"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 29 Janoary, 2008 22:27
Amin'alahelo lehibe no hilazana ny fahalasanan'ireo olona roa lehibe niezaka ny hihaina ny finoany : ilay rain'ny Mormoni, Itompokolahy Gordon B. Hinckley (97 taona) sy ny arseveka grika Christodolous (69 taona) . Mirary fiononana feno ho an'ireo varavarana nivoahana, fa atao ahoana fa fandalovana moa ny fiainana!
Ny hany fanamarihana nataoko dia ny 28 janoary no andro nahafatesan'izy ireo, telo andro taorian'ny herinandron'ny ekomenisma. Vonton'ny firaisam-pinoana ve izy ireo ka nifanao fotoana any an-koatra?
Mandria am-piadanana ianareo, hiadananay velona ihany koa!
harilova | 25 Janoary, 2008 10:36
Raha mba fantatrareo re ny dikany dia mba azavao amiko fa tena néologisme tsy hitan'ny voambolana mba takatry ny volako le izy e!
Io teny io no nandany ny androko anio tontolo maraina, raha namaky ny hafatr'i Benoit ho amin'ny tontolon'ny serasera aho (jereo eto). Na dia ny 18 mey aza no ankalazaina any Dago dia omaly no navoakany ny hafatra : "Ny tontolon'ny serasera : ny adidy aman'andraikitra eo am-pitadiavana ny marina sy amin'ny fizarana azy amin'ny hafa".
Novakiako tamin'ny teny italiana aloha le izy dia mba azokazoko ihany, fa rehefa hanao famintinana aho dia naka ny dikan-teny frantsay, ka audience, amin'ny teny italiana, izay tokony ho udienza, dia tsy nadika. Nojereko ny teny frantsay dia audimat no tao (karazana terme technique hilazana ny écoute izy io), mainka loza. Lazain'ny voambolana sasany fa ny salanisan'ny mpihaino (TV sy Radio..) no niantombohan'io teny io, avy eo dia noheverina ho ny fiantraikan'ny zavatra lazaina na amparitaka amin'ny olona mpandray (destinataire du message). Tsy mijanona main'izany anefa fa manjary ny zava-kendrena mihitsy amin'ny fanaparitahana ny hafatra!
Tsy tena azoko antoka anefa izany satria miovaova arakaraka ny tenim-pirenena ny dikan-teny azo!!!
Na izany na tsy izany dia mazava ny hafatr'i Benoit! Tsy izay rehetra azo tanterahana noho ny fivoatran'ny teknolojia tsy akory dia mendrika avokoa (§3). Firifiry no loza sy korontana ateraky ny internet (rava tokatrano indrindra indindra...) Tsy ireny anefa no mampiena ny soa mety haterany koa.
Ambaran'ny Papa ary fa laharam-pahamehana ny hiezahana hanorina info-éthique (toy ny bioéthique amin'ny médecine) izay hamolavola ny fisainana eo anatrehan'ny loza roa manambana : ny Matérialisme économique (fiheverana fa ny tombontsoa ara-bola ihany no laharam-pahamehana sy maha-olona ny olona, tahaka ny hoe olona = rangahy) sy ny relativisme éthique (izay tiako ihany : izao ny raiamandreny mimenomenona avokoa amin'ny zanany tsy laitra tenenina! satria tian'ny olona halana eo amin'ny fiaraha-monina ny fifanajana sy ny hasina maha-olona. Ny tsy firaharahahiana ny fitondran-tena tsara dia mazava loatra fa fanafoanana ny hasin'ny fanabeazana... resaka lavabe).
Mangetaheta fahamarinana ny olona! (Asa aloha na marina izany na tsia fa toa mangetaheta vola no betsaka!) Ny Marina ihany no maha-olon'afaka hoy Jesoa ao amin'ny Evanjely (Jn 8, 32). Inoako fa matoa ianao nahavita namaky hatreto dia mpitady ny marina ihany koa ka isaorana anao.
Aza adino le dikan'ny audimat ho an'izay mahalala azy tsara!
harilova | 20 Janoary, 2008 17:48
Efa mandindona indray izao ny fanandinana aty an-dakira aty dia mandeha be ny vaky boky. Saingy ny zava-doza dia toa arakaraka ny hamakiana no tsy hahaizana ary arakaraka ny tsy hahaizana no hamakiana dia amin'ny farany mandinika aho hoe toa ho antitra ihany fa ny omaly tsy miova ny zavatra hay!
Mahalasa ny saiko ihany koa manko ny adihevitra ataoko miaraka amin'ny zokiolona isan'andro, moa ve mivoatra ny zavatra haintsika sa miangona sa manakory? marina fa tsy afaka manao an-kapobemantsina tsy akory satria miankina amin'ny tsirairay saingy! zava-doza rehefa henonao ny fanohanana hevitra amin'ny zava-nitranga 70 taona lasa na sanatrian'izany amin'ny zava-nitranga 2000 taona lasa.
Tsy mametraka olana amin'ny fahamarinan'izay nitranga aho fa mahita olana amin'ny fiezahana hahazo ny fomba fisainana. Dia hoy aho hoe "efa nahavaky boky betsaka izy ireo, farafaharatsiny ahay, ny bokin'ny fiainany". Ny mba nankahery ahy ary mampahazoto ahy mamaky ihany dia ity tenin'ny Mompera Zezoita iray momba ny antitra ity :
"lasciali [Gli anziani] gridare quando hanno torto, loro e i bambini ne hanno lo stesso diritto"
Avelao izy hanangam-bovona na dia diso aza satria manan-jo amin'izany izy sy ny zaza!
Dia hoy aho hoe ataonao ahoana tokoa moa ny iady amin'ny antitra? Efa ela nietezana, sola loha e!
harilova | 17 Janoary, 2008 21:12
No comment! Ho an'izay lava tongotra tsy matahotra peste! Any Ercolano no ambohi-pihaonana! Tandremo fa feno fako aty a! Aza adino ny mitondra fanampenan'orona!
Sangisangy iray an-dalana fa nasaina nampita hafatra aho dia ataoko fa eto no haingana indrindra hampitana azy! sady efa tsy vaovao aminareo ity fa mamerina indroa manana ny antitra!!!
OK
Ny resaka firaisam-pinoana aloha dia jereo eto na eto fa izaho nadalain'i lalatiana tamin'ny fantsika dia tsy te hanampy fantsika sady tsy mbola te hanala fantsika! Samia mivavaka mandrakariva hoe!
harilova | 15 Janoary, 2008 22:02
Fa ny Tenin'Andriamanitra vakiana ve tena iainan'ny olona sa manakory?
Raha tena lasa fiainana manko ny tenin'Andriamanitra dia heveriko fa hiova isan'andro ny dikanteny. Raisiko ohatra fotsiny ny cantique maraina tao amin'ny Katolika.org (talata herinandro I taona ankasa =Tononkiran'i Ana izay setrin'ny vakiteny) dia izao no hita ao :
8 Esoriny amin'ny vovoka ny mahantra;
atsangany hiala amin'ny zezika ny tsy manana,
hampiarahiny mitoetra amin'ny mpanjaka,
ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany. (ISam 2, 8)
amin'ny teny italiana ho an'izay ao Naples amin'izao dia azo adika hoe :
Solleva dalla polvere il misero,
innalza il povero NAPOLI dalle immondizie ('a mmunezz),
per farli sedere insieme con i capi del popolo
e assegnar loro un seggio di gloria. (1Samuele (CEI) 2)
Asa aloha! ny ahy novakiako toy izany tamin'ny maraina!
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Janoary 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
27 | 28 | 29 | 30 | 31 |