"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 29 Septambra, 2007 11:22
Tsy mora ny manova ny fomba fiaina, tsy mora ny mahafoy ny tombontsoa mba hihainana ny maha-kristianina. Tsy mora nefa tsy hoe tsy azo atao!
“Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo” Raha nandray ny fampianaran’i Jesoa tamin’ny alahady heriny isika dia ho nandini-tena tokoa hoe : hatraiza no hiraiketan’ny olona amin’ny haren’ny tany! Firifiry ny ady sy fifanolanana ateraky ny harena mandalo! Dia hoy i Md Paoly manoratra ho an’i Timote : “Izay te hanan-karena dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy,[…] satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (I Tim 6, 9-10).[1]
Tsy midika anefa izany fa atao tsinontsinona ny fivoaran’ny maha-olona[2] izay tsy afaka ny tsy hampiasa ny vola aman-karena. Ny tian’i Jesoa hasiana tsindrim-peo dia ny hizorantsika araka ny fahamarinana[3]. Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany. Ny fananarana ataon’i Amosy mpaminany (Vak.I), momba ny tsy fahamarinana misy eo amin’ny fiaraha-monina dia mbola misy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika : ny omby mahia tsy lelafin’ny namany! Eny fa na dia Andriamanitra mitandro ny rariny, manome rariny ny ampahoriana, manome sakafo ny noana sy mamaha ny mpifatotra aza ny Andriamanitsika! (Salamo 145 setriny)
Mbola misy mpanakarena sy Lazara (Evanjely) eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Fa nahoana moa no io fanoharana io no nofidian’i Jesoa hilazany ny fomba hihainan’ny Farisiana fatra-pitia vola ny Lalàna (and. 14)? Satria nambarany mazava fa ny Didim-pitiavana no mamintina ny Lalàna sy ny Mpaminay (Lk, 10, 25-28). Ny fahasahiranana mety hateraky ny asa aman’andraikitra tsy hahasakana ny asa fanasoavana[4]. Mahatsapa ny fahasarotan’ny fibebahana avokoa isika, samy te hanapa-kevitra nefa mahatsiaro tena fa voafatotra, tsy afa-manoatra, ka miandrandra fahagagana mba hiovana. Dia mova tsy ilay lazain’i Jesoa momba ilay Mpanankarena niangavy mba hisehoan’i Lazara amin’ny rahalahiny! “Raha tsy mino an’i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, tsy hino na dia misy mitsangana avy amin’ny maty aza”. Dia hiandry inona isika vao hibebaka?
Izay no antony nanafaran’i Paoly antsika ny zavatra tokony hotandremana : “hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy” (Vak. II). Izany no ady tsaran’ny Finoana. Ady satria misy tolona tsy maintsy ataontsika, misy anjara miandry antsika : ny fandinihina ny ohatra navelan’i Kristy, mba hanahafantsika Azy, araka ny fahamarinany. Izay no maha-Kristianina antsika, ary manampy antsika hamolavola ny fo amam-panahy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ilay Andriamanitra tsy sasatra ny manao soa (Salamo 146), maneho ny heriny amin’ny famelan-keloka sy ny famindram-po (Vavaka fangatahana), ka miantso antsika hanao toy ny ataony. Tsarovy mandrakariva fa “ny fitiavana no hitsarana antsika” (Mt, 25, 31-46).
Ezaka isan’andro ny hahita ny endrik’i Kristy ao amin’ny mahantra sy ny fadiranovana, ao amin’ny marary sy ny voafonja. Aza mangatak’andro ary dieny mbola manana fotoana hihainoana an’i Moizy sy ny mpaminany.
[1] Mialoha ny vakiteny faharoa (ITim 6, 11-16) io
[2] I Paoly tamin’ny heriny (1 Tim 2, 1-8) nilaza ireo zavatra efatra ilana vavaka mba ho lavorary ny fiaraha-monina : ny fiadanana sy ny fandriampahalemana etsy an-daniny, ny fahafahana sy ny fivoaran’ny isam-batan’olona etsy an-kilany (and. 2)
[3] Raha azonao atao ny mijery ny Boky nosoratan’’ny Papa, Jesus von Nazareth, ao amin’ny toko faha-efatra, momba ny hasambarana, (Edizione italiana pejy.113-114) milaza fa ny “fahamarinana”, araka ny Testamenta Taloha, dia ny fifikirana amin’ny Lalàna (Torah), fiainana araka ny Tenin’Andriamanitra, araka ny hampahatsiahivan’ny Mpaminany azy mandrakariva, dia jereo Lk 16,16.31; ao amin’ny Testamenta vaovao kosa, dia ny Finoana an’i Kristy izay tsy fifanoherana fa fandavorariana ny Lalàna
[4] Jereo Ilay Samaritanina Tsara fanahy (Lk 10, 25-37) Evanjely amin’ny alahady faha-15 D mandavantaona.
harilova | 22 Septambra, 2007 14:44
Iza no tsy te-hanan-karena? Iza no tsy te-hampitombo ny harena efa azony? Asa mety hitady fomba mampanan-karena haingana ianao, na dia handehanana any amin'ny Mpimasy aza. Raha manam-potoana ianao dia vakio ity manaraka ity, somary lavalava ihany, fantatro izany, saingy hanampy anao hahita ny tena harena tokony hotadiavina : ny fivoaran'ny maha-olona : ny olona manontolo (vatana/fo/fanahy) sy ny olona rehetra.
Tandremo anefa fa Andriamanitra mihaino ny tarainan'ny mahantra, kanefa tsy midika izany fa ny an'ny mpanan-karena tsy mba henoiny ny vavaka ataon'izy ireo.
Dia mahazotoa mamaky e
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
Derao ny Tompo, ilay manandratra ny Mahantra avy ao an-jezika! Izany no Fiverenan’ny Salamo 112 setrin’ny Vakiteny, manambara indrindra ny fitiavana mameno ny fon’ilay Andriamanitra, maniry ny hiadanan’ny olombelona rehetra.
Mihaino ny mahantra Andriamanitra ary tsy manadino ny tarainany (Vakiteny I) … kanefa mandrapahoviana no hijanonan’izy ireo ho voahosihosy amin’ny zo aman-kasiny? Ambaran’i Jesoa amintsika androany (vakio ny Lioka 16, 1-13) ny tokony hampiasantsika ny harena tsy marina hitadiavana harena maharitra.
Tsy azo odian-tsy hita anefa ny olana sedraina mba hahitana mazava ny tena sitra-pon’Andriamanitra amin’ny fitantanana ny harena eto an-tany. 42 taona lasa izay,[1] ny Fiangonana dia nahatsinjo hatrany ny fitomboan’ny olana sedrain’ny fiaraha-monina manoloana ny fihazakazaky ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny siansa, izay mampitombo ny elanelana misy eo amin’ny mahantra sy ny Mpanankarena, kanefa kosa manamafy fa natao ho an’ny olombelona rehetra haren’ny tany (GS 69). Lazainy fa harena tsy marina [2] (sandoka) ny haren’ny tany, ary ambarany fa tsy antsika akory aza.
Raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay tsy anareo? (and.12) Mazava fa tsy antsika ny harena, tsy tompony isika fa mpamerin-doha. Tsy midika anefa izany fa mifanohitra amin’ny maha-kristianina ny tombam-panana faritan’ny lalàna[3]. Ho an’izay mandàla ny maha-kristianina azy dia ezaka atao mandrakariva ny tsy hampiraikitra ny fo amin’ny haren’ny tany. Tsy azo adinoina ny tenin’i Tacite (55-120?) hoe : “Matoa mitombo ny lalàna, midika izany fa be ny zavatra tsy mandeha”, ary nambaran’i Md Paoly fa tsy ny fanarahan-dalàna no hanamarinana antsika fa ny Finoana izay ambony noho ny lalàna : “hanaraka ny lalàna am-pitiavana mba hahatonga ny fitiavana ho lalàna”.
Raha tsy antsika io harena io, na dia misoratra amintsika aza, inona àry no antsika? Ny maha-isika antsika : olombelona nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra, kanefa tsy ho feno fatra izany, hoy i Md Joany (1Jn 3, 2) – na azo jerena koa ny 1Kor 13, 12 – raha tsy any amin’ilay mifanatri-tava amin’Andriamanitra. Ny fahamalinana amin’ny fampiasana ny harena araka izany dia manampy antsika hahatsiaro mandrakariva ny tenin’i Jesoa hoe : Sarotra ho an’ny Mpanan-karena ny miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 18, 24-27).
Noho izany dia tokony hotantanana am-pahamalinana, ary hararaotina mba hahazoana sakaiza, rehefa ho avy ny andro izay haharerahana, [4] ka tsy hahafahana mampiasa ireo harena ireo intsony, satria ny ain’ny olona tsy miankina main’ny haben’izay ananay (Lk 12, 15).
Inona tokoa moa ny soa ho azon’ny olona raha manana izao harena rehetra izao izy mba holovain’ny hafa rehefa miala ety? Mampandinika ahy ny tenin’i Teresa de Calcutta olontsambatra hoe : “Izay tsy ilaiko dia mavesatra amiko, ka omeko ny mahantra”… Firy amintsika no mahafoy izay tsy ilainy mba hanasoavana ny hafa? Angamba mety hanamarin-tena hoe mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika!
Ao amin’ny fampianarany (GS 69) dia milaza ny Fiangonana hoe : aoka tsy amin’ny ambim-bava fotsiny no hanampiana ny mahantra. Mitaky fahafoizana araka izany ny asa fanasoavana. Tamin’ny alahady heriny isika nandinika ilay zaza nandany ny haren-dRainy tamin’ny vehivavy janga sy ny filibàna… fa nahatsiaro ilay fitiavana nasehon-drainy ho an’ny mpiasa ao an-trano ka niverin-dalana. Dia aoka hotohizana ny fandinihan-tena : Mba manakory tokoa moa ny fampiasantsika ny harena nomena hotantanantsika? Hanasoavana ny hafa ve sa entina hisehosehoana sy hanjakazakana ihany, na sanatria entina hanafenana ny kileman’ny tena na ny maha-izy azy ny tena? (jereo eto).
Mila mandini-tena mandrakariva isika sao miala tsiny tsy manana raha ny amin’ny asa hanasoavana nefa miliba sy mirobaroba rehefa hiala voly sy hikoràna.
Ny tenany no natolotr’i Kristy hanavotana antsika hoy i Paoly (Vak.II) fa tsy ny vola aman-karena. Dia ho sahintsika ve ny hilaza fa hafohintsika ho Azy manontolo ny tenantsika raha toa ka ny fananana izay tsy ho entintsika hanaraka antsika rehefa hiala amin’ity fiainana ity aza tsy fointsika hanompoana azy amin’ny fanampiana ny mahantra?
Miezaha ary hamongotra ny fanosihosena ny zo maha-olona tanisain’i Amosy Mpaminany, hivavaka ho an’ny Mpitondra fanjakana, indrindra amin’izao ankatroky ny fifidianana izao, mba mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an'Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.
Ireo ny tanjona efatra tokony ho kendren’ny fitondram-panjakana (Jereo GS 73) : Fiadanana azo avy amin’ny fampivoarana ny maha-izy azy ny tsirairay, Fandriam-pahalemana amin’ny fanamafisana ny rafitra hiarovana ny aina sy ny fananany; Fanajana an’Andriamanitra (eusebia) manambara ny fahafahana (liberté religieuse = faratampon’ny liberté d’opinion) hahafahan’ny olona maneho ny tena maha-izy azy sy ny heviny; fahamaotonana (semnotes) : ny fivoaran’ny olona amin’ny maha-olona azy ka mahatonga azy ho mendi-kaja. Ny roa voalohany maneho ny fivoaran’ny olombelona rehetra (tout homme = soa iombonana), ny roa faharoa kosa fivoaran’ny olona manontolo (tout l’homme = zo maha-olona).
Manana adidy handray anjara amin’ny fampivoarana ny fiaraha-monina isika, na amin’izay vavaka izay na amin’ny fanatanterahana ny asa tandrify antsika araka ny Evanjely [5] sy araka ny seha-piainana misy antsika avy.
Dia miala tsiny nandiso fanantenana e, toy ny propagande ihany io.Satria raha mahatanteraka ny adidiny roa ireo ny olona fidianao androany, na tohananaon hofidiana (1/ Soa iombonana; 2/ zo maha-olona) dia hanan-karena tokoa ianao.
[1] [7 desambra 1965, fetin’i Md Ambroise, ilay Mpampianatra an’i Md Augustin, nilaza fa ny zavatra ananantsika mihoatra noho izay ilaina dia izay an’ny mahantra notazonintsika… Tamin’io andro io no namoahana ny Gaudium et Spes (GS), Foto-pampianarana ara-pitondrana (Constitution pastorale) momba ny Fiangonana manoloana ny Andro Ankehitriny]
[3] fari-pananana, droit de proprieté
[4] Luke 16:9 Kai. evgw. u`mi/n le,gw( e`autoi/j poih,sate fi,louj evk tou/ mamwna/ th/j avdiki,aj( i[na o[tan evkli,ph| de,xwntai u`ma/j eivj ta.j aivwni,ouj skhna,jÅ Raha adika ara-bakiteny io andininy io dia hoe : “aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo namana handray anareo any amin’ny tranolay mandrakizay rehefa hanjavona (evkli,ph| = eklipsa = tsy hita intsony) ireo harena ireo.
harilova | 18 Septambra, 2007 11:19
Dia vaka ny saiko mandinika ny fandikan-teny nataon’ny Mpandrindra ny Boky Fivavahana.
Amin’ny an’ny Italiana dia hoy izy ireo: « fa' che sperimentiamo la potenza della tua misericordia, per dedicarci con tutte le forze al tuo servizio »[1] dia vakiana amin’ny teny gasy hoe : “Ataovy manompo anao amin’ny fonay tokoa izahay, mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao”…Samy dikan-teny ireo satria tamin’ny teny latinina no niandohany. Dia lasa nitady ny teny latinina aho. Izao no hitako tao : « Tua nos, quaésumus, Dómine, grátia semper et praevéniat et sequátur: ac bonis opéribus iúgiter praestet esse inténtos »...Dia jereo amin’izany : ilay ac (na atque) manko, amin’ny teny latinina dia afaka adika hoe : ary tsy izany ihany, na hoe fa indrindra indrindra... Raha adika amin’ny diikan-teny malalaka izany ilay vavaka latinina dia mety ho tahaka izao : Ho hitanay (dinihinay) mandrakariva anie ry Tompo ny Famindramponao ka hataonay ambonin’ny zavatra rehetra sy harahinay, ary (tsy izany ihany) fa hanosika anay hanao asa soa (tsaratsara kokoa)...
Izany hoe tsy misaraka ny fahatsapana ny Famindram-po sy ny Fihatsaran’ny Fitondran-tena. Hany ka raha olona nanisy tsindrim-peo amin’ny ezaka andrasana amin’ny olona, dia milaza fa “miezaha dia hanampy anao ny lanitra”. Raha toa kosa olona efa trotraky ny ezaka tsy namokatra loatra dia hihaiky fa “nahazo fahasoavana, ka tsy hipetrapetra-potsiny”...
Tsy misy raikipohy azo ampiharina manko hoe hatraiza no anjaran’ny fahasoavana ary hatraiza no andraikitry ny tsirairay amin’ny fanamasinan-tena : Miara-miasa mandrakariva ny fahasoavana sy ny ezaky ny olombelona hanamasi-tena.Dia ny aza sendra dikan-teny tahaka izany ihany e
[1] Ara-bakiteny : “Aoka ho tsapanay ny herin’ny famindra-ponao, mba hanokananay tena hanompo anao amin’ny herinay manontolo”
harilova | 13 Septambra, 2007 20:16
Anisan'ny mampijaly amin'ny fiaraha-miaina ny tsy fitoviana ara-kolotsaina, indrindra moa fa rehefa tsy afaka ny hifanakalo hevitra intsony. Zavatra tsy dia misy dikany loatra tahaka ny ho lazaiko anareo eto dia mety hanimba ny fiaraha-miaina amin'ny tsy mitovy fomba fisainana amin'ny tena.
Efa natsidiko teto ihany izy ity, jereo ireto. Ho an'ny tatsinanana dia mianavaratra an miankandrefana no ampiasaina hanondroana ny lalana. Ny Zavatra (objectif) no atao ivo. Ho an'ny tandrefana dia any an-kavanana na ny any ankavia no aleha... Tsarovy anefa fa mifono kolontsaia lalina izany, na maro amintsika no tsy mihevitra izany akory. Raha miankavanana ianao na miankavia, ny andrefana andrefana ihany... fa raha miantsinanana ianao no miankandrefana, ny ankavanana lasa ankavia.
Somary manao kilalaon-teny moa aho fa ny tiako hatongavana dia izao : rehefa ny olona no atao ivon'ny zava-drehetra dia manova zavatra betsaka izany. Tsy milaza ny maha-ratsy na maha--tsara ny kolontsiana iznay, fa milaza ny lafiny maha-izy azy ny kolontsaina ka tsy tokony hadino rehefa mifandray amin'ny hafa.
Ho an'ny vazaha ohatra, ankoatra ny toe-tsaina lazaina fa tsy misy fa tsapan'izay miara-miaina aminy isan'andro (Fiheverana ny fotsy ho ambony noho ny mainty) dia tsy tantiny ny miresaka aminao ka tsy jerenao izy (ilay olona miteny no omena lanja fa tsy ampy ny maheno sy mahazo ny zavatra lazainy)... eny fa na dia manao zavatra aza ianao fa izy no tamy mampiresaka...
Ekena fa fanajana ny olona miteny ny fijerena azy, nefa aza adinoina fa ho an'ny tatsinanana dia tsy ho voatery ho izany, ny olona sosotra no mifampivandravandra, fa miresaka manary dia ny maso no mahazatra....
Ny namaliako ny vazah moa dia hoy aho hoe, rehefa mivavaka ianareo, rehefa miresaka amin'Andriamanitra, Izy mahita anareo, fa mba efa nisy taminareo ve ny nijery azy mba hanajana azy sa sanatria sarivongana no jerena dia Andriamanitra no hiresahana????
Fombafomba mety hampifandìtra ireny saingy kosa mampandinika antsika ihany mba tsy hisy fifanoherana amin'ny fiainana....
Ankehitriny moa tsy lazaina intsony ny hoe nahoana no afaka miresaka tsara an-telefoninna tsy mifampijery sa noho nya ntony ara-kolotsaina ihany no mahatonga ny vazah, (fa na ny gasy koa aza) mampiasa hatramin'ny tanana rehefa miresaka amin'ny olona an-telefonina?
Mba diniho ihany.
harilova | 01 Septambra, 2007 22:41
Rehefa manao lisitry ny fanasana ny kristianina dia tsy mba manaraka ny protocole voalazan'ny Evanjely mihitsy. Mandinika ity (jereo eto) eto aho no lasa ny saiko : Fa taiza no mbola misy fanamasinana pretra na fanokanana mpiandry na pasitera na amin'ny fitsofandrano fanambadiana kristianina ka ny mahantra no asaina??? Taiza no nisy voadin-drelijiozy ka nanasa an'i Manankavaly? Mazava anefa ny tenin'i Jesoa : ny Mahantra no hasao (jereo eto). (Mety misy aloha fa tsy mbola henoko)
Dia misy sahy milaza ve fa karazana fanasana hafa noho ireny no hanasana ny mahantra? Fanasana ho azy ireo manokana amin'ny Paka sy ny Krismasy??? Fa ny fanasana mahakasika ny fiainan'ny Mpanasa aleo hanasana ny manampahefana sy ny olo-manan-kaja ihany!!! Raha tsy hoe nisy fahavoazana angaha ilay nanasa. Raha tsy izany dia fanasan'adala...
Ara-bakiteny loatra angamba no nahazoako ny Evanjely fa raha misy afaka manazava hoe fanasana karazany inona no hanasan'ny Kristianina ny mahantra tsy mana-kavaly dia irariana...
Raha tsy izany manko dia lazaina tsotra izao hoe dèmodé ny Filazan-tsara... Tsy maharaka toetr'andro...
Angamba tsy izay fa ny toetr'andro no tsy naharaka... te ho katolika de lasa katolikALIKA... te ho protestanta dia lasa protes-TANTATA manmpidera akanjo vao fotsiny...
asa aloha
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Septambra 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 |