DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Ny fahatsiarovana ny maty!!! Mamoha fota-mandry!

harilova | 30 Oktobra, 2006 18:31

Ny 2 novambra dia natao hahatsiarovana ireo efa nodimandry. Fahatsiarovana nipoitra avy ao amin’ny Fivavahana katolika izy io[1], saingy ohatra ny fety kristianina rehetra, hany ka manjary hajaina fatratra, na tsy noho ny antony ara-pinoana aza, noho ny antony ara-ekonomika…
Tsy hojerena mandrakariva amin’ny lafiny ratsy anefa ireny fanararaotana ireny, satria ankoatra ny tsy fananana, zara aza tsy amin’ny zava-dratsy no hitadiavan’ny olona ny sakafo hohaniny, angamba mba famalian’ny Tompo  ny fangatahana any “hanina sahaza isan’andro” ireny, ka tokony hampitomboana sy atao matetitetika ny fety….
Ny mahalasa ny saiko dia hoe : nahoana kosa ny kristianina no tsy mba manararaotra ny fety hampielezana ny Finoany? (Na dia ny kristianina ihany aza no ankamaroan’ny Mpivarotra sy mpividy). Izay no mahatonga ahy hampahatsiaro kely ny tokony ho toe-tsaina sy ny toe-panahy tokony hanentana ny fo hahatsiaro ireo nodimandry.
Tsy azo adino aloha fa mahatsiaro ireo ny nodimandry ny Katolika isaky ny Sorona Masina, ankoatra ny Fanolorana Sorona Masina ho an’ireo nodimandry. Araka izany, raha Fisaorana an’Andriamanitra no hevitry ny hoe “Eokaristia” dia miainga avy amin’izay ny toe-tsaina enti-mahatsiaro ny maty : “Misaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra” (1 Tes 5, 16-18). Tsy hoe mahafaly antsika ny fahafatesan’ny havana sanatria fa kosa fiaikentsika fa tsy tompon’ny aina isika, Andrimanitra irery no Tompon’ny aina ka hainy ny hamerina izany araka ny famindram-po izay efa nosantariny tao amin’ny Zanany maty fa nitsangan-ko velona, dia i Jesoa Kristy Tompo.
Araka izany, ny vavaka ho fialantsasatry ny fanahin’ny maty, dia mitory finoana lalim-paka ny amin’ny fiainana any an-koatra. Miaraka amin’ny fety ankalazaina ny 1 novambra, ny olomasina rehetra, dia izay no mandrafitra ny Fiangonan’i Kristy : Ny Eglizy mifaly (ireo efa tafita any an-danitra), ny Eglizy mijaly (ireo mbola manefa ny sazim-pahotana) ary ny Eglizy Mpivahiny mahatsiaro fa mpindrana ny aina am'ity tany fandalovana ity.
Raha mivavaka ary isika mba ho tafita soa any an-danitra ireo havantsika, tsy azontsika atao ny tsy hiezaka ho mendrika ny lanitra koa, satria raha tsy izany, izy ireo ho tonga any ary isika ho very, dia vao mainka ho tafasaraka mandrakizay amin’ireo havantsika nodimandry isika.
Samia ela velona mandrapaha-fatiny.



[1] Araka ny tantatra ( Il santo del giorno di Mario Sgarbossa sy Luigi Giovannini, Ed. Paolini  1986 Torino) dia tamin’ny 998 no tena nielezan’ity fomba ity tao amin’ny monastera benediktina teo ambany fifehezan’ny Lehibe tao Cluny, Md Odilon, ary tafaely hatrany Roma tamin’ny taona 1311 tany ho any. Ny Papa Benoit 15 no nametraka azy ho fahatsiarovana ho an’ny Fiangonana manontolo tamin’ny taona 1915.

Ny ho avin'ny firenena!

harilova | 13 Oktobra, 2006 10:17

Ny tanora hono no ho avin'ny Firenena...

Dia manontany tena aho hoe : "sao mba izany no mampahantra lava ny firenentsika ity?"...

Ireo tanora nilahatra tamin'ny fanagasiana ny fampianarana, natao fitaovana politika hitadiavan'olom-bitsy tombontsoa fotsiny tamin'ny '72, dia efa zokiolona amin'izao fotoana izao, kanefa ilay ho avy nandrandraina tamin'izany fotoana izany, vao maika ratsiratsy kokoa....

Ny fiandrandrana ho avy mamirapiratra ankinnina amin'ny tanora dia famonoana ny firenena... Tsy ny tanora no ho avin'ny firenena fa izay ataontsika miaraka amin'ny tanora amin'izao fotoana izao...

Raha atao antsirambina ny ankehitriny dia ny ampitso no handoha ny tsosan'izany...

Ho avy izao ny fifidianana, mampalahelo raha mbola fampandriana adrisa ho an'ny ampitso no hambaboana ny mpiara-belona... Na "Fanantenana" vaovao, na "Dingana lehibe" na zavatra hafa... tsy tompon'ny ho avy isika fa izay ataontsika amin'izao fotoana izao no hitsaran'ny ho avy antsika...

Anjaranao ny misaintsaina izay anjara biriky azonao hanarenana ny ho avy... mety tsy ho anao, fa kosa tsy hanadinoan'ny tantara anao...

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb