"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 28 Aprily, 2007 22:27
Mbola misy kristianina ve eto an-tany? satria manko ny fialonana sy fifankahalana dia hita na ao anatin'ny Fiangonana aza. Ny Fiombonana sy ny fifankatiavan'ny kristiana ihany anefa no hahalalana fa mino marina an'i Kristy izy ireo : " Ny hahalalan'ny olona fa mpianatro tokoa ianareo dia ny fifankatiavana asehonareo aminareo samy ianareo" (Jn 13, 35).
Zavatra roa lehibe no tiako hifampizarana aminao anio : ny kristianina dia tahaka ireo trondro 153 tao anaty harato (Jn 21, 1-19) ka tsy misy afa-tsy ny fihainoany an'ilay Mpiandriondry no lalana tokana hahafahany miaina izany (Jn 10, 23-30).
1- Harato tsy rovitra : manambara ny Fiangonana
Rahefa tafatsangana i Kristy dia niseho tamin'ny mpianany teo am-panaratoana (Jn 21, 1-19). Misy zavatra tiako homarihina anefa : io fisehoana io dia in-droa no miseho amin'ny tantaran'ny Evanjely manontolo : ao amin'i Joany 21 sy ao amin'i Lioka 5, 1-11, samy mialoha ny niantsoana an'i Simona Piera (Vato).
Ao amin'i Lioka 5, 1-11, taorian'ny harato feno trondro, dia nantsoin'i Jesoa i Piera nataony hoe "avia hanaraka ahy fa ataoko mpanarato olona ianao". Ao amin'i Joany 21, 1-19 koa, feno trondro vaventy 153 ny harato, fa ny fiantsoana an'i Piera kosa, tsy hanjono intsony fa hamahana ny ondry. Manambara ny dingana amin'ny Fitoriana tsy maintsy hiainan'i Piera izany : hanjono, hanarato, hampiasa kamahana, saingy rehefa avy eo kosa, hamahana sy hikolokolo ireo "voajono" na "azo an-keriny" (satria raha manarato, midika maka an-keriny).
Ny herin'i Kristy tafatsangan-ko velona irery anefa anefa no mitahiry ny harato tsy ho rovitra. Ao amin'ny fiantsoana voalohany tantarain'i Lioka dia rovitra ny harato, ao amin'ny fanankinana andraikitra lazain'i Joany kosa dia tsy rovitra velively ny harato : ny fitomboan'ny mpino tsy tokony hampitsiatra ny fiangonana, raha mino marina an'i Kristy tafatsangan-ko velona izy ireo.
2- Mpiandry ondry sy ondry :
Tsaroako ny fanampian'i Pisoa ahy tamin'ny herintaona momba ny tokony ho toetran'ny mpiandry ondry. Jereo eto. Rahefa tsy te-hihinana moa ny ondry, azon'ny Mpiandry hofahanana ve? Raha filana tombotsoa sy voninahitra ihany no andehanana hivavaka, mazava loatra fa tsy maintsy hiteraka fialonana sy fankahalana an'izay manembatsembana izay zava-kendrena. Io fanembatsembanana io dia tsy azo ihodivirana, satria ny olona tsirairay avy samy mitady ny tombontsoany. Adala izay milaza fa tsy mitady tombontsoa... fa manonofy antoandro ny mihevitra fa ho azy irery ny tombontsoa tadiavina.
Fa inona kosa no mampiavaka ny tombontsoan'ireo mino an'i Kristy? Ataoko angamba fa ny fahaizana mihaino ny feon'i Kristy, ny fahaizana manavaka ny feony : "Ny ondriko mihaino ny feoko" hoy Izy (Jn 10, 27-30) "ary manaraka ahy". Tsy ampy ny mahalala ny feon'i Kristy ho an'izay mino azy, mila ihany koa manaraka izay voalaza. Dia izay no tsy maintsy handinihina ny tombontsoa kendrena eo anatrehan'i Kristy, sao tsy mifanaraka amin'ny feony, dia ny "hifankatiavantsika" (Jn 13, 34).
Samia ary mandinika sao tsy mikatsaka loatra ny tombontsoa iombonana fa sanatria hanao izay handrovitana ny harato mampiombona ny Fiangonana. I Joany ao amin'ny Apoklipsa (7, 9-17) milaza fa "nahita vahoaka be avy amin'ny firenena rehetra, avy amin'ny foko rehetra, avy amin'ny fanjakana rehetra, avy amin'ny fitenenana rehetra..."
Heveriko fa tsy hoe fitia te hamerimberina famaritana mitovy hevitra (foko, fanjakana, fiteny, firenena...) mba hoenti-milaza ny hamaroana fotsiny, fa kosa hoentina milaza fa tsy mahasakana ny fiombonana velively na ny fahasamihafan'ny kolontsaina (firenena), na ny firazanana sy ny tantara mahatonga mifandrafy (adim-poko) na ny saranga misy eo amin'ny fiaraha-monina (mpitondra fanjakana na mpiasa tsotra...) na ny fahaizana (fiteny).
Azo atao ve ny mamongotra ny fankahalana? Mila miezaka hahatsapa aloha ireo rangory fototry ny afo mahatonga ny fankahalana sy ny tsy fifankahazahoana eo amintsika, eo anivon'ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana, dia avy eo miezaka koa hahatsapa ny tena zava-kendren'ny tena, izay vao afaka hizaha ny vahaolana : ny fihainoana sy ny fankatoavana ny tenin'ilay hany Mpiandry ondry, I Kristy Tafatsangan-ko velona.
harilova | 23 Aprily, 2007 10:08
Raha miresaka momba ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona isika dia mazàna lasa resaka habobo no atao. Terena hino ny tsy hain’ny tena hazavaina akory ny olona. Tsy misy afaka mampita ny finoana manko afa-tsy izay mino ihany.
Dia iza no mino? Ahoana no hahatsapantsika fa tena mpino isika? Sa dia atao valy boraingina fotsiny hoe rehefa mino ianao dia tsara, tsy mino ianao, raharahanao izany... (Jereo ny fanontaniana farany amin’ity fifampizarana ity)
Anisan’ny fanehoana izany finoana izany ny Sakramenta (Ny famaritana ny sakramenta dia Famantarana hita maso na tsapain’ny tanana na renesin’ny sofina, manambara sy mampahazo ny Fahasoavana), izay hifampizarako aminao etoana. Aorian’ny Paka manko no fotoana nandalinan’ny kristianina ny tena maha-kristianina azy, indrindra raha zohiana ny lovam-panahy nifandovana tamin’ny taonjato maro nifandimby, hatrany am-pihandohana. Nandritra ny karemy manko, ireo nantsoina hoe katekomena (avy amin’ny grika hoe κατηχοá½?μενος izay midika : mampianatra amin’ny feo avo, tsy azo afangaro amin’ny katesizy izay midika akon’ny fampianarana amin’ny fiainana) dia niomana ho amin’ny fandraisana ny batemy.
Tsy hoe ny efapolo andron’ny karemy ihany anefa no fiomanana fa efa nialohavana fotoana elaela nizahana toetra ireo nangataka hiroso ho amin’ny batemy. Raha tsy hita ny fahatapahan-kevitra hiaina ny fitsipi-piainana maha-kristianina, tsy miroso amin’ny sakramenta. Dia izay ilay hoe : “Miara-maty amin’i Kristy, ny amin’ny fahotana”.
Ireo alahady 7 amin’ny Paka, araka izany dia nandinihana ny sakramenta fito (Tsy hiady hevitra momba ny isan’ny sakramenta aho, satria manko ho an’ny Mpino an’i Kristy sasany, tsy misy afa-tsy sakramenta roa na telo... ho an’ny fiangonana katolika dia notanana ho fito ny isan’ny sakramenta), loharanom-pahasoavana ho an’ny mpino.
Ny alahady voalohany dia niainana sy nanavaozana ny tokin’ny batemy (ankoatry ny fankalazana ny sakramentan’ny Batemy, ny litorjian’ny Jiro sy ny Rano dia manavao ny toky nomena tamin’ny batemy ny Kristianina).
Ny alahady faharoa, alahadin’ny famindrapon’Andriamanitra, hiderana ilay famindram-po tsy misy fetra : “Raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavela…” (Jn 20,19-31).
Ny alahady fahatelo dia ankalazana ny “mofo novakiana” : “teo am-pamakiana ny Mofo no nahalalan’ireo mpianatra an’i Jesoa” (Lk, 24, 13-35). Amin’ny taona A dia vakiana ny tantaran’ireo mpianatra roalahy nankany Emaosy (Lk 24, 13-35) amin’ny taona B dia tohizana ny famakiana io evanjely io (Lk, 24, 35-48), ary navohitran’i Lioka ihany ny tapaka hazandrano nohanin’i Jesoa tafatsangan-ko velona… amin’ny taona D kosa dia ny evanjely araka ny nosoratan’i Joany no vakiana, ny fanaratoana : trondro manambara an’i Kristy, ilay zanak’Andriamanitra, mpamonjy antsika (Jn 21, 1-19) kanefa mbola mivohitra ihany ny famakiana ny mofo sy ny hazandrano….
Ny alahady faha-efatra, alahadin’ny Mpiandry Ondry tsara, dia vakiana ny Evanjely araka an’i Joany (Jn 10, 1-30) : i Jesoa ilay vavahadin’ny ondry (taona A : Jn 10, 1-10), mahafohy ny ainy ho an’ny ondriny (taona B : Jn 10, 11-18) ary manome ny fiainana mandrakizay izay manaraka Azy (Taona D : Jn 10, 27-30). Izany no antony hivavahana manokana ho an’ny mpitondra fiangonana sy ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy ho relijiozy amin'io alahady io.
Ny alahady faha-dimy dia manisy tsindrim-peo amin’ny didim-pitiavana tokony hihainan’ny Kristianina : ny fifidianana ireo fito lahy hanompo sy hitantana ny fizarana ny fiantrana (Asa 7, 1-7 : vakiteny I taona A), araka ny didin’i Kristy dia ny hinoantsika Azy sy ny hifankatiavantsika (1Jn 3, 18-24 : Vakiteny II taona B / Jn 13, 31-33° : Evanjely Taona D), mba tsy hisy intsony ny alahelo amam-pitarainana (Apok 21, 1-5 : vakiteny II taona D). Amin’ny alahady fahadimy dia tsy milaza mazava momba ny sakramenta, fa mamporisika kosa hitsinjo ny mahantra sy ny osa, ary mazava loatra fa anisan’ireny ny marary. Ny sakramentan’ny marary manko tsy hoe hahazoan’ny marary fahasitranana am-panahy sy ara-batana ihany fa porofom-pitiavana asehon’ny fiangonana ho an’ny zanany osa.
Ny alahady faha enina dia ny fampanantenana ny mpanafaka alahelo. Hangataka amin’ny Raiko aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo (Jn 14, 15-21 : Taona A), dia nidina tamin’ny Jentily ny Fanahy Masina (Asa 10, 25-48 :vakiteny voalohany Taona B), ilay Fanahy hampahatsiaro izay rehetra nolazain’i Kristy (Jn 14, 23-29 : taona D).
Ny alahady faha-fito kosa, ialohavan’ny Fiakarana any an-danitra ‘Ascension’ amin’ny faritra sasany, alahadin’ny fiakarana ho an’ny sasany, dia mamintina ny vavaka nataon’i Kristy ho an’ny fiangonana : mba ho iray ihany izy rehetra. (Jn 17, 1-11a [taona A]; 11b-19 [taona B]; 20-26 [taona D], mampahatsiaro ilay sakramenta manambara ny misterin’i Kristy sy ny Fiangonana, ny misterin’ny Fitiavana (Vakio ny Taratasin’i Paoly ho an’ny Efesiana (Ef 5, 21-33) milaza momba ny Fifankatiavan’ny lahy sy ny vavy).
Raha manaraka ireo tsipihevitra lazaiko ireo ianao dia hahatsapa fa ny fandinihana manokana ny sakramenta tsirairay dia manambara ny fifandraisana misy amin’izy ireo tsirairay avy. Ny zava-dehibe dia ny fiverenantsika matetika amin’ny fandinihana ny hasarobidin’ny fiantsoana niantsoana antsika.
Ny tanjon’ny fotoana mystagogique dia ny hanavaozantsika ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ny sakramenta rehetra dia manambara ny misterin’ny Paka, ary manova ny fiainantsika rehefa ekentsika ny hiara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana, mba hitsanganantsika miaraka aminy.
Dia samia mandinika ny fiainany hoe tamin’ny inona no niarahako maty tamin’i Kristy... ho ahy manokana manko, mbola manana matoatoa (ireo fahotana sy ireo zavatra nolaviko mba hanarahako ny Tompo, nefa avy eo toa mahafinaritra ahy indray ny miverina aminy avy eo... toa tsy foiko hofongorana tanteraka) mandehandeha ao am-poko aho ka mazava loatra ireo no manakana ahy tsy hihaina tanteraka ny misterin’ny Paka.
Dia sahy hilaza ve aho hoe : mino?
Mino aho Tompo fa mba vonjeo re ity tsy finoako... (Mk 9, 23-24)
harilova | 11 Aprily, 2007 10:52
Paska na Paka, dia fandalovana raha adika ara-bakiteny. Dia ho gaga ve isika raha mba mandalo any am-piangonana ny ankamaroan'ny kristianina na dia ho tsidi-pahitra ihany aza izany? Teo no nahalasa saina ahy, hoe raha hanoratra ho anao, hiarahaba fa nahatratra ny Paka, hirary soa fa nahatratra ny fety... dia hoy aho hoe "Midika inona amiko ity fiarahabana ity : Arahabaina hoe nahatratra ny Paska! Dia samy ho tratry ny ho avy indray..."
Ny firariantsoa sy ny famaliana ireo mailaka tonga anefa tsy maintsy atao, dia hoy aho namaly ireo firariantsoa azoko :
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Aprily 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
29 | 30 |