29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!
harilova | 29 Martsa, 2008 11:17
Androany dia 29 martsa, ka ho anay nitombo tamin'ny Faritra Alaotra-Mangoro dia misy dikany manokana ity andro anio ity.
Maha-velom-bolo ny soson-kevitr'i Lapino momba ny teny malagasy, saingy ny heveriko fa laharam-pahamehana ho antsika ny mahatsiaro ireo Maherifon'ny Tanindrazana, nahafoy ny aina hiaro ny maha-malagasy. Fahaleovan-tena! Inona no hevitr'izany amin'izao fotoanan'ny fanatontoloana izao?
Mahaleo tena ve midìka hoe tsy mila ny hafa? Angamba tsy izay loatra! "Fahafahana mizaka tena ka tsy fehezin'ny hafa na miankin-doha amin'ny hafa intsony", hoy ny Rakibolana Malagasy.
Mahaleo tena i Madagasikara, raha izany, saingy tsy mahaleo tena ny Malagasy.
Raha mbola hosihosena ny zon'ny Valalabemandry, ka ny tombontsoan'olombitsy no andrandraina dia tsy misy fahalEovan-tena fa tena fahalovana izany.
Dia andao samy hiezaka ny tsy hialan'io E sarobidy io, izay tsipelim-piainana andavan'andro hiarahantsika mitolona.
E! izay entina miantso ny tsara sitra-po, handray an-tanana ny Fiandrianam-pirenena!
E! Angamba ny Erikerika maha-tondra-drano!
E! Antenaiko ny Ezaka ifanohantohanantsika ma hahay hifandray amin'ny hafa, saingy hiaro ny Fiandriana'ny Maha-Malagasy!