"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 07 Desambra, 2006 23:15
Masina Maria tsy azon-keloka : 8 desambra 1854 nambara mazava ho anisan'ny foto-pinoana katolika. Tsy hoe didy jadona tsy maintsy hinoana tsy akory no anton'ny DOGME (foto-pinoana) fa kosa mba hisorohana ny resa-be tsy misy farany, izay mazana vokatry ny tsy fahampianan'ny fandalinana, na dia eo amin'ny samy mpino katolika aza.
Ny Fankalazana an'i Masina Maria tsy azon-keloka (immaculée conception) dia ho an'ny Katolika, fa fety hitambaran'ny rehetra, indrindra any Eoropa, satria tsy hiasana fa handraisan-karama sy hahafahana mahazo kely amin'ny varotra sarimasina... Tsy ady hevitra amin'ny resaka Masina Maria na resaka fahotana tamin'ny fototra no holazaiko aminao eto, azo resahana amin'ny manaraka ireo, fa kosa, ny maha-zava-dehibe ity fety ity ho antsika...
Raha tsy voakasiky ny fahotana i Maria satria nofidiana ho renin'ny Mpahary azy dia mazava loatra fa fahasoavan'Andriamanitra izany, Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ... Ny fety androany dia tokony ho fanavaozana koa ny hadiovam-pon'ny Zanak'i Masina Maria rehetra, izay nahazo koa ny fahasoavan'ny batemy, manala ny fahotana rehetra... ary mbola afaka manararaotra ny famelan-keloky ny Fampihavanana...
Ny lalana tokana hahafahana mitandrina izany hadiovana izany anefa dia tsy misy afa-tsy ny "lalan'ny TENY TONGA NOFO", nosantarin'i Maria tamin'ny fiarahaban'ny anjely (Lk 1,28), fa kosa notohizany mandrakariva tamin'ny fandinihana izany rehetra nitranga momba an'i Jesoa tao am-pony (Lk 2,51)...
Raha tsy tonga nofo eo amin'ny fiainantsika ny teny, tsy ho afaka ny hiombona amin'ny hafalian'i Maria isika, tsy izy no hivavahana, fa modely sy mpitari-dalana izy, tsy ho azontsika atao tsinontsikona ny anjara toeran'i Maria satria na ny hilaza aza isika fa i Jesoa irery no modely, nandray anjara tamin'ny fanabeazana an'i Jesoa i Maria, mazava ny Soratra Masina milaza fa nanaiky an'i Josefa sy Maria i Jesoa (Lk 2,51).
Ankoatry ny fanampian'ny fahasoavana dia lalana lavitr'ezaka no tsy maintsy hizorana mba hahatonga nofo ny Teny... Mila ny vavaka, fa indrindra ny fahatsiarovan-tena fa nivavaka, izany hoe : afaka mametraka mandrakariva ny fanontaniana hoe : inona no nolazain'Andriamanitra tamiko teo amin'ny fiainako? Inona no sitraky ny fony hataoko? Izay no vavaka...
Arahaba ry Maria... Feno hasoavana, dia ho sanatria ho adalana ve? Sanatria anie izany...
(tohiny)Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Desambra 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |