"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 18 Aogositra, 2007 22:08
Raha mamaky eto ianao dia mahita ao fa tonga hitondra korontana ao anatin'ny fianakaviana mihitsy aza i Jesoa...
Nihezaka ny hahazo izany aho ka izao zaraiko aminao izao :
“Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady!” Izay no anombohan’i Jesoa hilazana amintsika ny iraka nahatongavany (Lioka 12, 49-57) : ny mission amin’ny maha-Kristy (voahosotra) azy : hanipy afo… Tsaroako koa ny fiantsoana an’i Mose izany afo mirehitra izany : afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3, 3). Afo manambara ny Fisian’Andriamanitra eo anivontsika, fisiana izay tsy mahafoana ny maha-antsika antsika (hevitry ny kirihitr’ala tsy may) fa kosa mampiseho amin’izay maha-antsika antsika izay ny fahalehibeazan’Andriamanitra. I Mose manala ny Kapany, satria “mandia tany masina” dia milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy , araka ny fitenin-drazantsika hoe : manndiha tany ka mety ho solafaka…
Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany. Dia efa mahazatra ny mahita ny sarin’ny Fo masin’i Jesoa mirehitr’afo : mirehitra fitiavana. Ny mahalasa ny saina anefa dia ny nanohizan’i Jesoa ny filazana ny mission nanirahana azy : “tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa fisarahana aza (and. 51)…”
Dia ahoana no hilazan'ny katolika isaky ny lamesa hoe : “Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin'ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan'ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao.” (jereo eto ny vavaka mialoha ny komonio) raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa?
Manampy antsika hahazo izany ny nolazain’ny Olon'Andriamanitra iray hoe : “Manome antsika ny fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana”.[1] Ny Fiadanana izay andikana ny hoe Paix amin’ny tenintsika eo amin’ny sehatry ny finoana na dia mahadika azy bebe kokoa aza ny hoe fandriam-pahalemana, dia ny fahafahantsika miaina ny maha-antsika antsika, araka ny nolazaiko tetsy ambony. Inona ny maha-antsika antsika? Ahoana no hihainantsika ny maha-kristianina antsika?
Mampandinika ahy ny nolazain’ity mpanoratra iray ity momba ny Fivavahana nampianarin'i Jesoa hoe :
“aza milaza hoe Ray raha tsy miaina ny maha-zanak’Andriamanitra isan’andro… aza lazaina fa hoe Rainay raha toa ka mahafinariitra ano ny mikombona ao amin’ny fitiavantenanao… aza milaza hoe any an-danitra raha tsy misaina afa-tsy ny ety an-tany… aza milaza hoe hohamasinina anie ny anaranao raha tsy hajainao akory izany… aza milaza hoe ho tonga anie ny fanjakanao raha toa ka ny afangaronao amin’ny fanjakazakana ara-nofo ihany izany… aza milaza hoe ho tanteraka anie ny sitraponao raha toa ka tsy hohekenao ny sitrapony rehefa tojo ny sarotra ianao…
Aza milaza hoe omeo anay ny hahinay isan’andro raha toa ka tsy raharahanao akory ireo tsy manan-ko hanina sy tsy ampy fivelomana… aza milaza hoe avelao ny fahotanay raha tsy vonona akory ny hamela ny heloky ny hafa ianao… aza milaza hoe aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay raha mahafaly anao ny mikiribiby ao anatin’ny toe-pahotana… aza milaza hoe : manafaha any amin’ny ratsy raha tsy vonona akory hitolona handresy ny ratsy ianao. Ary milaza hoe AMEN raha tsy hinoanao akory izay vavaka ataonao.
Dia izay no hahazoantsika mahazo ny fifanoherana mety hisy eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra azy… Voaantso ho vavolombelon’ny fitiavana ny kristianina, voaantso haneho amin’ny fiainany fa Andriamanitra no ambonin’ny zavatra rehetra (vavaka fanombohana) eny fa na dia nety hanpifanohitra amin’ny havana aman-tsakaiza aza izany.
Raha babon'ny fitiavan'Andriamanitra ianao dia mba ampahafantaro ny olon-tianao koa izany fitiavan'Andriamanitra izany.
harilova | 02 Aogositra, 2007 23:03
Inona no zava-dehibe amin’ny fiainana? Ny maha-izy azy ny tena sa izay atao? Na ny marimarina kokoa : miankina amin’izay ataony ve ny “maha-lehibe” na maha-“ambony” ny olona iray, sa ny maha-ambony azy, ny maha-izy azy no maha-lehibe sy mampanan-danja ny ataony?
Efa niezaka namaly io fanontaniana io aho, raha vao nanomboka nanoratra blaogy teto, herintaona lasa izay. Azonao jerena eto. Mba jereo ange, manoloana ny fanambarana ataon’ny olona iray, na ataon’ny haino aman-jery, na voasoratra anaty boky, eny fa na dia ny hita ao amin’ny internet aza, dia mankatò avy hatrany ny ankamaroan’ny olona, tsy hoe noho ny fahamarinan’ilay voalaza, fa mazàna, noho ny toerana omena ilay nilaza na nanoratra azy.
Misy lafitsarany izay, fa mety hitarika amin’ny lazaina hoe “fanatisme” na hoe “fondamentalisme” na “integralisme” tsotra izao. Raha tsorina dia hoe : tsy voatsikeran’ny “vérité objective” intsony ny “vérité subjective”[1].
Nanomboka namaky ilay Boky nosoratan’i Benoit 16 aho, ilay Jesus von Nazareth,[2] dia nifanehatra indray amin’ity trangan-javatra ity. Rehefa manazava ilay tenin’ny Ray amin’i Jeso avy natao batemy manko izy[3], dia milaza mazava, ary marina ny filazany, fa tsy milaza ny zavatra hataon’i Jesoa velively ny Ray (mission…) fa milaza ny « maha-izy azy » an’i Jesoa (l’être) : Zanaka malalan’ny Ray. Mazava loatra araka izany, fa tsy ny ataon’i Jesoa no iezahana hahafantarana ny maha-izy Azy, fa kosa ny maha-izy azy no hahafahana mahazo izay nataony. Azo raisina ohatra ny antony nanekeny hataon’i Joany Batemy. Raha batemin-pibebahana ny an’i Joany, atao akory no hihevitra fa nanatona hatao batemy i Jesoa satria nahatsiaro tena ho nanana fahotana hangatahana famelana? Araka izany tsy ny fanantonany hatao batemy no zava-dehibe fa ilay fahatsapany tena amin’ny iraka miandry azy (mission), dia ny fitondrany sahady eo an-tsorony ny fahotantsika olombelona rehetra, izay nonerany tamin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.
Dia apetrako ny fanontaniana hoe : manao ahoana tokoa moa no fandanjalanjan’ny olona ny hoe : “l’être avant l’avoir”, ny maha-izy azy ny olona dia tsy ho voavidim-bola na oviana na oviana… ny maha-izy azy ny olona dia miha-matotra mandrakariva amin'ny traik'efa ananany, tsy lavina izany, satria tsy afaka ny hanoha-tena amin'i Jesoa isika, Izy ilay zanak'Andriamanitra.
Ny fiezahana hanatsara ny kalitao (asa vita) dia manova ny mason'ny hafa momba ny tena sy mahamatotra kokoa ny maha-izy azy ny tena... Izany fanatsarana ny fahaiza-manao izany anefa dia minakina be dia be amin'ny fiofanana sy ny fikolokoloana ny maha-izy azy ny tena. Ny olana izany dia tsy amin'ny fifandraisan'ny maha-izy azy ny tena sy ny asa vita loatra, na dia efa nolazaiko aza fa mahatonga ny sasany "hihinana amam-bolony" ny hevitry ny matanjaka sy ny "nahita fianarana" izany indraindray....
Ny olana dia mazàna vokatry ny tsy fanatsarana ny maha-izy azy ny tena : azo jerena ohatra fa vitsy ny mpianatra na mpiofana arak'asa no miezaka hanana fahaiza-manao, mahamay azy voalohany izay mety hahitana asa fotsiny ihany satria "ny Vola no maha-rangahy"... kanefa anie mazàna, ny "fananana" zary fanakonana ny maha-izy azy ny tena ihany, ka mahatonga fanjakazakana sy filazana fa mahavita azy! Iza no mahavita azy : ilay olona sa ny vola??? Aza adino ny hafatry ny Filozofantsika malaza, E.D. Andriamalala, izay nitondra avo ny literatiorantsika : "raha hadihadiana ny loharano ipoiran'ny harem-be rehetra, dia loto sy fotaka avokoa no mivoaka avy ao"....(Ilay vohitry ny nofy… )
Raha manahirana loatra ny mandanjalanja izany, aleo tsotsorina amin’ny mitovy fanònona hoe : andefaso taratasy alohan’ny hihaonana e (lettre [l’être] avant la voir [l’avoir]… dia vita ny "formation professionelle"... satria feno ny "lavoir"....
[1] Miala tsiny fa na dia nohezahako aza hatramin’izay ny handika araka izay azo atao ny teny rehetra, indraindray tsy azo tsara raha adika… Ny hevitra rehetra voalaza dia misy ampahany hamarinin'ny zava-misy marina ary misy ampahany miankina amin'ny mpilaza sy ny mpandray azy...
[2] momba an’i Jesoa ilay avy any Nazareta, boky lehibebe ihany satria lazainy fa ny fizarana voalohany, misy toko 10 dia 447 monja (version italiana).
[3] Mt 3, 18 : “Io no zanako nofidiako manokana, ankasitrahako indrindra”
harilova | 21 Jolay, 2007 22:03
Inona no mila asiana tsindri-peo? ny mivavaka sa ny milofo amin'ny asa? mety hanampy anao amin'izany ity fifampizarana ity.
Araka ny Vaovao mahafaly ao amin'i Lioka 10, 38-42 dia mitantara ny resaka Maria sy Marta ny Evanjelista, ka tonga ao an-tsaina ny mety ho fampitahana na ny fisafidianana ny asa amin'ny vavaka : ny fahambonian'ny Fihainoana ny Tenin'i Jesoa, tahaka an'i Maria, ilay nifidy ny tsara indrindra.
Tsy azo adinoina anefa ny lanjan'ìty evanjely ity satria toa tetezana mampitohy ny asa fitiava-namana amin'ny tena vavaka sitrak'Andriamanitra. Mialoha io manko (Lioka 10, 25-35) ny tantaran'ilay Samaritana (ara-bakiteny = Mpitily, Mpitsirika izay ny zava-mitranga) izay nahatsikaritra ka namonjy ny fahorian'ilay navelan'ny Jiolahy. Amin'ny manaraka azy kosa (Lioka 11, 1 ss), mitantara ilay Vavaka nampianarin'i Jesoa : ampianaro mivavaka izahay.
Dia eo no hahatsapantsika fa tsy dia resaka fampitahana loatra ny vavaka sy ny asa no tian'i Jesoa ambara, raha araka ny fahazako azy, fa kosa, te hametra-panontaniana momba ny antony hanaovantsika ny asa izy : nifidy ny tsara indrindra i Maria (ara-bakiteny, ny maria avy amin'ny matoanteny hoe Marah = mpikomy, mpanohitra, fa tsy ilay myriam, heverina ho avy amin'ny ejipsiana midika ho malala na lalaina tsy akory) satria tsy izay mahafinaritra azy no nataony, fa ny tian'ilay "notiaviny"... Aoka tsy ho be herehana toa an'i Marta isika (Marta ara-bakiteny midika hoe : tompontrano), tsy hanao ny asa fitiava-namana na ny asa fanompoana (diakonia) mba ho hitan'i Jesoa, ka hangata-maso hanao hoe : "tsy mampaninona anao ve... tsy hitanao ve izaho miasa io???", saingy amboamboarina ny fomba filaza azy. Ny fanomezan-tsiny an'i Maria manko midika fanamarinan-tena ihany....
Mpirahavavy iray tam-po i Maria sy Marta, ny Tompontrano sy ny Mpikomy, kanefa samy niisafidy ny anjarany, azon'i Maria ny tsara, dia hihalona izany ve i Marta? Sanatria ve fanalan-tsiny ny hakamoana ny an'i Jesoa???
Raha tianao hahasoa ny asa fitiava-namana dia aoka hanomboka amin'ny anjara tsara indrindra sitrak'i Jesoa : ny mahay mitily ny fahorian'ny mahantra toa ilay samaritana (aza adino fa hoy i Jesoa hoe : manaova tahaka izany koa) ary hahay hijery ny endriny ao amin'ny mahantra sy ny kamboty, hahay hitoetra eo an-tongony, hihaino mandrakariva ny feony, ka tsy hisahirana hanao afa-tsy ny sitrany ihany....
harilova | 13 Jolay, 2007 21:32
Vacances. Efa manana programa ve ianao sa tahaka ahy : tototry ny faniriana te hamita mialoha ny tokony hatao amin'ny taona ho avy? Asa raha tsaroanareo ny sangisangy zary tenany nataoko tamin'ny herintaona tahaka izao. Jereo kely moa eto e.
Manomboka mandamina ny fandaharam-potoanan'ny vakansa moa aho izao fa vita tamin'ny alatsinainy teo ny fanadinana farany amin'ity taom-pianarana ity. Tsy hoe "hanala azy vita ..." toy ny Olombelona Ricky tsy akory no mivohitra ao, toa tsy azo adika hoe fialam-boly loatra ho ahy sy ho an'ny ankamaroan'ny mpandranto aty an-dafy aty. Toa tsy mba miala voly manko fa toa mila vola...
Mba hiatrehana ny taona ho avy dia araraotina daholo izay asa mety hatao. Ho ahy manokana dia harerahana no hitako raha izay kasaiko no ho tanteraka tokoa : ny asa hita dia atao, ny vaky boky eo an-daniny (satria tantara mitohy ny fianarana Système LMD), ny asa soratra etsy an-kilany.... ny fiarahana amin'ny sakaiza anefa tsy atao ambanin-javatra koa... Rehefa ataoko ny kaonty dia toa zara raha matory aho ....tsy mba miala sasatra fa mila sasatra.
Eo no mahalasa ny saiko andinika ny fakan-tahaka lovainstika amin'ny fandaharam-potoana anyan-tsekoly....Dia hoy aho hoe : atao inona ary ity vacances ity? ho an'ny aty an-dafy manko azo sainina ihany hoe maninona no atao volana jolay, aogositra sy septembre ny vacances : satria mafana dia tsy ho vita ny hijanona hihanatra any an-dakilasy... fa ny any an-tanindrazantsika kosa, manomboka ny hafanana dia manomboka mikatroka amin'ny fianarana. Soa fa anaty hatsiaka mamirifiry no manao fanadinana!!! asa na lafitsarany na lafiratsiny izany! mba vita fararano no manao fanadinana dia manomboka mianatra indray rehefa manomboka mihena ny ao an-tsopitra!!!!
Na izany na tsy izany anefa : ny manala azy vita fanadinana tsy hadino satria mba fidiram-bolan'ny artista e!
Aza adinoina anefa ny mampahatsiaro ny kilonga fa ny fahafahana fanadinana tsy fialana sasatra fa fanombohan'ny fihatrehana ny fiainana! Na ny safidy ho amin'ny fanohizana ny fianarana na ny firotsahana amin'ny sehatry ny asa.... dia endrika hisehoan'izay FIHATREHANA ny FIAINANA izay.
Mirary soa daholo e
harilova | 21 Jiona, 2007 21:19
Aza adino fa mitombo folo indray ny lalànam-pifamoivoizana ho an’ny Mpamily katolika. Navoakan’ny “Seza Masina”[1] tamin’ny 19 jiona 2007 manko ireto didy folon’ny mpamily fiarakodia ireto (jereo eto) .
Dia ampiako iray izay tsy hiainan’ny ao Vatikana hoe :
"11. Aoka tsy hakarina intsony ny vidin’ny solika sy ny saran-dalana."
[1] Santa Sede,, Saint Siège… ka izay mipetraka eo anie mba ho tena masina ihany koa.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |