"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 25 Febroary, 2007 01:02
Vao manomboka ny karemy dia resaka fakam-panahy no resahina : “Nentinin’ny Fanahy any an’efitra i Jeso mba halaina fanahy...” (Lk 4, 1-13). Lalana tsy maintsy hodiavina araka izany ny fakam-panahy saingy kosa ahoana no fomba hiainana azy? Andriamanitra ve no maka Fanahy?
I Jakoba, Apostoly nanoratra fa tsy Andriamanitra no maka fanahy, fa avy amin’ny filan-dratsintsika (Jk 1, 13). I Paoly kosa indray milaza fa tsy maka fanahy mihoatra izay zakantsika isika, fa isaky ny fakam-panahy dia anomezany antsika fahasoavana hahazakana azy (I Kor 10, 13ss) ...I Jeso rahateo no nampianatra antsika hivavaka, mba tsy hoentin’Andriamanitra amin’ny fakam-panahy... I Lioka manokana ao amin’ny Evanjely nosoratany dia milaza fa ny Fanahy no nitondra an’i Jeso ho any an-tany elitra mba halaina fanahy… ny Demony[1] no mpaka fanahy.
Misy zavatra telo tiako hotsipihana manokana : nahoana isika no alaina fanahy? Inona ny fakam-panahy mety hahazo antsika? ary ahoana no handresena azy?
Ny anton’ny fakam-panahy :
Raha vao vita batemy tao amin’ny ranon’i Jordany i Jesoa dia lasa tany an’efitra. Raha ny tena marina dia tsy ny halaina fanahy loatra no anton-diany [raha jerena ny fizotry ny tantara], fa kosa ny hanomana ny asa fitoriana nanirahan’ny Ray azy (“mission”)[2]. Dia mazava loatra araka izany fa tsy manakana velively ny fakam-panahy ny fahasoavana raisintsika amin’ny sakramenta fa vao mainka aza manosika antsika ho amin’ny fakam-panahy. Mazava loatra fa fanamafisana ny fiantsoana izany ny fakam-panahy. Ny faniriantsika te hivavaka, te-hanapa-kevitra ho masina satria karemy ny andro, dia tsy maintsy hisedra ny fakam-panahin’ny Demony. Tsy sakana velively ho amin’ny fanamasinan-tena araka izany ny fakam-panahy.
Ahoana no handresena ny fakam-panahy?
Ny fakampanahy dia fitsapana, ka ny fanamafisana ny SAFIDY no hahafahana miady aminy. Tsy afaka maka ohatra hafa ankoatra izay efa nomen’i Jesoa antsika isika. Raha nalain’ny demony fanahy mba hanova ny vato ho tonga mofo izy dia nisafidy ny hampitombo mofo hamokisana ny vahoaka an’arivony... Tsy hampiasa ny harena hitiava-tena fa kosa hanasoavana ny sahirana sy ny mahantra[3]. Raha nalaim-panahy ho tonga mpifehy ny tontolo izy, dia nisafidy ny hanaiky hatramin’ny fahafatesana, satria ny ny sakafo ivelomany dia ny manao ny sitrapon’ny Ray (Jn 4, 34//)[4]. Raha nalaim-panahy hampiseho ny maha-izy azy i Jesoa dia nisafidy ny hanaja ny fitiavan’ny Ray Azy. Tsy ho feno fatra ny hafaliantsika raha tsy ao amin’ny fiombonam-piainana amin’Andriamanitra. Heveriko fa ny faratampon’ny fahasambarana dia ny fahatsapana fa zanak’Andriamanitra[5].
Fa ny modely lehibe indrindra navelan'i Jesoa ho antsika dia ny hoe : "nentin'ny Fanahy"... Tsy haharesy ny fakampanahy amin'ny herintsika irery isika fa mila ny fanilovan'ny Fanahy sy ny fanampiany. Tsy manamaivana ny adidy miandry antsika anefa izany.
Ndao ary hikely aina hihaina ity Karemy ity hihaina sy hankafia ny fahasoavan’Andriamanitra atobany amintsika, HISAFIDY hatrany ny hiara-dalana aminy.
[1] Demony : raha ny marina dia diabolon no maka fanahy… dikan-teny moa no hiainantsika ka diable na démon dia lasa demony sy devoly avokoa. Ny Diable anefa, Diabolon (mifanohitra amin’ny symbolon = mampiombona), dia hoe “mpanasaraka” no heviny, ilay mpaka fanahy araka izany dia te hanasaraka antsika amin’ny namana sy amin’Andriamanitra; ny démon kosa indray, fetsy no dikany, génie, izay tsy voatery ho amin’ny ratsy mandrakariva. Hajaintsika anefa ny dikanteny hoe demony amin’ity fifampizarana ity.
[2] Mety hilaza ianao hoe ka hatramin’izay izany izy tsy nanao ny nanirahana azy? Mazava ny teniny : “Nahoana no mitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy miahy ny asan’ny Raiko aho?” (Lk 2,49). Ny tiako holazaina eto dia ny fanombohany hametraka ny vatofototry ny fiangonany amin’ny alalan’ny fitoriana ankarihary sy ny fiantsoana ny Mpianatra.
[3] Ny voadin’ny fahantran’ny Relijiozy, manao an’Andriamanitra ho hany harena ka ampiasa ny fananana ho enti-manitatra ny fanjakan’Andriamanitra.
[4] Ny Relijiozy manao voadin’ny Fanekena, mba ho poroso hampahatsiaro io fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra io, amin’ny zavatra rehetra.
[5] Dia manao Voadin’ny fahadiovana ny relijiozy mba hanehoany ny fo tsy voazarazara, afaka hitia ny mahantra sy ny madinika araka ny fon’o Kristy.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Febroary 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 |