"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 01 Jiona, 2007 18:37
Raha nanafatra ny mpianany i Jesoa hoe "mbola manana zavatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny..." (Jn 16, 12-15) dia midika fa mila fandalinana mandrakariva ny finoantsika. Tsy zavatra noraisina ka tahirizina manko ny finoana fa tahaka ny afo ka tsy maintsy mila ny kitay sy ny donak'afon'ny finiavana mba hitahirizana azy tsy ho faty.
1- Lova ny Finoana
Ny Fanahy izay hitari-dalana antsika ho amin'ny marina rehetra dia "tsy hiteny araka ny nahiny" fa hanambara izay rehetra reny... atao ahoana no hino an'izay tsy mbola re, hoy i Paoly, ary atao ahoana no handre raha tsy misy mpitory? (Rom 10, 14-15). Araka izany, ny Finoana dia "zavatra" mialoha antsika, tsy sanatria noforonin'ny saina fa kosa Lova ifandovana, ka ny hany loharano ipohirany dia Andriamanitra Ray mandefa ny Fanahy hiteny sy hitsòka amin'izay tiany.
2- Ifandovana amin'ny traikefam-piainana ny Finoana
Ny fijoroana ho vavolombelona ihany no hahafahana mampita ny tena finoana (Jn 3, 32). Ny Fanahy handray ny Finoana avy amin'i Kristy dia hampita izany amintsika. Tsy hiteny ho azy ny Fanahy fa hilaza ny zavatra ho avy : ny fanomezam-boninahitra an'i Kristy. Ny fitsipika ho an'ireo te hitory ny finoana, hoy ny Papa Gregoire Lehibe (532–604), dia tokana ihany : ao amin'ny fibanjinana ny Misterin'Andriamanitra, tahaka an'i Moizy izay miditra matetika ao amin'ny Tranolay fihaonana mba hiresaka amin'Andriamanitra, mba ho vonona hanompo marina ny vahoakany.
Ilay lovam-panahy nolraisintsika dia mitsimoka, mivelatra ka zary hazo ialofan'ny Voromanidina (Mt 13, 31). Ny Mpamboly mikarakara, fa miankina amin'ny tany ihany koa ny famokarana. Dia ho sanatria ve misy saha tsy azo karakaraina sy asiana zezika mba hamokatra? Ny fiainan'ny tsirairay azy araka izany no zary endrika hitaran'ny finoana. Raha toa ka tsy lasa fiainana ho an'ny Mpandova ny Finoana dia tsy afaka ny hamokatra.
3- Mahakasika ny atifanahy lalina ny finoana
"Ahy izay rehetra an'ny Raiko" hoy i Jesoa. Nolazaintsika fa loharanon'ny finoana ny Ray, nefa ilay finoana raisintsika kosa dia iezahantsika ho zary aina ivelomana, ka tsy ny tahotra an'Andriamanitra na noho ny henamason'ny fiaraha-monina no hibaiko fa ny fo amam-panahy babom-pitiavana ka te hamaly fitiavana.
Dingam-piainana araka izany ny fahamatoran'ny finoana ka raha mbola tsy mandrakotra ny fahamariana rehetra izy tsy tonga amin'izany fahamatorana izany. Raha mbola mahita fahamarinana hafa ankoatra izay inoantsika isika dia mbola hivaralila hatrany. Ny "marina" manko no hanafaka antsika (Jn 8, 32), satria izay miaina araka ny marina dia tsy hatahotra ny hijoro ho vavolombelona (Jn 3, 21).
Tsy natao hampatahotra antsika izany sanatria, satria ankoatra ny fahavononantsika hiasan'ny anahy dia ny Fanahy no handvorary izany ao amintsika. Tsy manafoana velively ny anjara tandrify antsika anefa ny fahasoavana fa mandavorary kosa izay efa natombony ao am-pontsika ary manosika ny finiavantsika hizotra ho amin'ny marina. Ny hany andrasany? Ny "ENY" tsy misy famahony avy amintsika.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jiona 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |