"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 07 Aprily, 2008 15:01
nalaza naneran-tany ny fako taty Naples, ary mbola hanalan-dry 'Kalamako anay eo foana moa izany. Ny tena nahalasa ny saiko anefa rehefa mba mandeha mamangy ireo fianakaviana Napoletana fantatro aty aho ny hakanton'ny ao an-tranony. Fomba fiteny ny hoe Madio ivelany tahaka ny fasana, fa ity fomba fiainan'ny olona aty tsy hitako izay hilazana azy.
Raha lazaina hoe tsy dia miraharaha ny ivelany, fa manome lanja ny ao anaty! Toa tsy marina loatra. toa Tanin'ny herisetra sy ny horohoro koa i Naples amin'ireo Camorrista (karazana Mafia izay fantatry ny maro, na dia tsy mitovy loatra aza). Dia inona ary ny Kolontsaina voizin'izany? Matetika isika no manarasty tena tahaka ny omby hantsika saingy ny Fanabeazana hikolokolo ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miaina no tsy ampy.
Vokatr'izany dia tsy misy miraharaha loatra izay hitambarana amin'ny hafa. Manambara izany ny building (palazzo) hiarahana mipetraka dia saika voretra be daholo ny ivelany, saingy raha villa manokana dia tahaka ny inona ny hatsarany!!! raha tsy hilaza afa-tsy ny fako aparitaka eran'ny arabe saingy tsy hitanao na ny misy ny fanariam-pako aza ao an-trano.
Tsy fanakianana be fahatany no tiako hifampizarana aminareo etoana satria maro koa ny zava-tsoan'i Naples (vedere Napoli e morire) saingy mba hanampy antsika hahatsapa tena amin'ny fibeazan-tena ho olom-banona, tsy andevozin'ny fitiavan-tena fa misokatra ho an'ny soa toavina iombonan'ny rehetra.
.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Aprily 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
27 | 28 | 29 | 30 |