DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Ny Fitiavana

harilova | 21 Jiona, 2006 06:57

Eo am-pamakiana ny Evanjely mitantara an'i Jesoa natory teny anaty sambokely  niaraka tamin'ny mpianatra aho dia lasa ny saiko hoe : inona tokoa moa no atao hoe : Fitiavana?

Rehefa manonja ny rivotry ny fiainana dia tsaroana fa toa matory ny tompo ka mamela antsika ho irery...

Asa raha efa mba henonao fa tantaraiko ihany ilay antsa mahafinaritra nataon'ny pretra breziliana iray (azo jerena ao amin'ny Ankalazao ny Tompo Sabotsy faha-4 io), mitantara ireo mpifankatia roa (izaho sy ny Tompo Andriamanitro) niara-dia teny amorontsiraka, nifampitantana... ka indro ny dian-tongotra maneho ny fiarahana... manga ny lanitra ... hasambarana re izany... manga ny lanitra...

Fa nanomboka nitsoka mafy ny rivotra, tonga ny tafiotra... ary indro fa tsy nahatazana afa-tsy dian-tongotra roa... tsy hita ny malalako...

Dia nanomboka nimonomonina aho... niantso mafy hoe : aiza ilay sakaiza manody izay nandao ahy tamin'ny andro sarotra?...

Fa namaly ahy ny malalako sy nilaza tamiko hoe : nahoana ianao no dia tezitra toy izao, nefa ireo dian-tongotra ireo milaza mazava fa tao anatin'ny tafiotra dia nataoko an-tsangory ianao, ka ny dian-tongotro no hany sisa tazana, ianao eo an-tsoroko...

Ny Papa ao amin'ny taratasy ansikilika nosoratany dia milaza fa afaka mitaraina toa an'i Kristy teo ambony hazofijaliana isika, ao anaty fijaliana, tsy sanatria tsy akory hanome tsiny azy fa kosa hanamafy ny fitokisana fa tsy mandaoa ntsika na oviana na oviana Andriamanitra...

Dia izany ny Fitiavana... efa maty vao ra-malala... efa tsy eo anatrehana, na toa mandao vao tsapa ny hasarobidin'ny fisiany...

Vokatry ny fitiavan-tenantsika ve izany? Angamba tsy izany loatra fa samy efa nahatsapa ihany angamba isika fa tsy mahalaza ny Fitiavana ny teny...

Azo adika ho toy izany ny antony nanontanian'i Jesoa an'i Piera in-telo hoe : tia ahy va ianao? Ny niafarany dia niaiky i Piera hoe : "ianao no mahalala ny zavatra rehetra..."

Dia mandinika ny fifandraisako amin'ny Tompo aho, dia mahatsapa ihany koa fa mazàna anatin'ny andro mafy sy ahitako olana no hihaonako bebe kokoa amin'ny Tompo, miohatra noho ireo androm-pahombiazana izay indraindray hanadinoako fa avy aminy no nahazoako ny zavatra rehetra...

  

 

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb