Categorie: Ankapobeny
Dia ny tam herintaona ihany no miverina e
Na iza na iza, na tsy manaiky ny hiditra any am-piangonana aza,
manaiky ny hiala sasatra sy ny hifaly miaraka amin'ny havana
aman-tsakaiza, ny fianakaviana sy ny ankohonana.... Dia izay no hiarahabako anao : Manaova Krismasy sambatra, ...
Tena efa ela aho izay no tsy nahavita nanoratra teto. Dia tsy hoe hanoratra akory aza fa hiarahaba anareo fotsiny. Dia samia ela velona avy mandra-paha-fatiny!
Ny olomasina Maiolo no tsaroan'ny Tetiandron'ny Martiry Romana ny 11 may. Dia nahatsiaro ny faminanian'ny Pasteur Mayol aho, na dia Mayeul aza no andikana ny Maiolo amin'ny teny frantsay (jereo eto ny tantarany am teny italiana na am teny frantsay ). Dia izay fotsiny... no...
Na ny niarahaba anareo nahatratra ny Paka aza tsy vita satria Paka ny andro... Dia atao ahoana e aleo tara toy izay tsy nisy mihitsy hoy ny fiteny ka dia Arahaba e Ny nahalasa ny saiko fotsiny dia toa Pakapaka ihany no nisy tamin'ity fa tsy Paka... araka ny fahalalako azy...
Mandinika momba ny fanafahana (libération) aho, dia mandinika ny tena hevitry ny hoe olon'afaka! Hay arakaraka ny maha-olon'afaka no maha-olon-tsy afaka.Tsy resaka babo sy andevo na zavatra hafa tsy mbola levon'ny sasany na mandratra ny fon'ny hafa no lazaiko, fa ny...
Tsy ny olona rehetra no mino ny lanitra, tsy ny rehetra no mino ny fiainana any an-koatra! Saingy ho an'izay tsy mino izany dia tsy misy dikany akory ny hiaina sy ny hiezaka hanao ny soa main'ny fiainana! Raha tsy misy ireo fanahy mitsinjo antsika eny ho eny! Na isika koa aza tsy mba ho...
Ny andron'ny 10 aogositra no itsingerenan'ny taona nahitan'i Diego Diaz an'i Madagasikara ny taona 1500. Ny anarana hoe Madagasikara dia efa ny faramparan'ny taonjato faha-18, araka ny fikarohana nataon'i Marco Polo, fa nosy Md Laurent no niantsoana azy talohan'izay,...
Na dia hoe an-dafy aza no hilazana ny aty amin'ny misy anay aty dia ny fimenomenomana amin'ny hasarotan'ny vidim-piainana misy hatraiza hatraiza... Ny mahagaga a nefa dia tsy ho sanatria ny tsy fananam-bola no tsy hisintahana kely any an-toeran-kafa mba hiala voly... vacances !...
Manao ahoana daholo! Saika mba ho any Sidney aho ry 'reto dia nanao kaonty dia hoe ohatrinona ny vola lany amin'io? Fihaonana ve io sa vacances? Asa re! Azon'ny fakam-panahin'i Jodasy aho hoe : raha mba izao no hanasoavana ny mahantra! jereo eto ny tohiny fa tena tsiss...
Tsy niala ny trano aho tamin'ny herintaona nandritra ny hafanam-ben'ny été! Dia izay ny vacances! Fialam-boly mandreraka fa mipetraka fotsiny dia malemin'ny hafanana ho azy eo! Dia tsy niala voly fa nila voly! Mba nanomboka nandamina fandaharam-potoana ihany aho...
Eto am-panembonana ny takarivan'ny arendrina aho dia lasa ny saiko, mandinika ny lasa, mamisavisa ny ho avy, manao fampitahana! Fa Fahaleovan-tena inona loatra re ry Gasikara no ankalazainao? Fahaleovana miharo fahalovana ve sanatria ka hanjary hankaleo? Sa fahaleovana miharo fahalahelovana...
Mamaky ity Vaovao eto an-toerana ity aho dia tonga saina mandinika ny hoe : atao RAKITRA! Inona tokoa moa ny hevitry ny teny hoe RAKITRA? Noraisiko ny Rakibolana dia kokarohiko tao ny mety ho dikany : "Vola angonina tsikelikely atao tahiry; harena na zava-tsoa sarobidy voatahiry;...
Mandinika ny fetin'ny ascension (Fiakarana) ity aho dia mandinika ihany hoe inona moa no dikan'izany? fialan-tsasatra tsy hiasana handraisam-bola ihany ve sa mba misy heviny manokana? (Amin'ny firenena hafa moa dia tsy ankalazaina amin'ny andro faha-efapolo io fa amin'ny...
Tena milay kosa ny revin'ny Papa fa any Amerika no hankalaza verisera a! Feno 81 taona ny 16 izany izy! Mba namaky le tantara-piainany am versaire ambony io aho dia nahita hoe izay koa izao no antony nifidiany ilay anarana Benohita io, fa teraka ny Sa botsy mialoha ny Paka ny taona 1927...
Miarahaba an'Ikalamako izany fa nandresy Tonton e! Izahay izao misaona fa tsy nandresy intsony ny Avana (Arcobaleno). Atao ahoana moa fa noho ny tsy fahompiazan'ny Maherifo (Prodi) dia manjaka ny Belarosy kony O? Ny mahagaga ahy dia ny resaky ny olona maheno ny resaky ny olona...
Androany dia 29 martsa, ka ho anay nitombo tamin'ny Faritra Alaotra-Mangoro dia misy dikany manokana ity andro anio ity. Maha-velom-bolo ny soson-kevitr'i Lapino momba ny teny malagasy, saingy ny heveriko fa...
Mankasitraka anareo rehetra e. Tena mbola godraka aloha izoa fa aleo haka aina kely. Miala tsiny fa tsy dia mandeha matetika ao amin'ny forum aho, fa na izany dia mankasitraka mankantelina ny Namana rehetra, indrindra Ikalamako nanokatra ny dinika tao.
Rehefa milaza hoe an-dafy taloha dia tahaka ny hoe lafatra be izy izany, saingy toa aleoko ihany le mandoha vola any madagasikara dia avy eo misahirana ka! Ny any amintsika dia misy ny boaty postaly ka mandoha vola ianao dia misahirana mankany amin'ny paositra maka ny taratasy! Ny aty...
pagina vuota page blanche
Nitsangatsangana tany amin-dry Ikalamako aho izany dia tratra hariva niandry Bus dia ity sary ity no hitako nameno tanàna, indrindra isaky ny fermata! Dia hoy aho hoe tena 30cm avy any ambony kay mo no refesina fa tsy avy any ambany!!!! Dia namerina conjugaison verbe aho :...
Aioto o mba havoty fa tsy misy lohany tsy misy vodiny! raha adika amin'ny tenin-drazana izany dia inona no heviny? Tsiambaratelo inona re no ambara vahoaka eto e? ny tsiambaratelon'ny fo sasany angatahin'Ikalamako amiko aloha dia efa lazaiko eto : 1- tsy haiko ny...
amin'ity andro anio ity dia heveriko fa ny fanamafisana ny fitiavana hifamatoran'ny Mpifankatia sy ny mifankatia no laharam-pahamehana. Nahoana koa moa no tsy azo heverina fa mety ho fifampodiana sy famitranam-pihavanana ho an'ireo indrisy, mety ho lasa mpifahavalo! Dia...
Loza ry reto fa saika nanjavona teto amin'ny tontolon'ny serasera i Harilova a! Handeha hanao ny asa fanaoko isa-maraina aho no fifandona amin'ny fiara opel kely izay ny fiara nentiko. Somary mafimafy ihany ny fifandonana. Mipetraka mijery ilay fiara aho avy eo dia mandinika hoe,...
Tohin'ny resaka efa nandeha teto izy ity, momba ny finoan'ny olona sy ny mety ho vavaka ataony setrin'izany. Azonareo jerena ohatra ny an'i Jentilisa hoe Aza aparitaka! Nahazo ity vavaka ity aho anio maraina, efa nahazo tahaka ity aho fa tamin'ny teny vazaha...
Amin'alahelo lehibe no hilazana ny fahalasanan'ireo olona roa lehibe niezaka ny hihaina ny finoany : ilay rain'ny Mormoni, Itompokolahy Gordon B. Hinckley (97 taona) sy ny arseveka grika Christodolous (69 taona) . Mirary fiononana feno ho an'ireo varavarana nivoahana, fa...
Efa mandindona indray izao ny fanandinana aty an-dakira aty dia mandeha be ny vaky boky. Saingy ny zava-doza dia toa arakaraka ny hamakiana no tsy hahaizana ary arakaraka ny tsy hahaizana no hamakiana dia amin'ny farany mandinika aho hoe toa ho antitra ihany fa ny omaly tsy miova ny zavatra...
No comment! Ho an'izay lava tongotra tsy matahotra peste! Any Ercolano no ambohi-pihaonana! Tandremo fa feno fako aty a! Aza adino ny mitondra fanampenan'orona! Sangisangy iray an-dalana fa nasaina nampita hafatra aho dia ataoko fa eto no haingana indrindra hampitana azy! sady efa tsy...
Fa ny Tenin'Andriamanitra vakiana ve tena iainan'ny olona sa manakory? Raha tena lasa fiainana manko ny tenin'Andriamanitra dia heveriko fa hiova isan'andro ny dikanteny. Raisiko ohatra fotsiny ny cantique maraina tao amin'ny Katolika.org (talata...
Mba misy zavatra tsara ihany aty Naples fa tsy dia ady lava-pako fotsiny e ao am site comunal ity video TV
Dia mahamenatra leiretsy fa 100 taonina hoe ny fako eny amin'ny araben'ny tanananay! Rehefa jerena dia kilalaon'ny ankizy, na fitafiana tonta nosoloina nandritra ny fety no mamemo ny spatsatora! Fanariam-pako! Mahamenatra satria dia tantarain'ny fahitalavitra rehetra...
Miarahaba anao nahatratra ny taona. Ny firariako ho anao dia ny mba hahazotoanao amin'izay atao ary ny hahitanao fahombiazana amin'izay mampahazoto anao. Aza manahy fa tohanako am-bavaka.
Rehefa nanombola moa dia tsy maintsy mamarana, ka ataoko angamba fa izao no farany hanoratako ho anareo eto amin'ny blaogy ity, satria noho ny antony tsy miankina amintsika dia tsy afaka ny hanohy intsony ny fizarana ho anareo eto aho amin'ity taona ity, sady maro loatra ny zavatra...
Miarahaba anareo rehetra mpivahinin'ny serasera sy namana miserasera nahatratra sy mankalaza izao noely izao. Ho amintsika mandrakariva anie ny fahasoavan'ny Tompo. Voninahitra ho an'Andriamanitra, ary fiadanana ho antsika olombelona. (tohiny)
Aza adino fa mitombo folo indray ny lalànam-pifamoivoizana ho an’ny Mpamily katolika. Navoakan’ny “Seza Masina” [1] tamin’ny 19 jiona 2007 manko ireto didy folon’ny mpamily fiarakodia ireto (jereo eto ) . ...
jereo eto
Raha indray andro ihany no fetin'ny Mpifankatia, hanao akory no iainana ny andro sisa rehetra tsy hankalazana ny fety? Io no fanontaniana apetrako amin'ity andro anio ity. Toa lasa fety hifaninanan'ny tolotra sy ny tinady ihany manko ny fifankatiavana, toy ny hafa rehetra (krismasy sy paska...
Naheno ny fahafatesan'ny rahalahiko any an-tanàna aho, dia nanoratra eto izao. Matin'ny Cancer tamin'ny aty hono : areti-mandoza fa ny aza mba voany. Na natao ny fitiliana sy ny fitsabona dia ny aina no nanaraka, sady fotoana fohy monja dia lasa taolana mifono hoditra... Tampoka ny...
Fanontaniana mipetraka matetika ny hoe : lahatr'Andriamanitra ve ny zava-mitranga sa safidin'olombelona? Andriamanitra ve no mandahatra ny fiainantsika mialoha sa isika no misafidy izay atao? Raha Andriamanitra manko no mandahatra ny zava-drehetra, dia tsy misy tokony hataontsika na ezaka...
Ny Katolika indrindra indrindra no manaja sy miankohoka amin'ireny sarivongana ireny, manompo sampy fa mivavaka amin'ny sarivongana... Dia raikitra ny ady mazàna, satria ny mpanenjika tsy mahafehy akory ny zavatra lazainy, ny enjehina indraindray tsy nandalina firy ny tena...
Mampaninona ahy tokoa moa raha toa ka Trinite na tsia izao Andriamanitra izao? Ny Silamo manenjika ny kristianina, indrindra ny katolika fa hoe mino Andriamanitra maro ( Polithéistes ), satria hoe tsy Andriamanitra izao Jesoa izao fa na ilay Kristy aza (ilay Voahosotra) dia...
Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ary mahalala ny zavatra rehetra. Amin'ilay sary nataon'i Roublev ( jereo ity http://www.chemin-neuf.org/tychique/144/icone.html ) dia samy misy ilay faribolana mazava (auréoles) manodidina ny lohan'ireo olona telo : entiny manambara...
Raha mandinika ilay sary nataon'i Roublev isika dia mahita fa samy manana elatra ireo olona telo nentiny nanambara ny olona telo ao amin'ny Trinite Masina. Ny elatra dia manambara ny fahafahana mivezivezy eran'ny tontolo, tsy voafetry ny elanelan-tany : amin'ny toerana rehetra...
Ny Finoana an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia azo dinihina avy amin'ny sary nataon'ny Manakanto tantsinana iray, André Roublev. Azo dinihina hoy aho, satria mistery ny momba an'Andriamanitra, ka tsy azontsika atao ny milaza fa mamintina ny momba azy io sary io, satria tsy...
araka ny nolazain'i lapino hoe : ny finoana mafy orina eo ambony vatolampy tsy mihotsona, araka ny ao amin'ny Baiboly dia tiako ny mizara aminareo ny fantatro momba ity finoana ity : Marina izany kanefa tsy hahita vatolampy hanorenanao ny finoanao ianao na oviana na oviana, izany hoe ny...
Finoana! Mino aho! Isaky ny fiangonan'alahady, ary isak'irony vavaka firaisam-pinoana irony dia avaozina mandrakariva ny FINOANA an'izany ANDRIAMANITRA MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA izany, ilay ANDRIAMANITRA TSITOHA , dia mametraka fanontaniana aho matetika hoe: tena mba marina...
Ity misy tari-dresaka kely holazaiko anao momba ny Paka... Tsy mila lazaina hono na dia fomba enti-mamerina milaza azy ihany aza fa Fankalazana ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan'ny Tompo tamin'ny maty ny Paka. Fety Jiosy nolovain'ny Kristianina, ka izay diavolan'ny Volana Nissan (Aprily) no...