"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 30 Aprily, 2006 02:34
Anombohana ny dinidinika dia tsara ny miady varotra mialoha amin'ny atao hoe : fitiavana.
Amin'ny tontolon'ny teny manko dia mety manahirana raha toa ka tsy mifanaraka tsara amin'ny tiana holazaina satria ny Kristianina milaza fa "Andriamanitra dia Fitiavana", ny vazaha milaza fa "hanao fitiavana". Fa inona ity fitiavana ity?
Mba hitarihako ny sainao hahazo ny hamaritako ny fitiavana dia holazaiko aminao aloha ny tsy Fitiavana dia atohiko eo ny heveriko ho Fitiavana. Asa raha miombon-kevitra amiko ianao :
harilova | 30 Aprily, 2006 01:49
Fanontaniana mipetraka matetika ny hoe : lahatr'Andriamanitra ve ny zava-mitranga sa safidin'olombelona? Andriamanitra ve no mandahatra ny fiainantsika mialoha sa isika no misafidy izay atao?
Raha Andriamanitra manko no mandahatra ny zava-drehetra, dia tsy misy tokony hataontsika na ezaka hisasarantsika intsony izany satria mahefa ny zavatra rehetra Izy (http://harilova.blaogy.com/post/182/721).
Ny zava-misy andavanandro anefa dia toa milaza fa tsy misy izao Andriamanitra izao, satria raha misy izy dia nahoana no avelany hiady ny olona, nahoana no avelany ho faty mosary ny tany sasany, nahoana no ampitondrainy fijaliana aho...?
mahefa ny zava-drehetra ve izy dia hijery fotsiny ny fahoriako? Ataoko angamba fa ny valin'izay fanontaniana izay dia ny tenin'i Jesoa voahombo teo ambony hazo hoe : "Andriamanitra o! nahoana no dia nilaozana re ity izaho?"
Midika io fa azontsika atao tsara ny mitaraina ny fahoriantsika amin'Andriamanitra, tsy hoe hahazoana valliny eo noho eo, tsy hoe hiandrasana fahagagana sanatria, fa hanamafisana ny fitokisana aminy, ka hamaliany antsika sy hananganany antsika amin'ny fotoana hitany fa mahamety izany.
Diniho tokoa moa raha toa ka mampiasa ny fahefany hamaly ny vavaky ny mpanompony Andriamanitra, kanefa Izy aza mifampizara andraikitra (http://harilova.blaogy.com/post/182/721) na samy mahefa ny zavatra rehetra, raha toa ka mamaly ny vavaka ataontsika eo noho eo Andriamanitra, mbola hatoky azy ve isika sa hampiasa izany fahasoavana azo izany fotsiny hanangonana izay mahasoa ny tena na hamongorana izay mety manelingelina amin'ny fiainana?
Mazava loatra araka izany fa ny fijaliana sy ny fahoriana mahazo antsika tsy azontsika hilazana fa tsy afaka mandahatra ny zavatra rehetra Andriamanitra.
Ka raha izy ary no madahatra, azontsika atao ve ny manihitra izay voalahatr'Andriamanitra?
"Ilay nahary antsika tsy niera tamintsika, hoy i Augustin (mpandinika ny momba an'Andriamanitra tamin'ny taonjato fah-efatra) dia tsy hamonjy antsika tsy miaraka amintsika". Izany hoe miandry ny safidintsika mba hamonjeny antsika.
Raha efa voalahatra avokoa ny zavatra rehetra, dia tsy misy heviny ny vavaka ataon'ny mpino. Kanefa hita ao amin'ny Baiboly fa ny vavaky ny olomarina manery an'Andriamanitra hiova hevitra (hanenina amin'ny loza nokasainy hafitsoka ny vahoaka, ohatra tany Niniva tamin'ny andron'i Jaonasa Mpaminany).
Ny valin'ny fanontaniana napetratsika araka izany dia miankina indrindra amin'ny fanekentsika ny fahefan'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.
Azo ampifandraisina amin'ny resaka "lahatra" sy "anjara" araka ny fisainana malagasy io... na koa amin'ny fitenenana frantsay hoe "l'homme propose, Dieu dispose".
Ny olana anefa tsy hoe isika afaka na tsy afaka manao izay tiantsika hatao, satria tsy tompon'ny fotoana sy ny zava-mitranga isika, ary ekentsika marina tokoa fa misy hery hafa noho isika izay tsy azontsika tsinintsinoavina tsy hahafahantsika manatanteraka izay kinasa indraindray...
Ny olana dia hoe raha mandahatra ny zavatra rehetra Andriamanitra, nahoana ary no ...
Mbola hitohy...
harilova | 25 Aprily, 2006 03:29
Ny Katolika indrindra indrindra no manaja sy miankohoka amin'ireny sarivongana ireny, manompo sampy fa mivavaka amin'ny sarivongana...
Dia raikitra ny ady mazàna, satria ny mpanenjika tsy mahafehy akory ny zavatra lazainy, ny enjehina indraindray tsy nandalina firy ny tena vontoatin'ny lovam-panahy arahiny ka ny ivelany fotsiny no fantany...
manompo sampy tokoa ve ny manao sary na sarivongana hajaina ao am-piangonana?
Lazain'ny Baiboly aloha fa tsy tokony hanao sarivongana ianao ka hiankohoka eo anoloany satria saro-piaro ny Andriamanitrao... Dia voizina izany hevitra izany hanenjehana ny katolika satria feno sary sy sarivongana ny Fiangonany sady izay miditra dia miankohoka na miondrika amin'ireny sarivongana ireny... Asanao lahy ra-Katolika...
Fa raha mbola tohizana ny famakiana ny Baiboly raha tsy hoe angaha odiana fafàna ny andalana sasany mitondra fanorisorenana na tsy mifanaraka amin'ny hevitry ny tena, dia ireo zanak'israely ireo, nitondra ny Didy Folo natao tao anatin'ny Fiaran'ny Fanekena ka najaina tao an-tranolay, ary ny Mpanjaka Davida tsy nahatanty izany ka nanao hoe : "Sanatria raha izaho hitoetra ao an-tempoly sedera, ka ny Tompo kosa ao an-tranolay..."
Azo jerena koa ny momba ny bibilava varahina izay nataon'i Mosè ka nijeren'ny Israelita mba hahasitrana azy : tsy ny bibilava no nahasitrana fa ny finoana an'Andriamanitra izay manome hery araka izay sitraky ny fony...
Ilay fanaovana sarivongana voalaza fa noraran'ny baiboly dia ilay sariomby anidina (varahina) izay nataon'ny zanak'Israely satria hoe tsy fantatra na maty na velona i Mosè lasa any Horèba... tsy sarin'Andriamanitra fa sary andriamanitra araka ny fomban-tany ejipsiana sy ny tany manodidina, tsy Andriamanitra no noezahany naseho tao amin'ny sary fa ny harena sy ny tsiron'ny hen'omby nahamanina azy tany Ejipta...
Midika araka izany fa ilay Fiaran'ny Fanekena dia tandindona nampahatsiaro an'Andriamanitra teo anivon'ny vahoakany, tsy ilay Fiaran'ny Fanekena no hajaina fa ilay Andriamanitra ambarany.
Tsy fanompoan-tsampy araka izany ny fanajana ny sary raha toa ka entina hampahatsiaro antsika ny olona ambarany izy. Ny fanajana ny olomasina aza moa hoa n'ny katolika dia fanajana sy fankalazana ny asan'Andriamanitra ao amin'ny halemen'ny olombelona...
Ankoatra izany, manana fahafahana manambara ny tsy hain'ny vava (teny) sy ny soratra ambara ny sary, fa sady famintinana ny tiana ambara izy no koa milaza mihoatra izay azo ambara :
Raha hiteno aho ohatra hoe Andriamanitra tokana olona telo, ohatrohatr'izao ny Ray, tahatahaka izao ny zanaka sy ny Fanahy, dia ataoko sary izany ka na ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza, raha tsy hoe sanatria jamba dia afaka mandinika sy mahazo izay ambaran'ny sary.
Izay mampiasa ny baiboly araka izany nefa milaza fa tsy azo atao sary Andriamanitra dia tokony handini-tena satria na ny baiboly aza izay soratra dia karazana sary ihany, ka tokony hodorany...sanatria anie izany.
Mila fitandremana ihany anefa satria indraindray ny zavatra miseho ataon'ny katolika na ny hafa izay tsy dia lalim-pinoana loatra dia entin'ny sasany hanaratsiana ny finoan'ny Fiangonana manontolo.
Mampandinika indraindray ny mahita ny mpino sasany manaja kokoa ny olomasina noho ilay Andriamanitra loharanon'ny Fahamasinany...
Anjaranao ny mandinindinika sy misaintsaina fa koa mampahatsiaro ny tokony ho izy amin'ny hafa...
harilova | 24 Aprily, 2006 02:14
Mampaninona ahy tokoa moa raha toa ka Trinite na tsia izao Andriamanitra izao?
Ny Silamo manenjika ny kristianina, indrindra ny katolika fa hoe mino Andriamanitra maro (Polithéistes), satria hoe tsy Andriamanitra izao Jesoa izao fa na ilay Kristy aza (ilay Voahosotra) dia Mpaminany lehibe fotsiny.
Ho an'ireo milaza ho mino an'Andriamanitra Trinite tokoa dia tsy afaka ny hanao valin-teny bontolo be fotsiny izao mba hampita izany foto-pinoana izany amin'ny hafa, indrindra amin'ny mbola tsy mino.
Angamba efa mba nanana traikefa miresaka zavatra iray amin'ny olona tsy mahalala izany mihitsy ianao fa ny heviny ihany no asesiny...
Ny mety hoy Tonino Bello izay, rehefa miresaka momba an'Andriamanitra amin'ny mbola tsy mahalala azy ka manontany hoe : "Fantatrao ve Andriamanitra?" dia valio hoe :"fantatrao ny omby? Fantatrao ny olona?... Anontanio izay zavatra fantany... dia farano hoe : "tsy ireny Andriamanitra fa Hafa izy..."
Atao ahoana tokoa moa no hitenenanao amin'ny olona iray ao anaty fahoriana sy fijaliana fa tia azy Andriamanitra, raha toa ka tsy miezaka hampiseho aminy ny atao hoe : Fitiavana ianao? Ny teny hilazana an'Andriamanitra amin'ireny olona ireny dia fanesoana azy raha tsy ialohavan'ny asa fiantrana nambabo ny fony...
Izany no entiko mampiditra ny resaka hilazana fa tsy ho afaka hilaza isika hoe Fitiavana Andriamanitra, raha tsy Izy aloha no miseho ho taratra amin'izany Fitiavana izany. Vakio ireo nosoratako momba ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra, fa fanehoam-pitiavana ireny...
Mba ho tara-pitiavana ho antsika no nisehoan'Andriamanitra ho antsika... Nahoana ary no tsy roa izy na tokana monja na efatra... fa telo?
Ankoatr'izay mety ho azo ambara dia tsara ho fantatra fa ny fisehoan'Andriamanitra amintsika araka ny baiboly dia tsy vokatry ny saina na ny Fikarohana fa kosa Fanambarana (RéVélation), ka ireo olona nentanin'ny Fanahin'Andriamanitra no nanoratra araka ny Fanambarana, kanefa koa araka ny foto-pisainana sy ny literatora nisy tamin'ny fotoana nanoratany...
Raha jerenareo ireo andala-tSoratra Masina milaza ny Trinite, atomboka ao amin'ny fahariana (Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika [Jenezy]...) izay mifanahaka amin'ny fomba fitantaran'ny Tatsinanana ny Fahariana tamin'izany fotoana izany... dia hita ireo olona telo ireo : ny Mpahary, ny Teny nentina nahariana ary ny Fanahy nampisy aina ny voahary. Taorian'ny nampidiran'i Tertullien(115-222) ny teny Trinitas ao amin'ny voambolana latinina dia hoy i Augustin (354-430) hoe Ireo ilay Mpitia, ilay Tiavina ary ilay enti-mitia (Fitiavana).
Io isa telo io dia misy heviny lalina amin'ny kolotsaina jody : manambara ny zavatry ny lanitra io (ny isa efatra kosa manambara ny momba ny tany = ny Fito maneho ny fitambarany, ny hafenoana, isa masina).
Tsy hoe kisendrasendra araka izany no maha-olona telo an'Andriamanitra tokana fa kosa fanehoam-pitiavana amin'ny hafenoana. mahalasa saina antsika trimurti an'ny finoana hindò...
Raha mijery ireo sary fanehoana an'ireo olona telo ireo isika dia mahita fa tsy mitovy mandrakariva ny fipetrak'ireo olona telo ireo : ny sarin'i Roublev ohatra (sary) dia eo ampovoany ny Zanaka, amin'ny sary hafa kosa indray dia ilay Fanahy no eo afovoany...
Araka ny toe-tsaina sy ny foto-pisainana jody dia izay eo afovoany no manao ny asa, ny eo an-kavanana no mpaniraka, ny eo an-kavia mpanolo-tsaina.
Araka izany, ny Ray dia teo ampovoany tamin'ny fotoan'ny Fahariana ; ny Zanaka tamin'ny fotoan'ny Fanavotana, ary ny Fanahy kosa amin'izao fotoana farany izao, mandavorary ny zavatra rehetra.
Tsy afaka ny hilaza isika araka izany fa Fitiavana Andriamanitra raha tsy amin'ny alalan'izany fisehoana sitrany hahalalantsika azy izany. Mistery izany ka tsy ho takatry ny saintsika, kanefa raha iezahantsika hihainana ny Fitiavana ary misokatra ny masom-panahitsika hahita ireo asa fanehoam-pitiavana manodidina antsika fa tsy akimpin'ny fialonana sy ny avonavona, dia afaka hahita bebe kokoa ny maha-Trinite an'Andriamanitra.
(tohiny)harilova | 22 Aprily, 2006 01:07
Adihevitry ny taona maro ny momba ny konfesy : Andriamanitra irery ihany ny anay no mamela heloka ka tsy ilainay velively ny hikonfesy any amin'i Mompera...
Sendra namaky ny vaovao mahafaly amin'ny Jaona amin'izay milaza ny fitsanganan'i Jeso ho velona aho, dia nahita ny teny hoe : "Fiadanako no omeko anareo... raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia voavela, izay hotananareo dia ho voatana".
Lasa ny saiko hoe dia tena fanomezana fahefana hamela heloka tokoa ve izany?
Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny Katolika inahy no mikonfesy fa ny hafa koa : ny loteranina ohatra dia mikonfesy koa ka anontanian'ny Mpitandrina raha toa ka inoany ny famelana dia omena azy...
Tsy ady hevitra momba izay no tiako homena anao eto fa kosa singan-kevitra vokatry ny fandinihako momba ity famelan-keloka ity :
ahoana tokoa moa no any amin'Andrimanitra irery ihany aho no tokony hibebaka sy hifona satria izy irery ihany no mpamela heloka?
Mba hampahazava izay tiako holazaina dia aleo aloha omeko anao n y famaritana ny atao hoe Fibebahana araka ny hevitro. Raha ny dikan-teny vahiny milaza azy dia ny teny grika hoe "metanòià" midika fiovan'ny atifanahy; amin'ny teny ebrio dia hoe "shob" na hoe todika ivoho.
ity farany ity no tiako kokoa satria ny fibebahana ho ahy dia miainga avy amin'ny fahatsapako fa tsy nety ny nataoko ka mila miiova lalana aho.
Raha fiovana lalana ary ny fibebahana, mba hiverina any amin'Andriamanitra aho satria nanota dia any amin'Andriamanitra ve no lalako?
Tsia hoy aho : ny fahotana sy ny heloka rehetra nataoko dia tsy hoe nataoko mivantana amin'Andriamanitra, tsy misy nivantana tamin'Andriamanitra na iray aza, fa kosa nampitondra fahoriana ny olombelona nifanerasera tamiko, dia nahoana moa rehefa miverina aho no handeha "direct" any amin'Andriamanitra?
Izay dia mampisy heviny ity konfesy ity, sitrak'Andriamanitra ny fanetrentsika tena eo anatrehan'ny olona omeny fahefana, fa mialoha izany aza eo anatrehan'izay nahadiso antsika ka mangata-pamelana aminy sy mitady fomba hanonerana izany heloka izany...
satria tokoa manko, raha toa ka zavatra tsy mifandanja akory amin'ny heloka vitako no atoron'ny pretra ahy ho aza fanonerana, rariny ve izany eo anatrehan'izay niharitra ny mafy noho ny hadalana vitako?
anjarantsika ny mandini-tena...
harilova | 22 Aprily, 2006 00:20
Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ary mahalala ny zavatra rehetra.
Amin'ilay sary nataon'i Roublev (jereo ity http://www.chemin-neuf.org/tychique/144/icone.html) dia samy misy ilay faribolana mazava (auréoles) manodidina ny lohan'ireo olona telo : entiny manambara ilay Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra (omniscient).
Ireo olona telo ireo anefa, na mahalala ny zavatra rehetra aza dia nifampiera hatrany. jereo ohatra ny tany amin'ny tantaran'ny fahariana izao tontolo izao : "Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, manahaka antsika". Toy ny hoe misy fifampierana ao. Fa ny tena mistery ambony indrindra amin'ity fahefan'andriamanitra ity dia ilay tenin'ny Zanaka hoe : "tsy misy mahalala ny farandro, na ny zanaka aza fa ny Ray ihany no mahalala izany".
Tsy dia hoe fetra ho amin'ny fahalalan'ny Zanaka izany tsy akory, fa koa fifanajana andraikitra : ny Ray no mandamina ny fotoana, ka hajain'ny Zanaka hatrany izany. Tsy anjarany ny manambara izany ka manaja ny toetra maha-zanaka azy izy.
Tsy ny hamakiantsika loha hikaroka sy hamehy ny misterin'Andriamanitra tsy akory no tanjona fa kosa ny handraisantsika lesona hoenti-miaina amin'izany Fifampikasohana amin'ny Mistery izany. Ny Finoana dia manova ny fiainana, ka raha mino isika fa mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra, kanefa mifanaja amin'ny fanapahan-kevitra, mifanaja amin'ny fanatanterahana ny andraikitra, ahoana no mba hihezahantsika hanaja ny hevitry ny hafa, hanontany ny hevitry ny hafa mety ho voakasiky ny fanapahan-kevitra raisintsika?
Mazàna manko ny fahalalana kely mba ananantsika dia tsy hoentintsika hanampy ny hafa, hifanampiana amin'ny hafa fa hiheverana kosa ho mahavita tena. Ny Fianarana sy ny fandalinana tiantsika atao, ataontsika na koa mety zaraintsika amin'ny hafa, dia tokony hizotra amin'izany famporisihana hiara-miasa izany, famporisihana ho amin'ny fiombonana.
Ny ady dia fifanoheran-kery hijerena izay matanjaka kokoa ka hahafahana manjakazaka amin'izay resy, ny fitadiavana hampanjaka ny an'ny tena no anton'ny ady...
Ny Fandriampahalemanana sy ny Fiadanana kosa, na dia fanomezan'Andriamanitra aza, dia hoy ny Papa Joany 23 izay hoe miankina amin'ny andry efatra ilàna ny fiaraha-miasan'ny olombelona :
Ny Fiekena ny marina momba ny tena sy momba ny hafa ka hanekena izany na dia mifanipaka amin'ny tombotsoa manokan'ny tena aza ; ny Fahamarinana izay hanajako ny zo aman'andraikitry ny hafa tahaka ny hitiavako hanajana ny zoko sy hiezahako koa hanatanteraka ny andraikitra mifandraika amin'izany; ny Fitiavana izay hamaha ny olana mety hitranga amin'ny tsy fanajana ny fahamarinana, ka na tsy hajain'ny hafa aza ny zo aman'andraikitro dia eo ny famindram-po hiezaka hanaja ny azy hatrany; ny Fahafahana izay tsy hoe fanaovana izay tiana hatao fa kosa fananana tanjona hotratrarina ka hananana risi-po hifehy tena sy handà izay rehetra mifanohitra amin'izany tanjona izany...
Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra ...ary fantany fa osa sy malemy isika olombelona...
harilova | 21 Aprily, 2006 09:01
Raha mandinika ilay sary nataon'i Roublev isika dia mahita fa samy manana elatra ireo olona telo nentiny nanambara ny olona telo ao amin'ny Trinite Masina. Ny elatra dia manambara ny fahafahana mivezivezy eran'ny tontolo, tsy voafetry ny elanelan-tany : amin'ny toerana rehetra Andriamanitra.
Na izany aza anefa dia tsy mba misara-toerana na oviana na oviana ireo olona telo, fa izay misy ny iray, misy azy telo. Izaho sy ny Ray dia iray ihany hoy i Kristy.
Mampianatra antsika izany fa na dia eo aza ny elanelantany mety hampisaraka dia tokony hotandrovana mandrakariva ny firaisam-po sy ny fihavanana. Tsy tokony ho sakana hivoizana ny hoe "lavitry ny maso, lavitry ny fo" izany.
Izany no fahefan'Andriamanitra mampianatra antsika ny tena fiombonana.
harilova | 20 Aprily, 2006 01:15
Ny Finoana an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia azo dinihina avy amin'ny sary nataon'ny Manakanto tantsinana iray, André Roublev. Azo dinihina hoy aho, satria mistery ny momba an'Andriamanitra, ka tsy azontsika atao ny milaza fa mamintina ny momba azy io sary io, satria tsy azontsika fintinina ny momba an'Andriamanitra.
Amin'io sarin'ny Trinite io dia manambara an'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra (omnipotent), Manerana ny toerana rehetra (omniprésent), ary mahalala ny zavatra rehetra (omniscient).
Ny voalohany dia ambaran'ny tehana izay tazonin'ireo olona telo : mahagaga anefa fa tsy mitovy ny fandrin'ny tehana eny antanan'ireo olona telo. Na mahefa ny zavatra rehetra aza Andriamanitra dia ny Ray NAHARY, ny Zanaka NANAVOTRA, ary ny Fanahy kosa MANDAVORARY ny fahamasinanatsika.
Mazana kosa ny fiainantsika dia fanjakazakana, ka izay vitako tsy mba tiako hiantsoana ny hafa hanampy ahy, ary ny talenta ananako tsy mba foiko hanampiana ny hafa...
Ireo toetra sitrak'Andriamanitra hisehoana amintsika, ka azontsika dinihina dia sitrany hotarafitsika hoenti-manamasina ny Fiainana satria Izy irery no masina ka ny fanamasinana ny Fiainana dia ny fakana tahaka ny fahamasinany : Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo...
Ny Fahefan'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra araka izany dia entiny hanambarana amintsika fa fifanampiana ny Fiainana, ka ankoatra ny Finoana sy ny fianteherana amin'ny Heriny dia manampy antsika koa mba hahay hifampitsinjo isika samy isika.
Ny maha-olona telo an'Andriamanitra dia hanehoany amintsika fa FITIAVANA izy, tsy roa fa telo, araka izany dia FISOKAFANA amin'ny hafa ny fitiavana fa tsy fikombonana ao amin'ny Fifampijeren'olon-droa.
Ho hitantsika amin'ny manaraka ireo toetra roa hafa : Mahalala ny zavatra rehetra sy amin'ny toerana rehetra...
(tohiny)harilova | 20 Aprily, 2006 01:03
araka ny nolazain'i lapino hoe : ny finoana mafy orina eo ambony vatolampy tsy mihotsona, araka ny ao amin'ny Baiboly dia tiako ny mizara aminareo ny fantatro momba ity finoana ity :
Marina izany kanefa tsy hahita vatolampy hanorenanao ny finoanao ianao na oviana na oviana, izany hoe ny tontolo iainantsika dia ifangaroan'ny tsara sy ny ratsy... I Kristy kosa niantso an'i Simona hoe Kefasy (Vatolampy amin'ny teny malagasy) hanorenany ny Fiangonany eo ambon'izany vatolampy izany, ny finoan'ny Fiangonana dia tsy hihozongozona na oviana na oviana nefa kosa, na masina aza ny Fiangonana, mpanota no mitambatra hanorina azy, kanefa mpanota miezaka ho amin'ny fahamasinana (Augustin, taonjato faha-efatra).
Tsy afaka mino irery isika fa mandova io finoan'ny Fiangonana io, ary araka ny lazain'i lapino ihany, raha oharina amin'ny tao-trano ny finoana, dia hoy ny Ntaolo razantsika hoe : tsy efan'ny irery ny taotrano, sady izay indray, mandrapahavitany (izany hoe tsikelikely), dia mila mitandrina sao ravan'ny rivo-doza, sady mila mitetika izay holaniana hoy ny baiboly, sao mba nanomboka nanao trano, nefa tsy nahavita akory...
I Jakoba ao amin'ny taratasiny dia milaza fa io finoana io dia maty raha tsy arahina aza. Ny asa enti-manaporofo ny finoana no entina mitahiry azy koa, noho izany, asa fanorenana ny finoana, tsy afaka mirehareha ny amin'ny finoana efa noraisina isika, satria fantaro fa ny trano iray, na mafy orina aza, mba mila fikarakarana ihany koa mba hahatsara endrika azy.
Voalazan'ny Baiboly koa fa ny Fiangonana dia Trano arafitr'Andriamanitra ho Tempoly, ka izay mino no vato andrafetana azy. Miala tsiny fa tsy mba mametraka ny andininy aho ho an'izay zatra mijery ireny, fa kosa manentana anareo tsy hanao sekta, izany hoe hanao famakiana baiboly amin'ny ampahany ihany ka minia tsy mahita ny andalan-teny sasany.
Raha mino isika izany, dia tsy isika no hahita ny Finoantsika, tsy izay monina ao anaty trano no mahita ny trano fa izay any ivelany, tsy fireharehana ny finoana fa kosa hery manosika avy ao anaty mba hahatonga antsika hiasa.
Aza mihevitra fa mandeha ho azy ny fiainan'ireo olona hitantsika fa nanana finoana lehibe tokoa ka nahavita nitana izany hatramin'ny farany...
Manana modely amin'izany isika malagasy : Rasalama maritiora, Rasoamanarivo...
harilova | 19 Aprily, 2006 01:45
Finoana!
Mino aho!
Isaky ny fiangonan'alahady, ary isak'irony vavaka firaisam-pinoana irony dia avaozina mandrakariva ny FINOANA an'izany ANDRIAMANITRA MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA izany, ilay ANDRIAMANITRA TSITOHA,
dia mametraka fanontaniana aho matetika hoe: tena mba marina ve izany finoana izany?
Mba saintsaino angeh ity e :
Ilay Mino fa mahefa ny zavatra rehetra ny Andriamaniny, ny hariva, sendra nisy zavatra hadino tany an-tokotany ka voatery hamoha varavarana mba hivoaka haka izay, dia miantso vonjy amin'ny hafa mba hitsilo, na mba hiaraka satria matahotra sao... "tsy mahefa hiaro azy ny Andriamaniny".
Izany Finoana an'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra izany ve tsy hampisy fahasahiana handresy ny tahotra amin'ny mety ho hasomparan'ny fahavalo?
Mety hilaza angamba ianao hoe inona no hifandraisan'izany, ary mety hanontany ahy koa ianao hoe ianao izany dia tsy matahotra na inona na inona mihitsy!!!
Fantaro fa adihevitry ny taona maro ny Fijalian'ireo matoky an'Andriamanitra, kanefa ny natoky azy indrindra no nohombohana toy ny famono jiolahy, i Kristy.
Ny Fijaliana na ny mety ho hasomparan'ny fahavalo amin'izay mino tsy hoe tsy Fiarovan'Andriamanitra tsy akory fa kosa, fampisehoany ny heriny aza, hahalananantsika ny tena fitiavana.
Amin'izay resa-pinoana izay ihany dia nahita adihevitry ny Fifadian-kanina aho tao amin'ny dinika serasera tao, fa hoy ny Mpino iray (Pierre Chrysologue) izay hoe : "atao ahoana moa ny hahatsapa fa mafy anie ny noana ka mila ampiana ireo tsy mba manana ho hanina tsy fidiny, raha tsy mba manandrana izany hoe noana izany isika... dia izany fahatsapana izany no hanokanana izay nofadiana hanampiana azy ireny..."
Indraindray tokoa manko mahavita mifady hanina isika fa tsy mahavita miharitra ny hanohanana noho ny asa na noho ny antony hafa tsy miankina amintsika...
==> Tsara ataontsika Kristianina fandinihana ny tenin'ilay olokendry Hindò iray (Gandhi) hoe : "Hifady hanina aho hanonerako ny ditran'ny Mpianatro..."
Hojerentsika amin'ny manaraka ary ny hoe "mahefa ny zavatra rehetra tokoa ve Andriamanitra?"
Ny tiako hotsoahintsika amin'ity lahatsoratra eto ity dia hoe : miandalana ny finoana an'Andriamanitra ary tsy azo itompoan-teny fantatra ny Finoana satria tsy mba zavatra azo indray mandeha fa "toy ny afo" ka ny fahaizantsika mitady ny "kitay" hitairizana azy no mampateza azy. Mety ho faty, nefa azo arehitra indray...
Hojerentsika amin'ny manaraka izany Andriamanitra Tsitoha izany...
harilova | 16 Aprily, 2006 01:11
Ity misy tari-dresaka kely holazaiko anao momba ny Paka...
Tsy mila lazaina hono na dia fomba enti-mamerina milaza azy ihany aza fa Fankalazana ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan'ny Tompo tamin'ny maty ny Paka. Fety Jiosy nolovain'ny Kristianina, ka izay diavolan'ny Volana Nissan (Aprily) no ankalazana azy. Ho an'ny Kristianina dia ny Alahady manakaiky indrindra ny diavolana eo anelanelan'ny 22 martsa sy ny 26 aprily no atao alahadin'ny Paka. Ny 16 aprily izy tamin'ity satria ny 13 aprily no fenomanana ny volana.
Tsy mba miova ny andro ankalazana io fety io ho an'ny Ebrio fa ny faha-14 Nissan izay diavolana mandrakariva satria mifandraika ny diary manaraka ny volana sy ny diary fanisan'andro (toy ny tetiandro ntaolo malagasy ihany moa izany : ny Alahamady, alohotsy...).
Ny tena votoatin'ny fety dia tsy misy hafa afa-tsy ny fampitana amin'ny taranaka ny zava-mahagaga nataon'i YHWH tamin'ny Ntaolo tany Ejipta. Mba tsy ho very tadidy izany zava-dehibe izany dia natao fomba holovan-taranaka mba hitantarana fa nahefa zava-mahatalanjona ilay Tsitoha.
Ho an'ny Kristianina izay mandray ny testamenta Taloha ho tandindon'ilay Vaovao sady Mandrakizay, i Kristy, dia mankalaza ny fitsanganany. Tantara ihany izany, fa ny tiako hisontonana ny sainao manokana dia hoe : mampaninona antsika tokoa moa ny Paka? fombafomba fotsiny toy ny lazain'i Hery ve?
Ny Tantaran'ny Evanjely, na ny Filazantsara amin'ny Fotoam-pivavahana katolika amin'ity andro ity, dia milaza fa Vehivavy no nisehoan'ny Anjely mba hitory. Ny vehivavy anefa araka ny fomba ebrio tsy afaka akory hijoro ho vavolombelona amin'ny zava-mitranga, tsy manan-jo hanohana hevitra akory, nefa nofidian'i kristy ho Mpitondra voalohany ny hafany...
I Petera sy Joany niazakazaka nankany amin'ny Fasana vao maraina...
io Piera (Petera) io no tiako hisarihana ny sainao manokana...
Ilay nandà ho tsy mahalala an'i Kristy, roa andro lasa dia nentanin-jotom-po hidodododo ho any am-pasana hihaona amin'i Kristy.
Raha tsy manana io finoan'i Piera io ianao, mahatsapa fa mahery noho ny fahafatesana ny Fitiavana, ary na teo ny fahalemena dia ambony lavitra noho izany ny Famindram-po, aza milaza ho mino ny Paka...
Raha mbola mitana alahelo amin'ny hafa ianao, raha mbola mihevitra fa tsy afaka hiova intsony amin'ny fahazaran-dratsiny ny hafa... tsy mbola mino ny Paka fitsanganana ianao ka hahavita hanao tahaka ireo Mpanora-dalàna hanakarama ny Miaramila hampiely fa nangalarin'ny Mpianatra ny alina ny Fatin'i Jesoa raha natory izy ireo. Tsy ho afaka hiaiky ny helony na dia manoloana ny zava-mahagaga nataon'Andriamanitra ho azy aza.
Aleloia. Paka
(tohiny)Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Aprily 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 |