DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

La St Valentin : indray andro hono...

harilova | 14 Febroary, 2007 11:44

Raha indray andro ihany no fetin'ny Mpifankatia, hanao akory no iainana ny andro sisa rehetra tsy hankalazana ny fety?

Io no fanontaniana apetrako amin'ity andro anio ity. Toa lasa fety hifaninanan'ny tolotra sy ny tinady ihany manko ny fifankatiavana, toy ny hafa rehetra (krismasy sy paska hidirana indray maka isan-taona am-piangonana)...

Ao amin'ny Blaoginy dia nanoratra i ASNAH hoe : "Ny fitiavana dia tsy ny fijerin'ny andaniny ny ankilany fa ny fitiavana dia ny fiaraha mijery ny ho avy".

Dia nametraka hevitra aho hoe : Mazàna ny fiantombohan'ny fitiavana rehetra dia fifampijerena, tsy hoe lany andro mifampijery fa kosa mahalany andro ifampijerena... mialoha ny tena hiatrehana ny fiainana, araka ny tora-kevitr'i Tokinao sy i Soanja.

Heveriko araka izany, fa andro tsy hifampibanjinana loatra ny andro anio, fa kosa hanamafisana ny fifankatiavana.

Raha mandinika ny fiarahanao amin'ny olon-tianao ianao, aza adino ny hasarobidin'ny fahendrena tatsinanana manao hoe : "izay vadiana no tiavina" miohatra amin'ny tandrefana hoe "izay tiana no vadiana". Ny fitiavana dia mila kolokolo, tsy miankina amin'ny fifankafantarana loatra, satria mistery ny olombelona, fa miankina amin'ny fahafohizan-tena...

Dia saintsaino ny fahendrena kristianina hoe : "Manaova soa an'izay mankahala anao, mivavaha ho an'izay manenjika anao..." (Lk. 6, 27ss). Tsy sanatria hivavaka ho azy mba ho faty haingana sanatria, tsy fivavahana izany, fa kosa ny mivavaka ho azy mba hahafahanao mikatsaka ny soa ho azy...

Tadidio mandrakariva fa ny fitiavana no manova ny fo sy ny fomba fijery ny hafa : "Izay tiana no mitombo tarehy"... fa tsy ny fironan'ny fo no hitiavana sy hankahalana... na dia izay aza no mitranga mandrakariva...

Fa inona ny fitiavana?

Oviana aho no ho faty?

harilova | 07 Febroary, 2007 19:34

Naheno ny fahafatesan'ny rahalahiko any an-tanàna aho, dia nanoratra eto izao. Matin'ny Cancer tamin'ny aty hono : areti-mandoza fa ny aza mba voany. Na natao ny fitiliana sy ny fitsabona dia ny aina no nanaraka, sady fotoana fohy monja dia lasa taolana mifono hoditra...

Tampoka ny fahafatesana na hiomanana mandrakariva aza, na dia efa fantatra izao aza fa tsy maintsy ho faty ny manan'aina rehetra: Lalana hoe ny fahafatesana, fa tsy sanatria fiafarana... Tenim-pinoana anefa izany, ka ataon'ny tsy manam-pinoana ahoana ny hahazo azy?

Dia hoy aho hoe : tampoka ny fahafatesana, tsy mbola manan-kavaly ny sain'ny olombelona eo anatrehan'ny fahafatesana. Soa ihany lahy raha tsy izany ho nanao ny tenany ho andriamanitra ra-fikarohana (science).

Manoloana izany aina indramina izany koa dia nanontany tena aho hoe mba oviana tokoa aho lahy no ho faty? Sao mba fiantsoana ahy hanomana ny fahafatesako ny fahafatesan'ny hafa?

Tsy natao ho an'ny mpino ihany ny fahafatesana. Tsy fampiononan-tsaina akory ny fiheverana azy ho fandalovana. Tsy fandemen-tsaina ny fampianarana momba ny fiainan-ko avy. Ilay Tompon'ny Aina no mandahatra ny zavatra rehetra, hainy ny maka, hainy koa ny mamerina azy ho amin'ny hafenoany.

Sanatria ve dia tsy hisy ny lanitra, ka sady very ny filibàna teto an-tany ireo nikatsaka azy no ho diso fanantenana amin'ny any an-koatra?

Hoy i Pascal namaly azy hoe : "Mino ny lanitra aho, ny fiezahako ho mendrika azy tsy sanatria ezaka very maina fa nanampy ahy hivoatra amin'ny maha-olon ahy... hany ka na sanatria tsy misy aza izany lanitra izany (nefa lazaiko mazava fa misy izy), dia tsy matiantoka aho... ireo tsy nino kosa, tsy nandraharaha ny hampisy vidiny ny fiainana, raha tsy misy ny lanitra, tsy nahazo na inona na inona satria tsy hanaraka any an-koatra ny filibàna, fa raha misy kosa ny lanitra, ho very ny zava-drehetra izy ireo satria tsy misy na inona na inona ho azo atao intsony."

Handry ao amin'ny Fiadanan'ny Tompo anie ny fanahinao, ry rahalahiko léon-Paul Razanaparany.

 (tohiny)

Fifanakalozan-kevitra! Possible ve?

harilova | 28 Janoary, 2007 23:56

Heveriko fa laharam-pahamehana ho an'ny tontolo hiainantsika izao ny fahaizana mifanakalo hevitra. Nefa manahy aho hoe azo antenaina ve ny hahatanterahan'izany?

Taorian'ny herinandro nivavahana ho an'ny Firaisam-pinoana dia nanontany tena aho hoe : mba misy fanantenana ve ny hiraisan'ny Mpino? Asa... Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra....

Fa ankoatra izany, na dia somary mifanohitra ihany aza ao amin'ny lalam-panorenana malagasy ny finoana an'Andriamanitra sy ny fahalalahana amin'ny sehatry ny finoana, dia tsy ho afaka ny hoterena velively ny finoana...

Mba hahafahana mifanakalo hevitra (dialogue) dia misy zavatra iray tsy maintsy apetraka ho fepetra : ny tsy fitompoana teny fantatra... Raha mihevitra ho manana ny marina ny andaniny dia mety hanana ny marina koa ve ny ankilany?

Rehefa mifanena amin'ny tsy Mpino ny mpino, hanaiky ny tsy finoany ve sa hanivahiva azy satria izay no safidiny, asa noho ny fahitany fa toa tsy manova inona loatra eo amin'ny fiainan'ireo mpino ny finoana narahiny... na vao mainka aza lasa fanafintohinana satria miaina ratsiratsy kokoa noho ny tsy mpino!!!

Zavatra roa no heveriko hiorenan'ny fifanakalozan-kevitra, ary zavatra tsy azo hiadian-kevitra : ny lalam-pitondrantena sy ny foto-pisainana.

1- Ny lalam-pitondran-tena (Morale)

Rehefa manizingizina ny fihambonian'Andriamanitra ny silamo na ny Kristianina dia heverina ho misy fiantraikany eo amin'ny fitondran-tena izany... Afaka manao izay tiany ny olona raha foanana ny finoana ny lanitra sy ny afobe... tsy hisy intsony ny tsara sy ny ratsy fa izay tiako sy ny mahafinaritra ny saiko no ataoko...

Raha mandinika tsara anefa isika, tsy azo adinoina fa ny fitondrantena ratsy ataon'ny hafa dia efa zary afobe sahady ho antsika, efa zary fijaliana, samy mizaka ny vokatr'izany... Araka izany, tsy ny finoana ny lanitra sy ny afobe loatra no iankinan'ny lalam-pitondrantena, fa ny fiaraha-miaina. Ka atao ahoana no hanafoana ny fiaraha-miaina? Araka izany tsy maintsy misy fepetra sy drafitra arahina mba hampirindra fiaraha-monina...

2- Ny Foto-pisainana

Ny tiako holazaina eto ny sain'ny olombelona iavahany amin'ny biby, ahafahany "miahy" sy "manahy". Dia nampiasain'ny olona marina tokoa ny saina ka hitantsika ny vokatry ny fikarohana siantifika izay toa tsy misy fetrany intsony...

Dia  lazaina hoe tsy ilaina intsony Andriamanitra izay nanankinana ny tsy takatry ny saina hatrizay... Dia manjary resa-be ny bioéthique sy ny fikarohana ara-tsiantifika... te hanisy fetra amin'ny lafiny fikarohana ny mpitondra fivavahana satria hono hoe : lasa tsy misy vidiny intsony ny maha-olona fa zary seha-pikarohana sy fanaovana andrana toy ny natao tamin'ny bitrovoalavo fahiny...

Tsy ny fisian'Andriamanitra velively anefa no olana, tsy ny izy velively no hanakana ny olona tsy hisaina... Tsy ho zary takatry ny saintsika na oviana na oviana koa ny tontolo... ampahany ihany ary ampahany amin'ny ampahany nohalalinina manokana... Ny hainao tsy haiko, ny ato antsaiko tsy fantatrao...

Ny foto-pisainana dia ny zavatra manery antsika hanao safidy eo amin'ny fiainana... NAHOANA AHO NO MANAO ITY ZAVATRA ITY?

Rehefa mahita ny valin'io fanontaniana io ianao dia aza adino ny mametraka ny hafa manaraka : FA MANINONA AHO RAHA TSY MANAO ITY?.. Raha toa ka natao tsy am-piheverana, ankoatry ny fijerena sy fizakana ny vokany... dia miforona tsikelikely ny foto-pisainana rehefa tsapanao fa tsy irery ianao fa manana mpiara-monina ka manontany tena hoe : ARY MBA TIAKO VE RAHA (N)(H)(M)ANAO TOY IZANY KOA NY HAFA?

Fehiny dia hoe : hany fepetra hahafahana mifanakalo hevitra ny fifampitsinjovana mba hanao amin'ny hafa izay tianao atao aminao...

Tsy sanatria anefa hanakana anao tsy handrara ny hafa tsy hanao izay tsy mety ataonao izany fa kosa hanome hery anao hamporisika azy hitsinjo mandrakariva ny fiaraha-monina amin'ny fifampizakana ny kilema sy ny fiezahana tsy hanao izay tsy tianao ataon'ny hafa aminao...

Ho anao ry Teofily!

harilova | 21 Janoary, 2007 14:46

"Ho anao ry Teofily manan-kaja no nanoratako ny Filazan-tsarako, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao". (Lk, 1, 1-4).

 Rahefa manomboka mamaky ny evanjely nosoratan'i Lioka ianao, dia mahita ny antony nanoratany azy. Tsy ho an'ny rehetra, fa ho an'i Teofily. Tsy anarana toy ny anaran-tsamirery rehetra akory io fa kosa anarana entiny milaza sokajin'olona : ireo "sakaizan'Andriamanitra".
 Iza no sakaizan'Andriamanitra? Ireo efa nandray ny  fampianarana momba an'i Jesoa Kristy, ka te handalina izany...
Dia hoy aho hoe : Mba anisan'ireo sakaizan'Andriamanitra ireo ve ianao? 
 Ny mahagaga manko, araka ny efa nolazaiko teo aloha (jereo eto) dia indraindray, na matetika mihitsy aza, lasa kobaka am-bava ny fitiavana an'Andriamanitra.
Raha samy sakaizan'Andrimanitra ary, mety ho fahavalon'ny sakaizan'ny sakaizako ve aho? 
 Tsy midika ho amin'ny tandrametaky ny "Andriamanitra iray ihany" anefa izany...
'Ndao hisikim-ponitra ho fitaovana hampiray ny olombelona... ny Fitiavana no mampiray. 

 

Ny firaisam-pinoana! Rediredy sa revin-gadra?

harilova | 17 Janoary, 2007 23:32

Revin-gadra ve sa rediredy ity Firaisam-pinoana ity? Fiaraha-mivavaka eny an-kianja! na any an-tempoly... Fiarahana manohana am-bavaka ny firenena sy ny Mpitondra azy... Vavak'i Jeso (Jn 17) ny mba haha-iray ihany ireo rehetra hino Azy!

Izay hino Azy : mino fa tsy afaka hivavaka tsaratsara kokoa noho i Jesoa, kapiteniny. efa ho 2000 taona izay (latsaka kely foana) no nandaozan'i Jesoa ny tany, na dia milaza fa mitoetra eo anivon'ny fiangonany mandrakariva aza izy... nefa toa vao maika aza miady kitrana ny "mpino Azy"... Fa tsy mandaitra va re ny vavaky ny Zanak'Andriamanitra?

Heveriko fa tsy ny Vavaka nataony no tsy nandaitra, fa ny hino azy no sarotra hotadiavina : "Amin'ny andro hiverenan'ny Zanak'olona, mbola hisy finoana va re ety an-tany???"

Dia hoy aho hoe : revin-gadra sa sentosento ity vavaka atao mandritra ny herinandro ity? (18-25 janoary)?

Ekomenisma (oikoumené)  hono e, Firaisam-pinoana!!! Fiaraha-mivavaka... Isaorana anie Andriamanitra. Mampandinika ahy anefa dia hoe : Fa tena mino an'i Jesoa ve ireo miara-mivavaka ireo? Mitovy ve ny fiheverana ny atao hoe Fivavahana? Sa mba fombafomba ihany ?

Heveriko fa ankoatra ny fiaraha-mivavaka, tokony hohamafisina ny fifanakalozan-kevitra fa indrindra ny fiaraha-mandinika ny atao hoe : Finoana sy ny fivavahaha, sao ny nantenaina hanirina vao maika hampivandravandra!

Samy manana ny foto-pisainana nanabeazana azy manko ny kristianina arakaraka ny foto-pinoana nanabeazana azy, ary mazàna ny fampitana sy fanazavana izany foto-pinoana izany dia ny Fanaratsiana na ny fitsikerana ny hafa... Tsy azo hodian-tsy hita izany : ao ny "mpivavaka amin'ny sarivongana", ao ny "kristianina tafasaraka"... dia voizina ny hoe "ny antsika ny sakramenta tsy 7 fa 2, tsy roa fa zato, tsy zato fa arivo... mitovy zò ny lahy sy ny vavy ka ny anay ny vavy koa azo atsangana ho mpitondra fivavahana!!!" Dia tsy mahagaga raha afaka mifanambady ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy satria efa samy mitovy!!!

Ny lalàna sy ny fampianarana ifotoran'ny Finoana no tena mampisaraka! Amporisihina ny rehetra hahay hiara-miasa hanorina fiarahamonina mandroso sy milamina...

Ny vavaka ataoko amin'ity herinandro ity sady amporisihako anao dia hoe :

"Tompo o!
Ampio aho hampiasa ireo lalàna ireo ho amin'ny fitiavana!

Ampio aho hizotra avy amin'ny Fitiavana ny lalàna ho amin'ny Lalàn'ny fitiavana!" Amen

«Mialoha   1 2 3 ... 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 ... 27 28 29  Manaraka»
 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb