"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 08 Jiona, 2006 23:25
Inona no fepetra tsy maintsy harahina amin'ny fifanakalozan-kevitra?
(jereo ny http://harilova.blaogy.com/post/182/1067 )
Araka ny traikefam-piainako, fa koa araka ny fandinihan'ireo mpahany momba ny fifandraisan'ny olombelona dia mila fahamatorana ny fahaiza-miady hevitra.
Mandritra ny fitomboan'ny maha-olona (vatana/saina/fanahy) dia misy dingana ataony. Tsy mitovy anefa ny fomba hiatrehana ireo dingana ireo fa arakaraka ny toetra sy ny tontolo iainana misy ny tsirairay. Dia araka izany ihany koa ny faharetany.
Amin'ny resaka ataony ary dia miezaka mitady valiny amin'ny fanontaniana mifaningotra amin'ny fiainany ("ontologique") ny olona iray.
Akaka ny mpandinika (ohatra hoe Erik Erikson ao amin'ny bokiny Childhood and society, NY 1950) dia misy efatra ny fanontaniana miandry valiny mivantana na ankolaka ka mandrafitra ny fifandraisan'ny olona :
Izany dingam-piainana izay no tsy maintsy jerentsika rehefa miresaka amin'ny olona iray ka te hifankahazo resaka aminy...
...ny olana anefa dia na isika na ny hafa mety tsy nahavaly ny iray amin'ireo fanontaniana ireo tamin'ny fotoanany ka mety mampandringa ny fahamatoran'ny maha-olona izay hany hahafahana mifanakalo hevitra tsara...
(tohiny)
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jiona 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |