DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Ny maha-Trinite an'Andriamanitra

harilova | 24 Aprily, 2006 02:14

Mampaninona ahy tokoa moa raha toa ka Trinite na tsia izao Andriamanitra izao?

Ny Silamo manenjika ny kristianina, indrindra ny katolika fa hoe mino Andriamanitra maro (Polithéistes), satria hoe tsy Andriamanitra izao Jesoa izao fa na ilay Kristy aza (ilay Voahosotra) dia Mpaminany lehibe fotsiny.

Ho an'ireo milaza ho mino an'Andriamanitra Trinite tokoa dia tsy afaka ny hanao valin-teny bontolo be fotsiny izao mba hampita izany foto-pinoana izany amin'ny hafa, indrindra amin'ny mbola tsy mino.

Angamba efa mba nanana traikefa miresaka zavatra iray amin'ny olona tsy mahalala izany mihitsy ianao fa ny heviny ihany no asesiny...

Ny mety hoy Tonino Bello izay, rehefa miresaka momba an'Andriamanitra amin'ny mbola tsy mahalala azy ka manontany hoe : "Fantatrao ve Andriamanitra?" dia valio hoe :"fantatrao ny omby? Fantatrao ny olona?... Anontanio izay zavatra fantany... dia farano hoe : "tsy ireny Andriamanitra fa Hafa izy..."

Atao ahoana tokoa moa no hitenenanao amin'ny olona iray ao anaty fahoriana sy fijaliana fa tia azy Andriamanitra, raha toa ka tsy miezaka hampiseho aminy ny atao hoe : Fitiavana ianao? Ny teny hilazana an'Andriamanitra amin'ireny olona ireny dia fanesoana azy raha tsy ialohavan'ny asa fiantrana nambabo ny fony...

Izany no entiko mampiditra ny resaka hilazana fa tsy ho afaka hilaza isika hoe Fitiavana Andriamanitra, raha tsy Izy aloha no miseho ho taratra amin'izany Fitiavana izany. Vakio ireo nosoratako momba ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra, fa fanehoam-pitiavana ireny...

Mba ho tara-pitiavana ho antsika no nisehoan'Andriamanitra ho antsika... Nahoana ary no tsy roa izy na tokana monja na efatra... fa telo?

Ankoatr'izay mety ho azo ambara dia tsara ho fantatra fa ny fisehoan'Andriamanitra amintsika araka ny baiboly dia tsy vokatry ny saina na ny Fikarohana fa kosa Fanambarana (RéVélation), ka ireo olona nentanin'ny Fanahin'Andriamanitra no nanoratra araka ny Fanambarana, kanefa koa araka ny foto-pisainana sy ny literatora nisy tamin'ny fotoana nanoratany...

Raha jerenareo ireo andala-tSoratra Masina milaza ny Trinite, atomboka ao amin'ny fahariana (Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika [Jenezy]...) izay mifanahaka amin'ny fomba fitantaran'ny Tatsinanana ny Fahariana tamin'izany fotoana izany... dia hita ireo olona telo ireo : ny Mpahary, ny Teny nentina nahariana ary ny Fanahy nampisy aina ny voahary. Taorian'ny nampidiran'i Tertullien(115-222) ny teny Trinitas ao amin'ny voambolana latinina  dia hoy i Augustin (354-430) hoe Ireo ilay Mpitia, ilay Tiavina ary ilay enti-mitia (Fitiavana).

Io isa telo io dia misy heviny lalina amin'ny kolotsaina jody : manambara  ny zavatry ny lanitra io (ny isa efatra kosa manambara ny momba ny tany = ny Fito maneho ny fitambarany, ny hafenoana, isa masina).

Tsy hoe kisendrasendra araka izany no maha-olona telo an'Andriamanitra tokana fa kosa fanehoam-pitiavana amin'ny hafenoana. mahalasa saina antsika trimurti an'ny finoana hindò...

Raha mijery ireo sary fanehoana an'ireo olona telo ireo isika dia mahita fa tsy mitovy mandrakariva ny fipetrak'ireo olona telo ireo : ny sarin'i Roublev ohatra  (sary) dia eo ampovoany ny Zanaka, amin'ny sary hafa kosa indray dia ilay Fanahy no eo afovoany...

Araka ny toe-tsaina sy ny foto-pisainana jody dia izay eo afovoany no manao ny asa, ny eo an-kavanana no mpaniraka, ny eo an-kavia mpanolo-tsaina.

Araka izany, ny Ray dia teo ampovoany tamin'ny fotoan'ny Fahariana ; ny Zanaka tamin'ny fotoan'ny Fanavotana, ary ny Fanahy kosa amin'izao fotoana farany izao, mandavorary ny zavatra rehetra.

Tsy afaka ny hilaza isika araka izany fa Fitiavana Andriamanitra raha tsy amin'ny alalan'izany fisehoana sitrany hahalalantsika azy izany. Mistery izany ka tsy ho takatry ny saintsika, kanefa raha iezahantsika hihainana ny Fitiavana ary misokatra ny masom-panahitsika hahita ireo asa fanehoam-pitiavana manodidina antsika fa tsy akimpin'ny fialonana sy ny avonavona, dia afaka hahita bebe kokoa ny maha-Trinite an'Andriamanitra.

 (tohiny)
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb