Categorie: Ankapobeny
Eto am-panembonana ny takarivan'ny arendrina aho dia lasa ny saiko, mandinika ny lasa, mamisavisa ny ho avy, manao fampitahana! Fa Fahaleovan-tena inona loatra re ry Gasikara no ankalazainao? Fahaleovana miharo fahalovana ve sanatria ka hanjary hankaleo? Sa fahaleovana miharo fahalahelovana...
Mamaky ity Vaovao eto an-toerana ity aho dia tonga saina mandinika ny hoe : atao RAKITRA! Inona tokoa moa ny hevitry ny teny hoe RAKITRA? Noraisiko ny Rakibolana dia kokarohiko tao ny mety ho dikany : "Vola angonina tsikelikely atao tahiry; harena na zava-tsoa sarobidy voatahiry;...
Mandinika ny fetin'ny ascension (Fiakarana) ity aho dia mandinika ihany hoe inona moa no dikan'izany? fialan-tsasatra tsy hiasana handraisam-bola ihany ve sa mba misy heviny manokana? (Amin'ny firenena hafa moa dia tsy ankalazaina amin'ny andro faha-efapolo io fa amin'ny...
Tena milay kosa ny revin'ny Papa fa any Amerika no hankalaza verisera a! Feno 81 taona ny 16 izany izy! Mba namaky le tantara-piainany am versaire ambony io aho dia nahita hoe izay koa izao no antony nifidiany ilay anarana Benohita io, fa teraka ny Sa botsy mialoha ny Paka ny taona 1927...
Miarahaba an'Ikalamako izany fa nandresy Tonton e! Izahay izao misaona fa tsy nandresy intsony ny Avana (Arcobaleno). Atao ahoana moa fa noho ny tsy fahompiazan'ny Maherifo (Prodi) dia manjaka ny Belarosy kony O? Ny mahagaga ahy dia ny resaky ny olona maheno ny resaky ny olona...