DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Fitiavana?

harilova | 30 Aprily, 2006 02:34

Anombohana ny dinidinika dia tsara ny miady varotra mialoha amin'ny atao hoe : fitiavana.

Amin'ny tontolon'ny teny manko dia mety manahirana raha toa ka tsy mifanaraka tsara amin'ny tiana holazaina satria ny Kristianina milaza fa "Andriamanitra dia Fitiavana", ny vazaha milaza fa "hanao fitiavana". Fa inona ity fitiavana ity?

Mba hitarihako ny sainao hahazo ny hamaritako ny fitiavana dia holazaiko aminao aloha ny tsy Fitiavana  dia atohiko eo ny heveriko ho Fitiavana. Asa raha miombon-kevitra amiko ianao :

  • Ny Fitiavana dia tsy Fifampijerena hifanatrehana, ka hifanenana dia samy tapitra eo ny lalan-kombana, fa kosa fijerena tanjona iray, fiaraha-mijery izay hifaharana, ka mifanampy, mifampitantana hahatratrarana ny tanjona...
  • Ny Fitiavana tsy fiaraha-mitoetra mandrakariva na sanatria fifamatorana mba tsy hisarahana intsony, fa kosa fironan'ny fo hahatsapa ny hasarobidin'ny tiana amin'ny fotoana tsy maha-eo azy...
  • Ny Fitiavana, tsy fikombonana amin'ny tontolon'olon-droa ka hifampiambina amin'ny hasarotam-piaro, fa fahamatorana sedrain'ny fanekena ny maha-izy azy ny hafa, amin'ny hatsarany sy amin'izay mety ho fahalemeny...
  • Ny Fitiavana? Miandry anao hametraka hevitra...

Lahatr'Andriamanitra sa Safidin'olombelona?

harilova | 30 Aprily, 2006 01:49

Fanontaniana mipetraka matetika ny hoe : lahatr'Andriamanitra ve ny zava-mitranga sa safidin'olombelona? Andriamanitra ve no mandahatra ny fiainantsika mialoha sa isika no misafidy izay atao?

Raha Andriamanitra manko no mandahatra ny zava-drehetra, dia tsy misy tokony hataontsika na ezaka hisasarantsika intsony izany satria mahefa ny zavatra rehetra Izy (http://harilova.blaogy.com/post/182/721).

Ny zava-misy andavanandro anefa dia toa milaza fa tsy misy izao Andriamanitra izao, satria raha misy izy dia nahoana no avelany hiady ny olona, nahoana no avelany ho faty mosary ny tany sasany, nahoana no ampitondrainy fijaliana aho...?

mahefa ny zava-drehetra ve izy dia hijery fotsiny ny fahoriako? Ataoko angamba fa ny valin'izay fanontaniana izay dia ny tenin'i Jesoa voahombo teo ambony hazo hoe : "Andriamanitra o! nahoana no dia nilaozana re ity izaho?"

Midika io fa azontsika atao tsara ny mitaraina ny fahoriantsika amin'Andriamanitra, tsy hoe hahazoana valliny eo noho eo, tsy hoe hiandrasana fahagagana sanatria, fa hanamafisana ny fitokisana aminy, ka hamaliany antsika sy hananganany antsika amin'ny fotoana hitany fa mahamety izany.

Diniho tokoa moa raha toa ka mampiasa ny fahefany hamaly ny vavaky ny mpanompony Andriamanitra, kanefa Izy aza mifampizara andraikitra (http://harilova.blaogy.com/post/182/721) na samy mahefa ny zavatra rehetra, raha toa ka mamaly ny vavaka ataontsika eo noho eo Andriamanitra, mbola hatoky azy ve isika sa hampiasa izany fahasoavana azo izany fotsiny hanangonana izay mahasoa ny tena na hamongorana izay mety manelingelina amin'ny fiainana?

Mazava loatra araka izany fa ny fijaliana sy ny fahoriana mahazo antsika tsy azontsika hilazana fa tsy afaka mandahatra ny zavatra rehetra Andriamanitra.

Ka raha izy ary no madahatra, azontsika atao ve ny manihitra izay voalahatr'Andriamanitra?

"Ilay nahary antsika tsy niera tamintsika, hoy i Augustin (mpandinika ny momba an'Andriamanitra tamin'ny taonjato fah-efatra) dia tsy hamonjy antsika tsy miaraka amintsika". Izany hoe miandry ny safidintsika mba hamonjeny antsika.

Raha efa voalahatra avokoa ny zavatra rehetra, dia tsy misy heviny ny vavaka ataon'ny mpino. Kanefa  hita ao amin'ny Baiboly fa ny vavaky ny olomarina manery an'Andriamanitra hiova hevitra (hanenina amin'ny loza nokasainy hafitsoka ny vahoaka, ohatra tany Niniva tamin'ny andron'i Jaonasa Mpaminany).

Ny valin'ny fanontaniana napetratsika araka izany dia miankina indrindra amin'ny fanekentsika  ny fahefan'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.

Azo ampifandraisina amin'ny resaka "lahatra" sy "anjara" araka ny fisainana malagasy io... na koa amin'ny fitenenana frantsay hoe "l'homme propose, Dieu dispose".

Ny olana anefa tsy hoe isika afaka na tsy afaka manao izay tiantsika hatao, satria tsy tompon'ny fotoana sy ny zava-mitranga isika, ary ekentsika marina tokoa fa misy hery hafa noho isika izay tsy azontsika tsinintsinoavina tsy hahafahantsika manatanteraka izay kinasa indraindray...

Ny olana dia hoe raha mandahatra ny zavatra rehetra Andriamanitra, nahoana ary no ...

Mbola hitohy...

manompo sampy ve ny manaja ny sary sy ny sarivongana?

harilova | 25 Aprily, 2006 03:29

Ny Katolika indrindra indrindra no manaja sy miankohoka amin'ireny sarivongana ireny, manompo sampy fa mivavaka amin'ny sarivongana...

Dia raikitra  ny ady mazàna, satria ny mpanenjika tsy mahafehy akory ny zavatra lazainy, ny enjehina indraindray tsy nandalina firy ny tena vontoatin'ny lovam-panahy arahiny ka ny ivelany fotsiny no fantany...

manompo sampy tokoa ve ny manao sary na sarivongana hajaina ao am-piangonana?

Lazain'ny Baiboly aloha fa tsy tokony hanao sarivongana ianao ka hiankohoka eo anoloany satria saro-piaro ny Andriamanitrao... Dia voizina izany hevitra izany hanenjehana ny katolika satria feno sary sy sarivongana ny Fiangonany sady izay miditra dia miankohoka na miondrika amin'ireny sarivongana ireny... Asanao lahy ra-Katolika...

Fa raha mbola tohizana ny famakiana ny Baiboly raha tsy hoe  angaha odiana fafàna  ny andalana sasany mitondra fanorisorenana na tsy mifanaraka amin'ny hevitry ny tena, dia ireo zanak'israely ireo, nitondra ny Didy Folo natao tao anatin'ny Fiaran'ny Fanekena ka najaina tao an-tranolay, ary ny Mpanjaka Davida tsy nahatanty izany ka nanao hoe : "Sanatria raha izaho hitoetra ao an-tempoly sedera, ka ny Tompo kosa ao an-tranolay..."

Azo jerena koa ny momba ny bibilava varahina izay nataon'i Mosè ka nijeren'ny Israelita mba hahasitrana azy : tsy ny bibilava no nahasitrana fa ny finoana an'Andriamanitra izay manome hery araka izay sitraky ny fony...

Ilay fanaovana sarivongana voalaza fa noraran'ny baiboly dia ilay sariomby anidina (varahina) izay nataon'ny zanak'Israely satria hoe tsy fantatra na maty na velona i Mosè lasa any Horèba... tsy sarin'Andriamanitra fa sary andriamanitra araka ny fomban-tany ejipsiana sy ny tany manodidina, tsy Andriamanitra no noezahany naseho tao amin'ny sary fa ny harena sy ny tsiron'ny hen'omby nahamanina azy tany Ejipta...

Midika araka izany fa ilay Fiaran'ny Fanekena dia tandindona nampahatsiaro an'Andriamanitra teo anivon'ny vahoakany, tsy ilay Fiaran'ny Fanekena no hajaina fa ilay Andriamanitra ambarany.

Tsy fanompoan-tsampy araka izany ny fanajana ny sary raha toa ka entina hampahatsiaro antsika ny olona ambarany izy. Ny fanajana ny olomasina aza moa hoa n'ny katolika dia fanajana sy fankalazana ny asan'Andriamanitra ao amin'ny halemen'ny olombelona...

Ankoatra izany, manana fahafahana manambara ny tsy hain'ny vava (teny) sy ny soratra ambara ny sary, fa sady famintinana ny tiana ambara izy no koa milaza mihoatra izay azo ambara :

Raha hiteno aho ohatra hoe Andriamanitra tokana olona telo, ohatrohatr'izao ny Ray, tahatahaka izao ny zanaka sy ny Fanahy, dia ataoko sary izany ka na ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza, raha tsy hoe sanatria jamba dia afaka mandinika sy mahazo izay ambaran'ny sary.

Izay mampiasa ny baiboly araka izany nefa milaza fa tsy azo atao sary Andriamanitra dia tokony handini-tena satria na ny baiboly aza izay soratra dia karazana sary ihany, ka tokony hodorany...sanatria anie izany.

Mila fitandremana ihany anefa satria indraindray ny zavatra miseho ataon'ny katolika na ny hafa izay tsy dia lalim-pinoana loatra dia entin'ny sasany hanaratsiana ny finoan'ny Fiangonana manontolo.

Mampandinika indraindray ny mahita ny mpino sasany manaja kokoa ny olomasina noho ilay Andriamanitra loharanon'ny Fahamasinany...

Anjaranao ny mandinindinika sy misaintsaina fa koa mampahatsiaro ny tokony ho izy amin'ny hafa...

Ny maha-Trinite an'Andriamanitra

harilova | 24 Aprily, 2006 02:14

Mampaninona ahy tokoa moa raha toa ka Trinite na tsia izao Andriamanitra izao?

Ny Silamo manenjika ny kristianina, indrindra ny katolika fa hoe mino Andriamanitra maro (Polithéistes), satria hoe tsy Andriamanitra izao Jesoa izao fa na ilay Kristy aza (ilay Voahosotra) dia Mpaminany lehibe fotsiny.

Ho an'ireo milaza ho mino an'Andriamanitra Trinite tokoa dia tsy afaka ny hanao valin-teny bontolo be fotsiny izao mba hampita izany foto-pinoana izany amin'ny hafa, indrindra amin'ny mbola tsy mino.

Angamba efa mba nanana traikefa miresaka zavatra iray amin'ny olona tsy mahalala izany mihitsy ianao fa ny heviny ihany no asesiny...

Ny mety hoy Tonino Bello izay, rehefa miresaka momba an'Andriamanitra amin'ny mbola tsy mahalala azy ka manontany hoe : "Fantatrao ve Andriamanitra?" dia valio hoe :"fantatrao ny omby? Fantatrao ny olona?... Anontanio izay zavatra fantany... dia farano hoe : "tsy ireny Andriamanitra fa Hafa izy..."

Atao ahoana tokoa moa no hitenenanao amin'ny olona iray ao anaty fahoriana sy fijaliana fa tia azy Andriamanitra, raha toa ka tsy miezaka hampiseho aminy ny atao hoe : Fitiavana ianao? Ny teny hilazana an'Andriamanitra amin'ireny olona ireny dia fanesoana azy raha tsy ialohavan'ny asa fiantrana nambabo ny fony...

Izany no entiko mampiditra ny resaka hilazana fa tsy ho afaka hilaza isika hoe Fitiavana Andriamanitra, raha tsy Izy aloha no miseho ho taratra amin'izany Fitiavana izany. Vakio ireo nosoratako momba ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra, fa fanehoam-pitiavana ireny...

Mba ho tara-pitiavana ho antsika no nisehoan'Andriamanitra ho antsika... Nahoana ary no tsy roa izy na tokana monja na efatra... fa telo?

Ankoatr'izay mety ho azo ambara dia tsara ho fantatra fa ny fisehoan'Andriamanitra amintsika araka ny baiboly dia tsy vokatry ny saina na ny Fikarohana fa kosa Fanambarana (RéVélation), ka ireo olona nentanin'ny Fanahin'Andriamanitra no nanoratra araka ny Fanambarana, kanefa koa araka ny foto-pisainana sy ny literatora nisy tamin'ny fotoana nanoratany...

Raha jerenareo ireo andala-tSoratra Masina milaza ny Trinite, atomboka ao amin'ny fahariana (Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika [Jenezy]...) izay mifanahaka amin'ny fomba fitantaran'ny Tatsinanana ny Fahariana tamin'izany fotoana izany... dia hita ireo olona telo ireo : ny Mpahary, ny Teny nentina nahariana ary ny Fanahy nampisy aina ny voahary. Taorian'ny nampidiran'i Tertullien(115-222) ny teny Trinitas ao amin'ny voambolana latinina  dia hoy i Augustin (354-430) hoe Ireo ilay Mpitia, ilay Tiavina ary ilay enti-mitia (Fitiavana).

Io isa telo io dia misy heviny lalina amin'ny kolotsaina jody : manambara  ny zavatry ny lanitra io (ny isa efatra kosa manambara ny momba ny tany = ny Fito maneho ny fitambarany, ny hafenoana, isa masina).

Tsy hoe kisendrasendra araka izany no maha-olona telo an'Andriamanitra tokana fa kosa fanehoam-pitiavana amin'ny hafenoana. mahalasa saina antsika trimurti an'ny finoana hindò...

Raha mijery ireo sary fanehoana an'ireo olona telo ireo isika dia mahita fa tsy mitovy mandrakariva ny fipetrak'ireo olona telo ireo : ny sarin'i Roublev ohatra  (sary) dia eo ampovoany ny Zanaka, amin'ny sary hafa kosa indray dia ilay Fanahy no eo afovoany...

Araka ny toe-tsaina sy ny foto-pisainana jody dia izay eo afovoany no manao ny asa, ny eo an-kavanana no mpaniraka, ny eo an-kavia mpanolo-tsaina.

Araka izany, ny Ray dia teo ampovoany tamin'ny fotoan'ny Fahariana ; ny Zanaka tamin'ny fotoan'ny Fanavotana, ary ny Fanahy kosa amin'izao fotoana farany izao, mandavorary ny zavatra rehetra.

Tsy afaka ny hilaza isika araka izany fa Fitiavana Andriamanitra raha tsy amin'ny alalan'izany fisehoana sitrany hahalalantsika azy izany. Mistery izany ka tsy ho takatry ny saintsika, kanefa raha iezahantsika hihainana ny Fitiavana ary misokatra ny masom-panahitsika hahita ireo asa fanehoam-pitiavana manodidina antsika fa tsy akimpin'ny fialonana sy ny avonavona, dia afaka hahita bebe kokoa ny maha-Trinite an'Andriamanitra.

 (tohiny)

Ilaina ve ny milaza ny fahotana amin'ny pretran'ny Fiangonana?

harilova | 22 Aprily, 2006 01:07

Adihevitry ny taona maro ny momba ny konfesy : Andriamanitra irery ihany ny anay no mamela heloka ka tsy ilainay velively ny hikonfesy any amin'i Mompera...

Sendra namaky ny vaovao mahafaly amin'ny Jaona amin'izay milaza ny fitsanganan'i Jeso ho velona aho, dia nahita ny teny hoe : "Fiadanako no omeko anareo... raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia voavela, izay hotananareo dia ho voatana".

Lasa ny saiko hoe dia tena fanomezana fahefana hamela heloka tokoa ve izany?

Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny Katolika inahy no mikonfesy fa ny hafa koa : ny loteranina ohatra dia mikonfesy koa ka anontanian'ny Mpitandrina raha toa ka inoany ny famelana dia omena azy...

Tsy ady hevitra momba izay no tiako homena anao eto fa kosa singan-kevitra vokatry ny fandinihako momba ity famelan-keloka ity :

ahoana tokoa moa no any amin'Andrimanitra irery ihany aho no tokony hibebaka sy hifona satria izy irery ihany no mpamela heloka?

Mba hampahazava izay tiako holazaina dia aleo aloha omeko anao n y famaritana ny atao hoe Fibebahana araka ny hevitro. Raha ny dikan-teny vahiny milaza azy dia ny teny grika hoe "metanòià" midika fiovan'ny atifanahy; amin'ny teny ebrio dia hoe "shob" na hoe todika ivoho.

ity farany ity no tiako kokoa satria ny fibebahana ho ahy dia miainga avy amin'ny fahatsapako fa tsy nety ny nataoko ka mila miiova lalana aho.

Raha fiovana lalana ary ny fibebahana, mba hiverina any amin'Andriamanitra aho satria nanota dia any amin'Andriamanitra ve no  lalako?

Tsia hoy aho : ny fahotana sy ny heloka rehetra nataoko dia tsy hoe nataoko mivantana amin'Andriamanitra, tsy misy nivantana tamin'Andriamanitra na iray aza, fa kosa nampitondra fahoriana ny olombelona nifanerasera tamiko, dia nahoana moa rehefa miverina aho no handeha "direct" any amin'Andriamanitra?

Izay dia mampisy heviny ity konfesy ity, sitrak'Andriamanitra ny fanetrentsika tena eo anatrehan'ny olona omeny fahefana, fa mialoha izany aza eo anatrehan'izay nahadiso antsika ka  mangata-pamelana aminy sy mitady fomba hanonerana izany heloka izany...

satria tokoa manko, raha toa ka zavatra tsy mifandanja akory amin'ny heloka vitako no atoron'ny pretra ahy ho aza fanonerana, rariny ve izany eo anatrehan'izay niharitra ny mafy noho ny hadalana vitako?

anjarantsika ny mandini-tena...

1 2 3  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb