"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 06 Mey, 2006 00:27
"Tena siora ve i harilova fa tsy namaky boky hafa mihitsy raha nanoratra ireo hevitra be dia be ireo ? Raha eny dia miarahaba anao fa tena "surdoué" izany ianao.[Fiffi] "
Io Fanontaniana napetraka tamiko any amin'ny Forum momba ny sarivongana dia niainga ihany amin'ny lazain'ingahy Marozevo hoe: tena hevitrao irery ve ireny?
Tena namaky boky be dia be tokoa aho, ary azoko lazaina fa anisan'ireo "voalavon'ny tranom-boky", kanefa ny mahagaga ahy dia tsy mba hitan'i Marozevo sy Fiffi ny filazako ny hevitr'ireo olona nanaitra ahy ka namolavola ahy hanana ny hevitro.
Hevitro hoy aho satria manko "tsy noho ny filazan'izy ireo intsony no mahatonga ahy hahita ny fahamarinany fa izaho mihitsy no mahatsapa izany".
mampahatsiaro ahy andalan-tSoratra Masina iray izay io, momba ilay vehivavy tao Samaria nahita fa mpaminany Jeso... dia nitantara tamin'ny iray tanàna...
Rehefa nitoetra telo andro tao i Jeso dia hoy ny olona hoe: "Mino izahay, tsy noho ny filazan-dRavehivavy fa ny Masonay no nahita, ny sofinay no nandre..."
Ivereno vakiana ny sasantsasany amin'ireo site ireo dia hahita ianareo fa misy hevitra mety efa hitanareo tanya n-toeran-kafa ao, saingy kosa tsy lazaiko tsy hoe mangalatra hevitra aho, fa kosa tsy fantatro intsony hoe iza no nahita azy voalohany, satria ny fomba filaza hevitra dia mivoatra araka ny zava-misy, ary ny hevitry tsirairay kosa, mihamatotra amin'ny fifampikasohany amin'ny an'ny hafa...
Raha zavatra siantifika no lazaina fa zavatra misy azo raisina, toy ny nolazain'i marozevo amiko hoe : " > Novakiako ilay site, manaitra fa tsy misy ho raisina satria tsy scientifique fa vetsovetso sy sentiment no betsaka ao.farafaharatsiny mba asiana bibliographie na boky iray ihany aza"
dia diniho ihany satria aoriana kely izy milaza hoe : Zao koa ary fanontaniako : "Tena siora ve i harilova fa tsy namaky boky hafa mihitsy raha nanoratra ireo hevitra be dia be ireo ? Raha eny dia miarahaba anao fa tena "surdoué" izany ianao" , izany hoe: tena misy ho raisina tsara mihitsy ny zavatra nosoratako, fa tsy fantatra hoe aiza no hanovozako hevitra... dia mahavaka ny hevitro hoe : inona no tena hevitr'i marozevo!!!
Ny hevitrao no hanovozako hevitra, ianao dia tsy iza fa ilay hafa fijery noho izaho fa mahita ny lafin-javatra mety tsy hitako, na nahita azy tamin'ny fooana mialoha ny nisiako... tsy ho hary ho voatanisako "ianao" ka aleoko tsy tanisaina ara-tsiantifika...
NB. Miala tsiny fa notanisaiko ao ny nilaza ireo hevitra ireo dia i Fiffi sy marozevo satria matahotra aho sao toriany any amin'ny Omda...nefa ny ara-baiboly aza mazana tsy apetrako ao ny toko sy andininy satria fantatro fa tsy hitory ahy amin'ny OMDA ra-Jeso
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Mey 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
28 | 29 | 30 | 31 |