"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 08 Janoary, 2008 22:49
Dia mahamenatra leiretsy fa 100 taonina hoe ny fako eny amin'ny araben'ny tanananay!
Rehefa jerena dia kilalaon'ny ankizy, na fitafiana tonta nosoloina nandritra ny fety no mamemo ny spatsatora! Fanariam-pako! Mahamenatra satria dia tantarain'ny fahitalavitra rehetra mihitsy izy ity. Ny baoritra avy nihinanana pitsa sy ny tavoahangy avy nisotroana labiera anefa efa mahazatra mandavan-taona!
Dia ataon'ny mpanao gazety sarisary hoe "sanatria ka miala eo ny Filoham-paritra Basolino, dia ho loza fa hitompo indray ny fako hariana"!!! Zakan'ny Filoham-paritra any amintsika ve izany!
Ny tena nanaitra dia nanainga ny mpivavaka ny Kardinaly mba hanao alim-bavaka manokana ho amin'ny fahadiovan'ny tanàna!!!
Ndeha mba handray anjara any aho aloha hampitombo isa ny mpandoto tanàna!!!
ataovy recherche amin'ny immage google moa ny immondizie Napoli e!
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Janoary 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
27 | 28 | 29 | 30 | 31 |