"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 10 Desambra, 2006 12:54
Injao misy feo miantso any an'efitra : "amboary ny lalan'ny Tompo" (Lk 3,4). Hira maredona ataon'ny Katolika amin'ny andro fiaviana ireo, ary hira mifono zava-dalina tokoa :
Injao misy feo miantso mafy any an'efitra :
Fa nahoana no any an'efitra no miantsoantso i Jaona Mpanao Batisa? Ataoko fa ny antony itanisan'i Lioka ireo mpitondra sy mpanapaka fahizany mialoha ny hilazany an'i Jaona (vakio) dia mba hanamafisany ny hasarobidian'ny tany efitra : tsy ny fahefan'olombelona no entin'Andriamanitra mitory ny filazan-tsarany fa ny fahatsoran'i Jaona. Manampy antsika hanatsara ny toe-po enti-mivavaka izany, tsy ny rentirenty loatra fa ny fahatsoram-po. Toy izany koa ny toeram-pivavahana hivondronantsika, amin'ny fahatsapana ny hasarobidin'ny "fahanginana".
Amboary ny lalan'ny Tompo!
Tsy hoe anamboary lalana ny Tompo, fa hoe : Amboary ny Lalan'ny Tompo. Lalana efa voasoritry ny Tompo io araka izany, fa isika kosa no antsoiny hanatsara azy, hamerina azy amin'ny laoniny : izay no fibebahana. Matetika manko, tsy isika no mizotra ny lalan'ny Tompo, fa Izy no terentsika hanaraka ny sitrapontsika...
Tsy fiandrasana loatra araka izany ny Fiaviana fa Lalana hizorana mandeha hitsena ny Tompo.
Efa eny an-dalana ve ianao?
(tohiny)
harilova | 07 Desambra, 2006 23:15
Masina Maria tsy azon-keloka : 8 desambra 1854 nambara mazava ho anisan'ny foto-pinoana katolika. Tsy hoe didy jadona tsy maintsy hinoana tsy akory no anton'ny DOGME (foto-pinoana) fa kosa mba hisorohana ny resa-be tsy misy farany, izay mazana vokatry ny tsy fahampianan'ny fandalinana, na dia eo amin'ny samy mpino katolika aza.
Ny Fankalazana an'i Masina Maria tsy azon-keloka (immaculée conception) dia ho an'ny Katolika, fa fety hitambaran'ny rehetra, indrindra any Eoropa, satria tsy hiasana fa handraisan-karama sy hahafahana mahazo kely amin'ny varotra sarimasina... Tsy ady hevitra amin'ny resaka Masina Maria na resaka fahotana tamin'ny fototra no holazaiko aminao eto, azo resahana amin'ny manaraka ireo, fa kosa, ny maha-zava-dehibe ity fety ity ho antsika...
Raha tsy voakasiky ny fahotana i Maria satria nofidiana ho renin'ny Mpahary azy dia mazava loatra fa fahasoavan'Andriamanitra izany, Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ... Ny fety androany dia tokony ho fanavaozana koa ny hadiovam-pon'ny Zanak'i Masina Maria rehetra, izay nahazo koa ny fahasoavan'ny batemy, manala ny fahotana rehetra... ary mbola afaka manararaotra ny famelan-keloky ny Fampihavanana...
Ny lalana tokana hahafahana mitandrina izany hadiovana izany anefa dia tsy misy afa-tsy ny "lalan'ny TENY TONGA NOFO", nosantarin'i Maria tamin'ny fiarahaban'ny anjely (Lk 1,28), fa kosa notohizany mandrakariva tamin'ny fandinihana izany rehetra nitranga momba an'i Jesoa tao am-pony (Lk 2,51)...
Raha tsy tonga nofo eo amin'ny fiainantsika ny teny, tsy ho afaka ny hiombona amin'ny hafalian'i Maria isika, tsy izy no hivavahana, fa modely sy mpitari-dalana izy, tsy ho azontsika atao tsinontsikona ny anjara toeran'i Maria satria na ny hilaza aza isika fa i Jesoa irery no modely, nandray anjara tamin'ny fanabeazana an'i Jesoa i Maria, mazava ny Soratra Masina milaza fa nanaiky an'i Josefa sy Maria i Jesoa (Lk 2,51).
Ankoatry ny fanampian'ny fahasoavana dia lalana lavitr'ezaka no tsy maintsy hizorana mba hahatonga nofo ny Teny... Mila ny vavaka, fa indrindra ny fahatsiarovan-tena fa nivavaka, izany hoe : afaka mametraka mandrakariva ny fanontaniana hoe : inona no nolazain'Andriamanitra tamiko teo amin'ny fiainako? Inona no sitraky ny fony hataoko? Izay no vavaka...
Arahaba ry Maria... Feno hasoavana, dia ho sanatria ho adalana ve? Sanatria anie izany...
(tohiny)harilova | 02 Desambra, 2006 09:07
Fotoana maha-advantista ny katolika ireto herinandro telon’ny fiaviana ireto. Amin’ity taona ity(2006) no fohy indrindra io fotoana io. Maha- advantista ny katolika satria mandritra ireto fotoana ireto no iandrasany ny “fiavian’ilay efa tonga sady miara-monina mandrakariva amin’izy ireo.
Izay no misterin’ny Fiaviana, mampisy fotony ny finoan’ny Kristianina. Tsy hoe sanatria toy ny foto-pisainana grika tsy akory ka ny omaly tsy miova (cyclique) fa kosa finoana tonga tantaram-piainana ka ny tsirairay afaka manavao mandrakariva ny finoany mifandraika amin’ny zava-baobao entin’ny Tantara (linéaire).
Ny foto-pisainana kristianina izay mizotra manaraka ny tantara (linéaire) araka izany dia hitrangana fiovana, mariky ny fandrosoana. Tsy ny foto-pinoana sanatria no miova, fa ny fahafahan’ny olona mandalina sy maneho izany finoana izany no mivoatra araka ny tantara. Izay no maha-mistery[1] an’Andriamanitra : tsy hoe tsy azo sainina, fa kosa tsy mety ho takatry ny saina ho amin’ny hafenoany...
Izay fiainam-pinoana nifandimbiasan’ny taona maro izay no mampisy hasiny ny lovam-panahy (tradition), tsy ho amin’ny fanoroan-dalana fotsiny fa indrindra indrindra harena mitondra amin’ny fivoarana. Fivoarana manao ahoana anefa no ho lazaina amin’ny sehatry ny finoana?
Fivoaran’ny taona litorjika miverimberina isan-taona ve? Tsy izany sanatria, fa fivoaran’ny fiainam-panahin’ny tsirairay. Izany no nahatonga ny Fiangonana katolika handrafitra ny atao hoe : taona litorjika, tsy famerimberenana ny mahazatra tsy akory fa mba hahafahan’ny Kristianina mandinika sy mankalaza amin’ny hafenoany ny fiainan’i Kristy, fa indrindra ireo heverina ho manan-danja indrindra : ny fahatongavany ho nofo (noely) sy ny nahafatesany ka nitsanganany ho velona (paska).
Ankoatra izay fahafahana mandinika ny fiainan’i Kristy izay dia mba hahafahana mitsinjara koa ny hamakiana ny baiboly manontolo araka izay azo atao mandritra ny telo taona (dia izany no mampisy ny taona A-B-D).
Ny Fiaviana (adventus) dia ny fotoana mialoha ny noely, hanomanana ny krismasy. Nanjary nifangaro amin’ny busness isan-karazany moa izany, ka mazàna ny ara-panahy mandefitra amin’ny fanomanana ny fety hahazoana fahafinaretana sy tombontsoa.
Araka ny lovam-panahy izay tsy dia fampiasa firy intsony amin’ny fiangonana maro, misy ny labozia efatra miaraka amin’ny fehezam-boninkazon’ny fiaviana (couronne de l’avent), manambara ny fifandraisan’ny tantara (azo jerena eto).
Mankalaza ny Fiaviana ny katolika, fa na izay tsy katolika aza afaka misintona lesona hanatsarana ny fiainana lalandava, mba tsy ho ny omaly tsy miova ny fiainana fa na zavatra mitovy aza no atao, ny fomba sy ny toe-tsaina hanaovana azy, azo hatsaraina mandrakariva...
Tsy adalana tsy akory ny mamerimberina fa fanamafisana mba ho “antitra” (“mamerina indroa manana ny antitra”), izany hoe manana ny fahamatorana izay tsy azo indray maka fa ezaka tsikelikely. Aza matahotra fa hiverina Janoary isika aorian’ity volana desambra ity, saingy mandiniha tena ny amin’ny fiovana tsapanao ao anatinao, sao mba misy ezaka azo atao ihany ho entina miandry ny Tompo...
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Desambra 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |