...any ianareo rehetra mino fa nitsangana tokoa ny Tompo, Any ianareo rehetra nino, mino ary mbola hino fa tsy habobo na angano ny fitsanganany...
sambatra ianareo,
satria manko rehefa mijery ny tenako aho,
amin' ny fahazarako sy ny fahotana kely sy lehibe mangeja ahy,
amin'ny mahazatra sy ny mahafinaritra ahy izay mazana tsy mahasoa akory...
toa tsy afa-mikopoka fa voageja... toa tsy manantena akory fa hitsangan-ko velona...
Sambatra ianareo mino marina fa na ny maty aza afaka mitsangana,
ny mpanota ho voavela heloka ka hibebaka...
ary ireo rahalahy sy rahavavy ataon'ny tontolo fanondro molotra, ho mpanota matevin-koditra
hinoanareo sy atokisanareo fa hibebaka sy hihazo ny lalam-pamonjena...
Miarahaba anareo, ary mivavaha ho anay tsy mbola mino,
mba hahatsapanay ny halehibeazan'ny Famelan-keloka sy ny fitiavana,
ka hinoanay tokoa fa tsy herin-draolombelona izany fa herin'ilay efa nandresy ny fahafatesana...
Mirary paka sambatra ho anao sy ho an'ny Fianakaviana sy ny fahavalonao rehetra....
Tsy azo odian-tsy hita manko ny zavatra hiainana, ary tsy hoe pessimiste aho akory sanatria, fa hitako ihany ny zava-misy... Paka tokoa manko ny andro raha toa ka afaka mandia tany maina eo afovoan'ny ranomasina mena ny Kristianina.. izany hoe afaka miaina ny maha-kristianina azy ao anatin'ny fisamboaravoaran'ny fanatontoloana sy ny vokany eo amin'ny fiaraha-monina.
Rehefa nilaza momba ny fiara-maty miaraka amin'i Kristy ao amin'ny Batemy i Paoly (jereo ohatra Kol 2, 12 // Rom 6, 4) dia tsy azo adinoina fa ireo natao batemy tamin'izany dia ireo olona resy lahatra ny amin'ny finoany, ka na noterena aza tsy nanaiky hivadika amin'izany finoana izany, naleony maty toy izay hanota. Ireo no antsoin'ny fiangonana hoe Martiora.
Ankehitriny, ireo milaza ho mpino an'i Kristy nitsangan-ko velona, aleony miala any am-piangonana ka mitady fiangonana hafa toy izay teriterena hanao ny tsara na hanao izay sarotra tanterahina...
terena hanao ny tsara indray vao tsy manao...
Ny vokatr'izany dia mazàna odian-tsy hita eo amin'ny fiainana : mandritra ny karemy dia lalàn'ny fiangonana katolika ny mifady hanina, tsy hoe hampijaly tena loatra fa mba hanomezana hanina ny mahantra. Dia manao tokoa ny ankamaroany, eny fa na dia hisehoana ho tia ny mahantra eo imason'ny hafa ihany aza. FA mba diniho moa e, diniho amin'ny fo tsy miangatra, raha kristianina ianao, voaantso hitia sy hitsinjo ny mahantra, ampitahao sao sanatria mihoatra ny voahangona sy ny foinao ho an'ny mahantra ny nolanianao ho an'ny fahafinaretana nandritra ny Lundi de Paques.
Dia avy eo lanjalanjao raha tena paka marina tokoa ho anao ity Paka ity.
Dia izay ny mahatonga an'i Paoly milaza fa "
raha tsy nitsangana ny Tompo, dia foana ny finoantsika..." (1 Kor 15, 17)
Raha tsy hita taratra eo amin'ny fiainantsika ny herin'io Fitsanganana io dia tsy misy finoana azo heverina akory...
Raha sanatria mitovy amiko ianao mahatsapa fa tsy mbola manam-pinoana tokoa, dia miaraha amiko mangataka amin'ny Tompo satria Fanomezana avy aminy ny Finoana. Tsy ny rehetra anefa no tolorana fanomezana... fa izay mila izany ihany.
Raha hilaza ianao hoe : izaho mila nefa tsy nomeny... diniho tsara sao efa mba nomeny io fanomezana io ianao fa ianao mihitsy no nandà tsy handray azy....
Tsy tara fa angataho aminy indray koa...