"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 04 Jiona, 2006 23:04
Anisan'ny mahavaka ny saintsika ny mandinika sy mihevitra hoe inona ny sitrapon'Andriamanitra amiko ! Izany no nahatonga ahy hizara aminao momba ny Soratra Masina nankalazaina tamin'ny fetin'ny Pantekoty izay manampy antsika amin'izany.
Ny Vaovao Mahafaly araka an'i Joany moa no novakiana tao am-piangonana : "ny Fanahy Masina no hanoro anareo nylalana mankamin'ny marina, dia ny marina ao amin'ny hafenoany"...[Jn 15,26-27;16,12-15], miampy ny Taratasin'i Paoly ho an'ny Galata ( 5, 16-25) izay milaza fa "ny vokatry ny Fanahy dia Fitiavana, hafaliana, fiadanam-po..."
Raha ireo no fakafakaintsika tsara dia azo ambara mazava izany fa tsy vokatry ny fahaizantsika na ny hakingan-tsaintsika no hahalalantsika ny sitrapon'Andriamanitra fa Fanomezana maimaim-poana avy amin'ny Fanahy Masina.
Tsy hilaza aminao aho hoe ahoana ary ho hahalalana fa bitsiky ny fanahy izany... izao no azoko lazaina avy amin'ireo Vakiteny masina ireo :
Tsy afaka manapa-kevitra araka ny Fanahy isika raha ao anatin'ny fifandirana (mifanohitra amin'ny Fitiavana), na ao anatin'ny hatezerana (mifanohitra amin'ny fifaliana) na ao anatin'ny fahasahiranan-tsaina sy ny olana (mifanohitra amin'ny fiadanam-po)...
Ny olana anefa dia saika mazàna ao anatin'ireo no handraisantsika fanapahan-kevitra, na miaraka na samirery...
Aza adino fa indraindray isika manosi-bohontanana ny Fanahy, miantso azy mialoha ny fivoriana nefa ny zavatra holazaina efa voasoratra an-taratasy na efa voavolavola mialoha ka tsy tiana hovana intsony na ny marimarina kokoa tiana hoeken'ny rehetra...
Anjarantsika ny mampanjaka ny Fanahy ao anatin'ny Fitiavana, ny Hafaliana, ny Fiadanam-po.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jiona 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |