DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Misy ve ny lanitra???

harilova | 17 Martsa, 2007 15:44

Misy ve ny lanitra?

Manoloana ny zava-misy diavintsika izao, ny hamafin’ny fiainana etsy andaniny, ny hasarotan’ny fitandremana mba hadio fitondrantena etsy an-kilany, dia manontany tena aho hoe : “Misy ve izao lanitra izao?”

Ny Filazantsara anio hifampizarako aminao dia ny ao amin’i Lioka 15[1], mitantara ilay zanaka mpandany, nangataka ny anjara lovany mba hiala ao an-tranon-drainy. Mazava loatra fa ny mangataka lova mbola velona izany, hafahafa ihany satria toa milaza amin-dRainy hoe : tsy misy ilako anao ra-Bainina fa omeo ny saosy de samy vita. Tsy miditra amin’ny resaka lalàna na amin’ny mety ho fihetsiky ny Rainy aho[2], fa te hanisy tsindrim-peo kosa amin’ity fihetsiky ny zanaka nitsipa-doha laka-nitana.

Dia lasa ilay zatovo nandany ny fananany tamin’ny vehivavy janga sy ny filibàna. Tsy nivaky loha ny hihary ka niafara tamin’ny fiandrasana kisoa[3]. Dia teo vao nody ny sainy, teo vao tsapany fa kay tsy niteniteny foana ny Ntaolo nilaza hoe “Velezo ny vy dieny mafàna”, na hoe “Mitsangàna dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony”. Entina ilazàna indrindra  ity toetra izay tsy mba nitsinjo ny vodiandro ho merika … satria leon'ny asa sy ny irakiraka tao an-tranon-dray kanjo voan'ny tsy fidiny any an-tany lavitra.

Dia tapa-kevitra ny hody, satria toa tsaratsara kokoa ny an-devo ao an-tranon-drainy noho ny mpiasa any an-tranon’olona…

Dia niverina tany an-tranony… ary mbola lavitra dia notsenain-dRainy, ary nampiankanjoiny, nokiraroiny ary nasiany peratra ny tanany[4]

Fa ny tena loza dia ity : kay ilay zokiny koa tsy faly amin’ny rainy fa tsy sahy niala tao an-trano fotsiny : “izaho nanompo anao teto foana nefa tsy avelanao mirevy hiaraka amin’ny namako akory…” Fialonana ve? Zavatra mahazo antsika matetika izany, heveriko fa tsy izay loatra no tian’i Jeso holazaina… Tsy hoe sanatria tsy mandrava ny maha-zanaka ny hadalana vita, ka andeha hanararaotra hanao izay danin’ny kibo koa ilay zokiny… Ny lanitra ho Azy, izany hjohe ny fahasambarana, dia ny mitoetra ao an-tranon-dray, na dia lanaky ny asa sy ny fanompoana aza, kanefa mahatsiaro fa zanaka…

Ny faratampon’ny fahasambarana ho an’ny Kristianina dia ny mahatsapa fa “zanak’Andriamanitra”. Sady i Jesoa no nilaza fa ny Fiainana mandrakizay dia ny “mahalala an’Andriamanitra ilay tokana – ilay Rain’i Jesoa Kristy–  sy Jesoa Kristy ilay nirahiny.” (Jn 17,3)

Dia samia ary mandini-tena izay milaza ho mpikatsaka ny fanjakan’ny lanitra raha mahatsapa izany fahasambaran’ny maha-zanaka izany, na sanatria ho toa ilay zokiny, tsy te hiala ny tranon-dRainy nefa mahatsiaro tena ho mitovy amin’ny andevo…

Ny fahasarotan’ny Fiainana ve manampy antsika  hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra? Ataoko fa tsy fandemen-tsaina velively ny mikatsaka fahasambarana. Efa natoron’i Kristy antsika ny lalana ho amin’izany fahasambarana izany : ny Fitiavana izay manosika antsika hiarina mandrakariva raha sendra lavo, manakana antsika tsy hivari-lavo… ilay fitiavana manampy antsika hahita mandrakariva ny endrik’Andriamanitra tsy azo kosehina ao amin’ny olon-drehetra, eny fa na dia ao amin’ireo heverin’ny fiaraha-monina ho fahavalom-pirenena aza.

Mampalahelo anefa fa maro no mitalaho amin’ny Tompo ny famindram-pony fa vitsy no mahazo ny famindram-po avy aminy satria tsy sahy nanokatra ny fony mba hino fa azo atao tsara ny mibebaka[5]….



[1] Lk 15, 1-3.11-32 : ilay zanaka mpandany niverina an-tranon-dray.
[2] Mila fitandremana manko ny milaza fa Ray Andriamanitra indrindra ho an’izay nanana ray tsy niaina ny maha-ray azy, mpamono zanaka na manampatra fahefana … ho an’i Jesoa, ny tena Ray dia izay afaka mampiseho ny fitiavany an-janany, eny fa na dia handanilany foana ny fananany manontolo aza. Fetin’ny ray moa ny 19 marsa any Italia any ka hafatra manokana ho an’ny Ray koa izany…
[3] Miandry kisoa ho an’ny olona tsy mihinana kisoa, entina ilazana ny asa farany ambany indrindra, kanefa tsy vitan’izany fa ny hanin-kisoa no nohanina.
[4] Ny kirary dia mariky ny maha-zanaka satria ny andevo tsy nikiraro, ny peratra dia mariky ny fiombonana amin’ny fianakaviana araka ny fomban-tany tamin’izany. Tian’i Jesoa hasiana tsindrim-peo fa ny fahotana sy ny hadalàna tsy nalana ny zo maha-zanaka azy ary tsy naharava ny roim-pianakaviana…karazana ala faditra izany amin’ny kolotsaina malagasy…
[5] Misy oha-bolan’ny Ntaolo hoe : ny tanana zatra mitsotra tsy afaka mivonkona intsony… heveriko fa ho an’ny Kristianina mino ny lanitra tsy marina izany… Ho an’izay mino ny fibebahana tsy afaka hanameloka ny hafa amin’ny fahazaran.dratsiny. Tsarovy fa ny fitiavana ihany no mampiova ny fo… izay mahatsapa fa tiana no afaka mibebaka. Fa afaka mino ny fibebahana ve izay mbola tsy voakasiky ny fitiavana? …Efa tsapanao nahakasika anao ve ny Fitiavan’Andriamanitra sa sanatria mbola ilay zoky… tsy sahy mandao ny tranon-dray fa manakana koa ny hafa tsy himpody an-tranon-dray????....
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb