"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 26 Jolay, 2006 01:51
Tsy nanam-potoana hanoratana Blaogy ho anao aho elaela izay satria tena tsy nanam-potoana firy aho fa vacances ny dabiliom-pianarana fa izaho kosa nitombo ny asa niandraiketana.
Fialan-tsasatra hoy isika, nefa araka ny tsapako, asa raha miombon-kevitra amiko ianao, toa vao maika fotoana tsy misy ialana sasatra.
Tsy hiditra amin'ny famakafakana ny dikan-teny loatra aho fa sao izaho no lasa "vacances" eo, izany hoe ho very toerana, satria toerana banga no tiana holazaina amin'ny hoe "Vacances";
Manampy antsika anefa izany, indrindra izay te hampiasa ny fotoana toy itony ho amin'ny mahasoa, handamina ny tokony hatao.
Araka izany, rehefa vacances ny andro, ny dabilio any an-tsekoly no vacances fa tsy ny Mpianatra, izay no maha- 'pluriel' azy mandrakariva fa maromaro angamba ny dabilio;
Mazana anefa mifamadika ny rasa, ny mpianatra indray no lasa vacances fa tsy ny sekoly, izany hoe tsy mandraharaha ny fianarany intsony ny mpianatra raha tsy amin'ny fidirana indray.
Ny ankamaroan'ny fomba aty an-dafy izay heverina hampidirina koa amin'ny fampianarana ambony any amintsika, amin'ny fanangonana credits (système LMD) dia mahatonga fitohizana sy fifampiankinan'ny taom-pianarana, ka tsy hahafahana manadino izay nianarana satria manko mitohy tanteraka ny fampianarana sady mifampiankina.
Ny antsika any Madagasikara moa, indrindra ho an'ny zanaky ny Mpamboly dia fotoan'ny fiasana tany ny fialan-tsasatry ny sekoly izany hoe fotoana mahabe ny asa. Ho an'ny aty Europa kosa dia amin'ny fotoana mafana be tsy hahafahana miasa no anaovana ny vacances, ary mahagaga ahy fa maro no manemotra ny fanadinana ho amin'ny session faharoa amin'ny septembre, izany hoe manararaotra ny vacances (fahabangan'ny dabilion-tsekoly) ho fotoana fanomanana fanadinana.
Dia irariako tsy ho toa ahy ianareo fa izaho manko tamin'ity vacances ity vao mainka matory tara, mikorana sy milalao miaraka amin’ny namana satria tsy matahotra ny hatory am-pianarana (sady tsy manam-potoana ny atoandro fa samy revo manenjika asa e), dia vao mainka reraka satria na ny fotoana mba natokako ialana voly amin'ilay reraky ny fianarana iny aza lasa fotoana hanenjehana ny tsy vita noho ny fiarahana amin'ny namana na noho ny fitsangatsanganana... fa indrindra noho ny "contre-temps".
Aleo miala sasatra dia mitaona zezika...
Dia izao e...
Raha tianao hitondra fahombiazana ho an'ny taona manaraka ny fialam-boly dia tokana no torohevitro ho anao : aza avela handeha ho azy ny fotoana fa asio fandaharana mazava amin'ny fandaniana azy.
Ny hiezahako manao izao dia ny mianatra manaraka fandaharam-potoana maty paika, azoko atao samirery tsy voafehin'ny Fianarana sy ny asa, fa sady mampitombo ny fahamatorako izay no antoky ny fahasamalako... amin'izay tsy izaho no vacances (banga) fa ny toerana avelako fotoana fohy fa mbola hiverenako.
harilova | 07 Jolay, 2006 11:10
Salamo manambara fitokiana amam-pangatahaha eo anatrehan'ny fanaratsian'ny fahavalo ity Salamo ity, kanefa ihany koa salamo mamintina ny fomba hifandraisan'ny Mpino amin'Andriamanitra.
Ao anatin'ny fitantarana "ilay Mpaminany tsy masina an-taniny" moa no androsoan'ny Litorjia Katolika ny fandinihana ity Salamo ity.
I Ezekiela (2,2-5) dia voahiraka ho eo ampovoan'ny Vahoaka mafy loha sy tsy mety hihova, mba hampahatsiaro mandrakariva fa eo afovoan'ny vahoakany ny Tenin'Andriamanitra (izay no asan'ny Mpaminany).
I Paoly anefa milaza fa na eo aza izany asa sarobidy izany dia mazàna ilay voahiraka mihitsy no tonga malemy mba tsy hirehareha amin'ny fahombiazany fa hifikitra mandrakariva amin'ny fahasoavan'Andriamanitra (2Kor 12,7-10).
Dia tohizan'i Marka (6,1-6) hoe "tsy ho masina an-taniny ny mpaminany".
Lavitra ilay samy masina an-taniny fitenintsika ity. Nahoana tokoa moa no tsy zakan'ireo mpiray tanàna aminy ny maha-Mpaminany an'i Jesoa?
Tsy ho azontsika izany raha tsy verenana jerena manontolo ny fitantaran'i Marka ny atao hoe Finoana fa indrindra ilay Jesoa toa tsy mandraharaha akory ireo mpiara-belona aminy fa variana "matory" fotsiny.
Ity Salamo ity ary, dia azo heverina fa mamintina ny mety ho fifandraisantsika amin'Andriamanitra, indrindra manoloana ny mety ho olana diavina eo amin'ny Fiainana.
Fa ahoana tokoa moa izany Fiandrandràna ny tanan'ny Tompony izany? Inona no andrandraintsika avy amin'ny tanan'ny tompontsika?
Vokatr'ireo foto-pisainana roa ireo dia misy ny mpino manadino ny ezaka tokony hataony satria hoe : Andriamanitra no mandahatra ny zava-drehetra, ka izay "mahasoa ataon'Andriamanitra". Misy kosa ny madino ny Fahasoavana hahafahany miroso ara-panahy ka manao araka ny fahendreny fotsiny.
Ny famintinan'i Ignace de Loyola (mety hanampy anao) izany dia hoe "mivavaha ho toy ny miankina amin'Andriamanitra ny zava-drehetra, ary miasaha ho toy ny miankina aminao ihany koa".
Mandrisika antsika handanjalanja mandrakariva izany mba tsy ho sanatria ny fangatahana ny fahasoavana no hisosoan'ny hakamoana ka hanadinoana ny ezaka tokony hatao, na koa ho sanatria ny filofosana hanao ezaka no hanadinoana fa raha tsy "Izy" tsy mahefa na inona na inona isika.
Miandrandrà ny tanan'ny Tompontsika, matokisa Azy fa sady miaro antsika amin'ny fahavalo izy no manome izay ilaintsika. Aza adino koa anefa fa manondro izay lalana tokony hombantsika koa Izy...
harilova | 04 Jolay, 2006 00:38
Nahoana ary no tsy tafavoaka ny Firenena sa tsy nino? Zavatra mba tsikaritro ao amin'ny Lalam-panorenantsika anefa fa "mino an'Andriamanitra Andriananahary isika malagasy" na dia "repoblika laika" aza ka malalaka ny resaka ara-pinoana!!!
> Inona marina izy ity? Ny resaka finoana efa manjavozavo na any amin'ny tany mandroso aza. Ny "moines amin'ny endriny vaovao" lazain'i Hery ireny ve izao mivavaka am-pinoana sa amin'ny hakamoana? Jereo eto . Avelao any aloha izany fa raha nino isika mety ho nandroso ihany ny fiirenena!
Raha tohizina ny resaka momba ilay vehivavy nositranin'i Jesoa (Tamberina) dia tsy ny zavatra nihatra tamin'ny tenany, fa ny henony nolazaina momba an'ity Mpaminanin'i Nazareta ity no atao hoe : finoana.
Nino izy satria naheno fa nanao soa tamin'ny hafa i Jesoa. Araka izany dia tsy hiandry ny soa azontsika isika vao ho afaka hino.
Mety hilaza ianao hoe : ngah moa tsy mandroso ity firenentsika ity no lazaiko hoe tsy mbola mino? Tsy te ho mpitsara izany aho sao lazain'ny sasany ho manao fampielezan-kevitra eto. Fa izao kosa...
Angamba hoy aho, na misavoritaka aza ny fomba filazako azy, (fa sady ara-pinoana no ara-politika ): "mila mijery ny soa nataon'i Jesoa tamin'ny Firenena mandroso isika mba hinoantsika ihany koa ny atao hoe : FANDROSOANA".
Dia asa na oviana vao tena hisy "angaredona" ny fifidianana ataontsika, ka hahita fa amin'ireo firenena heveriko ho nino ny fandrosoana mazàna dia mivondrona ho antoko roa ny mpifaninana rehetra (ny hery ankavanana sy ny hery ankavia).
Kanefa mampalahelo fa na ny ankavanana sy ankavia aza tsy mbola haintsika manavaka! na mba tsy hamely mafy kokoa satria mba nianatra ihany izy ireo, tsy hain'ny mpanao politika eto amintsika mifidy...
Dia minoa fotsiny ihany! an-dRa-Politika... fa izaho aloha zavatra efatra no inoako :
Fa mbola mangataka amin'i Jeso toy ilay Raim-pianakaviana niangavy Azy aho hoe : "mino aho fa mba vonjeo re ity tsy finoako", mba hinoako koa fa "tsy hisy risoriso amin'ny fifidianana ho avy"
harilova | 01 Jolay, 2006 23:42
Tsy zoviana amintsika ny lazan'izany teny izany, dimy taona lasa izay. Dia tena marina tokoa ve fa ampy ny mino fotsiny ihany?
Tsy resaka politika no hozaraiko aminao eto na dia tao amin'ny rivotra politika aza no nivoizana izany "slogan", nefa tenin'ny Evanjely izany fa kosa fihezahana hifampizara hoe inona tokoa ny Finoana?
Raha fakafakaintsika ireto Vakiteny ireto : Fahendrena (1, 13-24), 2Korintiana (8, 7-15) ary ny Filazantsara araka an'i Marka (5, 21-43), dia ahitantsika ny votoatin'ny atao hoe Finoana.
Ny Bokin'ny fahendrena dia manohy ny fandinihana momba ny Misterin'ny olombelona : nohariana ho sambatra sy nitovy endrika amin'Andriamanitra ny olombelona ka nahoana no mijaly? Mafimafy kokoa moa no ilazan'ny Bokin'i Joba an'io hoe : nahoana no tra-pahoriana ny olo-marina?
Mametraka olana momba ny fahamarinan'Andriamanitra izany fijalian'ny olomarina izany, ary toa mampieritreritra hoe : "Faly mahita antsika mijaly Andriamanitra"... Tsy izany anefa...
Ny fijaliana dia manjary misy heviny hoy i Paoly fa hahafahantsika miombona amin'i Kristy sy maka tahaka azy izay nanaiky hijaly mba hamonjy antsika... Dia Izy Kristy rahateo no niezaka hanafaka ny rofy rehetra sy nanao soa tamin'izay nandalovany.
Eo am-pamakiana io Evanjely io (Mk 5, 21-43) dia niheritreritra aho hoe : dia tsy maintsy hiandry roa ambin'ny folo taona ve aho vao ho henoim-bavaka tahaka ny zanaka vavin'i Jaira na tahaka ilay vehivavy nitsi-drà?
Tsy dia izay loatra fa ireo no mampiseho amintsika fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Finoana fa tsy ezaka avy amintsika olombelona, hany ka sitrany ny manome antsika izany finoana izany, rehefa lany ny fahaizantsika olombelona, tahaka an-drazazavavy nandany vola tany amin'ny mpanao fanafody, tahaka an'i Jaira efa niandry ny zanany vavy ho ambahoana...
Dia mino fotsiny ihany...
Amin'izay ilay finoana tsy hoe fiandrasana fotsiny izay mitranga fa kosa fitokisana amin'ny Fitiavan'Andriamanitra, manome mihoatra ny herintsika. Izay no manova ny fomba fihevitra sy ny fiainantsika, hanova ny fomba fivavahantsika satria i Kristy tsy nanao fahagagana mba hinoantsika fa mitaky ny Finoana mba hanao fahagagana.
Raha mahatsapa izany isika dia tsy hangataka intsony ny fahagagana ho tanteraka fa hangataka kosa ny Finoana hahafahany manao fahagagana eo amin'ny Fiainantsika...
Amin'izay dia ny vavaka ataontsika dia ho fisaorana zy, ho fametsovetsoana ireo soa nomeny, na ho antsika na ho an'ny hafa, ary izay fitanisana ny zava-tsoa vitany izany no hampitombo ny fitokisantsika Azy, tahaka an'ilay vehivavy nino Azy satria naheno ny lazany, ka hahatonga antsika koa hanana ilay finoana manery antsika hikasika ny rambon'akanjony : izany no fahagagana hahafahantsika milaza hoe "ampy ny mino fotsiny ihany".
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jolay 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 | 31 |