DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Categorie: Resadresaka

Eny ambony tetezana

TTZM... TGV... Iza no mankasitraka? Iza no tsy mankasitraka?  Raha izaho manokana aloha, tsy hoe tsy miraharaha ny fiainam-pireneko, fa kosa tsy hamaky loha be loatra amin'izay fanapahan-kevitra voaray sy mbola horaisina. Tsy afaka ny hahafehy ny fitsipi-dalao hifanaovan'ny...

Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

nalaza naneran-tany ny fako taty Naples, ary mbola hanalan-dry 'Kalamako anay eo foana moa izany. Ny tena nahalasa ny saiko anefa rehefa mba mandeha mamangy ireo fianakaviana Napoletana fantatro aty aho ny hakanton'ny ao an-tranony. Fomba fiteny ny hoe Madio ivelany tahaka ny fasana ,...

Paka/ Paska asa moa!

Asa moa fa dia arahabaina ianao nahatratra ny Paka e Paska angamba no tsaratsara kokoa sa pissoa!!! satria araka ny kely mba fantatro toa avy amin'ny teny miankavia hoe Pessah izy io ka pissoa no toa manakaiky azy raha vakiana am anglais!!! Fandalovana hono ny dikany, dia miary anao...

fanasana!!!!

Rahefa miteny hoe : fanasana dia inona no tonga ao an-doha? Fanasana hamonjy fety ho an'ny manan-katao... Fanasana vilia rehafa manomboka ho vita ny fety... fanasana lamba sy akanjo...fiara!! Anio dia ankalazain'ny Mpino kristiana ny Fanasana Farany niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany!...

Diniky ny fo

"Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana". io no diniky ny fo, izay tsy mahasasatra ahy ny mandinika azy ombieny ombieny. Mba namaky ity vakitenin'ny Katolika.org ity aho androany ( Jer 17, 9 ) dia vaka ny saiko : Mamitaka hoe ny fo!...

Euthanasie!

Eo anatrehan'ny marary mafy, mijaly sy toa tsy hahitam-panafana intsony dia honena ny fo ka satry hilaza hoe : aleo maty toy izay mijaly toy izao. Dia maniry ny ho faty na sanatria iriana ho faty, na ampiana ho faty.... Ny Fiangonana Katolika anefa milaza fa tsy antsika ny aina, tsy...

hadalam-bazaha

Betsaka indray ny hitonantonana adiny iray mialoha any am-piangonana sy any amin'ny toeran-kafa amin'ity alahady faran'ny oktobra ity. ho ahy dia hasambarana fa mitombo adiny iray hatoriana

Fransoà Dasiza

Fa ny olomasina ve mba nijaly toa antsika amin'ny fiadivana  amin'ny halemena sy ny fahazaran-dratsy? Malaza ny fifankatiavana nifamatoran'i Fransoa Dasiza sy Claire, Fifankatiavana nampamokatra ny Fitoriana ny Evanjely noho ny asan'ireo Fransiskana tohanan'ny Klarisy...

Fanasan'adala!!! sa manakory?

Rehefa manao lisitry ny fanasana ny kristianina dia tsy mba manaraka ny protocole voalazan'ny Evanjely mihitsy. Mandinika ity (jereo eto ) eto aho no lasa ny saiko : Fa taiza no mbola misy fanamasinana pretra na fanokanana mpiandry na pasitera na amin'ny fitsofandrano fanambadiana...

resaka vie privée

"Les hommes couchent, les femmes font l'amour"... nahatonga saina ahy io filazan'ny mpanoratra frantsay iray io, nandritra ny latabatra boribory nifanaovan'ny mpanoratra mikasika ny Vie Privée. Ny sasany manko manohana ny hoe : "tsy azo ary tsy ilaiina...

dialectique de l'etre : ny maha-izy azy ny tena no imasoy alohan'ny vola!!!!

Inona no zava-dehibe amin’ny fiainana? Ny maha-izy azy ny tena sa izay atao? Na ny marimarina kokoa : miankina amin’izay ataony ve ny “maha-lehibe” na maha-“ambony” ny olona iray, sa ny maha-ambony azy, ny maha-izy azy no maha-lehibe sy mampanan-danja ny...

Vacances : fialam-boly sa f(y)ilam-bol(a)?

Vacances. Efa manana programa ve ianao sa tahaka ahy :  tototry ny faniriana te hamita mialoha ny tokony hatao amin'ny taona ho avy? Asa raha tsaroanareo ny sangisangy zary tenany nataoko tamin'ny herintaona tahaka izao. Jereo kely moa eto e. Manomboka mandamina ny...

Ho anao ry Teofily!

"Ho anao ry Teofily manan-kaja no nanoratako ny Filazan-tsarako, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao". (Lk, 1, 1-4).   Rahefa manomboka mamaky ny evanjely nosoratan'i Lioka ianao, dia mahita ny antony nanoratany azy. Tsy ho an'ny rehetra, fa ho an'i Teofily....

Ny ho avin'ny firenena!

Ny tanora hono no ho avin'ny Firenena... Dia manontany tena aho hoe : "sao mba izany no mampahantra lava ny firenentsika ity?"... Ireo tanora nilahatra tamin'ny fanagasiana ny fampianarana, natao fitaovana politika hitadiavan'olom-bitsy tombontsoa fotsiny tamin'ny '72, dia efa...

vacances!

Elaela kely tsy nahita Blaogy indray e, Vacances hoe. Ataoko hoe Vacances, satria ny tena dikany amin'ny tenintsika dia hoe "fahabangana toerana" (vacance de poste) fa ny mahalaza azy kosa dia hoe "Miala sasatra dia mitaona zezika".   Tsy nanam-potoana...
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb