"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 10 Martsa, 2009 09:07
Raha krisis (krizy) no resahana dia indraindray adino ny tena hevitr'ity teny ity... Tsy teny malagasy io, fantatsika izany, ary tsy teny frantsay koa... mitovy fototeny amin'izy io ny critère sy ny critique... Mandanjalanja (mitsara) no hevitry ny teny krìsis (grika). Fotoana fandanjalanjana sy famisavisana ny zava-mitranga ary ny krizy, araka ny fahendren-drazana hoe : "Hisavorivorian-kilantoana".
Fotoana handanjalanjana mba hahafahana manapa-kevitra ary ny fotoanan'ny krizy. Raha mandalo krisy politika isika, dia mandalo fotoana handalinana ny zava-mitranga, mba hahafahana mibanjina ny ho avy.
Mampalahelo ahy ny mamaky ny fitsarana an-tendrony sy ny fanehoan-kevitra toa mihantsy ady, hanomezan-tsiny ny an-daniny na ny ankilany, miaraka ami'ireo mpiandany amin'izy ireo. Saingy isika kosa, samia mandinika ny tenantsika tsirairay avy : Inona no nataoko hanehoako ny fitiavako ny Fireneko?
Toa resa-be manko ny hoe be ny mpanararaotra... Miaro ny tombontsoany fotsiny ny mpitondra... Fa iza amintsika no sahy milaza fa tsy mbola niaro ny tombontsoany manokana? Ary raha mandini-tena marina isika, moa ve tsy ny fahafaha-mividy ao an-tokantrano sy ny fisondrotan'ny farim-pananako no entiko mamaritra ny fandrosoana na ny fihemoran'ny fireneko? Dia lazaiko fa tsy miasa ny mpitondra rehefa voatohintohina ny tombontsoako manokana?
Asa re ra-olona, ambava homana am-po miherotra.... Fa na ny mpianakavy aza, efa tsy azo hitanisana intsony ny fahendren-drazana hoe : ny fihavanana no taloha, ka aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana!!!
Raha Tiako tokoa i Madagasikara... raha Vonona hampandroso azy marina aho, aoka mba ho tena krisy no hiainantsika fa tsy adikitrana... Aoka ny tsirairay tsy ho faly hanome tsiny ny hafa fa handinika sy hitantara kosa ny efa mba nataony (raha nisy) mba hanondrotana ity Firenena ity...
Sa dia sanatria, ny tombontsoan'olom-bitsy sy ny an'ny tena manokana no atao hoe : tombontsoam-pirenena????
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Martsa 2009 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
29 | 30 | 31 |