DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Santo Maiolo!

harilova | 11 Mey, 2009 12:12

Ny olomasina Maiolo no tsaroan'ny Tetiandron'ny Martiry Romana ny 11 may. Dia nahatsiaro ny faminanian'ny Pasteur Mayol aho, na dia Mayeul aza no andikana ny Maiolo amin'ny teny frantsay (jereo eto ny tantarany am teny italiana na am teny frantsay).

Dia izay fotsiny... no comment

Paka...

harilova | 16 Aprily, 2009 23:04

Na ny niarahaba anareo nahatratra ny Paka aza tsy vita satria Paka ny andro... Dia atao ahoana e aleo tara toy izay tsy nisy mihitsy hoy ny fiteny ka dia Arahaba e

Ny nahalasa ny saiko fotsiny dia toa Pakapaka ihany no nisy tamin'ity fa tsy Paka... araka ny fahalalako azy hatramin'izay. Pakan'ny Krizy ekomenika hoe... ankoatra ny Krisy politika izay mbola vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra... na eo aza ny fahendrentsika malagasy! Soa ihany.

Fa Paka ihany anefa na ny fiainana azy aza no tsy lafatra...

Na dia Paka Fandalovana aza e.... Ohatry ny isan-taona

Eny ambony tetezana

harilova | 23 Martsa, 2009 10:49

TTZM... TGV... Iza no mankasitraka? Iza no tsy mankasitraka? 

Raha izaho manokana aloha, tsy hoe tsy miraharaha ny fiainam-pireneko, fa kosa tsy hamaky loha be loatra amin'izay fanapahan-kevitra voaray sy mbola horaisina. Tsy afaka ny hahafehy ny fitsipi-dalao hifanaovan'ny mpifanandrina manko aho. Mba mandinika ihany aho, momba ny fitondrana nisy hatramin'izay, dia manontany tena hoe : fa maninona no tsy nasiana resaka mihitsy ny Toko IV amin'ny zana-dohanteny III ao amin'ny lohateny III momba ny Fandaminana ny Fanjakana??? Lazaina fa anti-constitutionnelle izay mitranga etsy sy eroa... Fa io toko momba ny Fitsarana avo io, tsy asian-teny mihitsy???

Io fitsarana io manko no afaka mitsara ny Filoha sy ny Filohan'ny ambaratongam-pitondrana rehetra... (andininy 126-127 Lalampanorenana 2007). Ka raha milaza ny sasany fa tsy araka ny lalam-panorenana ny zava-nitranga, tsy marina izany araka ny lalam-panorenana satria ny HCC no mitsara ka manambara na araka na mifanipaka amin'ny lalampanorenana ny zava-mitranga (andininy 112)... Izy ireo no nanaiky ny HAT ka araka izany, araka ny lalam-panorenana ny "tsy araka ny lalam-panorenana".... (na ny mpahay lalàna aza tsy hahavaly io, typiquement malagasy).  Tsy resaka amin'ny maha-ara-dalàna na tsia ny fitondran'i TGV no tiako holazaina, ny filazan-kevitra momba izany manko dia fehezin'ny Didin'ny besandry, ka na coup d'Etat aza no lazaina fa nahazon'i TGV ny fitondrana, hiverina aiza koa moa...

Zavatra tsy manam-paharoa, tsy mahamenatra na mahafa-baraka velively araka ny lazain'ny sasany no mitranga eto Madagasikara, fa heveriko zava-mitranga mampiseho ny kilalao politika, anaty sy ivelany atrehin'ny tany mahantra. Kihon-dalana tsy azo ihodivirana izany, eo amin'ny sehatry ny fanatontolòna, satria raha Tombontsoam-bahoaka no lazaina dia HANONOFY isika... Samy mitady ny tombontsoany ny rehetra. Aza adino fa ny famantsiam-bola avy any ivelany tsy fanafody sanatria, fa trosa miditra, mbola hoefain'ny taranaka amam-para. 

Lazain'ny sasany hoe : ho tantara mitohy izy ity, satria hihetsika indray izao, hanohitra, ny mpomba an'dRavalomanana. Dia manontany tena aho, ary mba mampanontany tena an'izay hamporisika ny olona ho amin'izany: hiarovana io tombontsoa manokana lazaiko io ve, sa hikatsahana marina izay hampandrosoana ny firenena!!! 

Dia tsy sasatra aho no mamerimberina hoe SAMIA MANDINI-TENA : inona no efa nataony hampandrosoana an'i Madagasikara! Angamba efa samy nanao mba hitadiavana ny tombontsoan'ny tena manokana... saingy tsy miraharaha fa tsy fandrosoako izaho samirery tsy akory ny fandrosoan'i Madagasikara... Indraindray manko adino fa ny Fahaleovantenam-pirenena dia anarana vaovao nomena ny Fanjanahantany, mba tsy hampitroatra be loatra ka hampikomy ny tia tanindrazana... Tsy mahaleo tena ny tany mahantra, satria gejain'ny lalàn'ny fanatontoloana, ka atao toerana fiharian-karena mba hiononan'ny vahoaka madinika amin'ny sitrany hahay vaza-mihetsika...

Na iza na iza hitondra an'i Madagasikara, na inona na inona holazaintsika... Mandehana anontanio ireo mpitolona manohana ny andaniny na ny ankilany, raha mahita valinteny ankoatra ny hoe "aleo ihany Ranona"! Tsy ny saina loatra manko no mibaiko fa ny fo.. fo ranomafana, hoy isika. Izay mahay manetsika io fo io izany no hahasarika olona be., dia mila mianatra psychologie de la foule izany e Misaora an'Andriamanitra isika rehefa tsy mitovy isa ny mpifanandrina satria izay no mety hampipoaka ny atao hoe "guerre civile". 

Dia hoy aho hoe : Eny ambony tetezana isika, izay aloha ny zava-misy... Ny ho hita eny am-pitan-drano tsy fantatra. Saingy izay tsy te hampiasa ny tetezana, afaka milomano ihany, raha tsy manana fitaovana hahfa hiampitana... Tetezamita manknaiza izy ity? Heveriko, ho amin'ny fahatsiarovan-tena. Ka na isika mampiasa itony fitaovan-tserasera itony, antenaiko tsy hampisokatra ny fery... tsy ny fanaratsiana na ny fanesoesoana ny Mpitondra na ny Mpifanandrina no hampandroso an'i Madagasikara, fa ny fampahatsiarovan-tena ny Malagasy fa tompon'andraikitra amin'ny tenany ny tsirairay. 

Tsy hisy mana hilatsaka avy any an-danitra tsy akory, tsy hoe sanatria ny fahagaga no tsy misy, fa ny finoantsika hahita azy.Ny irariako fotsiny, indrindra ho antsika mazoto manao fanadihadiana sy fitantarana ny "zava-misy", mazava loatra hita avy amin'ny toerana misy antsika, mba hanararaotra itony serasera itony, tsy handaniana andro amin'ny fitsikerana, fa kosa amin'ny fanomezana hevitra amin'ny tokony ataon'ny tsirairay : ny fandraisana andraikitra, hanefa fa tsy hampitombo ny trosan'i Madagasikara...

 

Crise politique!!!

harilova | 10 Martsa, 2009 10:07

Raha krisis (krizy) no resahana dia indraindray adino ny tena hevitr'ity teny ity... Tsy teny malagasy io, fantatsika izany, ary tsy teny frantsay koa... mitovy fototeny amin'izy io ny critère sy ny critique... Mandanjalanja (mitsara) no hevitry ny teny krìsis (grika). Fotoana fandanjalanjana sy famisavisana ny zava-mitranga ary ny krizy, araka ny fahendren-drazana hoe : "Hisavorivorian-kilantoana".

Fotoana handanjalanjana mba hahafahana manapa-kevitra ary ny fotoanan'ny krizy. Raha mandalo krisy politika isika, dia mandalo fotoana handalinana ny zava-mitranga, mba hahafahana mibanjina ny ho avy. 

Mampalahelo ahy ny mamaky ny fitsarana an-tendrony sy ny fanehoan-kevitra toa mihantsy ady, hanomezan-tsiny ny an-daniny na ny ankilany, miaraka ami'ireo mpiandany amin'izy ireo. Saingy isika kosa, samia mandinika ny tenantsika tsirairay avy : Inona no nataoko hanehoako ny fitiavako ny Fireneko? 

Toa resa-be manko ny hoe be ny mpanararaotra... Miaro ny tombontsoany fotsiny ny mpitondra... Fa iza amintsika no sahy milaza fa tsy mbola niaro ny tombontsoany manokana? Ary raha mandini-tena marina isika, moa ve tsy ny fahafaha-mividy ao an-tokantrano sy ny fisondrotan'ny farim-pananako no entiko mamaritra ny fandrosoana na ny fihemoran'ny fireneko? Dia lazaiko fa tsy miasa ny mpitondra rehefa voatohintohina ny tombontsoako manokana?

Asa re ra-olona, ambava homana am-po miherotra.... Fa na ny mpianakavy aza, efa tsy azo hitanisana intsony ny fahendren-drazana hoe : ny fihavanana no taloha, ka aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana!!!

Raha Tiako tokoa i Madagasikara... raha Vonona hampandroso azy marina aho, aoka mba ho tena krisy no hiainantsika fa tsy adikitrana...  Aoka ny tsirairay tsy ho faly hanome tsiny ny hafa fa handinika sy hitantara kosa ny efa mba nataony (raha nisy) mba hanondrotana ity Firenena ity...

Sa dia sanatria, ny tombontsoan'olom-bitsy sy ny an'ny tena manokana no atao hoe : tombontsoam-pirenena???? 

Ny Fanabeazana Kristiana

harilova | 19 Janoary, 2009 11:37

Nandinika ireo Vakiteny novakiana tao am-piangonana tamin'ny alahady aho (jereo eto) dia lasa ny eritreritro hoe : fa ahoana tokoa moa! Voaantso ho masina ny Kristianina, izay nisafidy hanara-dia an'i Kristy. Ireo manana andraikitra amin'ny fanabeazana kristianina araka izany dia natao indrindra indrindra "hanoro lalana ho any amin'i Kristy", hampahafanatra azy rehefa mandalo, tahaka ny nataon'i Jaona Mpanao batisa tamin'ireo mpianany!!!

Ny fahenoana ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy voatery ho noho ny fahafantarana azy. I Samoela kely, lazain'ny vakiteny voalohany dia tsy mbola nahalala an'YHWH akory, saingy nampian'i Elia hamaly ny antson'ilay tsy mbola fantany akory. 

Indraindray anefa toa mandidy alohan'Andriamanitra isika... Ny raiamandreny mimenomenona fa tsy manaiky ny zanaka... ny zanaka mikomy fa tsy maharaka ny toetr'andro ny raiamandreny... dia tahaka izany ny amin'ny tranom-panabeazana sy  sekoly  maro. Dia matetika adinon'ny mpianatra fa fitiavana azy sy fikatsahana ny soa ho azy no mampasiaka ny mpanabe! ny tahotra ny te hanan-dratsy... toa adinon'ny mpanabe fa tsy hanao ny fanekena ny sitrapony fa ny fikatsahana an'i Kristy no laharapahamehan'ny beazina... ka terivozona fa tsy fitiavana no hifampitondrana!!! 

Fa raha samy mandinika isika! Indrindra amin'ity herinandron'ny Firaisam-pinoana ity, nahoana tikoa moa! Ny olam-pifandraisana sy ny fifanolanana misy amin'ny mpianakavy na ny mpiray finoana matetika, dia vokatry ny fanesorana an'i Kristy tsy ho tanjona! Rehefa adino fa ho Azy no hiasana, Izy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, dia ho zary vesatra ny tsy fitovian-kevitra...

mba tsara ihany lahy ny mamerina mamaky ny fifanjevoan'i Petera sy Paoly ao amin'ny Asan'ny Aposotoly... saingy fifanjevoana mba hampanjaka an'i Kristy sy hanitatra ny Fanjakany....

1 2 3 ... 27 28 29  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb