"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 31 Martsa, 2007 21:54
Est-il possible d’aimer?[1] Manoloana ny faharavan’ny fanamadiana, ny olana sy ny fitaka hifanaovan’ny mpifamofo sy ny mpifankatia, ny famaritana ny atao hoe fitiavana… dia mametraka fanontaniana isika hoe : sao mba nofinofy sy fampandriana eritreritra fotsiny izao “fitiavana” izao fa tsy hery fanohitra hoenti-manavao ny fiainana tsy akory.
Tsia hoy ny Papa, ho antsika tanora. Tsia… satria ny tena fitiavana marina dia mahatoky, mafy orina ary loharanon-kafaliana sy fiadanana, mampifamatotra ny mpifankatia an-kahalalahana sy ao anatin’ny fifanajana tanteraka.
Misy dingana telo tsy maintsy harahina anefa, hoy Ilay voatsodrano[2], raha tiantsika ny hihaina izany fitiavana marina izany : ny loharanon’ny fitiavana, ny modelin’ny fitiavana ary ny faniriana te hitia marina.
1. Ny Loharanon’ny fitiavana dia Andriamanitra irery ihany : Andriamanitra dia Fitiavana (1 Jn 4, 8.16) ny Misterin'ny Trinite Masina dia tara-pahazavana ho antsika mba hahitantsika ny Fanahy izay mampiray ny Ray sy ny Zanaka.
2. I Kristy kosa, ilay Teny tonga nofo mba hanavotra antsika dia nahafoy ny ainy ho antsika mpanota (Rm 5, 8 ) no nampiseho antsika ny modelim-pitiavana : izay tia mahafoy, eny fa na dia hatramin’ny aina aza.
3. Izany no mampandinika antsika ka rehefa voakasiky ny tena fitiavana ny fontsika dia te hitia toy ny nitiavany antsika. Ilay hetahetan’i Jesoa teo ambony Hazofijaliana dia ny faniriany hamongotra ny fahotana sy ny fankahalana manakana ny fontsika tsy hitia. Ny hoe tiavo ny namanao tahaka ny tenanao dia mitaky fahatsapana ny fitiavan’i Kristy izay manosika antsika hitia hatramin’ny fahavalo, hitia hatramin’ny farany.
Raha te ho vavolombelon’ny fitiavan’i Kristy isika hoy ny Papa dia amin’ny lafim-piainana telo no tsy maintsy hanehoantsika izany : ao am-piangonana, amin’ny fanomanana ny ho avy, eo amin’ny seha-piainana andavanandro.
· Afaka mivelona ny fitiavan’i Kristy isika ao amin’ny fianakaviam-be ara-pinoana. Ny hahalalana fa mpianatr’i Kristy isika dia ny fifankatiavana asehontsika (Jn 13, 35). Tokony ho hita taratra eo anivon’ny Paroasy, ao amin’ny Fikambanana Masina sy amin’ny seha-pikatrohana rehetra izany fifankatiavana izany.
· Eo am-panomanana ny ho avy dia tokony hesorina ao an-tsaina ny hevi-diso milaza fa manakana ny fivelaran’ny tanora ny fiangonana, tsy mahara-damaody, efa lany andro… tsy mahay afa-tsy ny mandrara homana… Mikatsaka ny soa ho an’ny tanora mandrakariva manko ny Fiangonana ary mikendry mba hahamatotra ny fitiavana fa tsy ho sanatria fitia natao ho filàna fotsiny ka voagejan’ny fitiavan-tena sy ny fahafinaretana izay tsy afaka hivelatra ho an’ny hafa na sanatria hampivelatra ny hafa. Na ho an’ireo efa nifanaraka hanorina tokan-trano (mpifamofo) na ho an’ireo mahatsapa fa voaantso ho amin’ny fiainana voatokana na ho amin’ny filaharana, ny laharam-pahamehana dia ny mikatsaka sy manamafy orina ny seha-piainana sitrak’Andriamanitra hampivelaranareo ny fitiavana.
· Midika izany fa isan’andro no hiezahana hahamatotra ny fitiavana indrindra amin’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fitiava-namana. Tsy amin’ny fisehosehoana sy ny fifaninanana na amin’ny fisehoana ho mahomby ihany anefa fa amin’ny fanajana ny fahasamihafana izay harena mandrakariva. Ilaina ary tsy azo atao ambanin-javatra araka izany ny fiofanana sy fandalinana ny fampianaran’ny fiangonana mba hitandrovana mandrakariva ny fitiavana, izay tsy manam-pahataperana.
Ny ohatra navelan’ireo olomasina no porofo azo tsapain-tanana fa tsy rediredy ny fahafahana miaina ny tena fitiavana marina, satria ny herin’ny fitiavana no hany afaka manova tanteraka ny fon’ny olona ary afaka manova izao tontolo izao mihitsy aza. Tsy zoviana amintsika ny oha-pitiavana niainan’i Terezy tany Calcutta (India) izay niezaka hizaha ny endrik’i Kristy ao amin’ny mahantra sy ny fadiranovana.
Ny Tsiambaratelon’ny Fitiavana araka izany dia ao amin’ny fihaonana amin’ny Tompo indrindra ao amin’ny Eokaristia. Izy irery ihany no afaka manampy antsika hitia. Ny fifampizarana ny Mofo sy ny fiombonantsika aminy no hery, fanohitra , vy miaina hanentana antsika hahafoy tena hanompo ho fanasoavana ny hafa.
“Ry Rahalahy, aza mitia amin’ny teny sy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny fahamarinana. Izany no hahalalantsika fa tao anatin’ny Marina isika no teraka.” (1Jn 3, 18-19). Efa ampiomanin’ny Papa sahady isika ho amin’ny fihaonana any Sidney 2008, ny tenin’Andriamanitra zary aina ho amin’ny fihaonana any moa dia ny hoe : “Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo ka ho vavolombeloko” (Asa 1, 8 ).
Miaraka amin’i Maria, matoky isika miombom-bavaka amin’ny Papa sy homban’ny tsodranony hampanakoako ny hiaka hany afaka mitondra aim.baovao ho an’izao tontolo izao : “Fitiavana Andriamanitra”.
Di ahoy aho hoe : ry tanora, efa mba voakasiky ny TENA FITIAVANA MARINA ve ny fonao?
[1] Dikan-teny malalaka no ataoko ho anao eto. Io Rohy io azonao hijerena ny hafatra amin’ny dikanteny ofisialy frantsay.
[2] Benedetto (Benoît )
harilova | 26 Martsa, 2007 13:58
Les changements actuels de la société et la diminution des vocations pèsent sur la vie consacrée. Les œuvres apostoliques de nombreux Instituts et leur présence elle-même dans certaines Eglises locales sont mises en danger. Malgré le témoignage et le service offerts à la construction de l’Eglise, aucun Institut ne puisse prétendre à la pérennité. Pourtant ‘l’engagement de la fidélité’, souligné par l’Exhortation apolitique Vita Consacrata, –maintes fois menacé, voire compromis par celui de la réussite et de l’immediat – devrait être plus prophétique que jamais, dans leur mission de témoigner le mystère du Royaume de Dieu.
Jésus lui-même, avant de commencer sa mission de prédication (Mt 4,17), est conduit par l’Esprit dans le désert pour être tenté par le Diable (Mt 4, 1-11). L’Evangile précise que le tentateur s’approche de lui uniquement après le jeûne de quarante jours, quand il est déjà au bout de sa force. Cette épisode de la triple tentation de Jésus nous fait réfléchir aux trois défis principaux adressés à l'Eglise elle-même et auxquels la mission prophétique de la vie consacrée doit répondre : les défis de toujours qui, sous une forme nouvelle et peut-être plus radicale, sont lancés par la société contemporaine. La marche de quarante ans de désert des Israélites (Dt 8, 2-4) trouve sa continuité dans la vie du nouvel Israël, mais doit être éclairée par la victoire du Christ : victoire sur trois modèles de messianisme contrastés en trois différents lieux : au désert surgit la dimension matérielle et sociale (changer les pierres en pain), dans la ville sainte celle thaumaturgique-spectaculaire (se jeter en bas) et sur une très haute montagne celle politique (les Royaumes du monde et le pouvoir satanique).
Si dans le désert, – symbole d’une situation chaotique mais devenu dans le langage biblique celui d’un passage vers la promesse, vers une espérance – le Christ a refusé de changer les pierres en pain pour se nourrir, cela ne lui empêche pas de multiplier le pain pour faire nourrir la foule venue à sa rencontre dans le désert (Mt 14, 17). L’identité d’être Fils de Dieu ne se montre pas dans le miracle de l’immédiat mais dans la charité et l’option préférentielle envers les pauvres et doit être nourrie tous les jours par la lecture et l’assimilation de la Parole de Dieu. Le pape dans l’encyclique Deus Caritas est (n.31.c) parle même de la gratuité de la charité, en elle-même témoignage de Dieu lui-même qui est « Amour ». Ainsi, quand la pauvreté évangélique est au service des pauvres, le « matérialisme avide de possession, indifférent aux besoins et aux souffrances des plus faibles et même dépourvu de toute considération pour l'équilibre des ressources naturelles » trouve son antidote.
La « culture hédoniste » de la ville, dans la recherche d’une satisfaction et de plaisir momentanés ne doit pas mettre en crise l’identité de la vie consacrée. Le Christ, conscient de l’amour du Père, ne veut pas le tenter, lui-même qui a émis un cri sur la croix : Pourquoi m’as-tu abandonné ! (Mt 27, 46) continuant pourtant à remettre son esprit entre les mains du Père (Lc 23,46). Le monde a besoin des personnes qui croient à la force de l’amour. Aussi les religieux sont-ils appelés à vivre « la pratique joyeuse de la chasteté parfaite, comme témoignage de la puissance de l'amour de Dieu dans la fragilité de la condition humaine ». La personne consacrée atteste que « ce que la majorité tient pour impossible devient, avec la grâce du Seigneur Jésus, possible et authentiquement libérant ». La menace du manque de vocation ou de la perte de l’identité ne devient ainsi cause des initiatives ambitieuses et spectaculaires qui pourraient devenir un contre-témoignage à la confiance à l’Amour de Dieu. Les difficultés, résultant de la réduction du personnel et de la diminution des initiatives, ne doivent en aucune manière faire perdre confiance dans la force évangélique de la vie consacrée, qui sera toujours d'actualité et agissante dans l'Eglise.
Sur la haute montagne, le panorama d’un monde avide de pouvoir, la corruption des autorités et de la politique suscite l’importance d’un troisième défi de la vie consacrée : la liberté dans l’obéissance. L’acceptation des compromis pour sauvegarder le propre avantage risque toujours d’être la compromission même de l’identité. Jésus, conscient de sa vocation d’évangélisation, de son devoir « d’accomplir ce qui est juste » (Mt 3, 17), déclare que la clef du Royaume consiste dans l’accomplissement de la volonté du Père (Mt 7, 21). La vie consacrée offre ainsi un chemin dans l’obéissance et dans un ‘dialogue précieux’ pour découvrir cette volonté du Père, et puis l’accomplir dans un esprit de communion.
Même si certains Instituts sont menacés de disparition, "la vie consacrée continuera à nourrir parmi les fidèles la réponse de l'amour envers Dieu et envers les frères". Pour cela, le destin historique d'un Institut peut se transformer voire disparaitre à cause des changements dus aux circonstances mais la mission ecclésiale de la vie consacrée comme telle est appelée à durer. La pénurie de vocation doit être donc assumée avec sérénité et dans une ferme confiance qui se manifeste dans l’adhésion spirituelle au Seigneur et dans la persévérance à la mission.
Dans les tentations du Christ, l’Eglise retrouve ses propres tentations. Cela ne devrait nous épouvanter, malgré les problèmes encourus de la vie consacrée et tant d’Instituts religieux. Il nous a promis d’être toujours avec ses disciples jusqu’à la fin du monde (Mt 28, 20). Paul nous encourage que personne ne sera tentée au delà de sa force (I Co 10, 13ss), cette force que les personnes consacrées puisent dans la Communion avec le Christ et à l’écoute de la Parole de Dieu et qu’elles consument dans leur mission d’offrir un « horizon eschatologique dont tout homme a besoin pour pouvoir orienter les choix et les décisions de sa vie », comme a souligné le Pape dans l'exhortation apostolique Sacramentum caritatis, du 22 février dernier.
harilova | 17 Martsa, 2007 15:44
Misy ve ny lanitra?
Manoloana ny zava-misy diavintsika izao, ny hamafin’ny fiainana etsy andaniny, ny hasarotan’ny fitandremana mba hadio fitondrantena etsy an-kilany, dia manontany tena aho hoe : “Misy ve izao lanitra izao?”
Ny Filazantsara anio hifampizarako aminao dia ny ao amin’i Lioka 15[1], mitantara ilay zanaka mpandany, nangataka ny anjara lovany mba hiala ao an-tranon-drainy. Mazava loatra fa ny mangataka lova mbola velona izany, hafahafa ihany satria toa milaza amin-dRainy hoe : tsy misy ilako anao ra-Bainina fa omeo ny saosy de samy vita. Tsy miditra amin’ny resaka lalàna na amin’ny mety ho fihetsiky ny Rainy aho[2], fa te hanisy tsindrim-peo kosa amin’ity fihetsiky ny zanaka nitsipa-doha laka-nitana.
Dia lasa ilay zatovo nandany ny fananany tamin’ny vehivavy janga sy ny filibàna. Tsy nivaky loha ny hihary ka niafara tamin’ny fiandrasana kisoa[3]. Dia teo vao nody ny sainy, teo vao tsapany fa kay tsy niteniteny foana ny Ntaolo nilaza hoe “Velezo ny vy dieny mafàna”, na hoe “Mitsangàna dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony”. Entina ilazàna indrindra ity toetra izay tsy mba nitsinjo ny vodiandro ho merika … satria leon'ny asa sy ny irakiraka tao an-tranon-dray kanjo voan'ny tsy fidiny any an-tany lavitra.
Dia tapa-kevitra ny hody, satria toa tsaratsara kokoa ny an-devo ao an-tranon-drainy noho ny mpiasa any an-tranon’olona…
Dia niverina tany an-tranony… ary mbola lavitra dia notsenain-dRainy, ary nampiankanjoiny, nokiraroiny ary nasiany peratra ny tanany[4]…
Fa ny tena loza dia ity : kay ilay zokiny koa tsy faly amin’ny rainy fa tsy sahy niala tao an-trano fotsiny : “izaho nanompo anao teto foana nefa tsy avelanao mirevy hiaraka amin’ny namako akory…” Fialonana ve? Zavatra mahazo antsika matetika izany, heveriko fa tsy izay loatra no tian’i Jeso holazaina… Tsy hoe sanatria tsy mandrava ny maha-zanaka ny hadalana vita, ka andeha hanararaotra hanao izay danin’ny kibo koa ilay zokiny… Ny lanitra ho Azy, izany hjohe ny fahasambarana, dia ny mitoetra ao an-tranon-dray, na dia lanaky ny asa sy ny fanompoana aza, kanefa mahatsiaro fa zanaka…
Ny faratampon’ny fahasambarana ho an’ny Kristianina dia ny mahatsapa fa “zanak’Andriamanitra”. Sady i Jesoa no nilaza fa ny Fiainana mandrakizay dia ny “mahalala an’Andriamanitra ilay tokana – ilay Rain’i Jesoa Kristy– sy Jesoa Kristy ilay nirahiny.” (Jn 17,3)
Dia samia ary mandini-tena izay milaza ho mpikatsaka ny fanjakan’ny lanitra raha mahatsapa izany fahasambaran’ny maha-zanaka izany, na sanatria ho toa ilay zokiny, tsy te hiala ny tranon-dRainy nefa mahatsiaro tena ho mitovy amin’ny andevo…
Ny fahasarotan’ny Fiainana ve manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra? Ataoko fa tsy fandemen-tsaina velively ny mikatsaka fahasambarana. Efa natoron’i Kristy antsika ny lalana ho amin’izany fahasambarana izany : ny Fitiavana izay manosika antsika hiarina mandrakariva raha sendra lavo, manakana antsika tsy hivari-lavo… ilay fitiavana manampy antsika hahita mandrakariva ny endrik’Andriamanitra tsy azo kosehina ao amin’ny olon-drehetra, eny fa na dia ao amin’ireo heverin’ny fiaraha-monina ho fahavalom-pirenena aza.
Mampalahelo anefa fa maro no mitalaho amin’ny Tompo ny famindram-pony fa vitsy no mahazo ny famindram-po avy aminy satria tsy sahy nanokatra ny fony mba hino fa azo atao tsara ny mibebaka[5]….
harilova | 07 Martsa, 2007 22:41
Resaka vehivavy sa resaky ny vehivavy sa resa-behivavy? Ny 8 martsa[1], na dia vao tamin’ny 1977 aza no nankalazaina maneran-tany ho andro ho an’ny vehivavy, dia mifono tantara sy toetsaina toa zary tandra vadin-koditry ny taranak’olombelona.
Ao amin’ny Baiboly dia nohariana hiankin-doha amin’ny lehilahy ny vehivavy. Nohariana mba hitondra ambohoka ny sombiniaina, voajanahary izany, araka ny natiora. Teo amin’ny tantara dia matetika notsinotsinoavina ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina, ao an-tokantrano, ary mazàna tsy mba nomena fahafahana hampivoatra ny maha-izy azy loatra ny vehivavy, hany ka lasa fanambaka sy nolazaina ho “fanaka malemy”.
Raha mahazo ny zony hifidy, handray anjara amin’ny fiainam-bahoaka, handray anjara amin’ny fiofananana sy ny asa fivelomana fataon’ny lehi..lahy ny vehi..vavy, – eny fa na dia tsy amin’ny lafiny rehetra aza izany,[2] – dia mazàna nanjary nifangaro ny fitoviana sy ny fitovian-jo.
Ny omby na lahy na vavy dia samy omby. Ny olona kosa, ny lahy natao hoe Lehi… ny vavy natao hoe vehi…
Heveriko fa tsy nataotao foana izany fanavahana ny olona amin’ny biby izany. Ny fitovian’ny zò dia mitaky fanajàna ny zò sy fanatanterahana ny andraikitra. Raha mitovy zò ny lahy sy ny vavy, ny zò no mitovy fa tsy ny maha-lahy na ny maha-vavy. Midika izany fa mila hajaina ary mila manaja tena amin’ny maha-lahy na maha-vavy. Tsy ny lehilahy velively no hanjary bevohoka satria tsy hanaiky izany intsony ny vehivavy… Aza gaga raha nanjary tsy mahamenatra ny olona intsony ny hifanambady samy lahy na samy vavy satria heverina ho efa mitovy ny lahy sy ny vavy…
Ho ahy manokana, ny andro anio, mba ho tena fanandratana ny fahambonian’ny vehivavy fa tsy ho sanatria vao mainka indray ho fanambaniana sy fanehoana ny kilema nanararaotan’ny lehilahy azy ireo hatramin’izay, dia mila jerena sy tsaroana fa ny nampiova ny tantara dia ny fahaizan’ny vehivavy vitsy an’isa nisongadina, nampiseho ny hasina sy ny fahafahany mandray andraikitra.[3] Ny “Kala Zaninina” tantarain’ny tarika Ny Ainga ao amin'ny Kantony tsy ho foana tsy akory, aza adino fa ao koa ry Ikoto Jean… miara-mijaly sy ambakaina miaraka aminy. Ny Mpanambaka sy ny mpamoritra anefa ho ahy no tena tsy valahara sy tsy misy heritreritra... Na ampitoviana zo aza moa, ho aiza ny zanaky ny mahantra? Tsy aleo ve hihinan-kely toy izay mandry fotsy...
Raha manana mpiasa an-trano ianao, mba diniho ny fomba hanajanao azy, ary jereo fa mazàna ny vehivavy samy vehivavy no tena mifamoritra... Mitaky asa vita tsara nefa hosanatriavina ny handefa an'iKala Zaninina any antsekoly mba handrani-tsaina ka ho afaka hanao tsara ny asa...
Miarahaba ny vehivavy manokana aho, ary mirary koa raha mirary mba tsy ho andro hanehoana ny fahalemena fa ho fisehoana ho “firenena” androany. Ho antsika malagasy dia manana ny fihamboniany ny vehivavy… Tsarovy anefa fa ny zò, tsy tombontsoa hotavanina tsy akory fa kosa adidy hololoavina, ka aza ny ratsy no hifaninana amin’ny lehilahy fa ny fandraisana andraikitra ho fanarenana ny Firenena. Tadidio fa ny “reny” no maha-firenena ny firenena… farafaharatsiny ho antsika malagasy…
[1] Raha jerena ny tantara dia ny fitokonan’ny Vehivavy mpiasa tamin’ny tenona tany Etazonia no nitolona voalohany ho an’ny zon’ny vehivavy. Jereo eto. Ho antsika malagasy anefa ohatra, efa hatramin’ny taonjato faha-18 no nanana ny zo feno ny vehivavy... talohan’izany dia efa nanana mpanjaka vavy isika...
[2] Ao amin’ny fiangonana Katolika ohatra, natokana ho an’ny lehilahy ihany ny sakramentan’ny Filaharana. Tsy midika velively ho fanilihana ny vehivavy amin’ny fiainan’ny Fiangonana anefa izany.
[3] Eo ihany ny resaka Lysistrata, na “grêve sexuelle” izay nentina namaizana ny lehilahy, fa ny vehivavy ihany no tsy nahatanty voalohany... Ny antsika malagasy manokana dia manana ny anjara toerany ny vehivavy (Mpanjaka, Mpam... sy Mpam...) kanefa mampalahelo raha sanatria vao mahazo fahefana (tsy azo afangaro amin'ny zò) dia manitsaka : jereo ny tantaran'ny maritiora malagasy voalohany, asa na lahy na vavy ny Mpanjaka.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Martsa 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |