"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 13 Septambra, 2007 20:16
Anisan'ny mampijaly amin'ny fiaraha-miaina ny tsy fitoviana ara-kolotsaina, indrindra moa fa rehefa tsy afaka ny hifanakalo hevitra intsony. Zavatra tsy dia misy dikany loatra tahaka ny ho lazaiko anareo eto dia mety hanimba ny fiaraha-miaina amin'ny tsy mitovy fomba fisainana amin'ny tena.
Efa natsidiko teto ihany izy ity, jereo ireto. Ho an'ny tatsinanana dia mianavaratra an miankandrefana no ampiasaina hanondroana ny lalana. Ny Zavatra (objectif) no atao ivo. Ho an'ny tandrefana dia any an-kavanana na ny any ankavia no aleha... Tsarovy anefa fa mifono kolontsaia lalina izany, na maro amintsika no tsy mihevitra izany akory. Raha miankavanana ianao na miankavia, ny andrefana andrefana ihany... fa raha miantsinanana ianao no miankandrefana, ny ankavanana lasa ankavia.
Somary manao kilalaon-teny moa aho fa ny tiako hatongavana dia izao : rehefa ny olona no atao ivon'ny zava-drehetra dia manova zavatra betsaka izany. Tsy milaza ny maha-ratsy na maha--tsara ny kolontsiana iznay, fa milaza ny lafiny maha-izy azy ny kolontsaina ka tsy tokony hadino rehefa mifandray amin'ny hafa.
Ho an'ny vazaha ohatra, ankoatra ny toe-tsaina lazaina fa tsy misy fa tsapan'izay miara-miaina aminy isan'andro (Fiheverana ny fotsy ho ambony noho ny mainty) dia tsy tantiny ny miresaka aminao ka tsy jerenao izy (ilay olona miteny no omena lanja fa tsy ampy ny maheno sy mahazo ny zavatra lazainy)... eny fa na dia manao zavatra aza ianao fa izy no tamy mampiresaka...
Ekena fa fanajana ny olona miteny ny fijerena azy, nefa aza adinoina fa ho an'ny tatsinanana dia tsy ho voatery ho izany, ny olona sosotra no mifampivandravandra, fa miresaka manary dia ny maso no mahazatra....
Ny namaliako ny vazah moa dia hoy aho hoe, rehefa mivavaka ianareo, rehefa miresaka amin'Andriamanitra, Izy mahita anareo, fa mba efa nisy taminareo ve ny nijery azy mba hanajana azy sa sanatria sarivongana no jerena dia Andriamanitra no hiresahana????
Fombafomba mety hampifandìtra ireny saingy kosa mampandinika antsika ihany mba tsy hisy fifanoherana amin'ny fiainana....
Ankehitriny moa tsy lazaina intsony ny hoe nahoana no afaka miresaka tsara an-telefoninna tsy mifampijery sa noho nya ntony ara-kolotsaina ihany no mahatonga ny vazah, (fa na ny gasy koa aza) mampiasa hatramin'ny tanana rehefa miresaka amin'ny olona an-telefonina?
Mba diniho ihany.
harilova | 01 Septambra, 2007 22:41
Rehefa manao lisitry ny fanasana ny kristianina dia tsy mba manaraka ny protocole voalazan'ny Evanjely mihitsy. Mandinika ity (jereo eto) eto aho no lasa ny saiko : Fa taiza no mbola misy fanamasinana pretra na fanokanana mpiandry na pasitera na amin'ny fitsofandrano fanambadiana kristianina ka ny mahantra no asaina??? Taiza no nisy voadin-drelijiozy ka nanasa an'i Manankavaly? Mazava anefa ny tenin'i Jesoa : ny Mahantra no hasao (jereo eto). (Mety misy aloha fa tsy mbola henoko)
Dia misy sahy milaza ve fa karazana fanasana hafa noho ireny no hanasana ny mahantra? Fanasana ho azy ireo manokana amin'ny Paka sy ny Krismasy??? Fa ny fanasana mahakasika ny fiainan'ny Mpanasa aleo hanasana ny manampahefana sy ny olo-manan-kaja ihany!!! Raha tsy hoe nisy fahavoazana angaha ilay nanasa. Raha tsy izany dia fanasan'adala...
Ara-bakiteny loatra angamba no nahazoako ny Evanjely fa raha misy afaka manazava hoe fanasana karazany inona no hanasan'ny Kristianina ny mahantra tsy mana-kavaly dia irariana...
Raha tsy izany manko dia lazaina tsotra izao hoe dèmodé ny Filazan-tsara... Tsy maharaka toetr'andro...
Angamba tsy izay fa ny toetr'andro no tsy naharaka... te ho katolika de lasa katolikALIKA... te ho protestanta dia lasa protes-TANTATA manmpidera akanjo vao fotsiny...
asa aloha
harilova | 31 Aogositra, 2007 22:20
Malaza aty an-dafy aty hoe mora maniry faka ny afrikana raha vao tonga aty. Dia hoy aho hoe sao mba tsy marina izany? Angamba miankina main'ny tombontsoa sy ny sehatra iainana. Dia ho sanatria ve hoy aho mangidy ovy any an-tanàna no dia aty an-dafy no hikarama varimasaka?
Tsy azo lavina aloha fa ho an'izay mahita asa ivelomana aty an-dafy ka mahay miafy dia afaka mihary harena tsara lavitra no ny any an-tanàna. Aty Italia ohatra ny karama farany ambany (SMIG) dia mahazo lasantsy 390 litatra raha sara raha mahazo 25 litatra any Madagasikara! Tsy asiana resa-be moa ny amin'izany satria mahamenatra sady mahavaky fo!
Asa aloha ny hevitrareo aty an-dafy raha marina hoe mamboly koko koa isika sa mihary fotsiny hamelomana ny tanindrazana???
harilova | 23 Aogositra, 2007 22:19
"Les hommes couchent, les femmes font l'amour"...
nahatonga saina ahy io filazan'ny mpanoratra frantsay iray io, nandritra ny latabatra boribory nifanaovan'ny mpanoratra mikasika ny Vie Privée. Ny sasany manko manohana ny hoe : "tsy azo ary tsy ilaiina ampahafantarina ny olon-tianao ny zavatra ataonao na ny infidélité mety hisy". Ny sasany kosa milaza fa tsy manova inona amin'ny tena fitiavana izany, ary efa nanoratra sy namoaka boky mikasika ny fiainany manoana mihitsy izy ireo.
Ny niafarany dia hoe : raha tian'ny vehivavy ny hiharo ny tokantranony dia sady tsy hitantara amin'ny lehilahy ny momba azy izy ary koa miezaka tsy manisy sira izay mety ho henony na mety ho fantany aza hoe kileman'ny vadiny...
Dia nofintinin'ny Baronne iray hoe : Aza adino fa ny lehilahy "couche" fa ny vehivavy "fait l'amour". Asa fa mahalasa saina izany... ny mpanoratra iray (champion de Rugby) moa milaza hoe : ka ny ahy mitovy ny filalaovako rubby sy ny fanaovako firaisana amin'ny vadiko. Ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny iray misy 80.000 mpijery....
harilova | 23 Aogositra, 2007 07:55
10 "Dia niely eran'ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana". Dia hoy aho hoe ka inona intsony no hiezahana fa na ny tsara na ny ratsy samy ho tonga any amin'ny fanasana avokoa?
Rehefa namaky ny vakiteny androany ao amin'ny katolika.org aho dia lasa ny saiko hoe : ahoana tokoa moa ity famonjena ity? iza no ho voavonjy? Iza no handray anjara amin'y Fanasana? Ny heverina ho mendrika miavon-tsy feno tsy nety ho any... dia ny teny amin'ny arabe sy ny kion-dalana no tonga nameno trano.
Ny zavatra tiako ampitaina aminao fotsiny dia ny fomba fampitan'i Jesoa ny fampianarany : tsy miankina amin'ny fahamendrehanao tsy akory ny fiantsoana anao. Rehefa miantso Andriamanitra dia tsy mizaha tavan'olona na ny tsara na ny ratsy...
Tsy maintsy tsaroana mandrakariva anefa fa izay voaantso dia tsy maintsy miezaka mitondra ny akanjo ho amin'ny fampakarana...
dia io no mampatahotra ahy satria toa manararaotra be loatra ny fitiavan'Andriamanitra aho... ka manao izay tiako atao.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |