"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 13 Mey, 2006 07:19
Lazain'ny Kristianina matetika ny hoe : andeha hivavaka aho, ny sasany mampiasa ny hoe : andeha hiangona ny alahady...
Fa inona no atao hoe : mivavaka?
Raha ny teny hoe vavaka, raha vao lazaina dia adika avy hatrany hoe hataka atao amin'andriamanitra. dia hoy isika matetika hoe : mba mangata-bavaka aminareo aho fa ...
Fa tsy voafetr'izay fangatahana izay ihany ny vavaka ...
Ny vavaka dia ny traikefam-piainana miaraka amin'Andriamanitra, ny fahaizantsika miresaka amin'Andriamanitra. Tsy hoe teny atao amin'Andriamanitra araka izany fa teny hifanaovana amin'Andriamanitra.
Tokony hatao an-tsaina fa izay mino an'Andriamanitra dia tsy izay mahay miteny momba an'Andriamanitra fa izay mahay miteny (miresaka) amin'Andriamanitra.
Ny resaka, araka ny fantatsika dia hifamaliana, ka raha tsy mahafeno izay fepetran'ny fifamaliana izay izany ny vavaka ataontsika dia tsy mbola resaka...
Fifamaliana (tsy amin'ny hevitra hoe fifandirana tsy akory): izany hoe tsy teny (fangatahana) ataontsika amin'Andriamanitra fotsiny, fa koa fahaiza-mihaino koa izay lazain'Andriamanitra amintsika koa.
Izay no hahafahantsika manatanteraka ny didy hoe : mivavaha mandrakariva...
Afaka miresaka amin'Andriamanitra mandrakariva isika, amin'ny fanolorana aminy ny fiainantsika fa koa amin'ny fitadiavantsika mandrakariva ny sitra-pony manoloana ny zava-mitranga.
Misy fepetra sy toe-po tsy maintsy kolokolointsika anefa mba hahafahantsika miaina izany fivavahana izany...
Iray amin'izany ohatra ny Fahanginana...
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Mey 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
28 | 29 | 30 | 31 |