"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 28 Aprily, 2007 22:27
Mbola misy kristianina ve eto an-tany? satria manko ny fialonana sy fifankahalana dia hita na ao anatin'ny Fiangonana aza. Ny Fiombonana sy ny fifankatiavan'ny kristiana ihany anefa no hahalalana fa mino marina an'i Kristy izy ireo : " Ny hahalalan'ny olona fa mpianatro tokoa ianareo dia ny fifankatiavana asehonareo aminareo samy ianareo" (Jn 13, 35).
Zavatra roa lehibe no tiako hifampizarana aminao anio : ny kristianina dia tahaka ireo trondro 153 tao anaty harato (Jn 21, 1-19) ka tsy misy afa-tsy ny fihainoany an'ilay Mpiandriondry no lalana tokana hahafahany miaina izany (Jn 10, 23-30).
1- Harato tsy rovitra : manambara ny Fiangonana
Rahefa tafatsangana i Kristy dia niseho tamin'ny mpianany teo am-panaratoana (Jn 21, 1-19). Misy zavatra tiako homarihina anefa : io fisehoana io dia in-droa no miseho amin'ny tantaran'ny Evanjely manontolo : ao amin'i Joany 21 sy ao amin'i Lioka 5, 1-11, samy mialoha ny niantsoana an'i Simona Piera (Vato).
Ao amin'i Lioka 5, 1-11, taorian'ny harato feno trondro, dia nantsoin'i Jesoa i Piera nataony hoe "avia hanaraka ahy fa ataoko mpanarato olona ianao". Ao amin'i Joany 21, 1-19 koa, feno trondro vaventy 153 ny harato, fa ny fiantsoana an'i Piera kosa, tsy hanjono intsony fa hamahana ny ondry. Manambara ny dingana amin'ny Fitoriana tsy maintsy hiainan'i Piera izany : hanjono, hanarato, hampiasa kamahana, saingy rehefa avy eo kosa, hamahana sy hikolokolo ireo "voajono" na "azo an-keriny" (satria raha manarato, midika maka an-keriny).
Ny herin'i Kristy tafatsangan-ko velona irery anefa anefa no mitahiry ny harato tsy ho rovitra. Ao amin'ny fiantsoana voalohany tantarain'i Lioka dia rovitra ny harato, ao amin'ny fanankinana andraikitra lazain'i Joany kosa dia tsy rovitra velively ny harato : ny fitomboan'ny mpino tsy tokony hampitsiatra ny fiangonana, raha mino marina an'i Kristy tafatsangan-ko velona izy ireo.
2- Mpiandry ondry sy ondry :
Tsaroako ny fanampian'i Pisoa ahy tamin'ny herintaona momba ny tokony ho toetran'ny mpiandry ondry. Jereo eto. Rahefa tsy te-hihinana moa ny ondry, azon'ny Mpiandry hofahanana ve? Raha filana tombotsoa sy voninahitra ihany no andehanana hivavaka, mazava loatra fa tsy maintsy hiteraka fialonana sy fankahalana an'izay manembatsembana izay zava-kendrena. Io fanembatsembanana io dia tsy azo ihodivirana, satria ny olona tsirairay avy samy mitady ny tombontsoany. Adala izay milaza fa tsy mitady tombontsoa... fa manonofy antoandro ny mihevitra fa ho azy irery ny tombontsoa tadiavina.
Fa inona kosa no mampiavaka ny tombontsoan'ireo mino an'i Kristy? Ataoko angamba fa ny fahaizana mihaino ny feon'i Kristy, ny fahaizana manavaka ny feony : "Ny ondriko mihaino ny feoko" hoy Izy (Jn 10, 27-30) "ary manaraka ahy". Tsy ampy ny mahalala ny feon'i Kristy ho an'izay mino azy, mila ihany koa manaraka izay voalaza. Dia izay no tsy maintsy handinihina ny tombontsoa kendrena eo anatrehan'i Kristy, sao tsy mifanaraka amin'ny feony, dia ny "hifankatiavantsika" (Jn 13, 34).
Samia ary mandinika sao tsy mikatsaka loatra ny tombontsoa iombonana fa sanatria hanao izay handrovitana ny harato mampiombona ny Fiangonana. I Joany ao amin'ny Apoklipsa (7, 9-17) milaza fa "nahita vahoaka be avy amin'ny firenena rehetra, avy amin'ny foko rehetra, avy amin'ny fanjakana rehetra, avy amin'ny fitenenana rehetra..."
Heveriko fa tsy hoe fitia te hamerimberina famaritana mitovy hevitra (foko, fanjakana, fiteny, firenena...) mba hoenti-milaza ny hamaroana fotsiny, fa kosa hoentina milaza fa tsy mahasakana ny fiombonana velively na ny fahasamihafan'ny kolontsaina (firenena), na ny firazanana sy ny tantara mahatonga mifandrafy (adim-poko) na ny saranga misy eo amin'ny fiaraha-monina (mpitondra fanjakana na mpiasa tsotra...) na ny fahaizana (fiteny).
Azo atao ve ny mamongotra ny fankahalana? Mila miezaka hahatsapa aloha ireo rangory fototry ny afo mahatonga ny fankahalana sy ny tsy fifankahazahoana eo amintsika, eo anivon'ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana, dia avy eo miezaka koa hahatsapa ny tena zava-kendren'ny tena, izay vao afaka hizaha ny vahaolana : ny fihainoana sy ny fankatoavana ny tenin'ilay hany Mpiandry ondry, I Kristy Tafatsangan-ko velona.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Aprily 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
29 | 30 |