"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 07 Mey, 2006 06:53
Tohin'ny ho an'ny mpiandry ondry
Ny ondry kosa hoe tokony hahafantatra ka hihaino ny feon'ny Mpiandry... Hihaino ny feon'i Kristy.
Dia mandinika aho hoe iza no tena henoin'ny olona kokoa : ny dokam-barotry ny fahitalavitra sa ny fampianaran'i Kristy?
Dia tsy afaka manao safidy matotra indraindray ka ny lamaody natao hahatarika ny maso sy tsy maotina hita amin'ny dokam-barotra dia tonga hatrany am-piangonana...
Mila mandalina ny finoana isika satria indraindray ny fihetsika tsy voatandrina ataon'ny ondry kely iray no hamongoran'ny sasany ny ondry iray vala...
harilova | 07 Mey, 2006 06:26
Hafatra ho an'ny mpiandry ondry ity e
Ankalazain'ny Katolika androany ny fetin'ny Mpiandry ondry tsara, alahady fahaefatra aorian'ny Paska io. Dia nalahatra hovakiana amin'ny fanompoam-pivavahana androany ny Vaovao mahafaly, na Filazan-tsara nosoratan'i Jaona (10, 11-18) mitantara an'i Jeso mpiandry ondry tsara...
Dia lasa ny eritreritro...
Voalaza ao ireto toetran'ny Mpiandry ondry tsara ireto :
Ireo ihany aloha no entiko mijery ny zava-misy ka lazaiko amin'ny fo tsy miangatra ...
Fa ity no tena manaitra ahy :
Ny lazaiko amin'izany dia ireo mpiandry ondry (ray aman-deny, Mpampianatra, mpitondra fiangonana...) izay milaza fa kristianina, izany hoe mpianatra izay ataon'i Kristy, nefa tsy mahafoy ny 99 ao am-bala ka ny ataony aza dia ny mamela ho very any an-tendrombohitra ny tokana nania...
Ampitapitao amin'ireo Mpitantana sekoly kristianina mandroaka mpianatra maditra ny hafatra, satria raha roahany izy ireny mba hiadanan'ny 99 "hendry" (toa tsy mila fanabeazana akory) dia aiza sy aiza no toerana ametrahana ny hafatr'ilay Mpiandry ondry tsara lazaina fa harahina?
Tsy misy vahaolana mora raisina ny amin'izany anefa satria sarotra izany, nefa mampandinika ihany...
... mahatsapa ny habibiana mitranga etsy sy eroa isika, mety mba efa nandalo teny amintsika teny ny sasany tamin'ireny olona ireny fa nahilika satria "ratsy" ka tsy nahazo ny fanabeazana tokony ho azony...
Soa fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ka mihaino ny vavaka ataon'ny Talen-tsekoly Kristianina ho an'ny Mpianatra maditra noroahiny... Enga anie
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Mey 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
28 | 29 | 30 | 31 |