"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 01 Jolay, 2006 23:42
Tsy zoviana amintsika ny lazan'izany teny izany, dimy taona lasa izay. Dia tena marina tokoa ve fa ampy ny mino fotsiny ihany?
Tsy resaka politika no hozaraiko aminao eto na dia tao amin'ny rivotra politika aza no nivoizana izany "slogan", nefa tenin'ny Evanjely izany fa kosa fihezahana hifampizara hoe inona tokoa ny Finoana?
Raha fakafakaintsika ireto Vakiteny ireto : Fahendrena (1, 13-24), 2Korintiana (8, 7-15) ary ny Filazantsara araka an'i Marka (5, 21-43), dia ahitantsika ny votoatin'ny atao hoe Finoana.
Ny Bokin'ny fahendrena dia manohy ny fandinihana momba ny Misterin'ny olombelona : nohariana ho sambatra sy nitovy endrika amin'Andriamanitra ny olombelona ka nahoana no mijaly? Mafimafy kokoa moa no ilazan'ny Bokin'i Joba an'io hoe : nahoana no tra-pahoriana ny olo-marina?
Mametraka olana momba ny fahamarinan'Andriamanitra izany fijalian'ny olomarina izany, ary toa mampieritreritra hoe : "Faly mahita antsika mijaly Andriamanitra"... Tsy izany anefa...
Ny fijaliana dia manjary misy heviny hoy i Paoly fa hahafahantsika miombona amin'i Kristy sy maka tahaka azy izay nanaiky hijaly mba hamonjy antsika... Dia Izy Kristy rahateo no niezaka hanafaka ny rofy rehetra sy nanao soa tamin'izay nandalovany.
Eo am-pamakiana io Evanjely io (Mk 5, 21-43) dia niheritreritra aho hoe : dia tsy maintsy hiandry roa ambin'ny folo taona ve aho vao ho henoim-bavaka tahaka ny zanaka vavin'i Jaira na tahaka ilay vehivavy nitsi-drà?
Tsy dia izay loatra fa ireo no mampiseho amintsika fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Finoana fa tsy ezaka avy amintsika olombelona, hany ka sitrany ny manome antsika izany finoana izany, rehefa lany ny fahaizantsika olombelona, tahaka an-drazazavavy nandany vola tany amin'ny mpanao fanafody, tahaka an'i Jaira efa niandry ny zanany vavy ho ambahoana...
Dia mino fotsiny ihany...
Amin'izay ilay finoana tsy hoe fiandrasana fotsiny izay mitranga fa kosa fitokisana amin'ny Fitiavan'Andriamanitra, manome mihoatra ny herintsika. Izay no manova ny fomba fihevitra sy ny fiainantsika, hanova ny fomba fivavahantsika satria i Kristy tsy nanao fahagagana mba hinoantsika fa mitaky ny Finoana mba hanao fahagagana.
Raha mahatsapa izany isika dia tsy hangataka intsony ny fahagagana ho tanteraka fa hangataka kosa ny Finoana hahafahany manao fahagagana eo amin'ny Fiainantsika...
Amin'izay dia ny vavaka ataontsika dia ho fisaorana zy, ho fametsovetsoana ireo soa nomeny, na ho antsika na ho an'ny hafa, ary izay fitanisana ny zava-tsoa vitany izany no hampitombo ny fitokisantsika Azy, tahaka an'ilay vehivavy nino Azy satria naheno ny lazany, ka hahatonga antsika koa hanana ilay finoana manery antsika hikasika ny rambon'akanjony : izany no fahagagana hahafahantsika milaza hoe "ampy ny mino fotsiny ihany".
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jolay 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 | 31 |