"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 07 Martsa, 2007 22:41
Resaka vehivavy sa resaky ny vehivavy sa resa-behivavy? Ny 8 martsa[1], na dia vao tamin’ny 1977 aza no nankalazaina maneran-tany ho andro ho an’ny vehivavy, dia mifono tantara sy toetsaina toa zary tandra vadin-koditry ny taranak’olombelona.
Ao amin’ny Baiboly dia nohariana hiankin-doha amin’ny lehilahy ny vehivavy. Nohariana mba hitondra ambohoka ny sombiniaina, voajanahary izany, araka ny natiora. Teo amin’ny tantara dia matetika notsinotsinoavina ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina, ao an-tokantrano, ary mazàna tsy mba nomena fahafahana hampivoatra ny maha-izy azy loatra ny vehivavy, hany ka lasa fanambaka sy nolazaina ho “fanaka malemy”.
Raha mahazo ny zony hifidy, handray anjara amin’ny fiainam-bahoaka, handray anjara amin’ny fiofananana sy ny asa fivelomana fataon’ny lehi..lahy ny vehi..vavy, – eny fa na dia tsy amin’ny lafiny rehetra aza izany,[2] – dia mazàna nanjary nifangaro ny fitoviana sy ny fitovian-jo.
Ny omby na lahy na vavy dia samy omby. Ny olona kosa, ny lahy natao hoe Lehi… ny vavy natao hoe vehi…
Heveriko fa tsy nataotao foana izany fanavahana ny olona amin’ny biby izany. Ny fitovian’ny zò dia mitaky fanajàna ny zò sy fanatanterahana ny andraikitra. Raha mitovy zò ny lahy sy ny vavy, ny zò no mitovy fa tsy ny maha-lahy na ny maha-vavy. Midika izany fa mila hajaina ary mila manaja tena amin’ny maha-lahy na maha-vavy. Tsy ny lehilahy velively no hanjary bevohoka satria tsy hanaiky izany intsony ny vehivavy… Aza gaga raha nanjary tsy mahamenatra ny olona intsony ny hifanambady samy lahy na samy vavy satria heverina ho efa mitovy ny lahy sy ny vavy…
Ho ahy manokana, ny andro anio, mba ho tena fanandratana ny fahambonian’ny vehivavy fa tsy ho sanatria vao mainka indray ho fanambaniana sy fanehoana ny kilema nanararaotan’ny lehilahy azy ireo hatramin’izay, dia mila jerena sy tsaroana fa ny nampiova ny tantara dia ny fahaizan’ny vehivavy vitsy an’isa nisongadina, nampiseho ny hasina sy ny fahafahany mandray andraikitra.[3] Ny “Kala Zaninina” tantarain’ny tarika Ny Ainga ao amin'ny Kantony tsy ho foana tsy akory, aza adino fa ao koa ry Ikoto Jean… miara-mijaly sy ambakaina miaraka aminy. Ny Mpanambaka sy ny mpamoritra anefa ho ahy no tena tsy valahara sy tsy misy heritreritra... Na ampitoviana zo aza moa, ho aiza ny zanaky ny mahantra? Tsy aleo ve hihinan-kely toy izay mandry fotsy...
Raha manana mpiasa an-trano ianao, mba diniho ny fomba hanajanao azy, ary jereo fa mazàna ny vehivavy samy vehivavy no tena mifamoritra... Mitaky asa vita tsara nefa hosanatriavina ny handefa an'iKala Zaninina any antsekoly mba handrani-tsaina ka ho afaka hanao tsara ny asa...
Miarahaba ny vehivavy manokana aho, ary mirary koa raha mirary mba tsy ho andro hanehoana ny fahalemena fa ho fisehoana ho “firenena” androany. Ho antsika malagasy dia manana ny fihamboniany ny vehivavy… Tsarovy anefa fa ny zò, tsy tombontsoa hotavanina tsy akory fa kosa adidy hololoavina, ka aza ny ratsy no hifaninana amin’ny lehilahy fa ny fandraisana andraikitra ho fanarenana ny Firenena. Tadidio fa ny “reny” no maha-firenena ny firenena… farafaharatsiny ho antsika malagasy…
[1] Raha jerena ny tantara dia ny fitokonan’ny Vehivavy mpiasa tamin’ny tenona tany Etazonia no nitolona voalohany ho an’ny zon’ny vehivavy. Jereo eto. Ho antsika malagasy anefa ohatra, efa hatramin’ny taonjato faha-18 no nanana ny zo feno ny vehivavy... talohan’izany dia efa nanana mpanjaka vavy isika...
[2] Ao amin’ny fiangonana Katolika ohatra, natokana ho an’ny lehilahy ihany ny sakramentan’ny Filaharana. Tsy midika velively ho fanilihana ny vehivavy amin’ny fiainan’ny Fiangonana anefa izany.
[3] Eo ihany ny resaka Lysistrata, na “grêve sexuelle” izay nentina namaizana ny lehilahy, fa ny vehivavy ihany no tsy nahatanty voalohany... Ny antsika malagasy manokana dia manana ny anjara toerany ny vehivavy (Mpanjaka, Mpam... sy Mpam...) kanefa mampalahelo raha sanatria vao mahazo fahefana (tsy azo afangaro amin'ny zò) dia manitsaka : jereo ny tantaran'ny maritiora malagasy voalohany, asa na lahy na vavy ny Mpanjaka.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
« | Martsa 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |