"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 09 Jiona, 2007 23:29
Ny Finoana fa ny Andriamanitry ny Katolika dia naka endriky ny Mofo sy ny Divay, dia tsy finoanoam-poana tsy akory fa hifotoran'ny fiainana manontolo mihitsy.
Santionan'ireo fampianarana momba ny Eokaristia no hifampizarako aminao eto ma hahitana izay fifandraisan'ny Eokaristia sy ny Fiainana andavanandro izay :
Ny Vatana aman-dRan'i Kristy Azonao vakiana ireto andalan-tsoratra masina ireto hanampy anao bebe kokoa hahazo ny fifampizarana : Vakiteny I : Jenezy 14, 18-20 Salamo 109 : Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka Vakiteny II : 1 Korintiana 11, 23-26 Evanjely : Lioka 9, 11b-17 Nihinana izy rehetra ka voky Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin'ny folo lahy nanao taminy hoe: "Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin'ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an'efitra isika izao". FA hoy Izy tamin'izy ireo : "Omenareo hanina izy". Dia namaly izy ireo nanao hoe : "Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazan-drano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin'ireo vahoaka be ireo". Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany : "Asaivo mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona". Dia nataon'izy ireo izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin'izay, noraisin'i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy ary novakiany sy nozarainy tamin'ny mpianany, mba haroson'izy ireo eo anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo.
Fifampizarana Ankoatra ny "procession" entina hanehoana ampahibemaso ny finoana sy ny fanajana sy Sakramenta Masina atao amin'ity andro ity ao amin'ny Fiangonana Katolika, dia tiako ny manomboka ny fifampizarana ny Tenin'Andriamanitra amin'ny hoe "omenareo hanina izy ireo". Ilay tenin'i Jesoa tamin'ny Apostoly. Tsara homarihina fa ireo Apostoly ireo, (mialoha io Evanjely io, Vakio Lk 9, 1-11a) rehefa avy nitantara ny traikefam-piainany tamin'i Jesoa dia nentiny tany an-tany efitra, mangingina, mba hiala sasatra, mba haka fampianarana vaovao, na koa mba hila fanazavana amin'ny mety ho olana sedraina amin'ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Rehefa tonga anefa ny vahoaka dia noraisin'i Jesoa am-pitiavana. Toa tsy nahoany akory ireto mpianany niasa mafy ho Azy, mpianatra izay nanaraka ny teniny ka tsy nitaky karama fa nihinana ihany izay naroson'ny olona... Nony hariva ny andro, nanomboka niakatra ny tambavin'ny apostoly, ankoatra ny harerahana, eo koa ny hanoanana efa mamely. Tsy tanan'izy ireo intsony ny ahiahiny ka naborany an'i Jesoa : "Ravao ny vahoaka hitady hanina sy kodoro". Raha miverina amin'ny traikefam-piainantsika andavan'andro isika dia hahatsapa fa tsy ny vahoaka loatra no noana, tsy ny vahoaka loatra no mitady kidoro hialana sasatra. Ny harerahan'ny Apostoly, ny hanoanan'ny Apostoly no nanosika azy ireo hiala tsiny ka nataony hisolo vaika azy ny vahoaka. Raha ny marina manko, zaran'ny vahoaka aza ny hitafa sy hitoetra miaraka amin'ilay Mpaminany izay efa nampitampim-bava an'i Eroda (Lk 9, 7-10). Ao anatin'izany hanoanana sy harerahana izany indrindra no nanirahan'i Jesoa azy ireo "hanome hanina" ny vahoaka, hanompo ny vahoaka, hahatsapa ha ny faorian'ny tena, ny harerahana dia manokatra koa ny maso hahalala ny fahorian'ny hafa, kanefa tsy hijanona amin'izay fa hitady vahaolana. Ny hala olana amin'ny tsy fahampian'ny ho enti-manana tsy vahaolana manakana ho amin'ny "fanompoana". Ampy ho an'ny Tompo ny kely hany mba nananany : mofo dimy sy hazandrano roa. Ilainy kosa anefa ny zotom-po hisahirana, hisikina hanompo : mba diniho moa ny hamorona antoko zato izany e (5000 amin'ny tsi-dimampolo tsi-dimampolo), tsy asa moramora. Nefa dia notanterahin'ny apostoly an-jotom-po. Rehefa avy eo mbola nampihinana ny olona sy nanangona ny sisa tsy lany. Izany no Eokaristia : Fanompoana. Raha nitantara ny Fanasana farany niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany i Joany dia tsy fanasana "sakafo" no notantarainy fa fanasana "tongotra" (Jn 13, 1ss) : ny fanaovany ny asan'ny mpanompo, ny andevo, ny fanasana tongotra. Raha mitantara ny namoronana ny Eokaristia i Paoly (vak II : 1 Kor 11)) dia nanafatrafatra hoe "isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity ianareo dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-pihaviny". Izany tokoa satria notanterahin'i Kristy tamin'ny fanolorany ny tenany sy ny rany ho antsika izay nosantariny tamin'ny alakamisy masina niaraka tamin'ny Mpianany. Fa isaky ny manolotra ny "mofo sy ny divay vokatry ny tany sy ny hasasaran'ny olombelona" isika[1] dia "mahatsiaro an'i Jesoa. Nafarany manko ny hanao lamesa "ho fahatsiarovana Azy"[2]. Fanatanterahana ny didiny izany. Tsaroantsika ny Salamo 109 milaza hoe : Ny eo an-kavanana, araka ny kolon-tsaina jody dia izay mpanatontosa iraka : noho izany rehefa manaiky hanatontosa ny didin'i Jesoa isika, manaiky hijjoro eo an-kavanany, dia izy kosa no hijoro eo an-kavantsika, hamaly ny vavaka ataontsika aminy... Mila fandinihana lalina io salamo io. Fa inona moa ny didin'ny Tompo? Raha tsy ny didim-pitiavana, ilay fitia vonona hanompo hatramin'ny fara-fofonaina. Dia izay ny Eokaristia. Manaiky hanompo ny hafa, eny fa na dia taorian'ny asa aman-draharaha nanirahana aza tahaka ireto apostoly efa reraky ny asa fitoriana. Izany no hahafahantsika mifampizara ny kely mba hananana tahaka an'i Abrahama, hitsinjovana ny fiainam-piangonana sy ny mahantra (rakitra), na tahaka an'ireo apostoly tsy hihambahamba hanolotra ny iraimbilanja ho bemiray hampivoatra ny fiaraha-monina. Misy heviny ary araka izany ny Sorona atolotra rahefa i Kristy no tsaroana eo am-panolorana azy, ka hampahafana ny fo amin'ny famoaboasana ny Tenin'Andriamanitra (Lk 24) sy hampahiratra ny maso hahita ny endrik'Andriamanitra tsy voakosoky ny fahotana sy ny fahantrana ao amin'ny mpanota sy ny fadiranovana. Ny tena olon'ny Eokaristia dia afaka mahita ilay olona nohariana hitovy endrika amin'Andriamanitra ao amin'ireo tokony hoheverina ho fahavalony... Olon'ny Eokaristia ve ianao? Aza kivy fa ivereno ventesina ny antsa mialoha ny Evanjely hoe : Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, Mamindrà fo aminay aoka ianao no hanina mamelona sy manohana anay ary aoka ianao hampahita anay ny soa any amin'ny tanin'ny velona. [1] Jereo lamesa (fanomanana ny tolotra) [2] Miverina in-droa amin'ny vak II | |
Niova farany ( 09-06-2007 |
harilova | 01 Jiona, 2007 18:37
Raha nanafatra ny mpianany i Jesoa hoe "mbola manana zavatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny..." (Jn 16, 12-15) dia midika fa mila fandalinana mandrakariva ny finoantsika. Tsy zavatra noraisina ka tahirizina manko ny finoana fa tahaka ny afo ka tsy maintsy mila ny kitay sy ny donak'afon'ny finiavana mba hitahirizana azy tsy ho faty.
1- Lova ny Finoana
Ny Fanahy izay hitari-dalana antsika ho amin'ny marina rehetra dia "tsy hiteny araka ny nahiny" fa hanambara izay rehetra reny... atao ahoana no hino an'izay tsy mbola re, hoy i Paoly, ary atao ahoana no handre raha tsy misy mpitory? (Rom 10, 14-15). Araka izany, ny Finoana dia "zavatra" mialoha antsika, tsy sanatria noforonin'ny saina fa kosa Lova ifandovana, ka ny hany loharano ipohirany dia Andriamanitra Ray mandefa ny Fanahy hiteny sy hitsòka amin'izay tiany.
2- Ifandovana amin'ny traikefam-piainana ny Finoana
Ny fijoroana ho vavolombelona ihany no hahafahana mampita ny tena finoana (Jn 3, 32). Ny Fanahy handray ny Finoana avy amin'i Kristy dia hampita izany amintsika. Tsy hiteny ho azy ny Fanahy fa hilaza ny zavatra ho avy : ny fanomezam-boninahitra an'i Kristy. Ny fitsipika ho an'ireo te hitory ny finoana, hoy ny Papa Gregoire Lehibe (532–604), dia tokana ihany : ao amin'ny fibanjinana ny Misterin'Andriamanitra, tahaka an'i Moizy izay miditra matetika ao amin'ny Tranolay fihaonana mba hiresaka amin'Andriamanitra, mba ho vonona hanompo marina ny vahoakany.
Ilay lovam-panahy nolraisintsika dia mitsimoka, mivelatra ka zary hazo ialofan'ny Voromanidina (Mt 13, 31). Ny Mpamboly mikarakara, fa miankina amin'ny tany ihany koa ny famokarana. Dia ho sanatria ve misy saha tsy azo karakaraina sy asiana zezika mba hamokatra? Ny fiainan'ny tsirairay azy araka izany no zary endrika hitaran'ny finoana. Raha toa ka tsy lasa fiainana ho an'ny Mpandova ny Finoana dia tsy afaka ny hamokatra.
3- Mahakasika ny atifanahy lalina ny finoana
"Ahy izay rehetra an'ny Raiko" hoy i Jesoa. Nolazaintsika fa loharanon'ny finoana ny Ray, nefa ilay finoana raisintsika kosa dia iezahantsika ho zary aina ivelomana, ka tsy ny tahotra an'Andriamanitra na noho ny henamason'ny fiaraha-monina no hibaiko fa ny fo amam-panahy babom-pitiavana ka te hamaly fitiavana.
Dingam-piainana araka izany ny fahamatoran'ny finoana ka raha mbola tsy mandrakotra ny fahamariana rehetra izy tsy tonga amin'izany fahamatorana izany. Raha mbola mahita fahamarinana hafa ankoatra izay inoantsika isika dia mbola hivaralila hatrany. Ny "marina" manko no hanafaka antsika (Jn 8, 32), satria izay miaina araka ny marina dia tsy hatahotra ny hijoro ho vavolombelona (Jn 3, 21).
Tsy natao hampatahotra antsika izany sanatria, satria ankoatra ny fahavononantsika hiasan'ny anahy dia ny Fanahy no handvorary izany ao amintsika. Tsy manafoana velively ny anjara tandrify antsika anefa ny fahasoavana fa mandavorary kosa izay efa natombony ao am-pontsika ary manosika ny finiavantsika hizotra ho amin'ny marina. Ny hany andrasany? Ny "ENY" tsy misy famahony avy amintsika.
harilova | 31 Mey, 2007 16:51
harilova | 20 Mey, 2007 12:26
Niakatra any an-danitra hoe Ra-Zezo! Aleloia. Dia nanafatra fa ho eo amintsika mandrakariva!!! Ka tsy efa any an-danitra izany isika?
Voalaza fa amin'ny toerana rehetra izy (jereo eto), mahefa ny zavatra rehetra (jereo eto) ary nitsangan-ko velona fa nandresy ny fahafatesana (jereo eto).
Fa raha niakatra any an-danitra izy, ho inona amiko izany?
Hitohy.
harilova | 05 Mey, 2007 23:31
Milaza amin'ny Mpianany i Jesoa fa hanome azy ireo
"Didy vaovao" :
ny mba hifankatiavan'izy ireo. (Jn 13, 31-33). Fa inona no mahasamihafa ity didy ity amin'izay efa nisy teo aloha?
Mba handalinana io fampianaran'i Jesoa io di mahafaly ahy ny hifampizara aminao zavatra roa : "Didy vaovao", "toy ny nataoko".
1. Didy vaovao :
Tsy hoe mamorona didy hafa ankoatra ireo "teny folo" voalaza ao amin'ny Lalàn'i Mose (Eks 34) akory i Jesoa sanatria. Raha izany anefa, ahoana no hilazany fa vaovao ity didy ity? Heveriko fa tsy hoe vaovao amin'ny tanjona kendrena tsy akory fa vaovao amin'ny dingana hanatanterahana azy. Misy dingana ny firosoana amin'ny fahamasinana, tsy ampy ny fandrarana, mila manao ny tsara ihany koa.
Noho izany, ny didim-pitiavana nomen'i Jesoa dia tsy hoe mandrara antsika tsy hamono olona fotsiny fa mamporisika koa hanasoa sy hampiroborobo ny fari-piainana, tsy ampy ny tsy mangalatra fa ilaina ny manao asa fanasoavana, tsy ampy ny tsy mandainga fa ilaina ny milaza ny marina, tsy ampy ny tsy mijangajanga fa ilaina ihany koa ny faniriana ny hadio fo, tsy ampy ny tsy mitsiriritra ny vadin'olona sy ny fananan'olona fa iezahana ihany koa ny mahay mifaly amin'ny hafalian'ny hafa.
Raha Andriamanitra sy ny manam-pahefana (ray aman-dreny) ihany no nomena lanja hajaina tao amin'ny testamenta tranainy, dia nanao dingana iray lehibe i Jesoa, tsy ny ray aman-dreny ihany no mila hajaina, fa noho ny fiitiavana an'Andriamanitra, dia hasoavina koa ny namana, indrindra ny mahantra sy ny madinika... samia mandini-tena raha toa ka afaka mahita ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny mpangataka amoron-dalana !
2. Toy ny ataoko :
Tsy hoe hitia fe hitia fotsiny ny kristianina fa kosa hitia toy ny hitiavan'i Jesoa azy ireo.
Dia hoy aho aminao hoe : efa mba nodinihinao ve hoe nanao ahoana no nitiavan'ny Tompo anao? Mandeha mamonjy lamesa ny Katolika, mankalaza ny Eokaristia (midika hoe Fisaorana tsara indrindra), izany hoe handeha hisaotra an'Andriamanitra. Marina fa ambaran'ny pretra amin'ny Prefasy ny antony hisaorana an'Andriamanitra, antony hitambarana amin'ny ankapobeny... nefa tsindrian'ny Papa amin'ny taratasy nosoratany farany , ao amin'ny lahar° 52 fa raha tsy misy hifandraisany amin'ny andavanandrom-piainan'ny tsirairay izany mistery ankalazaina izany dia tsy azo heverina ho feno ny fandraisana anjara.
Dia manontany tena aho hoe firy amin'ny kristianina tonga hamonjy lamesa no tonga hisaotra (hanao eokaristia)... Ny ankamaroany manko, asa na diso fijeriko azy, toa tonga mba hangataka na sanatria aza tonga mba hanefa adidy hampilamindamina feon'ny fieritreretana fotsiny. Raha mbola vavaka hataka no vavaky ny kristianina dia tsy afaka hitia toy ny nitiavan'i Jesoa izy ireo : matoa manko mangataka dia manantena ny hahazo... dia satria Jesoa mpamaly vavaka, manome izay ilaina ka izany no hoenti-mivavaka.
Mazava loatra fa "havana raha misy patsa" no hoentina mitia ny hafa. Miankina amin'ny endrika volavolaintsika ho an'Andriamanitra ny hifandraisantsika amin'Andriamanitra sy hifandraisantsika koa amin'ny hafa avy eo. Ny fanomanana tsara indrindra azo atao amin'ny lamesa araka izany dia ny famisavisana ny soa noraisintsika avy amin'Andriamanitra. Mety ho soa mety ho ny tsy soa loatra nefa "mahasoa"....
Ho an'i Jesoa manko, ny voninahitra dia tsy amin'ny fanaparam-pahefana loatra fa amin'ny fahafahana mitia, ny fahatapahan-kevitra hitia, eny fa na dia hatramin'ny hahafoizana ny aina aza.
Ndeha ary samy hanao dingana, hihaina ity "didy vaovao" ity, tsy hihonona fotsiny amin'ny fanompoana ny lehibe fa hisikim-ponitra hanompo ny farahidiny, satria isika mpanota no notiavin'i Kristy, isika mpanota no namoizany ny ainy, ka ho an'iza re no hamoizantsika ny soa ananatsika e? ho an'ny mpanota sa ho an'izay heverina hahazoana tombontsoa sy tombom-pitiavana sa sanatria ho an'ny mahantra sy ny tsy manan-kaly? Aza misy anie ny tsy toy izany...
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |