny volana jolay! Izay hametraka hafatra dia amin'ny herinandro indray mihaona!
Vakansa kely izany aloha i Harilova e!
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jolay 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
27 | 28 | 29 | 30 | 31 |