"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 30 Desambra, 2007 21:18
Rehefa nanombola moa dia tsy maintsy mamarana, ka ataoko angamba fa izao no farany hanoratako ho anareo eto amin'ny blaogy ity, satria noho ny antony tsy miankina amintsika dia tsy afaka ny hanohy intsony ny fizarana ho anareo eto aho amin'ity taona ity, sady maro loatra ny zavatra enjehina, ka noho izany dia mametraka ny veloma, ho mandrapitafa indray satria tsy afaka ny hifampizara ho anareo aho raha tsy amin'ny taona vaovao.
Lasa adala e! Vao mieritreritra ny handehanana hanao reveillon manko aho izao hoe ho aiza? ho any am-piangonana angamba no hihafarany!!!! Roa taona lasa izay nitakoko irery tao amin'ny lavarangan'ny tranonay no nataoko. Tamin'ny herintaona mba niaraka tam rahalahy malagasy sasantsasany! Amin'ity indray asa hanakory! Haka partener an'i Bodo sy Fara angamba fa misy an'aliny taonina mahery ny tsipoapoaka miparitaka aty naples anio hariva... Ammazza o!
Dia samia mahatratra ny voalohany.
Ah zao vao mandinika ny resa-piadanana sy tsipoapoaka! Andro iraisam-pirenena ho an'ny fiadanana hoe ny 1 janoary, angama lany napoaka ny alina ny vanja dia sady reraka ny nandihy sy nihinana (cenone) dia matory ny andro! un peu tranquille de bon!
Enga anie mba tsy ohatra ny vavak'ilay maty vady : Mandria am-piadanana ry malalako mba hiadanako koa (Qui giace il mio amore per la sua e la mia pace). Dia hoe hanakory koa! (tohiny)
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Desambra 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 | 31 |