DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Categorie: Ho an'ny Mpino

Hafatry ny Eveka

Hafatry ny Eveka ho an’ny Vahoaka malagasy tsivakivolo amin’ny teny malagasy – en français Hafatry ny Sinaoda manokana ho an’i Afrika ( en français ) Dia mamaky an'io eo aho dia tonga saina! Ka na ny fandriana hobataina aza angaha...

Crise politique!!!

Raha krisis (krizy) no resahana dia indraindray adino ny tena hevitr'ity teny ity... Tsy teny malagasy io, fantatsika izany, ary tsy teny frantsay koa... mitovy fototeny amin'izy io ny critère sy ny critique... Mandanjalanja (mitsara) no hevitry ny teny krìsis (grika)....

Ny Fanabeazana Kristiana

Nandinika ireo Vakiteny novakiana tao am-piangonana tamin'ny alahady aho ( jereo eto ) dia lasa ny eritreritro hoe : fa ahoana tokoa moa! Voaantso ho masina ny Kristianina, izay nisafidy hanara-dia an'i Kristy. Ireo manana andraikitra amin'ny fanabeazana kristianina araka izany dia...

Miarahaba nahatratra ny noely

Na iza na iza, na tsy manaiky ny hiditra any am-piangonana aza, manaiky ny hiala sasatra sy ny hifaly miaraka amin'ny havana aman-tsakaiza, ny fianakaviana sy ny ankohonana.... Dia izay no hiarahabako anao : Manaova Krismasy sambatra,    /* Style...

audimat! inona izany?

Raha mba fantatrareo re ny dikany dia mba azavao amiko fa tena néologisme tsy hitan'ny voambolana mba takatry ny volako le izy e! Io teny io no nandany ny androko anio tontolo maraina, raha namaky ny hafatr'i Benoit ho amin'ny tontolon'ny serasera aho (jereo eto ). Na...

Happy-fania! Befana

Resaka fanomezana no mampiavaka ny 6 janoary any Italia satria dia mifangaro ny fanomezan'ny Majy sy ny fanomezan'ny Befana. Araka ny lovan-tsofina dia ilay vaviantitra, ratsy tatrehy lava orona no mpizara fanomezana ho an'ny ankizy, karazana Papa noel izany, saingy miaraka...

Virjiny niteraka!!!

  " Indro ny Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy...." Dia ahoana tokoa ny virjiny hitoe-jaza izany? ady hevitra efa ho tapa-kandro taoa min'ny Radio tao izany androany  ka narahako ihany ziay azoko narahana mba hahenoana hevitra! Heveriko fa izay efa...

tratry ny taona!

Tsy mananihany aho fa ho an'ny katolika e! arahaba nahatratra ny taona! Jereo eto ny Bonne année   (tohiny)

Elaela! Feno zato!

Ity no lahatsoratra faha-100 araka ny fanisana omen'ny Compteur ao amin'ity Blaogiko ity.   nanomboka tamin'ny Paka 2006 no nanoratako teto, rehefa avy nandray anjara mavitrika tao amin'ny Namana serasera dia naleoko manoratra ny hevitro  manokana mikasika ireo...

Fitsanganan'ny Maty

Na tiantsika na tsy tiantsika, rehefa sendra ny mafy amin'ny fiainana dia mandini-tena ihany, ary raha misy azo hisafidianana dia milaza hoe : raha tsy adala aho ko! Aleoko manao izoa na manao izao. Tsy ny tranga mahazo ireo mamoifo ka namono tena no holazaintsika eto, fa ny tranga...

Hohenoim-bavaka ny manetry tena

Hohenoim-bavaka ny manetry tena. Tsy laharam-pahamehana ho an'ny mpivavaka manko ny fifaninanana amin'ny hafa. Ny vavaka dia tsy fisehoana ho mahavita zavatra fa fisehoana amin'ny maha-izy azy ny tena eo anatrehan'Andriamanitra.     (tohiny)

Fetin'ny olomasina manosika mankany am-pasana

Ny vazaha moa dia miasa izao ny zoma ka dia ny fetin'ny olomasina rehetra no hananaraotana handehanana any am-pasana e. Fa mba misy dikany ve izany raha tsy misy finoana? Misy heviny ve ny faty raha tsy misy ny lanitra? Misy ve ny lanitra? (jereo eto )   ary nahoana no tsaroana...

Mamangy an'i Naples ny Papa

Nanova zavatra ho an'ny tanànan'i Naples ve ny famangian'ny Papa?   Piazza Plebiscito jerena avy eny an-tendrombohitr'i San Marti no Tanàna malaza momba ny Cammora (Mafia any Sicile aty 'Ndragheta any Reggio Calabria) i Naples. Ireo...

Finoana, fitokisana manosika hivavaka

“ Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana ety an-tany Izy ?” Tsaroako ny tenin’i Jesoa tamin’ilay Boka samaritana sitrana tamin’ny heriny ( Lk 17, 19 ) hoe “ Ny Finoanao no nahavonjy anao ”, ny finoana hahazoana famonjena, finoana...

Finoana

Faniriana ao am-pon'ny olona rehetra ny ho velom-pinaritra, ho afaka amin'ny rofy, miezaka sy tsy mitsitsy vola aman-karena mba hahazo fahasalamana. Tsy zakantsika ny mahita ny havana sy ny olon-tiana mijaly sy alamaky ny aretina. Fa vao mainka mafy noho izany ny hamafin'ny...

Lalàna ho an'ny fitiavana

Tsy mora ny manova ny fomba fiaina, tsy mora ny mahafoy ny tombontsoa mba hihainana ny maha-kristianina. Tsy mora nefa tsy hoe tsy azo atao!     “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo” Raha nandray ny...

Te hanan-karena ve ianao?

Iza no tsy te-hanan-karena? Iza no tsy te-hampitombo ny harena efa azony? Asa mety hitady fomba mampanan-karena haingana ianao, na dia handehanana any amin'ny Mpimasy aza. Raha manam-potoana ianao dia vakio ity manaraka ity, somary lavalava ihany, fantatro izany, saingy hanampy anao hahita...

Traduire : trahir? Pas toujours

Malaza ny fomba fiteny hoe : « Traduire, c’est trahir » kanefa tsy dia ho voatery marina mandrakariva akory izany, ary vao mainka aza hahazahoana ny hevitra tian-kambara. Anisan’ny mahavaka ny saina ohatra ny mandinika ny...

Ny Fanjakan'ny Lanitra!

10 "Dia niely eran'ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana". Dia hoy aho hoe  ka inona intsony no hiezahana fa na  ny tsara na ny ratsy samy ho tonga any amin'ny fanasana avokoa?...

Tsy hitondra fiadanana hoe Jesoa fa hitondra fiandaniana

Raha mamaky  eto ianao dia mahita ao fa tonga hitondra korontana ao anatin'ny fianakaviana mihitsy aza i Jesoa... Nihezaka ny hahazo izany aho ka izao zaraiko aminao izao : “Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany...

Marta sy Maria : mpirahavavy mpiray tampo!!! ???

Inona no mila asiana tsindri-peo? ny mivavaka sa ny milofo amin'ny asa? mety hanampy anao amin'izany ity fifampizarana ity. Araka ny Vaovao mahafaly ao amin'i Lioka 10, 38-42 dia mitantara ny resaka Maria sy Marta ny Evanjelista, ka tonga ao an-tsaina ny mety ho fampitahana na...

Ascension!

Niakatra any an-danitra hoe Ra-Zezo! Aleloia. Dia nanafatra fa ho eo amintsika mandrakariva!!! Ka tsy efa any an-danitra izany isika? Voalaza fa amin'ny toerana rehetra izy (jereo eto ), mahefa ny zavatra rehetra (jereo eto ) ary nitsangan-ko velona fa nandresy ny...

Didy vaovao sy ... didy tranainy : mitovy fa tsy sahala

Milaza amin'ny Mpianany i Jesoa fa hanome azy ireo " Didy vaovao " : ny mba hifankatiavan'izy ireo . (Jn 13, 31-33). Fa inona no mahasamihafa ity didy ity amin'izay efa nisy teo aloha? Mba handalinana io fampianaran'i Jesoa io di mahafaly ahy ny...

Fiangonana Fiombonana : izay ny Paka

Mbola misy kristianina ve eto an-tany? satria manko ny fialonana sy fifankahalana dia hita na ao anatin'ny Fiangonana aza. Ny Fiombonana sy ny fifankatiavan'ny kristiana ihany anefa no hahalalana fa mino marina an'i Kristy izy ireo : " Ny hahalalan'ny...

Inona no hahalalana fa mino ny olona iray???

Raha mino amin’ny fonao tokoa ianao   dia hovonjena , hoy ny mpitoriteny... dia hoy aho hoe mba tena mino ve izy ireo, sa mitory mba hahazo laza na hahazo tombontsoa? Inona no hahafantarana fa mino ny olona iray? Raha miresaka...

Paka! Fandalovana...vetivety any am-piangonana

Paska na Paka , dia fandalovana raha adika ara-bakiteny. Dia ho gaga ve isika raha mba mandalo any am-piangonana ny ankamaroan'ny kristianina na dia ho tsidi-pahitra ihany aza izany? Teo no nahalasa saina ahy, hoe raha hanoratra ho anao, hiarahaba fa nahatratra ny Paka, hirary soa fa...

Est-il possible d'aimer?

Est-il possible d’aimer ? [1] Manoloana ny faharavan’ny fanamadiana, ny olana sy ny fitaka hifanaovan’ny mpifamofo sy ny mpifankatia, ny famaritana ny atao hoe fitiavana… dia mametraka fanontaniana isika hoe : sao mba nofinofy sy fampandriana...

Misy ve ny lanitra???

Misy ve ny lanitra? Manoloana ny zava-misy diavintsika izao, ny hamafin’ny fiainana etsy andaniny, ny hasarotan’ny fitandremana mba hadio fitondrantena etsy an-kilany, dia manontany tena aho hoe : “Misy ve izao lanitra izao?” Ny Filazantsara anio hifampizarako...

Karemy : Resaka Fakam-panahy

Vao manomboka ny karemy dia resaka fakam-panahy no resahina : “ Nentinin’ny  Fanahy any an’efitra i Jeso mba halaina fanahy ...” (Lk 4, 1-13). Lalana tsy maintsy hodiavina araka izany ny fakam-panahy saingy kosa ahoana no fomba hiainana azy? Andriamanitra ve...

Karemy : any an'efitra...

Karemy , tsy lalan-davitra any an'efitra toy ny nataon'ny zanak'Israely fahiny no atao, fa lalana tsy mihoatra ny 2 (roa) metatra ao an'efitra, dia ao amin'ilay efitrano irian'i Jeso hirindrinan'izay te hivavaka marina tokoa amin'ny Ray, ilay Ray izay mahita ny miafina sy mamaly soa...

Hafatry ny Papa

Tsy lalan-davitra any an'efitra toy ny nataon'ny zanak'Israely fahiny no atao, fa lalana tsy mihoatra ny 2 (roa) metatra ao an'efitra, dia ao amin'ilay efitrano irian'i Jeso hirindrinan'izay te hivavaka marina tokoa amin'ny Ray, ilay mahita ny miafina sy mamaly soa mangina (Mt 6, 1-18)......

Fahagagana!!!

Mino ve ianao fa misy fahagagana ety ambany masoandro! Tsy "impossible" akory ny fahagagana fa zavatra tsy takatry ny herintsaina raha tsy ampian'ny Finoana... Misy fomba fiteny hoe : impossible mais vrai! Dia tsy azoko mihitsy, satria raha toa ka "vrai" dia efa...

Bedao ny fandrianao, dia mandehana mody!

Namaky ny Filazantsaran'i Jeso aho ny maraina ( Mk, 2, 1-12 ) dia nahita hoe : "bedao ny kidoro dia mandehana mody any an-tranonao." Resaka fanasitranana ilay malemy nentin'ny havany teo aminy moa io Evanjely io. Tsy ny finoan'ny havany nandoaka ny tafon-trano loatra no tiako...

Epifania : Fisehoan'ny Tompo!!!

Mankalaza ny Epifania ny Fiangonana katolika amin’ny alahady manaraka ny taombaovao . [1] . Epifania, avy amin’ny teny grika á¼? πιφάνεια,, midika hoe fisehoana, toy ny hoe “mivoaka hitàny” ho an’ny avy...

Miarahaba anao nahatratra ny Noely

Miarahaba anao nahatratra ny  Noely [1] , ary mirary anao mba hanaiky marina fa misy ny Noely … Mampalahelo manko fa maro no miandry ny Noely nefa vitsy no mino azy … Satria efa nifangaro ny varotra sy ny filàna  tombony. Tsy mahagaga raha nosoloina...

Joyeux Noel

Noël ne peut être que Joyeux … autrement ce n’est pas “noël”… Je saisis cette occasion à te partager la vraie signification d’une telle fête qui, au fond, laïcisée et ne se distingue plus des...

Felice Natale

E' Natale! E' la festa di Emmanuele, il Dio con noi... Ma pure non possiamo negare la festività del consumismo che accade accanto al significato profondo cristiano. Vorrei proporti un cammino a scoprire questo significato. Insieme a quest'immagine d' un autore a me sconosciuto,...

Mifalia mandrakariva!

Mifalia mandrakariva... ao amin'ny Tompo! (Fil, 4,4). Dia nandinika aho hoe aiza tokoa moa ny loharanon-kafaliako? Inona no mahafaly ahy? Raha ho avy ny Krismasy, toa ireo fetifety isan-karazany, na ny any am-piangonana aza no tiako kokoa, noho ilay Andriamanitra tonga niara-nonina...

Amboary ny lalan'ny Tompo!

Injao misy feo miantso any an'efitra : "amboary ny lalan'ny Tompo" (Lk 3,4). Hira maredona ataon'ny Katolika amin'ny andro fiaviana ireo, ary hira mifono zava-dalina tokoa : Injao misy feo miantso mafy any an'efitra : Fa nahoana no any an'efitra no miantsoantso i Jaona Mpanao...

Masina Maria tsy azon-keloka! 8 desambra

Masina Maria tsy azon-keloka : 8 desambra 1854 nambara mazava ho anisan'ny foto-pinoana katolika. Tsy hoe didy jadona tsy maintsy hinoana tsy akory no anton'ny DOGME (foto-pinoana) fa kosa mba hisorohana ny resa-be tsy misy farany, izay mazana vokatry ny tsy fahampianan'ny fandalinana,...

Fiavian’ny Tompo : ho antsika advantista rehetra.

Fotoana maha- advantista ny katolika ireto herinandro telon’ny fiaviana ireto. Amin’ity taona ity(2006) no fohy indrindra io fotoana io. Maha- advantista ny katolika satria mandritra ireto fotoana ireto no iandrasany ny “fiavian’ilay efa tonga sady miara-monina...

Faran'ny Taona : Fetin'ny Mpanjaka?

Mankalaza an'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao ny katolika amin'ny alahady faran'ny taona litorjika (1) . Zavatra roa no tiako hozaraina aminao eto : ny momba an'i Kristy Mpanjaka sy ny vokatr'izay eo amin'ny fiainan'ny Vahoakany... 1- Kristy Mpanjaka : Tamin'ny alahady teo dia...

Ny fahatsiarovana ny maty!!! Mamoha fota-mandry!

Ny 2 novambra dia natao hahatsiarovana ireo efa nodimandry. Fahatsiarovana nipoitra avy ao amin’ny Fivavahana katolika izy io [1] , saingy ohatra ny fety kristianina rehetra, hany ka manjary hajaina fatratra, na tsy noho ny antony ara-pinoana aza, noho ny antony ara-ekonomika…...

Ady Masina! Tsy misy fandriam-pahalemanana miorina ambony valifaty...

ady masina! azo ekena ve izany? Tsy azontsika hanamarinana ny zava-dratsy ataontsika ny anaran'Andriamanitra hoy ny Papa. Ampy izay ny fiantsoana ny anaran'Andriamanitra hiadiana sy hamonoana olona. Tsy misy ady masina... Vitsy no namaky na nihaino ny tena fampianarana nataon'ny Papa tany...

Fandriam-pahalemana

World Trade center 2001... MIVAVAHA HO AN'NY FIADANANA ERAN-TANY... Azo antenaina ve ny hisian'ny Fandriampahalemana eto an-tany raha toa ka famonoana miaramila amerikana iray any Iraka no hita amin'ny faha-5 taonan'ilay loza vokatry ny herisetra tany USA? Teolojiana...

Minoa fotsiny ihany

Tsy zoviana amintsika ny lazan'izany teny izany, dimy taona lasa izay. Dia tena marina tokoa ve fa ampy ny mino fotsiny ihany? Tsy resaka politika no hozaraiko aminao eto na dia tao amin'ny rivotra politika aza no nivoizana izany "slogan", nefa tenin'ny Evanjely izany fa kosa...

Natory tao an-tsambokely ny Tompo

Ny Fanontaniana napetraky ny Tompo manoloana ny fisalasalan'ny Mpianatra no  zaraiko aminao : "tsy manam-pinoana ihany ve ianareo?" (Mk) na ny hoe "Ry kely finoana" (Mt) na ny an'i Lioka hoe "aiza ny finoanareo?" Fa inona ny finoana, ary raha amiko no...

Ny Eokaristia Masina

Fetin'ny Sakramenta Masina omaly, ankoatra ireo fanajana fanaon'ny Fiangonana toy ny procession sy ny vavaka fitsaohana dia  nampandinika ahy fatratra ny Evanjely nosoratan'i Marka momba ny Eokaristia : Marka 14, 12-31 izay novakiana tamin'ny Sorona Masina omaly. ka zaraiko...

Ny fanapahan-kevitra

Anisan'ny mahavaka ny saintsika ny mandinika sy mihevitra hoe inona ny sitrapon'Andriamanitra amiko ! Izany no nahatonga ahy hizara aminao momba ny  Soratra Masina nankalazaina tamin'ny fetin'ny Pantekoty izay manampy antsika amin'izany. Ny Vaovao Mahafaly araka an'i Joany moa no...

Vakaka

Ity vavaka ity dia azo lazaina ho famintinana ny toe-panahin'ny olona iray votom-pinoana ka afaka mivavaka marina tokoa amin'ny Fanahy sy Fahamarinana : Vavaka famaranana ny andro izy ity (Azo jerena ao amin'ny tohiny ny dikan-teny niaviany; ny sora-mandry dia fanazavana hanampy hampahazo ny...

Ahoana ny mivavaka?

Lazain'ny Kristianina matetika ny hoe : andeha hivavaka aho, ny sasany mampiasa ny  hoe : andeha hiangona ny alahady... Fa inona no atao hoe : mivavaka? Raha ny teny hoe vavaka, raha vao lazaina dia adika avy hatrany hoe hataka atao amin'andriamanitra. dia hoy isika matetika hoe :...

Ampianaro mivavaka izahay

Mba mametraka fanontaniana amin'ny tenako aho hoe : mbamihaino vavaka va re izao Andriamanitra izao? Dia ahoana no fomba fivavahana aminy araka ny sitrapony? Dia nanaitra ahy fatratra ilay vakiteny indray alahady izay milazalaza ny hafatr'i Jeso ho an'izay mino azy manao hoe : " Tsy...

Ho an'ny ondry

Tohin'ny ho an'ny mpiandry ondry Ny ondry kosa hoe tokony hahafantatra ka hihaino ny feon'ny Mpiandry... Hihaino ny feon'i Kristy. Dia mandinika aho hoe iza no tena henoin'ny olona kokoa : ny dokam-barotry ny fahitalavitra sa ny fampianaran'i Kristy? Dia tsy afaka manao safidy...

Mpiandry ondry tsara! ho an'ny Mpiandry ondry

Hafatra ho an'ny mpiandry ondry  ity e Ankalazain'ny Katolika androany ny fetin'ny Mpiandry ondry tsara, alahady fahaefatra aorian'ny Paska io. Dia nalahatra hovakiana amin'ny fanompoam-pivavahana androany ny Vaovao mahafaly, na Filazan-tsara nosoratan'i Jaona (10, 11-18) mitantara an'i...

Ilaina ve ny milaza ny fahotana amin'ny pretran'ny Fiangonana?

Adihevitry ny taona maro ny momba ny konfesy : Andriamanitra irery ihany ny anay no mamela heloka ka tsy ilainay velively ny hikonfesy any amin'i Mompera... Sendra namaky ny vaovao mahafaly amin'ny Jaona amin'izay milaza ny fitsanganan'i Jeso ho velona aho, dia nahita ny teny...
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb