DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Categorie: Ho an'ny Mpino

Marta sy Maria : mpirahavavy mpiray tampo!!! ???

Inona no mila asiana tsindri-peo? ny mivavaka sa ny milofo amin'ny asa? mety hanampy anao amin'izany ity fifampizarana ity. Araka ny Vaovao mahafaly ao amin'i Lioka 10, 38-42 dia mitantara ny resaka Maria sy Marta ny Evanjelista, ka tonga ao an-tsaina ny mety ho fampitahana na...

Ascension!

Niakatra any an-danitra hoe Ra-Zezo! Aleloia. Dia nanafatra fa ho eo amintsika mandrakariva!!! Ka tsy efa any an-danitra izany isika? Voalaza fa amin'ny toerana rehetra izy (jereo eto ), mahefa ny zavatra rehetra (jereo eto ) ary nitsangan-ko velona fa nandresy ny...

Didy vaovao sy ... didy tranainy : mitovy fa tsy sahala

Milaza amin'ny Mpianany i Jesoa fa hanome azy ireo " Didy vaovao " : ny mba hifankatiavan'izy ireo . (Jn 13, 31-33). Fa inona no mahasamihafa ity didy ity amin'izay efa nisy teo aloha? Mba handalinana io fampianaran'i Jesoa io di mahafaly ahy ny...

Fiangonana Fiombonana : izay ny Paka

Mbola misy kristianina ve eto an-tany? satria manko ny fialonana sy fifankahalana dia hita na ao anatin'ny Fiangonana aza. Ny Fiombonana sy ny fifankatiavan'ny kristiana ihany anefa no hahalalana fa mino marina an'i Kristy izy ireo : " Ny hahalalan'ny...

Inona no hahalalana fa mino ny olona iray???

Raha mino amin’ny fonao tokoa ianao   dia hovonjena , hoy ny mpitoriteny... dia hoy aho hoe mba tena mino ve izy ireo, sa mitory mba hahazo laza na hahazo tombontsoa? Inona no hahafantarana fa mino ny olona iray? Raha miresaka...
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb