"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 23 Novambra, 2006 20:46
Mankalaza an'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao ny katolika amin'ny alahady faran'ny taona litorjika (1). Zavatra roa no tiako hozaraina aminao eto : ny momba an'i Kristy Mpanjaka sy ny vokatr'izay eo amin'ny fiainan'ny Vahoakany...
1- Kristy Mpanjaka :
Tamin'ny alahady teo dia novakiana tao am-piangona amin'ny fanompoam-pivavahana Katolika ny Evanjely nosoratan'i Marka (13, 23-32). Efa fanomanana ny fety io Vaovao Mahafaly io satria milaza ilay Zanak'olona tsy mahalala ny farandro... Andriamanitra voafetra ve izany ilay Jesoa Mpanjaka? Tsy dia izay loatra angamba fa kosa mampianatra antsika ny fahalalana sy ny fiaikena ny fetran'ny tena... Tsy anisan'izao tontolo izao ny Fanjakany... (Jn 18,33-37) marina izany satria raha jerena ny tantaram-piainan'ity Mpanjaka ity dia tsy araka ny heverin'ny kristianina loatra indraindray ka matetika mahamenatra azy ny haneho izany toe-piainana izany araka ny tokony ho izy : teraka tao an-tranon'ondry na omby, dia mazavaloatra fa ny lalitra sy ny fofon-tain'omby no nitsena azy tonga tety an-tany ; avy eo tsy afa-pana akory dia nandositra sesitany tany Ejipta ; vao lehibebe dia nadi-doha nilentika tany an-Tempoly ; avy eo nanomboka nandrafitra nanampy an-dRazozefa rainy ; avy eo niezaka ny hanabe ireo roambinin'ny folo lahy, saingy "tsy nahavita" nanova hevitra an'i Jodasy akory ; noendrikendrehana ho mpanongam-panjakana ka voaheloka ho faty, ny tena marina moa dia nanembatsembana ny tombotsoan'ny lehiben'ny Mpisorona noho ny teny nolazainy... dia maty tamin'ny fahafatesana mahafa-baraka. Rehefa nitsangana inday dia tsy mba niseho tamin'ny vahoaka fa "ankinafinafina" tamin'ny Mpianatra ihany... hita dia tsy hita indray, avy eo dia nipoitra indray afaka havaloana dia avy eo laza any "an-danitra"... Fa Mpanjaka manao ahoana izany?
Rehefa mankalaza ny fetin'ny Mpanjaka anefa ny Kristianina, ny tranon'omby ovany ho tranokely mahafatifaty, mahasarika ny maso, mirentirenty fatratra eny fa na dia ezahana hajaina aza ny endriny ...
2- Fa inona no fiantraikan'izany?
Ny fiantraikan'izany fanovana izany eo amin'ny fiainanan'ny Kristianina dia maro... Hadino ihany koa fe ny mpanjakany dia efa nanaiky hiombona anjara amin'ireo mpitsoam-ponenana matetika voatositosika... ny Mpanjakany nanaiky hifampizara ny ozon'ny hatsembohana hihinana hanina... ny mpanjakany tsy mba nanery na oviana na oviana amin'ny fibebahana sy ny finoana : na i Jodasy na ny vahoaka Jody namono azy, azony natao ny nampiasa ny fahefany hahamenatra azy ireo, saingy Mpanjakan'ny Fahafahana Izy, ka nanome ohatra ho amin'ny fandeferana, ny fahalalana ny fetra...izay fototry ny fahafahana marina... Loza ho anao raha an-tery no entinao mampita ny finoana satria na ny Mpanjakanao aza tsy nanao izany...
Ny mety hanaitra anao ary mila hotandremana fatratra, efa nolazaiko taminao ihany dia ity : tsy ny firesahanao azy na ny firesahanao aminy (2) no hahavonjy anao fa ny fitiavanao azy ao amin’ireo endrika tiany hisehoana ireo : ny mahantra, ny mijaly tsy manan-kianteherana, ny marary, ny any an-tranomaizina… noho ny fitiavana… Mpanjakan’ny Fitiavana io Mpanjaka io… Tandremo fa mety hialoha anao any amin’ny Fanjakan’ny lanitra ny vehivavy janga sy ny hafa heverina ho mpanota…
3- Kristianina o! Indro ny Mpanjakanao...
Tsy mora ny mahay mahita an’i Kristy ao amin’ny mahantra raha toa ka beazina hitondra tena toy ny eo anatrehan’ny "mpanjaka araka an'izao tontolo izao" isika (3)… Fa nahoana no tsy hekena ho tonga any ampiangoanan ny fahazarana eny anivon'ny fiaraha-monina? Satria ve ratsy? Rehefa mahita ny olona miresaka am-piangonana aho dia faly na dia ho fanafintohinana ho an’ny Mpitondra fiangonana maro aza izany. Nahoana? Satria hoy aho hoe sahy maneho ny fifankatiavany eo anatrehan’ny mpanjakany ny Kristianina. Fa firifiry moa ny ao am-piangonana, milaza ho vahoakan’ny Mpanjakan’izao tontolo izao, no tsy mifampiteny akory, mifanao an-dolom-po… dia hodiana tsy hita fotsiny. Ankoatra izany anefa, tsy ny tsy hiresahan'izy ireo no mety hanekeko ny hampanginana azy ireo fa kosa hanampy azy ireo bebe kokoa hiresaka amin'ny Mpanjakany, tsy azo hanadinoina manko ny hiresaka amin’ny mpanjaka ao anatin'ny Fivavahana (4) fa izany no hanampy antsika hahita Azy ao amin'ny mahantra sy ny kamboty.
(1) Momba ity faran'ny taona ity dia samia manao fandinihan-tena ny niainany ny Evanjely nosoratran'i Marka : I Jesoa Kristy, Zanak'Andriamanitra. Ny fahamatoran'ny finoana nitondran'i Marka antsika dia ireto :Fa ianao, rehefa manoloana ny fahasahiranana, manoloana ny fahoriana, manoloana ny fijaliana, iza i Kristy ho anao? io no lalana natoron'i Marka nandritra ny taona litorjika...
(2) Hafa ny miresaka aminy, afa ny miresaka azy ( jereo ny momba ny vavaka)… maro no mahay miresaka Azy sy ny momba Azy fa vitsy no mahay miresaka aminy…
(3) Mpanjakan'izao tontolo izao i Kristy fa tsy niseho na oviana na oviana ho toy ny Mpanjaka heverintsika amin'ny fisainan'izao tontolo izao
(4) Rehefa avy mivoaka ny fiangonana ianao, milaza fa avy nivavaka dia mba manontania moa tena hoe inona no noresahako taminy (mety efa noheritreretina mialoha iny) fa indrindra ny hoe : " Dia inona no mba nolazainy tamiko?". Raha tsy misy valiny ireo roa ireo, tsy niresaka taminy ianao, noho izany "tsy" nivavaka... asa naninona?
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Novambra 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | |||
5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
26 | 27 | 28 | 29 | 30 |