Bedao ny fandrianao, dia mandehana mody!
harilova | 12 Janoary, 2007 18:48
Namaky ny Filazantsaran'i Jeso aho ny maraina (Mk, 2, 1-12) dia nahita hoe : "bedao ny kidoro dia mandehana mody any an-tranonao." Resaka fanasitranana ilay malemy nentin'ny havany teo aminy moa io Evanjely io. Tsy ny finoan'ny havany nandoaka ny tafon-trano loatra no tiako hifampizaràana aminao eto. Efa mahazatra ny maheno ny amin'izany...Tsy ny toetsaina Jody izay mihevitra fa vokatry ny fahotana ny aretina sy ny loza mitranga, izay boka sy malemy dia nanota, na izy na ny ray aman-dreniny... tsy izany ihany koa... Ity no hifampizarako aminao : "Batao ny fandrianao, dia mandehana mody"
Sady nanaporofo ny fahefany afaka amamela heloka i Jesoa no nilaza ny tokony hataon'ilay voavela heloka : "mibata fandriana" dia "mandeha mody any an-trano"...
Heveriko fa tsy moramora amin'io vao avy nositranina io ny hibata ny fandriany natoriany nandritra ny taona maro... Mety heverintsika hoe : satria tsy manana afa-tsy iny izy ka na mitahiry fahatsiarovana ratsy ho azy aza iny dia tsy maintsy hoentiny mody!
Raha ampifandraisina amin'ny tsy finoan'i Tomà Mpianatraio, izay nahita ny loaky ny fantsika taorian'ny fitsanganan'i Jeso ho velona (Joany 20,27) dia ahafahantsika manatsoaka lesona iray lehibe : "ny fahatsiarovana" (memoire!). "Ny lasa anie tsy mety maty" hoy ny tononkiran'ny Ny Ainga... Ny famelan-keloka tsy akory tsy manafoana na mamafa ny fahatsiarovana...toy ny fitsanganan-ko velona tsy nanala ny loaky ny fantsika.
Heveriko fa ny manaiky hibata fandriana handeha hody any an-trano no mafy indrindra amin'ny sehatry ny fibebahana. Izay ny fanetren-tena. Izay no mafy indrindra amin'ny sehatry ny famelan-keloka. Nefa io no ivon'ny atao hoe : "famindram-po".
Ny tsiahy ny adalana sy ny fahalemen'ny tena no ahafahana miverina any an-trano. Tena sitrana izay afaka mibata ny fandriany ka mody any an-tranony!
Rehefa mitamberina ao an-tsainao ny haratsiam-panahin'ny hafa mety nampitondra faisana anao : iny ianao maniry ny soa indrindra ho azy iny, iny no antsoina hoe "famindram-po"...
Dia hoy aho e : "efa mba namindra fo ve ianao?"
"Avelao ny fahotanay, tahaka izay amelanay izay nanao ratsy taminay". Amen