"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 07 Janoary, 2008 09:12
Resaka fanomezana no mampiavaka ny 6 janoary any Italia satria dia mifangaro ny fanomezan'ny Majy sy ny fanomezan'ny Befana. Araka ny lovan-tsofina dia ilay vaviantitra, ratsy tatrehy lava orona no mpizara fanomezana ho an'ny ankizy, karazana Papa noel izany, saingy miaraka amin'ny kofafa fa tsy miaraka amin'ny kalesy manidina!!!!
Sarisary tahaka izany manko no nentina nizara ny masomboly amin'ny tantsaha taloha, ary satria tsy mbola nisy ny fitaovam-pifamoivoizana dia tady mampifandray ny trano na ny toerana samihafa no nampiasaina ka ilay Befana dia sarihina amin'ny tady mba hanaterana ny masomboly isam-baravarana.
Atao akory moa fa dia entina hanararaotana hivarotana sy hakana tombony koa ny fety ara-pivavahana, ka dia foronina ny fanomezana sy ny fetifety mba hampitomboana ny fandaniam-bola!!!!
Ny epifania lasa happy-fania (soratra amin'ny bankiraro asiana ny fanomezana ho an'ny kilonga)... ny fety ara-pivavahana kosa dia azonao jerena ireto.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Janoary 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
27 | 28 | 29 | 30 | 31 |