"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 30 Oktobra, 2006 18:31
Ny 2 novambra dia natao hahatsiarovana ireo efa nodimandry. Fahatsiarovana nipoitra avy ao amin’ny Fivavahana katolika izy io[1], saingy ohatra ny fety kristianina rehetra, hany ka manjary hajaina fatratra, na tsy noho ny antony ara-pinoana aza, noho ny antony ara-ekonomika…
Tsy hojerena mandrakariva amin’ny lafiny ratsy anefa ireny fanararaotana ireny, satria ankoatra ny tsy fananana, zara aza tsy amin’ny zava-dratsy no hitadiavan’ny olona ny sakafo hohaniny, angamba mba famalian’ny Tompo ny fangatahana any “hanina sahaza isan’andro” ireny, ka tokony hampitomboana sy atao matetitetika ny fety….
Ny mahalasa ny saiko dia hoe : nahoana kosa ny kristianina no tsy mba manararaotra ny fety hampielezana ny Finoany? (Na dia ny kristianina ihany aza no ankamaroan’ny Mpivarotra sy mpividy). Izay no mahatonga ahy hampahatsiaro kely ny tokony ho toe-tsaina sy ny toe-panahy tokony hanentana ny fo hahatsiaro ireo nodimandry.
Tsy azo adino aloha fa mahatsiaro ireo ny nodimandry ny Katolika isaky ny Sorona Masina, ankoatra ny Fanolorana Sorona Masina ho an’ireo nodimandry. Araka izany, raha Fisaorana an’Andriamanitra no hevitry ny hoe “Eokaristia” dia miainga avy amin’izay ny toe-tsaina enti-mahatsiaro ny maty : “Misaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra” (1 Tes 5, 16-18). Tsy hoe mahafaly antsika ny fahafatesan’ny havana sanatria fa kosa fiaikentsika fa tsy tompon’ny aina isika, Andrimanitra irery no Tompon’ny aina ka hainy ny hamerina izany araka ny famindram-po izay efa nosantariny tao amin’ny Zanany maty fa nitsangan-ko velona, dia i Jesoa Kristy Tompo.
Araka izany, ny vavaka ho fialantsasatry ny fanahin’ny maty, dia mitory finoana lalim-paka ny amin’ny fiainana any an-koatra. Miaraka amin’ny fety ankalazaina ny 1 novambra, ny olomasina rehetra, dia izay no mandrafitra ny Fiangonan’i Kristy : Ny Eglizy mifaly (ireo efa tafita any an-danitra), ny Eglizy mijaly (ireo mbola manefa ny sazim-pahotana) ary ny Eglizy Mpivahiny mahatsiaro fa mpindrana ny aina am'ity tany fandalovana ity.
Raha mivavaka ary isika mba ho tafita soa any an-danitra ireo havantsika, tsy azontsika atao ny tsy hiezaka ho mendrika ny lanitra koa, satria raha tsy izany, izy ireo ho tonga any ary isika ho very, dia vao mainka ho tafasaraka mandrakizay amin’ireo havantsika nodimandry isika.
Samia ela velona mandrapaha-fatiny.
[1] Araka ny tantatra ( Il santo del giorno di Mario Sgarbossa sy Luigi Giovannini, Ed. Paolini 1986 Torino) dia tamin’ny 998 no tena nielezan’ity fomba ity tao amin’ny monastera benediktina teo ambany fifehezan’ny Lehibe tao Cluny, Md Odilon, ary tafaely hatrany Roma tamin’ny taona 1311 tany ho any. Ny Papa Benoit 15 no nametraka azy ho fahatsiarovana ho an’ny Fiangonana manontolo tamin’ny taona 1915.
harilova | 13 Oktobra, 2006 10:17
Ny tanora hono no ho avin'ny Firenena...
Dia manontany tena aho hoe : "sao mba izany no mampahantra lava ny firenentsika ity?"...
Ireo tanora nilahatra tamin'ny fanagasiana ny fampianarana, natao fitaovana politika hitadiavan'olom-bitsy tombontsoa fotsiny tamin'ny '72, dia efa zokiolona amin'izao fotoana izao, kanefa ilay ho avy nandrandraina tamin'izany fotoana izany, vao maika ratsiratsy kokoa....
Ny fiandrandrana ho avy mamirapiratra ankinnina amin'ny tanora dia famonoana ny firenena... Tsy ny tanora no ho avin'ny firenena fa izay ataontsika miaraka amin'ny tanora amin'izao fotoana izao...
Raha atao antsirambina ny ankehitriny dia ny ampitso no handoha ny tsosan'izany...
Ho avy izao ny fifidianana, mampalahelo raha mbola fampandriana adrisa ho an'ny ampitso no hambaboana ny mpiara-belona... Na "Fanantenana" vaovao, na "Dingana lehibe" na zavatra hafa... tsy tompon'ny ho avy isika fa izay ataontsika amin'izao fotoana izao no hitsaran'ny ho avy antsika...
Anjaranao ny misaintsaina izay anjara biriky azonao hanarenana ny ho avy... mety tsy ho anao, fa kosa tsy hanadinoan'ny tantara anao...
harilova | 24 Septambra, 2006 13:28
ady masina! azo ekena ve izany? Tsy azontsika hanamarinana ny zava-dratsy ataontsika ny anaran'Andriamanitra hoy ny Papa. Ampy izay ny fiantsoana ny anaran'Andriamanitra hiadiana sy hamonoana olona. Tsy misy ady masina...
Vitsy no namaky na nihaino ny tena fampianarana nataon'ny Papa tany Regensburg, indrindra any amin'ny tontolo silamo. Mampalahelo anefa fa notsaraina ho mpiantsy ady ny Papa ka tokony hangata-pamelana am-pahibemaso, tokony hilaza am-pahibemaso fa ny Fivavahana silamo dia avy amin'Andriamanitra ary mitandro ny rariny sy ny fandriam-pahalemana koa (Imam Ejipsiana iray)...
Dia hoy aho hoe : "Tsy misy Fandraimpahalemana ho vanona ao anatin'ny lonilony sy ny valifaty", raha mitandro ny filaminana tokoa ny silamo dia hampiseho izany amin'ny fihetsika ataony...(tsy hoe tsy mitandro izany tsy akory izy ireo sanatria fa misy kosa ny mahery fihetsika -- fondamentalistes -- izay manafangaro ny tombontsoan'ny mpitondra amin'ny filalaovana ny saim-bahoaka)
Isaorana Allah, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitry ny silamo, Andriamanitry ny Kristianina, fa nampitony ny fihetsiketsehana ny fanambarana nataon'ny filoham-pirenena Iraniana hoe : "manaja ny Papa aho, fa kosa manankiana ny kristianina sasany (mamely ny Amerikana sy ny eoropeana) izay milaza ho mpanara-dia an'i Kristy nefa tsy mahalala azy akory ary tsy manana fifandraisana aminy akory na amin'ny toe-piainana na amin'ny fomba fisainana..."
Mampandinika izany ho an'izay milaza ho Kristianina...
Dia manentana anao hitondra am-po sy am-bavaka ny fiaonan'ny Papa amin'ireo ambasadaro silamo ny alatsinainy tolak'andro.
Omeko anao amin'ny manaraka ny santionan'ny Letio magistralis nataon'ny Papa. Azonao jerena moa ny discours de Ratisbone amin'ny teny frantsay. somary lavalava aloha e
harilova | 11 Septambra, 2006 09:50
World Trade center 2001...
MIVAVAHA HO AN'NY FIADANANA ERAN-TANY...
Azo antenaina ve ny hisian'ny Fandriampahalemana eto an-tany raha toa ka famonoana miaramila amerikana iray any Iraka no hita amin'ny faha-5 taonan'ilay loza vokatry ny herisetra tany USA?
Teolojiana protestanta iray malaza tokoa, i Dietrich Bonhoeffer, dia efa nilazalaza momba ity fandriampahalemana eran-tany ity, tamin'ny savorovoron'ny ady lehibe faharoa ireny.
Rehefa mihena ny fitokisantsika an'Andriamanitra dia mitombo ny fitadiavantsika hevitra hametraka fiarovan-tena, hametraka arofanina.
Mety ho lazainao ho adala aho satria tokoa moa ve tsy fahendrena izany mitsinjo lavitra izany?
Mety ho fahendrena ihany angamba nefa fahendrena tsy azo ianteherana loatra satria tsy fantatsika ny ho avy... Ny fihenan'ny fitokisana an'Andriamanitra dia miteraka zavatra maro eo amin'ny Fiaraha-monina...
Ny Kristianina milaza fa matoky an'Andriamanitra MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA, manjary mitady vonjy any an-kafa fa toa tsy mahavonjy ny Andriamaniny...
Mba hisy ny Fiadanana eto an-tany dia ao am-pon'ny olona no tany ambolena azy...
Ny masom-bolin'ny Fiadanana dia ny famolahan-tena (Fifadian-kanina matetika no ilazana azy) satria ny rariny sy ny hitsiny mamela antrsika hanao valifaty, fa ny famolahan-tena kosa dia manery hamindra fo...
Ny olon'ny Fiadanana, i Mahatma Gandhi, dia nanome ohatra tsara ho antsika : ireo tanora notaizainy dia naditra sy nigafy tany amin'ny fiaraha-monina... tsy zakan'ny fiaraha-monina mihitsy aza... mba ho sazin'ireo tanora ireo, dia izy tompon'andraikitra no nifady hanina...
Soa fianatra fa aza adino fa na mitsiry ao am-pontsika aza ny faniriana fiadanana, ny rano tsy mahamaina ny tany haniriany dia ny fitokisana an'Andnriamanitra, ary ny fitokisana an'Andriamanitra, vokatry ny finoana, ny Finoana fanomezana mila angatahina mandrakariva amin'Andriamanitra...
Mba hisy fiadanana izany dia mila MIVAVAKA SY MAMOLA-TENA.
harilova | 06 Septambra, 2006 12:55
Tena mampioron-koditra ny maheno fa indrindra ny mahita ity ady tsy misy farany ity. Vaovao alefan'ny TV Italiana matetika ny fandehanan'ny miaramilany misatro-manga hampandry tany any Liban.
Fa inona moa ny Fandriampahalemana?
Ara-bakiteny (foto-teny : mandry sy alina) dia ny fahafahana matory tsara amin'ny alina no atao hoe fandriam-pahalemana. Ny mifanohitra aminy dia ny mandry tsy lavo loha...
PAX, PAIX na PACE... Shalom sy Shalam... dia enti-milaza ny fandriam-pahalemana izay manjary mitovy hevitra amin'ny hoe fiadanana ...
Ny tiako hifampizarana aminao fotsiny dia izao : ilay ohabolana anglisy malaza hoe : Charity begins at home, manomboka ao an-trano ny fifampitsinjovana. Tsy afaka ny hanome fiadanana ny hafa ianao raha tsy ianao mihitsy aloha no efa miaina izany fiadanana izany...
Dia ahoana no hahafahana miaina ny fiadanana?
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |