"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 21 Desambra, 2006 22:36
Miarahaba anao nahatratra ny Noely[1], ary mirary anao mba hanaiky marina fa misy ny Noely…
Mampalahelo manko fa maro no miandry ny Noely nefa vitsy no mino azy… Satria efa nifangaro ny varotra sy ny filàna tombony. Tsy mahagaga raha nosoloina Coca-Cola ny Kintana manandrambo… Ny vola no maha-fety ny fety. Ny Noely natao hankalazana ny hadalan’ny olombelona nampiantrano tany an-tranonomby ny Zanak’Andriamanitra dia lasa fety mampanjonitra ny tsy manan-katokona amin’izao fotoana izao…
Ireo mijaly any an-tranon’omby miaraka amin’i Kristy (mahantra sy tsy mana-kialofana!) ve no manao Noely sa ireo mitavana sy mianjaika amin’ny fitafiana vaovao?
Hanampy anao handinika ny Mistery fonosin’ny Noely ity sary ity. Zava-kanto nambabo ny foko ary heveriko fa namintina izany Mistery izany. Raha vonona ny hizaha izany mistery izany ianao, dia jereo ity sary ity, ary indro omeko anao ny fanazavana.
1- Ny Noely dia ny Fihaonan’ny Fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fahalemen’ny olombelona… Andriamanitra Ray naniraka ary nanara-maso ny Fanahy, hahatonga nofo ny Zanaka tao an-kibon’i Maria. Ny Fanahy tsy nikasika ny vatan’i Jesoa fa ny Fahandrianana maha-Andriamanitra Azy…
2- I Maria kosa, heveriko fa tsy mandray loatra (ao amin’ny sary), fa manolotra kosa ny Fahalemen’ny olombelona miaraka amin’i Jesoa. Ny Fanekeny no nahazoantsika ny Famonjena…
Noho izany tsy afaka ny hankalaza ny noely isika raha tsy mino izany fihaonan’ny olombelona amin’Andriamanitra izany. Fihaonana izay manambara ny Finoana, Finoana izay azo lazaina hoe fandraisan’ny olombelona eo am-pelatanany ilay fanomezana (=maimaim-poana) atolotr’Andriamanitra azy…
Fandraisana an-tanana (tompon’andraikitra) izany hoe : ny maha-fanomezana ny finoana tsy manamaivana ny anjara andraikitra tandrify antsika izay efa nosantarin’I Maria tamin’ny FANEKENY… fa manome hery antsika kosa hihatrika ny Fiainana izay ekentsika fa “ady”.[2]
Ny Noely dia ilay Andriamanitra eo anivontsika… Emanoela…
Eo anivontsika mandrakariva izy, Noely lalandava ny andro raha tsy malaky mandao Azy isika… satria fantatro fa tsy izy velively no handao antsika…
Mirary anao hanao Noely Sambatra aho... ary mirary anao hihaiky ny fahalementsika olombelona ka hiandrandra ny Fahasoavan’Andriamanitra izay tsy hiala amintsika na oviana na oviana…
harilova | 21 Desambra, 2006 21:40
Noël ne peut être que Joyeux… autrement ce n’est pas “noël”…
Je saisis cette occasion à te partager la vraie signification d’une telle fête qui, au fond, laïcisée et ne se distingue plus des mouvements du consumisme.
Noël est la Naissance de Dieu. En anglais, c’est la « messe » du Christ… Mais une messe pour le Christ ou un Christ pour une « messe » ?
Mais pour moi, j’avais rencontré un chef d’œuvre dont je ne connais pas l’artiste qui manifeste en entier mon humble considération pour cette fête de Noël. Si tu es prêt(e) à en découvrir, tu peux voir l’art ici, et en voici les significations :
1- Noël est le croisement de la paternité divine avec la Maternité humaine. C’est un Mystère… voyez ces yeux miséricordieux du Père qui surveillent la touche de l’Esprit (la Colombe) sur l’Auréole (symbole de Divinité)…
2- Et la femme, à ton avis, reçoit ou offre ?
Je pense qu’elle offre la faiblesse de notre humanité pour être protégée de la grâce divine… en fait, elle aussi est touchée de la sainteté radieuse du Christ, même si d’un degré inférieur…
Noël est donc cet échange d’amour entre Dieu et l’homme. L’acte de foi y trouve son essentiel… En effet, la foi est un don de Dieu reçu entre notre main… Ne parlons pas de noël si nous n’avons pas encore reçu entre nos mains, avec notre engagement ce don de Dieu…
Le seul souhait que je fais, pour toi, et pour tout le monde :
Que ce jour te soit vraiment « NOËL »… et que Dieu soit toujours avec toi…
Ce qui me fait peur mais je le dis quand même, même si cela peut te scandaliser, car ce n’est pas vrai du tout ce dont je viens de dire… « Que tu sois toujours avec Dieu… » Car Dieu ne t’abandonne pas, ton choix de rester avec lui que me fait peur…
Joyeux Noël… Croyez-en !!!
harilova | 21 Desambra, 2006 21:01
E' Natale! E' la festa di Emmanuele, il Dio con noi...
Ma pure non possiamo negare la festività del consumismo che accade accanto al significato profondo cristiano. Vorrei proporti un cammino a scoprire questo significato. Insieme a quest'immagine d' un autore a me sconosciuto, possiamo vederlo meglio.
Se sei pronto ad impegnarti per saper che significa natale : vedi l'immagine, se possibile, stampala e ti darò il mio modesto contributo di interpretazione.
1- Natale è l'incontro della Paternità divina con la maternità umana. Più che un incontro, è un legame d'amore che diventa per noi sorgente di gioia e di grazia.
2- Lo spirito Santo, infatti non tocca la persona fisica di Cristo ma l’aureolo della sua divinità. Lo Spirito è mandato dal Padre che sorveglia quest’opera di Salvezza…
3-
Natale è questo Dio-con-noi, l’Emmanuele. Il saluto del Sacerdote “Il Signore sia con Voi” finisce dunque con l’Avvento… Stiamo a Natale e quindi, il saluto deve essere cambiato “il Signore rimane (sia) SEMPRE con voi” perché sta già in mezzo a noi…
Auguro dunque u per tutti quanti Buon Natale, cioè un tempo di natale che non finisce mai più…
Sforziamo di non andare all'inferno (dove non c'è Dio) dopo una decina di giorni...
(tohiny)harilova | 17 Desambra, 2006 23:29
Mifalia mandrakariva... ao amin'ny Tompo! (Fil, 4,4).
Dia nandinika aho hoe aiza tokoa moa ny loharanon-kafaliako? Inona no mahafaly ahy? Raha ho avy ny Krismasy, toa ireo fetifety isan-karazany, na ny any am-piangonana aza no tiako kokoa, noho ilay Andriamanitra tonga niara-nonina tamiko...
Raha te hifaly marina isika dia tsy maintsy mitady izany hafaliana izany, ao amin'ny Tompo... Dia hilaza ianao izany hoe ny tsy mpino izany tsy mba ho faly?
Raha ataontsika hoe fahasoavana sy fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Finoana, dia miangatra Andriamanitra tsy nanome izany ireo tsy mpino... nefa sao sanatria tsy hoe Andriamanitra no tsy nanome fa izy ireo no tsy nandray!
Ny tena fahaliana manko dia maharitra. Tsy azo afangaro ny hafaliana sy ny fijaliana. Misy aza karazana aretin-tsaina mitady hafaliana amin'ny fampijaliana (masochisme), efa resaka hafa moa izany...
Ny hafaliana ao amin'ny Tompo dia ny fahitana fiadanana amin'ny manodidina, mety ho amin'ny fifampizarana ny manta sy ny masaka izany (jereo Lk 3,10), mety koa ho amin'ny fifandeferana amin'ny fahalemena, izay antsoin'ny Kristianina hoe "Famindram-po"...
Tsy ao amin'ny zava-mahadomelina ny tena hafaliana fa mandalo ihany ny hafinaretana azo avy ao... tsy avy amin'ny revirevy sy ny hafinaretan'ny nofo ny hafaliana, fa na ny fitiavana aza ataontsika sarim-po maratran-jana-tsipika...
Ny hafaliana maharitra dia ny fanekena ilay Andriamanitra eo anivontsika... nanaiky hiara-monina amintsika... ary Fitiavana mamindra fo amintsika mandrakariva.
Mba diniho kely moa ny zavatra tena mamppitebiteby anao e, mazàna ny fiezahana hanafina ny marina, ny fiezahana tsy hanaiky ny zava-misy na ny fetran'ny tena...ataoko fa ireo no mampijaly ny olona indrindra eto an-tany... Tsy enjehin'ny eritreritra loatra, toy ny lazain'ny Ntaolo, fa te handidy alohan'ilay mandahatra ny zava-drehetra...
Ny fanekena an'Andriamanitra hiara-monina amintsika dia tsy vaha-olana hitondra fahagagana loatra, fa fanalahidy hanokatra ny masontsika hiaiky ny marina, hanaiky ny fetran'ny tena ka hidodododo hangataka ny fahasoavan'ilay Mahefa ny zavatra rehetra...
Noely : ekenao tokoa ve fa misy izany? Ekenao tokoa ve fa ankatroky ny noely isika? Matahotra aho hoe tsy izany loatra... Ny kintan'ny Majy efa nosoloan'ny sasany Coca Cola... Ilay Andriamanitra eto amintsika (Noely na Emanoela) efa niova anarana ho "vola"...
Dia mifalia fa noely ny andro e, fotoana fandaniana ny vola sy ny kely voahangona, ny sisa tsy lany mbola hiaretan-tory amin'ny taom-baovao... Dia aorian'izay, mino aho fa hitohy ny hafaliana rehefa manembonembona ny noely tsy hiverina raha tsy amin'ny herintaona indray... dia avy eo dia mba enga anie ho latsa-panenenana hanao hoe : "tahaka izay...! nifaly tao amin'ny Tompo..."
(tohiny)harilova | 14 Desambra, 2006 19:42
Mahatsiaro ny fitsofana sifflet “premier tour de vita” tamin’ny 2002 aho, amin’izao ankatroky ny fiandrasana voka-pifidianana ofisialy izao. Tsy te hiditra amin’ny mbola tsy fahamatorana ara-politika eto amintsika aho tsy akory, satria ireo milaza ho mpanohitra tsy nahita kandidat iray hitambarana. Rah atao izany ny kajikajy dia efa nandany 1750000000 farantsa isika ho amin’ny fisoratana anarana fotsiny, dia misaotra an’Andriamanitra aho raha vita premier tour ity mba tsy handaniana vola hafa indray amin’ny pro-pagande.
Pro-pagande manko io, izany hoe : aloha mialoha, fa asa na honerana na tsia aoriana…Dia ho Tari-bady tsy lasam-bodiondry ve sanatria!
Fa ny hafatra ho an’ny antsasa-manila nahalany ny olona iray : “fahamatorana” ny fanajana ny safidy. Na samy te hampandroso an’i Madagasikara daholo aza ny mpanao politika (fara-fahakeliny ahay araka ny lazainy) dia samy manana ny fombany avy amin’izany fampandrosoana izany : ao ireo manomboka izany amin’ny tenany aloha (ary nahita fahombiazana tamin’izany fa lasa mpanefoefo tampotampoka...), ao kosa ireo miara-mifofotra amin’ny vahoaka mba hahafahan’ny rehetra manangon-karena (fa tsy hanan-karena). Araka izany, ny Mpitondra raha ny tena izy tsy manampy ny saramba-be mba handroso, fa manampy azy kosa hanana fahafahana hiary an-kahalalahana sy ho voaharo amin’ny fananany.
Raha matotra amin’ny safidy ary ny tia tanindrazana malagasy dia hifanome banana, hahatsapa ny fahasarotam-piainana atrehina ary hisiki-ponitra, tsy hatahotra ny masony fa efa nividy ny lohany…
Na iza na iza ho lany, tsy misy fahagagana handrasana afa-tsy ny stramba-be mihoatra ny antsasa-manila mahasahy milaza hoe : io ny anay, tohananay amin’ny fanarenanana fiaraha-monina anjakan’ny fahamarinana sy lavitra ny kolikoly.
Dia ny ahy ny firarian-tsoa efa ataoko satria efa fantatro fa Mr le Président no ho lany eo.
Dia miarahaba anao Mr le Président, ary mirare soa mba tsy handao anao ny antsasa-manila nametra-pitokisana taminao…
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Desambra 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |