DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Arahaba

harilova | 24 Desambra, 2009 11:33

Dia ny tam herintaona ihany no miverina e

Na iza na iza, na tsy manaiky ny hiditra any am-piangonana aza, manaiky ny hiala sasatra sy ny hifaly miaraka amin'ny havana aman-tsakaiza, ny fianakaviana sy ny ankohonana....

Dia izay no hiarahabako anao : Manaova Krismasy sambatra, 

  Malagasy, frantsay na italiana

 

Hafatry ny Eveka

harilova | 17 Novambra, 2009 10:00

Hafatry ny Eveka ho an’ny Vahoaka malagasy tsivakivolo
amin’ny teny malagasyen français

Hafatry ny Sinaoda manokana ho an’i Afrika (en français)

Dia mamaky an'io eo aho dia tonga saina! Ka na ny fandriana hobataina aza angaha misy akory???

Dia tonga ato an-tsaiko ny vavaka fataon'ny vazaha iray izay hoe : mba asio hanina eo ambony latabatry ny tsy manana!!! Asa moa raha izay no mahatonga ny vavaka tsy hivaly satria "fanina" Andriamanitra mitady ny latabatra hametrahana ny hanina dia farany any an-tranon'ny manan-katao ihany no mahita latabatra hametrahana ny hanina!!!!!

Asa angaha hoe : mitsangàna! dia inona no hobataina!!!!

Elaela

harilova | 15 Novambra, 2009 08:56

Tena efa ela aho izay no tsy nahavita nanoratra teto.

 Dia tsy hoe hanoratra akory aza fa hiarahaba anareo fotsiny.

Dia samia ela velona avy mandra-paha-fatiny!

Santo Maiolo!

harilova | 11 Mey, 2009 10:12

Ny olomasina Maiolo no tsaroan'ny Tetiandron'ny Martiry Romana ny 11 may. Dia nahatsiaro ny faminanian'ny Pasteur Mayol aho, na dia Mayeul aza no andikana ny Maiolo amin'ny teny frantsay (jereo eto ny tantarany am teny italiana na am teny frantsay).

Dia izay fotsiny... no comment

Paka...

harilova | 16 Aprily, 2009 21:04

Na ny niarahaba anareo nahatratra ny Paka aza tsy vita satria Paka ny andro... Dia atao ahoana e aleo tara toy izay tsy nisy mihitsy hoy ny fiteny ka dia Arahaba e

Ny nahalasa ny saiko fotsiny dia toa Pakapaka ihany no nisy tamin'ity fa tsy Paka... araka ny fahalalako azy hatramin'izay. Pakan'ny Krizy ekomenika hoe... ankoatra ny Krisy politika izay mbola vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra... na eo aza ny fahendrentsika malagasy! Soa ihany.

Fa Paka ihany anefa na ny fiainana azy aza no tsy lafatra...

Na dia Paka Fandalovana aza e.... Ohatry ny isan-taona

Eny ambony tetezana

harilova | 23 Martsa, 2009 09:49

TTZM... TGV... Iza no mankasitraka? Iza no tsy mankasitraka? 

Raha izaho manokana aloha, tsy hoe tsy miraharaha ny fiainam-pireneko, fa kosa tsy hamaky loha be loatra amin'izay fanapahan-kevitra voaray sy mbola horaisina. Tsy afaka ny hahafehy ny fitsipi-dalao hifanaovan'ny mpifanandrina manko aho. Mba mandinika ihany aho, momba ny fitondrana nisy hatramin'izay, dia manontany tena hoe : fa maninona no tsy nasiana resaka mihitsy ny Toko IV amin'ny zana-dohanteny III ao amin'ny lohateny III momba ny Fandaminana ny Fanjakana??? Lazaina fa anti-constitutionnelle izay mitranga etsy sy eroa... Fa io toko momba ny Fitsarana avo io, tsy asian-teny mihitsy???

Io fitsarana io manko no afaka mitsara ny Filoha sy ny Filohan'ny ambaratongam-pitondrana rehetra... (andininy 126-127 Lalampanorenana 2007). Ka raha milaza ny sasany fa tsy araka ny lalam-panorenana ny zava-nitranga, tsy marina izany araka ny lalam-panorenana satria ny HCC no mitsara ka manambara na araka na mifanipaka amin'ny lalampanorenana ny zava-mitranga (andininy 112)... Izy ireo no nanaiky ny HAT ka araka izany, araka ny lalam-panorenana ny "tsy araka ny lalam-panorenana".... (na ny mpahay lalàna aza tsy hahavaly io, typiquement malagasy).  Tsy resaka amin'ny maha-ara-dalàna na tsia ny fitondran'i TGV no tiako holazaina, ny filazan-kevitra momba izany manko dia fehezin'ny Didin'ny besandry, ka na coup d'Etat aza no lazaina fa nahazon'i TGV ny fitondrana, hiverina aiza koa moa...

Zavatra tsy manam-paharoa, tsy mahamenatra na mahafa-baraka velively araka ny lazain'ny sasany no mitranga eto Madagasikara, fa heveriko zava-mitranga mampiseho ny kilalao politika, anaty sy ivelany atrehin'ny tany mahantra. Kihon-dalana tsy azo ihodivirana izany, eo amin'ny sehatry ny fanatontolòna, satria raha Tombontsoam-bahoaka no lazaina dia HANONOFY isika... Samy mitady ny tombontsoany ny rehetra. Aza adino fa ny famantsiam-bola avy any ivelany tsy fanafody sanatria, fa trosa miditra, mbola hoefain'ny taranaka amam-para. 

Lazain'ny sasany hoe : ho tantara mitohy izy ity, satria hihetsika indray izao, hanohitra, ny mpomba an'dRavalomanana. Dia manontany tena aho, ary mba mampanontany tena an'izay hamporisika ny olona ho amin'izany: hiarovana io tombontsoa manokana lazaiko io ve, sa hikatsahana marina izay hampandrosoana ny firenena!!! 

Dia tsy sasatra aho no mamerimberina hoe SAMIA MANDINI-TENA : inona no efa nataony hampandrosoana an'i Madagasikara! Angamba efa samy nanao mba hitadiavana ny tombontsoan'ny tena manokana... saingy tsy miraharaha fa tsy fandrosoako izaho samirery tsy akory ny fandrosoan'i Madagasikara... Indraindray manko adino fa ny Fahaleovantenam-pirenena dia anarana vaovao nomena ny Fanjanahantany, mba tsy hampitroatra be loatra ka hampikomy ny tia tanindrazana... Tsy mahaleo tena ny tany mahantra, satria gejain'ny lalàn'ny fanatontoloana, ka atao toerana fiharian-karena mba hiononan'ny vahoaka madinika amin'ny sitrany hahay vaza-mihetsika...

Na iza na iza hitondra an'i Madagasikara, na inona na inona holazaintsika... Mandehana anontanio ireo mpitolona manohana ny andaniny na ny ankilany, raha mahita valinteny ankoatra ny hoe "aleo ihany Ranona"! Tsy ny saina loatra manko no mibaiko fa ny fo.. fo ranomafana, hoy isika. Izay mahay manetsika io fo io izany no hahasarika olona be., dia mila mianatra psychologie de la foule izany e Misaora an'Andriamanitra isika rehefa tsy mitovy isa ny mpifanandrina satria izay no mety hampipoaka ny atao hoe "guerre civile". 

Dia hoy aho hoe : Eny ambony tetezana isika, izay aloha ny zava-misy... Ny ho hita eny am-pitan-drano tsy fantatra. Saingy izay tsy te hampiasa ny tetezana, afaka milomano ihany, raha tsy manana fitaovana hahfa hiampitana... Tetezamita manknaiza izy ity? Heveriko, ho amin'ny fahatsiarovan-tena. Ka na isika mampiasa itony fitaovan-tserasera itony, antenaiko tsy hampisokatra ny fery... tsy ny fanaratsiana na ny fanesoesoana ny Mpitondra na ny Mpifanandrina no hampandroso an'i Madagasikara, fa ny fampahatsiarovan-tena ny Malagasy fa tompon'andraikitra amin'ny tenany ny tsirairay. 

Tsy hisy mana hilatsaka avy any an-danitra tsy akory, tsy hoe sanatria ny fahagaga no tsy misy, fa ny finoantsika hahita azy.Ny irariako fotsiny, indrindra ho antsika mazoto manao fanadihadiana sy fitantarana ny "zava-misy", mazava loatra hita avy amin'ny toerana misy antsika, mba hanararaotra itony serasera itony, tsy handaniana andro amin'ny fitsikerana, fa kosa amin'ny fanomezana hevitra amin'ny tokony ataon'ny tsirairay : ny fandraisana andraikitra, hanefa fa tsy hampitombo ny trosan'i Madagasikara...

 

Crise politique!!!

harilova | 10 Martsa, 2009 09:07

Raha krisis (krizy) no resahana dia indraindray adino ny tena hevitr'ity teny ity... Tsy teny malagasy io, fantatsika izany, ary tsy teny frantsay koa... mitovy fototeny amin'izy io ny critère sy ny critique... Mandanjalanja (mitsara) no hevitry ny teny krìsis (grika). Fotoana fandanjalanjana sy famisavisana ny zava-mitranga ary ny krizy, araka ny fahendren-drazana hoe : "Hisavorivorian-kilantoana".

Fotoana handanjalanjana mba hahafahana manapa-kevitra ary ny fotoanan'ny krizy. Raha mandalo krisy politika isika, dia mandalo fotoana handalinana ny zava-mitranga, mba hahafahana mibanjina ny ho avy. 

Mampalahelo ahy ny mamaky ny fitsarana an-tendrony sy ny fanehoan-kevitra toa mihantsy ady, hanomezan-tsiny ny an-daniny na ny ankilany, miaraka ami'ireo mpiandany amin'izy ireo. Saingy isika kosa, samia mandinika ny tenantsika tsirairay avy : Inona no nataoko hanehoako ny fitiavako ny Fireneko? 

Toa resa-be manko ny hoe be ny mpanararaotra... Miaro ny tombontsoany fotsiny ny mpitondra... Fa iza amintsika no sahy milaza fa tsy mbola niaro ny tombontsoany manokana? Ary raha mandini-tena marina isika, moa ve tsy ny fahafaha-mividy ao an-tokantrano sy ny fisondrotan'ny farim-pananako no entiko mamaritra ny fandrosoana na ny fihemoran'ny fireneko? Dia lazaiko fa tsy miasa ny mpitondra rehefa voatohintohina ny tombontsoako manokana?

Asa re ra-olona, ambava homana am-po miherotra.... Fa na ny mpianakavy aza, efa tsy azo hitanisana intsony ny fahendren-drazana hoe : ny fihavanana no taloha, ka aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana!!!

Raha Tiako tokoa i Madagasikara... raha Vonona hampandroso azy marina aho, aoka mba ho tena krisy no hiainantsika fa tsy adikitrana...  Aoka ny tsirairay tsy ho faly hanome tsiny ny hafa fa handinika sy hitantara kosa ny efa mba nataony (raha nisy) mba hanondrotana ity Firenena ity...

Sa dia sanatria, ny tombontsoan'olom-bitsy sy ny an'ny tena manokana no atao hoe : tombontsoam-pirenena???? 

Ny Fanabeazana Kristiana

harilova | 19 Janoary, 2009 10:37

Nandinika ireo Vakiteny novakiana tao am-piangonana tamin'ny alahady aho (jereo eto) dia lasa ny eritreritro hoe : fa ahoana tokoa moa! Voaantso ho masina ny Kristianina, izay nisafidy hanara-dia an'i Kristy. Ireo manana andraikitra amin'ny fanabeazana kristianina araka izany dia natao indrindra indrindra "hanoro lalana ho any amin'i Kristy", hampahafanatra azy rehefa mandalo, tahaka ny nataon'i Jaona Mpanao batisa tamin'ireo mpianany!!!

Ny fahenoana ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy voatery ho noho ny fahafantarana azy. I Samoela kely, lazain'ny vakiteny voalohany dia tsy mbola nahalala an'YHWH akory, saingy nampian'i Elia hamaly ny antson'ilay tsy mbola fantany akory. 

Indraindray anefa toa mandidy alohan'Andriamanitra isika... Ny raiamandreny mimenomenona fa tsy manaiky ny zanaka... ny zanaka mikomy fa tsy maharaka ny toetr'andro ny raiamandreny... dia tahaka izany ny amin'ny tranom-panabeazana sy  sekoly  maro. Dia matetika adinon'ny mpianatra fa fitiavana azy sy fikatsahana ny soa ho azy no mampasiaka ny mpanabe! ny tahotra ny te hanan-dratsy... toa adinon'ny mpanabe fa tsy hanao ny fanekena ny sitrapony fa ny fikatsahana an'i Kristy no laharapahamehan'ny beazina... ka terivozona fa tsy fitiavana no hifampitondrana!!! 

Fa raha samy mandinika isika! Indrindra amin'ity herinandron'ny Firaisam-pinoana ity, nahoana tikoa moa! Ny olam-pifandraisana sy ny fifanolanana misy amin'ny mpianakavy na ny mpiray finoana matetika, dia vokatry ny fanesorana an'i Kristy tsy ho tanjona! Rehefa adino fa ho Azy no hiasana, Izy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, dia ho zary vesatra ny tsy fitovian-kevitra...

mba tsara ihany lahy ny mamerina mamaky ny fifanjevoan'i Petera sy Paoly ao amin'ny Asan'ny Aposotoly... saingy fifanjevoana mba hampanjaka an'i Kristy sy hanitatra ny Fanjakany....

Miarahaba nahatratra ny noely

harilova | 24 Desambra, 2008 19:02

Na iza na iza, na tsy manaiky ny hiditra any am-piangonana aza, manaiky ny hiala sasatra sy ny hifaly miaraka amin'ny havana aman-tsakaiza, ny fianakaviana sy ny ankohonana....

Dia izay no hiarahabako anao : Manaova Krismasy sambatra, 

  Malagasy, frantsay na italiana 

misy olona afaka ve?

harilova | 17 Novambra, 2008 18:35

Mandinika momba ny fanafahana (libération) aho, dia mandinika ny tena hevitry ny hoe olon'afaka! Hay arakaraka ny maha-olon'afaka no maha-olon-tsy afaka.Tsy resaka babo sy andevo na zavatra hafa tsy mbola levon'ny sasany na mandratra ny fon'ny hafa  no lazaiko, fa ny fahafahana  hananan'ny tsirairay!

Ny olona afaka manao zavatra iray, fahafaha-manao sy fahaizanana izany, saingy arakaraka ny hahaizana no hahatsapana fa sombiny ihany no hay! dia miafara amin'ny nolazain'i Socrate momba ny fahendren-drazany ihany hoe : ny hany fantatro dia tsy mahalala n'inon'inona aho!

Ny olona afaka manao izay tiany atao, saingy voararan'ny lalàna sy ny fiaraha-monina ny ankamaroany! Dia voatery mandefitra ihany satria manahirana ny miara-miaina.

Mandika azy amin'ny teny malagasy aho dia tena sahirana hoe atao ahoana ary !

Inona ary ny tena fahafahana?

jereo eto  ho an'izay tsy manan-katao be loatra

ara-bakiteny ny teny hoe libertas sy ny libito (hafinaterana, libido) dia iray fihaviana ihany, izay afaka izany dia ara-teorika izay afaka manao ny danin'ny kibony, saingy izany marina ve? Tsy misy olona afaka manao izay rehetra tiany!

Lazain'ny Kristianina fa zavatra dimy no mamaritra ny tena fahafahana marina : 1- voafetra!(fetran'ny tena sy ny tontolo manodidina) 2- safidim-piainana matotra! (nefa rehefa misafidy, mazàva loatra fa itsy horaisina, iroa havela!) 3- fanajàna ny hafa! (samy mananan ny tiany!) 4- azo tsikelikely! (ezaka isan'andro) 5- mandroso ho amin'ny tsara! (! cours arcade// tsy ny namanao no hifaninananao fa ny tsara vitanao omaly).

Dia mandinika aho hoe : mba afaka ve izaho ity?

Fantatro ve ny fetrako? ary ekeko ve ireo izay fanatro fa tsy ho vitako? izay ihany manko no hahafahako mila vonjy amin'ny hafa, tsy noho ny fitiavan-tena fa araka ny lalan'ny fiaraha-monina!

Mba efa nanao safidim-piainana e aho ka namela ireo izay tsy mifanaraka amin'ny safidiko? Na mba farafahakeliny ahay miezaka hahamatotra ny safidy??? Dia tsy ho afaka ny hanao ny tiako intsony aho fa hanao izay tokony hataoko!

sns sns

Ny niafarany dia hoy aho hoe: mba misy olona afaka ve eto an-tany? sa dia ho nofinofy ihany no atao hoe fahafahana?

 

 

Fanasana!

harilova | 11 Oktobra, 2008 20:42

Tsy ny olona rehetra no mino ny lanitra, tsy ny rehetra no mino ny fiainana any an-koatra! Saingy ho an'izay tsy mino izany dia tsy misy dikany akory ny hiaina sy ny hiezaka hanao ny soa main'ny fiainana! Raha tsy misy ireo fanahy mitsinjo antsika eny ho eny! Na isika koa aza tsy mba ho afaka mifaly amin'izay hahitantsika ny soa apetratsika ho an'ny taranaka amam-para. Izany Fiainanana mandrakizay izany no fanasana homanin'i Kristy Ho antsika.

Rahefa miresaka fanasana isika dia mazava loatra fa tsy maintsy misy fifidianana izany. Iza no hantsoina? Sao adino ny manasa an’i…! Mazàna dia ny manan-kaja sy ny manan-katao no voalohan-disitra, inona no antony? Adino ary toa odiana tsy hita ny hafatr’i Kristy manao hoe : “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva hianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain'ireo koa hianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.” (Lk 14,12)

Na izany aza anefa, mba hanoharan’i Kristy ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny fanasana azon’ny saintsika takarina dia nolazainy fa voaasa ho amin’ny Fanjakan’ny Mpanjaka ireo mihevi-tena ho lohalisitra amin’ny fanasana, saingy noho ny avonavona dia niala tsiny ho manan-draharaha atao avokoa. (Evanjely Mt 22, 1-14). Tsy ho voninahitry ny Mpanjaka mpanasa anefa ny famaliana ny fanasany fa ho reharehan’izay notsongoim-bolo ho any amin’ny fanjakana.

Dia toy izany koa ny fiainantsika, “satria na tsy mila fankalazana avy aminay aza ianao dia ekenao ary sitrakao ny ankalazanay anao, tsy mampitombo ny hasinao ny fiderana atona fa manampy anay kosa hahazo ny famonjena, amin’ny alalan’i Kristy[1]. Voaantso ho amin’ny fanasana isika rehetra, tsy zo hiriariavana anefa izany fa adidy mampandinin-tena mandrakariva. Ilay akanjon’ny fampakarana (fanasana) izay noraisintsika tamin’ny batemy manko dia mila tahirizintsika mandrakariva hoenti-miseho eo amin’ny latabatry ny Mpanjaka.

Tsy azo vidiam-bola araka izany ny fanjakan’ny lanitra ary tsy maimaim-poana koa, mety hamoizana izay rehetra hananana aza mba hahazoana azy (alahady 17A). Tsy misy hireharehana na hieboheboana anefa izany. Matoa isika mahefa ny soa dia “miaraka amin’ilay mankahery antsika” (Vak II Fil 4, 12-14.19-20). Tsy azotsika hohadinoina anefa fa ilay mpiandry antsika hoy ny Salamo setriny (Sal 22) dia mitondra tsora-kazo aman-tehina: ny tsorakazo hanitsiana ny dian’izay mania, ny tehina mahafa-tahotra amin’ny fahavalo. [2]

Tsy zava-bita hifampitsarana anefa ny hazakazaka ho amin’ny fanjakan’ny lanitra, ka ho ampy ny manao soa be dia be! Tsy ny zoa vita no hidirana any an-danitra fa ny faharetana amin’ny fanaovan-tsoa! Aza adinontsika ny vakiteny roa alahady lasa izay[3] , na ny Evanjelin’ireo niasa tany an-tanimboaloboka adiny iray monja. “Horovitina eo amin’ny tendrombohitry ny Tompo ny voaly manarona ny olona rehetra” (Vakiteny I Iz 25, 6-10) ka “hihanjahanja sy hiarihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra” (He 4, 13).

Ny Eokaristia no hisantarantsika sahady ny fanasan’ny zanak’ondry. Alao hery ary ny hitahiry ilay “akanjo fotsin’ny Batemintsika”, mba hahafahantsika mitoetra ao amin’ny fanasany na dia eo aza ny tsy fahamendrehana hibaboantsika ka niantsoany antsika hiombona anjara amin’ny Fanjakany. Hodinihintsika manokana ilay fitalahoan’ilay Tomponjato lazaintsika isaky ny handray komonio hoe : Tompoko, tsy mendrika ny hampiantrano anao aho, fa ny Teninao ihany no hahasitrana ny mpanomponao (Mt 8, 8).

 



[1] Prefasy andavanandro faha IV

[2] Jereo ny alahady fankalazana ny Mpiandry ondry tsara (jereo eto) manazava io ny naoty 4

Nosy Saint Laurent : Madagasikara

harilova | 10 Aogositra, 2008 08:30

Ny andron'ny 10 aogositra no itsingerenan'ny taona nahitan'i Diego Diaz an'i Madagasikara ny taona 1500. Ny anarana hoe Madagasikara dia efa ny faramparan'ny taonjato faha-18, araka ny fikarohana nataon'i Marco Polo, fa nosy Md Laurent no niantsoana azy talohan'izay, satria ny 10 aogositra no ankalazan'ny litorjia katolika ny fetin'ity martiora romana ity (+258).

Tantara ianarana tamin'ny garabola izany saingy rehefa mandeha ny taona dia tsara ihany ny mamerimberina azy satria ny fanadinoana na tsy azontsika iniana aza (satria tsy misy mahavita minia manadino, tsy azo kosehina ny eritreritra) dia tonga ho azy kosa amin'ny lafin-javatra sasany!

Ny fivoaran'ny teknolojia no nahazoantsika ny sarintany izao fa mba saintsaino an-tsaina ny saritany nataon'ny mpiantsambo namaritany ny mety ho endrik'ilay nosy faha-4 lehibe indrindra eran-tany...

 

Fialam-bola! mba hiala voly!

harilova | 06 Aogositra, 2008 08:53

Na dia hoe an-dafy aza no hilazana ny aty amin'ny misy anay aty dia ny fimenomenomana amin'ny hasarotan'ny vidim-piainana misy hatraiza hatraiza...

Ny mahagaga a nefa dia tsy ho sanatria ny tsy fananam-bola no tsy hisintahana kely any an-toeran-kafa mba hiala voly... vacances ! hoe...

Ny mahalasa ny saiko indrindra indrindra dia ny fiantraikan'izany eo amin'ny lafim-piainana rehetra, na amin'ny arak'asa na amin'ny ara-tsaina fa indrindra amin'ny ara-panahy! Ny Fiangonana zara raha misy ora hisokafany, afa-tsy ireo Fiangonana manan-tantara, tsidihin'ny Mpivahiny sy Mpizahatany (pèlerins et touristes)... asa angaha noho ny vola kely mba ampidirin'ny rakitra ao koa! Iza no mahita?

Ny Mpiangona koa moa, na ny alahady aza tsy hita hoe aiza no misy azy!

Fa ny mahatsikaiky, rehefa mifanala eo diamahita hevitra ny Mpitondra fivavahana sasany hoe: 'Ndao hianatra an'i Jesoa hitory teny eny amoron-dranomasina! Dia hoy ny sasany hoe olona miboridana ve no hampivavahana tsy hanahirana!

Ny an'ny Mompera iray dia hevi-dratsy iray ihany no mameno ny sainy raha sanatria izany no ho tanteraka, satria ny mpiangona miboridana! inona ary hoy ianao izany hevi-dratsy mameno ny sainy izany? 

Tsy azonao veroka mihitsy angamba satria zavatra hafa no heverinao! Amin'ny fotoanan'ny rakitra, lasa ny sainy hoe : aiza no hangalany ny vola hataony rakitra!

Aza misy anie izany!

JMJ

harilova | 13 Jolay, 2008 09:15

Manao ahoana daholo!

Saika mba ho any Sidney aho ry 'reto dia nanao kaonty dia hoe ohatrinona ny vola lany amin'io? Fihaonana ve io sa vacances? Asa re! Azon'ny fakam-panahin'i Jodasy aho hoe : raha mba izao no hanasoavana ny mahantra!

jereo eto ny tohiny fa tena tsiss fotoana firy! sao miakatra eto ny fakitiora! Dia veloma be ho an'izay tsy mankany Sidney miaraka amin'ny Papa!

Fialam-boly mandreraka!

harilova | 04 Jolay, 2008 11:22

Tsy niala ny trano aho tamin'ny herintaona nandritra ny hafanam-ben'ny été! Dia izay ny vacances!  Fialam-boly mandreraka fa mipetraka fotsiny dia malemin'ny hafanana ho azy eo! Dia tsy niala voly fa nila voly!

Mba nanomboka nandamina fandaharam-potoana ihany aho tamin'ity taona ity! Maro no miandry hoe hody kely any Dago ve sa tsia! Dia tsy hisy aloha io fa efa tsara petraka aty antampon-tendrombohitra aho, maka rivotra (fa matahotra hidiran'ny rivotra)!

Iray volana no aty, miara-miaina amin'ny ankizin'ny ambanivohitra, mihanika tendrombohitra sy mandeha an-dranomasina! Ireo fialam-boly roa lehibe handaniana ny été (fahavaratra sa inona? nefa tsy misy varatra manko)!Ny vazaha mitanin'andro mba hivoara-mena! izaho mamonjy aloka mba ho fotsy hatsatra! dia mba mitovitovy avy eo! Ny tena mahafinaritra ahy dia ny fahatsiarovana ny fandehanana amin'ny cyber tany dago mba hifandraisana amin'ny havana aman-tsakaiza: tsy misy net manko ny tranohipetrahakoka mila mifindra toerana vao mahazo!

Dia hoy aho hoe : ny aza mba zatra (na tsara na ratsy) ihany fa dia mahafinaritra ny mamola-tena! Miala tsiny ho an'izay mandefa mailaka fa hovaliany ho azy ao izany hatramin'ny faran'ny volana jolay! Izay hametraka hafatra dia amin'ny herinandro indray mihaona!

Vakansa kely izany aloha i Harilova e!  

 

Ry Gasikarako!

harilova | 25 Jiona, 2008 21:55

Eto am-panembonana ny takarivan'ny arendrina aho dia lasa ny saiko, mandinika ny lasa, mamisavisa ny ho avy, manao fampitahana! Fa Fahaleovan-tena inona loatra re ry Gasikara no ankalazainao? Fahaleovana miharo fahalovana ve sanatria ka hanjary hankaleo? Sa fahaleovana miharo fahalahelovana ka hampirotsaka ny tomany? Sa koa fahaleovana nandrava fanandevozana ka mampitraka sy mampifety?

 

Zato fetinao indrisy
Ry gasikara Nosy mamy
fa hamoronana  tsy misy
ka mampisento mitomany
Ny fahantrana sy ny habadoana
Mangeja anao tsy hiavo-tena
fa hianjadia-mosarena
Dia ho sanatria izany foana?

Izaho mbola saika hanohy
fa saingy be moka be
dia tsy concentré
Ka naleoko natao fohifohy...
ny handaniana volabe
Angamba re tsy ny afomanga
fa fanomanana ho olomanga
mba ho tabia sy rehareha

Dia izay vao tena fety
ho ventisisy tsy poakaty
tsy hohadinoina vetivety
fa ho tsaroana mandramaty
ho fanarenana ilay Gasikarako
handray ny anjara manoloana
Tsy hamerana fotoana
fa hiraikitra ho tantarako

hitolona ho amin'ny fahaleovan-tena
ho isan'ireo maherifon'ny Firenena

Amen

 

Mirary fety sambatra daholo e

Dia naleoko

Rakitra! no hotatazana!

harilova | 19 Mey, 2008 22:18

Mamaky ity Vaovao eto an-toerana ity aho dia tonga saina mandinika ny hoe : atao RAKITRA!

Inona tokoa moa ny hevitry ny teny hoe RAKITRA? Noraisiko ny Rakibolana dia kokarohiko tao ny mety ho dikany : "Vola angonina tsikelikely atao tahiry; harena na zava-tsoa sarobidy voatahiry; toerana misy ny vola angonina.... vola tatazana amin'ny vory vahoaka, indrindra ao am-piangonan..."

Dia vao mainka lasa ny saiko amin'ny fahazarana hatry ny fony kely handeha "hanakalo vola hatao rakitra". Raha tahiry aloha no hilazaana ny rakitra dia ambimbava izany no angonina... Asa na ohatrinona izay no voahangona tao am-piangonana!!!

Dia lasa ihany ny saiko hoe, naninona no nolosoina vilia fisaka ny fitatazan-drakitry ny sasany? Mba hahitana izay arotsaky ny hafa ve sa mba hisehoan'ny manan-katao hoe mahavita be? Ny fisehoana ho mahavita be manko dia efa nisy hatrizay. Dia lasa ny saiko mandinika ilay Mpananon-tena noderain'i Kristy ho nahavita be indrindra (vakio eto) satria tsy nandrotraka ny ambim-bava fa izay mety ho nilainy amin'ny hivelomany.

Fa mba azon'ny olona anefa ve, atomboka amin'ny pastera sy mompera ny tena dikan'ity rakitra atao ity? Ny Mpitondra fivavahana matahotra ny ho voampanga ho mpihinam-bolam-piangonana sy mpitady vola fotsiny dia tsy mahasahy miteny loatra ny resa-bola. Ny Mpiangona rahateo etsy an-kilany enti-mpahazarana amin'ny tehirizo atao rakitra ny vola madinika!

Oviana re vao mba hodinihina ao an-tokantrano kristianina ny teti-bola hoenti-mandray anjara amin'ny fiainam-piangonana sy ho fitsinjovana ny mahantra e! Dia amin'izay mba  hifanontany hoe : ohatrinona no atolotsika ny fiangonana ho fandraisana anjara amin'ny kitapom-bola?

Asa angamba rehefa hiova ny feon-dakolosin-dry Mopoera ka tsy hanao "Izay tonga lany intsony"! Amin'izay manko vao misy rakitra araka ny raki-bolana!!!!

Sa asiana vidim-pidirana koa ny Fiangonana kelikely???? 

 

Lanitra! Miakatra sa midina?

harilova | 30 Aprily, 2008 23:20

Mandinika ny fetin'ny ascension (Fiakarana) ity aho dia mandinika ihany hoe inona moa no dikan'izany? fialan-tsasatra tsy hiasana handraisam-bola ihany ve sa mba misy heviny manokana? (Amin'ny firenena hafa moa dia tsy ankalazaina amin'ny andro faha-efapolo io fa amin'ny alahady manaraka!!)
Dia lasa koa ny saiko hoe aiza ho aiza no misy ity lanitra ity! Raha niakatra i Jesoa, tany Jerosalema no niakarany, asa tamin'ny ora fahafiry! tolak'andro hoe! Fa niakatra nankaiza? nankany amin'ny Ray ve?
Fa angaha tsy amin'ny toerana rehetra andriamanitra! Ka nahoana no mila miakatra?
Dia lasa ny saiko hoe : ny olona hoe mody any amin'ny Ray rehefa maty (amin'ny alahelo lehibe ny ilazana izany fodiana any amin'ny Ray izany!) Toa zavatra mifanohitra raha amin'ny foto-pisainana kristianina no hamakiana azy!
Ka raha nody any amin'ny Ray ny maty, ngaha any am-pasana no misy ny Ray? Toa lasa nidina fa tsy lasa niakatra! Sa izany angaha no voatery hilazana azy amin'alahelo lehibe!
tsy manamaivana ny fisarahana sy ny alahelo vokatry ny fahafatesana aho tsy akory. Mba manana traikefam-pisarahana ihany aho ka mahatsapa ny hangirifiriny... saingy kosa mandinika ihany ny amin'ny fety ankalazaina toy itony!
 
Ny valin-teny hany hitako dia hoe azo adika hoe "tsy taka-maso ny lanitra" Tonga tsy hitan'ny masony intsony hoy Lioka . Dia amin'ny toerana rehetra tokoa Andriamanitra saingy tsy hitan'ny maso! Tsy renesin'ny sofina!Tsy tsapain'ny tanana! satria Fitiavana Izy!
Dia lasa ny saiko hoe : azo lazaina ho fitiavana ve ny asa soa efa hahazoana dera sahady ety an-tany?
Mba hahafahana miakatra any amin'ny "tsy takatry ny maso", dia mila mahazo ny lazain'i Kristy hoe : "Raha manao soa ianao, manao asa fiantrana (fitiavana) dia aoka ny tananao havia tsy hahalana izay ataon'ny havanana", sy ny hoe "raha mivavaka ianao, dia midira ao an-tranonao, ary mivavaha amin'ny Rainao izay mahita ny "tsy takatry ny maso"!!!
Ny maso mamaky, ny fo mieritreritra e! 
 

Benoit XVI : arahabaina ianao

harilova | 15 Aprily, 2008 21:18

Tena milay kosa ny revin'ny Papa fa any Amerika no hankalaza verisera a! Feno 81 taona ny 16 izany izy!

Mba namaky le tantara-piainany am versaire ambony io aho dia nahita hoe izay koa izao no antony nifidiany ilay anarana Benohita io, fa teraka ny Sa botsy mialoha ny Paka ny taona 1927 izy, sady "Le Sabotsy" izany no fetin'i Md Benoit ao amin'ny tetiandro litorjika!!!!

Dia Vive l'Amerika e! Asa koa moa raha nitsoaka ny Tonton'Ikalamako, [ilay arrogant hoe= midingin-drambo], mba tsy hanaovany pub indray hoe: Ny Papa noraisin'i Berlusconi!

Ahoana tokoa moa izany? Tahaka ny hoe : noraisin'ny tantsaha mpamokatra teny anaty bozaka ny filoha Ravalomanana! Sa hoe : noraisin'ny Filoha teny amin'ny Lapam-panjakana ny tantsaha!!!

Amin'ny teny italiana io tena mihavaka fa am teny malagasy toa mety avokoa, sady tsy dia mandratra sofina lohatra na iza na iza mandray!

Amin'ny italiana manko dia "il Papa riceve" na "il Papa rende visita" dia lasa hoe "Berlusconi riceve", izany hoe izay ambony no mandray, ary rehefa raisina dia tsy lazaina hoe raisina fa hoe mamangy!!!!! lol

Toa mankarary an-doha!

 

Fa amin'ny Sabotsy indray dia mahatsiaro ny faha-telo taona nahavoafidy azy ho Papa!! Fety be mifanesisesy izany e!

 

 

 

 

Na izany na tsy izany : Vive le Pape! Toa ea Papì hoy ny sasany! NONNO!!! 

 

 

Berilosikaony!

harilova | 15 Aprily, 2008 08:08

Miarahaba an'Ikalamako izany fa nandresy Tonton e!

Izahay izao misaona fa tsy nandresy intsony ny Avana (Arcobaleno). Atao ahoana moa fa noho ny tsy fahompiazan'ny Maherifo (Prodi) dia manjaka ny Belarosy kony O?

Ny mahagaga ahy dia ny resaky ny olona maheno ny  resaky ny olona manoloana ny vokam-pifidianana : nandritra ny propagandy dia nanohana izay notohanany fa rehefa fantatra ny vokatra dia toa samy manohana an'i Berlusconi avy indray! Mahagaga. Matoa moa izy lany dia nisy nifidy

Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

harilova | 07 Aprily, 2008 15:01

nalaza naneran-tany ny fako taty Naples, ary mbola hanalan-dry 'Kalamako anay eo foana moa izany. Ny tena nahalasa ny saiko anefa rehefa mba mandeha mamangy ireo fianakaviana Napoletana fantatro aty aho ny hakanton'ny ao an-tranony. Fomba fiteny ny hoe Madio ivelany tahaka ny fasana, fa ity fomba fiainan'ny olona aty tsy hitako izay hilazana azy.

Quartieri SanitàRaha lazaina hoe tsy dia miraharaha ny ivelany, fa manome lanja ny ao anaty! Toa tsy marina loatra. toa Tanin'ny herisetra sy ny horohoro koa i Naples amin'ireo Camorrista (karazana Mafia izay fantatry ny maro, na dia tsy mitovy loatra aza). Dia inona ary ny Kolontsaina voizin'izany? Matetika isika no manarasty tena tahaka ny omby hantsika saingy ny Fanabeazana hikolokolo ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miaina no tsy ampy.

Vokatr'izany dia tsy misy miraharaha loatra izay hitambarana amin'ny hafa. Manambara izany ny building (palazzo) hiarahana mipetraka dia saika voretra be daholo ny ivelany, saingy raha villa manokana dia tahaka ny inona ny hatsarany!!! raha tsy hilaza afa-tsy ny fako aparitaka eran'ny arabe saingy tsy hitanao na ny misy ny fanariam-pako aza ao an-trano.

autre version

 

Tsy fanakianana be fahatany no tiako hifampizarana aminareo etoana satria maro koa ny zava-tsoan'i Naples (vedere Napoli e morire) saingy mba hanampy antsika hahatsapa tena amin'ny fibeazan-tena ho olom-banona, tsy andevozin'ny fitiavan-tena fa misokatra ho an'ny soa toavina iombonan'ny rehetra.

 

Izaho aza mba manontany tena amin'ny lesona azoko raisina amin'ny zava-baovao sendra ahy isan'andro.

 

.

 

29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

harilova | 29 Martsa, 2008 11:17

        Androany dia 29 martsa, ka ho anay nitombo tamin'ny Faritra Alaotra-Mangoro dia misy dikany manokana ity andro anio ity.
    Maha-velom-bolo ny soson-kevitr'i Lapino momba ny teny malagasy, saingy ny heveriko fa laharam-pahamehana ho antsika ny mahatsiaro ireo Maherifon'ny Tanindrazana, nahafoy ny aina hiaro ny maha-malagasy.
        Fahaleovan-tena! Inona no hevitr'izany amin'izao fotoanan'ny fanatontoloana izao?
        Mahaleo tena ve midìka hoe tsy mila ny hafa? Angamba tsy izay loatra! "Fahafahana mizaka tena ka tsy fehezin'ny hafa na miankin-doha amin'ny hafa intsony", hoy ny Rakibolana Malagasy.
        Mahaleo tena i Madagasikara, raha izany, saingy tsy mahaleo tena ny Malagasy. 
    Raha mbola hosihosena ny zon'ny Valalabemandry, ka ny tombontsoan'olombitsy no andrandraina dia tsy misy fahalEovan-tena fa tena fahalovana izany.
        Dia andao samy hiezaka ny tsy hialan'io E sarobidy io, izay tsipelim-piainana andavan'andro hiarahantsika mitolona.
        E! izay entina miantso ny tsara sitra-po, handray an-tanana ny Fiandrianam-pirenena!
E! Angamba ny Erikerika maha-tondra-drano!
E! Antenaiko ny Ezaka ifanohantohanantsika ma hahay hifandray amin'ny hafa, saingy hiaro ny Fiandriana'ny Maha-Malagasy!
       

Mankasitraka e

harilova | 27 Martsa, 2008 08:44

Mankasitraka anareo rehetra e.

Tena mbola godraka aloha izoa fa aleo haka aina kely.

Miala tsiny fa tsy dia mandeha matetika ao amin'ny forum aho, fa na izany dia mankasitraka mankantelina ny Namana rehetra, indrindra Ikalamako nanokatra ny dinika tao.

Paka/ Paska asa moa!

harilova | 23 Martsa, 2008 22:32

Asa moa fa dia arahabaina ianao nahatratra ny Paka e

Paska angamba no tsaratsara kokoa sa pissoa!!! satria araka ny kely mba fantatro toa avy amin'ny teny miankavia hoe Pessah izy io ka pissoa no toa manakaiky azy raha vakiana am anglais!!!

Fandalovana hono ny dikany, dia miary anao handalo vetivety, higoka ny hafaliana ary e, na dia zary karemy (efapolo andro) lalandava aza ny fiainana, satria tolona!

fanasana!!!!

harilova | 20 Martsa, 2008 16:00

Rahefa miteny hoe : fanasana dia inona no tonga ao an-doha? Fanasana hamonjy fety ho an'ny manan-katao... Fanasana vilia rehafa manomboka ho vita ny fety... fanasana lamba sy akanjo...fiara!!
Anio dia ankalazain'ny Mpino kristiana ny Fanasana Farany niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany!
Tsy invitation anefa ilay izy fa "fanasana tongotra".
 
 
  (tohiny)

Nitsahatra ny orana!

harilova | 12 Martsa, 2008 21:15

Rehefa milaza hoe an-dafy taloha dia tahaka ny hoe lafatra be izy izany, saingy toa aleoko ihany le mandoha vola any madagasikara dia avy eo misahirana ka!

Ny any amintsika dia misy ny boaty postaly ka mandoha vola ianao dia misahirana mankany amin'ny paositra maka ny taratasy! Ny aty andafy indray dia  efa be hoe ny taksa aloha ka ny paositra no manatitra ny taratasy isaky ny lava-trano! saingy ny voamariko nandritra ny telo taona nipetrahako tato izay fa rehefa avy ny orana, tsy hisy taratasy ho avy eo! Aleo lazaina ny antony hoe : mba hitsinjovana ny taratasy tsy ho lena eny an-dalana!

Saika hanoratra izany aho tamin'ny alatsinainy satria herinandro ziay dia avy lava ny orana! dia nisy natao tampoka aho, ka tsy vitako ilay izy! dia nanoratra about blank aho! fa toa be mpanokatra kokoa noho ny lahatsoratra sasany soratako eto!!!

Sady no! comment be comment be!

Aleo aloha izay fa ny andro nanomboka nihiratra androany dia nahazo taratasy tany amin'i dadanay aho dia vao hamaky azy!

about:blank

harilova | 10 Martsa, 2008 16:20

pagina vuota

page blanche

Tananan'Ikalamako

harilova | 25 Febroary, 2008 14:36

Nitsangatsangana tany amin-dry Ikalamako aho izany dia tratra hariva niandry Bus dia ity sary ity no hitako nameno tanàna, indrindra isaky ny fermata!

Dia hoy aho hoe tena 30cm avy any ambony kay mo no refesina fa tsy avy any ambany!!!!

Fai clic

Dia namerina conjugaison verbe aho :

j'a dore!

Tu d'or

nous dormons!

vo....dia tsy haiko intsony!!!

Dia manontany tena aho hoe ho avy izao ny 8 martsa ka harentirenty indray ny zon'ny vehivavy! Enga anie tsy ho amin'ny dokam-barotra ihany!

Taggé? Vonjeo fa tsy haiko

harilova | 22 Febroary, 2008 00:10

Aioto o

mba havoty fa tsy misy lohany tsy misy vodiny! raha adika amin'ny tenin-drazana izany dia inona no heviny?

Tsiambaratelo inona re no ambara vahoaka eto e?

ny tsiambaratelon'ny fo sasany angatahin'Ikalamako amiko aloha dia efa lazaiko eto :

1- tsy haiko ny dikan'ilay taggé

2- izaho tsy monina any amin'ny tany miteny frantsay

3- lava be ny akanjoko fa tsy 30 cm ohatra ny an'ny sasany!

4- izaho tsy voaivavy fa lahilehy

5- mahay mamaky teny miankavia aho.

Dia ny anakiroa sy ny relais ohatra ny ataonareo rehetra dia lazaiko rehefa misy mametraka hafatra hanao taggé antsitra-po eo.

fanampiny taorian'ny hevitr'ikalamako :

Ny faha-6 ary e : matory amin'ny 13 ora alina aho miandry ny komanteran'Ikalamako isan-kalina hahafahako manomana ny fifampizarana isan-kerinandro...

ny fahafito taorian'ny torohevitr'i Lehilahytsyresy : tsy misotro Téggué aho, kroà blé (sy rozy)

Diniky ny fo

harilova | 21 Febroary, 2008 11:21

"Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana". io no diniky ny fo, izay tsy mahasasatra ahy ny mandinika azy ombieny ombieny. Mba namaky ity vakitenin'ny Katolika.org ity aho androany (Jer 17, 9) dia vaka ny saiko : Mamitaka hoe ny fo! Iza no mahalala azy!

Ilay hoe iza no mahalala azy? tsy asiako olana. Fa ilay hoe mamitaka ny fo! rehefa ampitahaina amin'ny hoe "izay be ao am-po no itenenan'ny vava" (Mt 12, 34) na ny hoe "izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa" (Mt 6, 21) dia vaka ny saiko.

Tsy izaho irery no mandalo fahasairanana matetika rehefa tsy mifanaraka ny tiana hatao sy ny tokony hatao, ny fo sy ny saina! Tsy mora ny mikolokolo ilay ataon'ny mpandalina hoe "fahamatorana". raha ny fifanarahan'ny "Fo, saina, fihetsika" manko no atao hoe fahamatorana dia mazava loatra fa tsy misy olona azo antsoina hoe matotra! Na i Kristy aza tsembo-dra vao nanaiky hanatanteraka ny tsy maintsy ataony, (Mt 26, 36-46) ka iza no afaka hiambo hahavita be noho izy?

Raha raisina ho antoka mahatoky ny Soratra Masina dia vao mainka mahavàka ny saiko ny lazain'i Joany hoe "raha tsy manameloka anao ny fonao mainka fa Andriamanitra izay lehibe noho no ny fontsika!" (I Jn 3,21). Mazava loatra fa ny zava-mitranga dia sokajian'ny fo amin'ny hoe mahafinaritra sy mahasosotra, tiana sy tsy tiana... Anjaran'ny fo koa ve anefa ny mamaritra  ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao? Zavatra hafa noho ny fo ve ilay lazaintsika hoe "feon'ny fieritreretana?"

Ny Famaritana ny atao hoe fahotana araka ny katesizy kely dia "Fandikàna ny didin'Andriamanitra antsitra-po sy am-pahalalàna." Midika izany fa manana ny anjarany manokana ny fo sy ny saina amin'izay fanatanterahana ny tokony hatao, dia izay mo mahatonga ilay fitenenana hoe "péché mignon"

Tsy resaka vita indray andro ity saingy mahakasika ny andavanandrom-piainantsika. firy no mandraiky marary rehefa tojo ny olana anatrehan'ny tsy fitovizan'ny "tokony hatao sy ny tsy maintsy hatao" na, mafimafy kokoa ny "tiana hatao sy ny tsy maintsy hatao" na ny "tiana hatao sy ny voatery hatao"!

Dia ady ny fiainana, ady tsy amin'ny ivelany ihany fa ady anaty hatrehana isan'andro.

Sambatra ianao raha toa fa tsy sendra ny olan'ny diniky ny fo! Sambatra ianao satria tsy misy tanjona lehibe tianao hotratrarina eo amin'ny fiainana!

cercasi valentina

harilova | 14 Febroary, 2008 09:19

 amin'ity andro anio ity dia heveriko fa ny fanamafisana ny fitiavana hifamatoran'ny Mpifankatia sy ny mifankatia no laharam-pahamehana. Nahoana koa moa no tsy azo heverina fa mety ho fifampodiana sy famitranam-pihavanana ho an'ireo indrisy, mety ho lasa mpifahavalo!

Dia mamaky ny tononkira dia tononkira eto aho, mandinika hoe raha mba mihira ny fitiavako aho, inona no ho lazaiko!

1 1Hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany anie izy!
Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;
       3 soa ny hanitry ny zava-manitrao,
diloilo mamerovero ny anaranao,
izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
       4 Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika!
Nentin'ny mpanjaka ho ao an'efi-tranony mitokana aho,
hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay,
hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay.
An-drariny loatra ny itiavan'ny olona anao!

Dia hoy aho hoe le ranomanitra sy le oroka mamibe ve no nitiavany ahy??? sa izaho no tsy mahazo tsara izay voasoratra?

dia nanohy namaky ihany aho, mba hahazoako tsara ny fitantarany ny fitiavany. Ankoatra ny famariparitana ny bikabikan'ilay olon-tiana (ohatra ny nataon'i Sazykely) dia toa fifampitadiavana ilay fitiavana. Ny tsy maha-eo ny olon-tiana no hahafahana mahatsapa ny halaln'ny fitiavana azy!

Fa raha mandinika tsara ianareo dia "Juves" no tantaraina ao (black &white fa tsy araka ny heverin'ny sasany e). Na ny tsy fitoviana tanteraka aza dia azon'ny fitiavana haravona mandrakariva. Ilay ampankarina manko dia "mainty sy tsara tarehy" (1, 5)  nefa ilay mpampiakatra " fotsy mamirapiratra (mandina aaka ny dikanteny) sy menamena" (5,10). Aza adino anefa, sao dia ho saro-piaro loatra, fa tokony hampitombo ny fitiavana ny olon-tiana ny fitsiriritan'ny olona azy (7,1), na ny fahafoizan-tenany hiara-dia aminy hitady anao!!! (6,1).

Dia tonga tany amin'ny faraparany aho no nahita ilay vakiteny ankafizin'ny maro, na vazaha na gasy amin'ny fampakaram-bady :

8 6 Ataovy vita tombo-kase eo ambonin'ny fonao aho,
sy vita tombo-kase eo an-tsandrinao;
fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,
tsy azo ifonana toy ny seoly ny fahasarota-piaro,
mirehitra toy ny afo ny firehetany,
dia lelafon'Iaveh.
       7 Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana,
ny ony koa tsy mahasafotra azy.
Raha misy olona hividy fitiavana na amin'ny fananana rehetra ao an-tranony aza
dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.

Dia hoy aho hoe kay fifampitadiavana ity  valentin ity! Dia samia manoratra ny Tononkirany androany e.

Mirary fety tsy handany vola be loatra ho an'ny rehetra.

Saika tsisy Harilova 'tsony

harilova | 09 Febroary, 2008 09:55

Loza ry reto fa saika nanjavona teto amin'ny tontolon'ny serasera i Harilova a! Handeha hanao ny asa fanaoko isa-maraina aho no fifandona amin'ny fiara opel kely izay ny fiara nentiko. Somary mafimafy ihany ny fifandonana. Mipetraka mijery ilay fiara aho avy eo dia mandinika hoe, sao mba efa matoatoa toy ny amin'ny Film the Ghost, satria dia tsy nisy noraisina ilay fiara!

Dia manoratra blaogy eto aho, miarahaba ny tenako tsy maty fo aman'aina. Raha toa moa efa matoatoa no manoratra eto fa efa maty aho dia tsy manahy fa dia mbola hanohy hifampizara aminareo eto ihany izany ny aveloko e!

Tsy nahavita naka sary aho fa mbola mandinika sy mamerina maka sary an-tsaina ny nitranga aloha izao!

resa-bavaka!

harilova | 05 Febroary, 2008 10:39

Tohin'ny resaka efa nandeha teto izy ity, momba ny finoan'ny olona sy ny mety ho vavaka ataony setrin'izany. Azonareo jerena ohatra ny an'i Jentilisa hoe Aza aparitaka! Nahazo ity vavaka ity aho anio maraina, efa nahazo tahaka ity aho fa tamin'ny teny vazaha fa izao nisy nandika amin'ny teny gasy dia nalefany aty amiko!

Mba vakio moa le vavaka dia jereo ny namaliako azy e! Tsy te haniratsira ny fitiavana sy ny finoan'izay nahafoy tena nandika azy amin'ny tenin-drazana aho fa mba misaintsaina fotsiny ihany!!!

 (tohiny)

Filazana manjò

harilova | 29 Janoary, 2008 22:27

Amin'alahelo lehibe no hilazana ny fahalasanan'ireo olona roa lehibe niezaka ny hihaina ny finoany : ilay rain'ny Mormoni, Itompokolahy Gordon B. Hinckley (97 taona) sy ny arseveka grika Christodolous (69 taona) . Mirary fiononana feno ho an'ireo varavarana nivoahana, fa atao ahoana fa fandalovana moa ny fiainana!

 Ny hany fanamarihana nataoko dia ny 28 janoary no andro nahafatesan'izy ireo, telo andro taorian'ny herinandron'ny ekomenisma. Vonton'ny firaisam-pinoana ve izy ireo ka nifanao fotoana any an-koatra?

 

Mandria am-piadanana ianareo, hiadananay velona ihany koa!

audimat! inona izany?

harilova | 25 Janoary, 2008 10:36

Raha mba fantatrareo re ny dikany dia mba azavao amiko fa tena néologisme tsy hitan'ny voambolana mba takatry ny volako le izy e!

Io teny io no nandany ny androko anio tontolo maraina, raha namaky ny hafatr'i Benoit ho amin'ny tontolon'ny serasera aho (jereo eto). Na dia ny 18 mey aza no ankalazaina any Dago dia omaly no navoakany ny hafatra : "Ny tontolon'ny serasera : ny adidy aman'andraikitra eo am-pitadiavana ny marina sy amin'ny fizarana azy amin'ny hafa".

Novakiako tamin'ny teny italiana aloha le izy dia mba azokazoko ihany, fa rehefa hanao famintinana aho dia naka ny dikan-teny frantsay, ka audience, amin'ny teny italiana, izay tokony ho udienza, dia tsy nadika. Nojereko ny teny frantsay dia audimat no tao (karazana terme technique hilazana ny écoute izy io), mainka loza. Lazain'ny voambolana sasany fa ny salanisan'ny mpihaino (TV sy Radio..) no niantombohan'io teny io, avy eo dia noheverina ho ny fiantraikan'ny zavatra lazaina na amparitaka amin'ny olona mpandray (destinataire du message). Tsy mijanona main'izany anefa fa manjary ny zava-kendrena mihitsy amin'ny fanaparitahana ny hafatra!

Tsy tena azoko antoka anefa izany satria miovaova arakaraka ny tenim-pirenena ny dikan-teny azo!!!

Na izany na tsy izany dia mazava ny hafatr'i Benoit! Tsy izay rehetra azo tanterahana  noho ny fivoatran'ny teknolojia tsy akory dia mendrika  avokoa (§3). Firifiry no loza sy korontana ateraky ny internet (rava tokatrano indrindra indindra...) Tsy ireny anefa no mampiena ny soa mety haterany koa.

Ambaran'ny Papa ary fa laharam-pahamehana ny hiezahana hanorina info-éthique (toy ny bioéthique amin'ny médecine) izay hamolavola ny fisainana eo anatrehan'ny loza roa manambana : ny Matérialisme économique (fiheverana fa ny tombontsoa ara-bola ihany no laharam-pahamehana sy maha-olona ny olona, tahaka ny hoe olona = rangahy) sy ny relativisme éthique (izay tiako ihany : izao ny raiamandreny mimenomenona avokoa amin'ny zanany tsy laitra tenenina! satria tian'ny olona halana eo amin'ny fiaraha-monina ny fifanajana sy ny hasina maha-olona. Ny tsy firaharahahiana ny fitondran-tena tsara dia mazava loatra fa fanafoanana ny hasin'ny fanabeazana... resaka lavabe).

Mangetaheta fahamarinana ny olona! (Asa aloha na marina izany na tsia fa toa mangetaheta vola no betsaka!) Ny Marina ihany no maha-olon'afaka hoy Jesoa ao amin'ny Evanjely (Jn 8, 32). Inoako fa matoa ianao nahavita namaky hatreto dia mpitady ny marina ihany koa ka isaorana anao.

Aza adino le dikan'ny audimat ho an'izay mahalala azy tsara!

 

 

Zava-doza!

harilova | 20 Janoary, 2008 17:48

Efa mandindona indray izao ny fanandinana aty an-dakira aty dia mandeha be ny vaky boky. Saingy ny zava-doza dia toa arakaraka ny hamakiana no tsy hahaizana ary arakaraka ny tsy hahaizana no hamakiana dia amin'ny farany mandinika aho hoe toa ho antitra ihany fa ny omaly tsy miova ny zavatra hay!

Mahalasa ny saiko ihany koa manko ny adihevitra ataoko miaraka amin'ny zokiolona isan'andro, moa ve mivoatra ny zavatra haintsika sa miangona sa manakory? marina fa tsy afaka manao an-kapobemantsina tsy akory satria miankina amin'ny tsirairay saingy! zava-doza rehefa henonao ny fanohanana hevitra amin'ny zava-nitranga 70 taona lasa na sanatrian'izany amin'ny zava-nitranga 2000 taona lasa.

Tsy mametraka olana amin'ny fahamarinan'izay nitranga aho fa mahita olana amin'ny fiezahana hahazo ny fomba fisainana. Dia hoy aho hoe "efa nahavaky boky betsaka izy ireo, farafaharatsiny ahay, ny bokin'ny fiainany". Ny mba nankahery ahy ary mampahazoto ahy mamaky ihany dia ity tenin'ny Mompera Zezoita iray momba ny antitra ity :

"lasciali [Gli anziani] gridare quando hanno torto, loro e i bambini ne hanno lo stesso diritto"

Avelao izy hanangam-bovona na dia diso aza satria manan-jo amin'izany izy sy ny zaza!

Dia hoy aho hoe ataonao ahoana tokoa moa ny iady amin'ny antitra? Efa ela nietezana, sola loha e!

Fanasana!

harilova | 17 Janoary, 2008 21:12

No comment! Ho an'izay lava tongotra tsy matahotra peste! Any Ercolano no ambohi-pihaonana! Tandremo fa feno fako aty a! Aza adino ny mitondra fanampenan'orona!

Sangisangy iray an-dalana fa nasaina nampita hafatra aho dia ataoko fa eto no haingana indrindra hampitana azy! sady efa tsy vaovao aminareo ity fa mamerina indroa manana ny antitra!!!

scansione0008.jpg, 526 KB

OK

Ny resaka firaisam-pinoana aloha dia jereo eto na eto fa izaho nadalain'i lalatiana tamin'ny fantsika dia tsy te hanampy fantsika sady tsy mbola te hanala fantsika! Samia mivavaka mandrakariva hoe!

Raha mivavaka marina ny olona!!!!

harilova | 15 Janoary, 2008 22:02

Fa ny Tenin'Andriamanitra vakiana ve tena iainan'ny olona sa manakory?

Raha tena lasa fiainana manko ny tenin'Andriamanitra dia heveriko fa hiova isan'andro ny dikanteny. Raisiko ohatra fotsiny ny cantique maraina tao amin'ny Katolika.org  (talata herinandro I taona ankasa =Tononkiran'i Ana izay setrin'ny vakiteny) dia izao no hita ao :

8 Esoriny amin'ny vovoka ny mahantra;
atsangany hiala amin'ny zezika ny tsy manana,
hampiarahiny mitoetra amin'ny mpanjaka,
ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany. (ISam 2, 8)

amin'ny teny italiana ho an'izay ao Naples amin'izao dia azo adika hoe :

Solleva dalla polvere il misero,
innalza il povero NAPOLI dalle immondizie ('a mmunezz),
per farli sedere insieme con i capi del popolo
e assegnar loro un seggio di gloria.
(1Samuele (CEI) 2)

Asa aloha! ny ahy novakiako toy izany tamin'ny  maraina!

 

Natale a Napoli

harilova | 12 Janoary, 2008 14:54

Mba misy zavatra tsara ihany aty Naples fa tsy dia ady lava-pako fotsiny e

ao am site comunal ity

video TV

 

Fako zato taonina

harilova | 08 Janoary, 2008 22:49

Dia mahamenatra leiretsy fa 100 taonina hoe ny fako eny amin'ny araben'ny tanananay!ammonezz (mandrapahadifiny)

Rehefa jerena dia kilalaon'ny ankizy, na fitafiana tonta  nosoloina nandritra ny fety no mamemo ny spatsatora! Fanariam-pako! Mahamenatra satria dia tantarain'ny fahitalavitra rehetra mihitsy izy ity. Ny baoritra avy nihinanana pitsa sy ny tavoahangy avy nisotroana labiera anefa efa mahazatra mandavan-taona!

Dia ataon'ny mpanao gazety sarisary hoe "sanatria ka miala eo ny Filoham-paritra Basolino, dia ho loza fa hitompo indray ny fako hariana"!!! Zakan'ny Filoham-paritra any amintsika ve izany!

Ny tena nanaitra dia nanainga ny mpivavaka ny Kardinaly mba hanao alim-bavaka manokana ho amin'ny fahadiovan'ny tanàna!!!

Ndeha mba handray anjara any aho aloha hampitombo isa ny mpandoto tanàna!!!

ataovy recherche amin'ny immage google moa ny immondizie Napoli e!

Happy-fania! Befana

harilova | 07 Janoary, 2008 09:12

Resaka fanomezana no mampiavaka ny 6 janoary any Italia satria dia mifangaro ny fanomezan'ny Majy sy ny fanomezan'ny Befana. Araka ny lovan-tsofina dia ilay vaviantitra, ratsy tatrehy lava orona no mpizara fanomezana ho an'ny ankizy, karazana Papa noel izany, saingy miaraka amin'ny kofafa fa tsy miaraka amin'ny kalesy manidina!!!!

Befana eSarisary tahaka izany manko no nentina nizara ny masomboly amin'ny tantsaha taloha, ary satria tsy mbola nisy ny fitaovam-pifamoivoizana dia tady mampifandray ny trano na ny toerana samihafa no nampiasaina ka ilay Befana dia sarihina amin'ny tady mba hanaterana ny masomboly isam-baravarana.

Atao akory moa fa dia entina hanararaotana hivarotana sy hakana tombony koa ny fety ara-pivavahana, ka dia foronina ny fanomezana sy ny fetifety mba hampitomboana ny fandaniam-bola!!!!befana sei tu che vedi questo

Ny epifania lasa happy-fania (soratra amin'ny bankiraro asiana ny fanomezana ho an'ny kilonga)... ny fety ara-pivavahana kosa dia azonao jerena ireto.

 (tohiny)

Nahatratra ny Taona

harilova | 01 Janoary, 2008 12:38

Miarahaba anao nahatratra ny taona. Ny firariako ho anao dia ny mba hahazotoanao amin'izay atao ary ny hahitanao fahombiazana amin'izay mampahazoto anao.

Aza manahy fa tohanako am-bavaka.

 

Farany ity!

harilova | 30 Desambra, 2007 21:18

Rehefa nanombola moa dia tsy maintsy mamarana, ka ataoko angamba fa izao no farany hanoratako ho anareo eto amin'ny blaogy ity, satria noho ny antony tsy miankina amintsika dia tsy afaka ny hanohy intsony ny fizarana ho anareo eto aho amin'ity taona ity, sady maro loatra ny zavatra enjehina, ka noho izany dia mametraka ny veloma, ho mandrapitafa indray satria tsy afaka ny hifampizara ho anareo aho raha tsy  amin'ny taona vaovao.

Lasa adala e! Vao mieritreritra ny handehanana hanao reveillon manko aho izao hoe ho aiza? ho any am-piangonana angamba no hihafarany!!!! Roa taona lasa izay nitakoko irery tao amin'ny lavarangan'ny tranonay no nataoko. Tamin'ny herintaona mba niaraka tam rahalahy malagasy sasantsasany!  Amin'ity indray asa hanakory! Haka partener an'i Bodo sy Fara angamba fa misy an'aliny taonina  mahery ny tsipoapoaka miparitaka aty naples anio hariva... Ammazza o!

Dia samia mahatratra ny voalohany.

Ah zao vao mandinika ny resa-piadanana sy tsipoapoaka! Andro iraisam-pirenena ho an'ny fiadanana hoe ny 1 janoary, angama lany napoaka ny alina ny vanja dia sady reraka ny nandihy sy nihinana (cenone) dia matory ny andro! un peu tranquille de bon! 

Enga anie mba tsy ohatra ny vavak'ilay maty vady : Mandria am-piadanana ry malalako mba hiadanako koa (Qui giace il mio amore per la sua e la mia pace). Dia  hoe hanakory koa! (tohiny)

Arahabaina

harilova | 25 Desambra, 2007 10:14

Miarahaba anareo rehetra mpivahinin'ny serasera sy namana miserasera nahatratra sy mankalaza izao noely izao.

Ho amintsika mandrakariva anie ny fahasoavan'ny Tompo.

Voninahitra ho an'Andriamanitra, ary fiadanana ho antsika olombelona.

 (tohiny)

Virjiny niteraka!!!

harilova | 21 Desambra, 2007 23:12

 

"Indro ny Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy...." Dia ahoana tokoa ny virjiny hitoe-jaza izany? ady hevitra efa ho tapa-kandro taoa min'ny Radio tao izany androany  ka narahako ihany ziay azoko narahana mba hahenoana hevitra! Heveriko fa izay efa nolazain'i Md Amboazy 1600 taona lasa no mila dinihina : tsy dia ny olan'ny virjiny hiteraka no mipetraka fa ny amin'ny finoana an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra...

Fa ho fanomanana ny Noely ity manaraka (alahady IV Fihaviana)

 (tohiny)

tratry ny taona!

harilova | 30 Novambra, 2007 23:15

Tsy mananihany aho fa ho an'ny katolika e! arahaba nahatratra ny taona!

Jereo eto ny Bonne année

 (tohiny)

Elaela! Feno zato!

harilova | 26 Novambra, 2007 16:41

Ity no lahatsoratra faha-100 araka ny fanisana omen'ny Compteur ao amin'ity Blaogiko ity.

 

nanomboka tamin'ny Paka 2006 no nanoratako teto, rehefa avy nandray anjara mavitrika tao amin'ny Namana serasera dia naleoko manoratra ny hevitro  manokana mikasika ireo adihevitra nivaivay tao. Tsikelikely dia lasa fizarana toriteny sy firariantsoa izy ity, noho ny antony koa moa hoe hitsinjovana ireo namana any madagasikara mipetraka amin'ny faritra mampanaintaina ny miandry mailaka hisokatra, ka noho izany dia manamaivana ny mail halefa koa.

Dia antenaiko fa zato fanombohana izao, fa na ny finaneraserana ihany aza moa dia zava-dehibe.

Hanamarihana izany fitohizana izany no ametrahako eto ity sarin'ny taona litorjika ao amin'ny Katolika ity, indrindra amin'izao fanombohan'ny taona Litorjika fandinihana momba ny batemy izao...

NB. Ny Paka no ivo, ary ny  alahadin'ny fihaviana no fanombohana...

 

Euthanasie!

harilova | 12 Novambra, 2007 10:44

Eo anatrehan'ny marary mafy, mijaly sy toa tsy hahitam-panafana intsony dia honena ny fo ka satry hilaza hoe : aleo maty toy izay mijaly toy izao. Dia maniry ny ho faty na sanatria iriana ho faty, na ampiana ho faty....

Ny Fiangonana Katolika anefa milaza fa tsy antsika ny aina, tsy azontsika atao mihambo ho tompon'ny aina ka hanao izay tiantsika atao. Ka tsy fikimpia-maso eo anatrehan'ny fijalian'ny olona ve izany? Na sanatria karazandrazana "Masochisme" ?

12 taona lasa izay no nanoratan'ny Mpanompon'Andriamanitra Joany Paoly II ny "Evanjelin'ny Aina" nilazany fa "Andriamanitra irery nomanapa-kevitra momba ny fahafatesana sy ny fiainana (Dt 32, 39)

Kanefa ve, azo hiadian-kevitra amin'ny olona tsy mino ny fiainana mandrakizay izany?

Raha mahaliana anao dia tohizo ny famakiana ity manaraka ity

 (tohiny)

Fitsanganan'ny Maty

harilova | 10 Novambra, 2007 11:59

Na tiantsika na tsy tiantsika, rehefa sendra ny mafy amin'ny fiainana dia mandini-tena ihany, ary raha misy azo hisafidianana dia milaza hoe : raha tsy adala aho ko! Aleoko manao izoa na manao izao. Tsy ny tranga mahazo ireo mamoifo ka namono tena no holazaintsika eto, fa ny tranga mazàna mahatonga ny olona mandao ny finoana : inona no handaniako andro any am-piangonana any? Izay maha-metimety ny fiainana no atao e.

mampametraka fanontaniana madrakriva ny momba ny fahafatesana, ny momba na'Andriamanitra... Azonao alalinina eto (GS 18-19ss)...

Dia ahoana tokoa moa? izay milaza fa mino an'Andriamanitra, terena aza tsy miditra am-piangonana!!! mba hisantatra sahady ny fiombonany ho an'Andriamanitra...

Ny nandao ny finoana kosa, toa mahomby amin'ny fiainana (Jereo sal 73) ka mahavelom-pialonana ny mba nikasa hanaraka ny rariny sy ny hitsiny...

tsy fanontaniana vao androany io, fa efa nolovantsika tamin'ny razam-ben'ny finoana

 (tohiny)

Hohenoim-bavaka ny manetry tena

harilova | 03 Novambra, 2007 20:34

Hohenoim-bavaka ny manetry tena. Tsy laharam-pahamehana ho an'ny mpivavaka manko ny fifaninanana amin'ny hafa. Ny vavaka dia tsy fisehoana ho mahavita zavatra fa fisehoana amin'ny maha-izy azy ny tena eo anatrehan'Andriamanitra.

 

 (tohiny)

Fetin'ny olomasina manosika mankany am-pasana

harilova | 31 Oktobra, 2007 22:56

Ny vazaha moa dia miasa izao ny zoma ka dia ny fetin'ny olomasina rehetra no hananaraotana handehanana any am-pasana e. Fa mba misy dikany ve izany raha tsy misy finoana? Misy heviny ve ny faty raha tsy misy ny lanitra? Misy ve ny lanitra? (jereo eto)  ary nahoana no tsaroana ny maty? (Jereo eto)?

 (tohiny)

hadalam-bazaha

harilova | 27 Oktobra, 2007 21:29

Betsaka indray ny hitonantonana adiny iray mialoha any am-piangonana sy any amin'ny toeran-kafa amin'ity alahady faran'ny oktobra ity.

ho ahy dia hasambarana fa mitombo adiny iray hatoriana

Mamangy an'i Naples ny Papa

harilova | 20 Oktobra, 2007 16:11

Nanova zavatra ho an'ny tanànan'i Naples ve ny famangian'ny Papa? Ny toerana hanaovan'i benoit 16 Lamesa ny 21 oktobra 2007Piazza Plebiscito jerena avy eny an-tendrombohitr'i San MartiNy Papa Benoit 16no

Tanàna malaza momba ny Cammora (Mafia any Sicile aty 'Ndragheta any Reggio Calabria) i Naples. Ireo moa dia Mpampiorohoro eo amin'ny fiaraha-monina amin'ny antsoina hoe "crimes oganisées". tsy famangiana fe famangiana ihany manko ny an'ny Papa fa koa famonjena ny fihaonana iraisam-pinoana ho an'ny Fiadanana. Tsy azo adinoina ny hafatry ny Filohan'ny Silamo mitambatra nanoratra ho an'ny Papa hoe : raha tsy ny Kristiana sy ny silamo no mihavana tsy hisy fandriam-pahalemana eto an-tany!

 

Hanova inona amin'ny rafitra efa mafy orina ny Famangian'ny Papa? Iza no hahavita hitaraina am-paharetana toy ilay Vehivavy mpitondratena lazain'ny Evanjely androany? (Jereo eto) Asa aloha fa izay anontaniana rehetra mino avokoa fa hisy fihovana! fa hiova ho tsaratsara kokoa sa ho ratsiratsy kokoa? Angamba ny tsara atao manontany ny tsirairay hoe : manova inona amin'ny fiainanao ny fandalovan'ny Papa fa tsy hoe Manova inona amin'ny Tanànan'i Naples ny  Fandalovan'ny Papa adiny valo?

Napoles inday mitopy masoHilan-tanànan'i Naples tazana avy eny amin'ny Castel Sant'Elmo

 (tohiny)

Finoana, fitokisana manosika hivavaka

harilova | 20 Oktobra, 2007 15:50

Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana ety an-tany Izy?” Tsaroako ny tenin’i Jesoa tamin’ilay Boka samaritana sitrana tamin’ny heriny (Lk 17, 19) hoe “Ny Finoanao no nahavonjy anao”, ny finoana hahazoana famonjena, finoana izay azo lazaina fa ilay fahaizana mankasitraka amin’ny soa noraisina, fankasitrahana ilay loharanom-pamonjena. Na izany aza anefa, tsy tokony hihanona amin’ny mana milatsaka avy any an-danitra isika, mila mitalaho ihany koa, mila mivavaka lalandava sy am-paharetana (Evanjely).

  Tsy ny fahaizana mankasitraka ihany araka izany no maneho ny finoana fa ny fanetren-tena hitalaho ihany koa. Ny faharetana mangataka manko dia manambara ny tsy fananana toky hafa azo hianteherana intsony. Tsy midika ho fanaovana filan-tsy mahita an’Andriamanitra anefa izany, ka tsy hidodododo any aminy raha tsy efa niala nenina tany an-kafa![1] Fitokisana manko ny Finoana. 

Ilay mason’ny Mpanao salamo miandra any an-tendrombohitra miandry vonjy amin’ny Tompony, dia maso vonton’ny finoana sy ny fitokisana, eo ampamisavisana ny soa ataon’ny Tompo amin’ireo matoky azy : miambina lalandava amin’ny ratsy rehetra (Sal 120).

Izany fitokisana izany no ambaran’ny Boky Eksaody ihany koa (Vakiteny I) : ilay tanan’i Moizy misandratra, manome fandresena ho an’ny Israelita, ka tsy hitokisan’izy ireo amin’ny herin’ny sabatra an  amin’ny fahaiza-miady fa amin’ny fanampian’Andriamanitra asehony amin’ny alaln’ny Mpanompony.

Mino izany herin’ny Fivavahana izany ve isika? Anio rahateo[2] no ankalazana ny andron’ny fampielezam-pinoana, mampahatsiaro antsika ny hafatr’i Paoly amin’i Timote hoe : “Mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany” (Vakiteny II). Adidintsika noho ny Batemy noraisintsika ny mitory ny tenin’Andriamanitra, tsy amin’ny vava loatra fa indrindra indrindra  amin’ny fijoroana ho vavolombelona. Ny teny manaitra manko fa ny atao no mahatarika! Tsy manafoana ny herin’ny Fivavahana ihany koa anefa izany : i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely no mpiaro voalohany ny Misiona, masera tsy niala tao amin’ny monasterany, nanaiky ho “fitiavana” eo anivon’ny Fiangonana ka nanolotra ny fiainany manontolo ho vavaka, ho hery sy tohana an’ny mpitori-teny,.tahaka ilay tanan’i Moizy notohanan’i Aarona sy Hora[3].

Ho an’ny Mpitoriteny, hoy i Md Augustin, dia tokony hahay hiresaka amin’Andriamanitra, mialoha ny hiresaka momba an’Andriamanitra[4]. Samia ary mandinika ny fiainany, mandinika ny toerana omena an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, satria raha omentsika ny toerana voalohany Izy, dia hipololotra avy ao am-pontsika ny vavaka am-paharetana izay tsy maintsy ataontsika, araka ny nandidian’i Jesoa antsika (Lk 18, 1). Raha velomintsika sy kolokolointsika ao am-pontsika izany fitokisana ny herin'Andriamanitra izany dia ho zary Famonjena ho antsika ny fiavian'ny Zanak'olona, satria ny "Finoantsika no hamonjeny antsika".



[1] Mazàna manko, ataon’ny olona ho Fitaovana Andriamanitra (Bouche-trou) ka rehefa afa-nenina ny fahefan’olombelona (fahaizana, vola aman-karena…) vao mitodi-doha any amin’ilay Andriamanitra fihononana : tsy fitokiana izay fa fialana nenina!

[2] 21 oktobra 2007 : andro faha-81 ho an’ny misiona eran-tany :”Ny fiangonana manontolo ho an’izao tontolo izao” (jereo eto ny hafatry ny Papa)

[3] Raha jerena ara-bakiteny ny hoe Aarona sy Hora  dia midika “toerana ambony” sy “lavaka, zohy” dia mampahatsiaro ny tenin’ny Eveka iray, Tonino Bello hoe : “Ny fahafaham-po ho anay mpitoriteny dia ny fahatsapan’ny olona fa olombelona izahay” (L’elogio più bello che la gente può fare di noi è dire : è un prete umano”) : ny maha-olombelona (hery sy kilema // Aarona sy Hora) no nentin’i Moizy nivavaka, ary ny fahalemeny tsy nanafoana ny herin’ny fivavahany. Ilaina kosa anefa ny fanohanan’ny mpiara-monina mba haharetana amin’ny fivavahana.

[4] orator sit orator, antequam dictor izay mpitory dia tokony ho mpivavaka ihany koa (dikan’ny orator avokoa manko ny hoe mpitoriteny sy ny hoe fivavahana)

Finoana

harilova | 13 Oktobra, 2007 18:27

Faniriana ao am-pon'ny olona rehetra ny ho velom-pinaritra, ho afaka amin'ny rofy, miezaka sy tsy mitsitsy vola aman-karena mba hahazo fahasalamana. Tsy zakantsika ny mahita ny havana sy ny olon-tiana mijaly sy alamaky ny aretina. Fa vao mainka mafy noho izany ny hamafin'ny habokana, izay sady itondrana fangirifiriana amin'ny vatana no itondrana fangirifiriana ao am-po noho ny fanilikilihan'ny fiaraha-monina : tsy hoe mitoka-monina sahala amin'ny boka, fa atoka-monina tahaka ny boka [1]. Anisan'ireny I Naamana ilay siriana (vakiteny I = II Mpanjaka 5)  sy ireo boka folo lahy lazain'ny Evanjely (Lk 17, 11-17) nitsena an'i Jesoa hiakatra ho any Jerosalema.

Ho azy ireo, araka izany dia mihoampampana ny hafalian'ny fahasitranana, satria sady fitsaharan'ny fijaliana no fiverenana indray eo anivon'ny fiaraha-monina, fahazoana indray ny zo izay efa nafoy satria nahilikiliky ny fiaraha-monina-

"Ndeha miseho amin'ny Mpisorona". Izay no fanafodin'ny habokana natoron'i Jesoa, ilay Mpampianatra. Midika zavatra maro izay fisehoana amin'ny mpisorona izay : fanarahana ny lalàna, fiakarana ho any Jerosalema, any amin'izay hiakaran'i Jesoa koa, araka ny henontsika tamin'ny fiandohan'ny Evanjely. Ny toeran'ny Mpisorona, tahaka ny toeran'ny Mpaminany (II Mpanjaka 5,14-17)) nanasitrana an'i Naamana, dia zava-dehibe mba hahazoana ny Fahasitranana. Tsy hianona amin'izay fahasitranana izay ihany anefa (satria mbola mety harary indray) no tena maha-kristianina, mila mizotra ho amin'ny lalam-pamonjena.

Raha manana finoana tahaka ny voatsinapy isika dia mahavita fahagagana (Lioka 17,1-10), hoy i Jesoa. Dia notohizany tamin'ilay samaritana hoe  : ny finoanao no nahavonjy anao. Inona izany Finoana izany? Inona no nampiavaka ilay samaritanina tamin'ireo sivy lahy hafa sitrana? Ny fahatsapana fa sitrana, ka nahatsiaro ny soa voaray, hany ka niverina hisaotra ilay loharanom-pahasitranana : ilay Jesoa avy any Nazarena.

Fahaizana misaotra sy mankasitraka ny Tompo izany no atao hoe : Finoana. I Naamana nahavita nitondra tany roa lasaka avy any Jodea mba hanompoana  sy hanolorana sorom-pisaorana amin'ilay Andriamanitr'Israely, satria lehibe loatra ho azy ny soa azony.

Isaky ny manolotra Eokaristia isika, dia manolotra sorom-pisaorana, mahatsiaro fa tiana, mahatsiaro fa niangaram-pitiavana, voavela heloka, sitran'ny habokan'ny fahotana rehefa avy niseho tamin'ny Mpisorona tamin'ny sakramentan'ny Fampihavanana. Izay fahatsiarovan-tena ho sitrana izay dia tokony tsy hanadinoana ny misaotra ilay loharanom-pahasoavana.

Izay no mahatonga ny Eokaristia sady "loharano no faratampon'ny famonjena" antsika, satria avy aminy no hahazoantsika ny hery hiovana sy haharetana amin'ny tsara, ary ao aminy no tokony hidododoantsika koa hisaotra, satria izay no famonjena ho antsika : "nahavita zava-dehibe tamiko ilay Mahefa : masina no anarany" hoy i Maria ao amin'ny tononkirany. Fanabeazana tsy zoviana antsika hatramin'ny fony kely moa ny hoe : Raha misy manome zavatsoa ho anao, kingà  miteny hoe . misaotra tompoko o!"

Tsy mampaninona izay fomba amam-pirazanana (na samaritana na Jody), ny maha-isika antsika no tokony hoentintsika hiderana an'Andriamanitra. Tsy ho sasatra ny hitanisa ny soa azontsika isika, hanolotra  sorom-pisaorana, hiantsa hira vao ho an'Andriamanitra satria mahagaga ny zava-bitany, fa ny tanany no namonjy, mba hahatsiarovantsika mandrakariva ny fitiavany tsy mivadika (Sal 97 setriny).

Izay fahatsapana ny soa noraisintsika izay manko, ny fahatsapana fa notiavin'Andriamanitra isika, isay no zary vimiaina manome hery antsika hiharitra ny fijaliana hatramin'ny fatorana aza, noho ny amin'i Kristy, (II Tim 2,8-13) tsy sanatria hankasitraka ny fijaliana fa kosa hampisy heviny ny fiainana ho zary famaliam-pitiavana, satria ny fiverenantsika hisaotra an'i Jesoa no loharanom-pamonjena ho antsika.

Ndeha ary hanokana fotoana hametsovetso ireo fahasoavana rehetra noraisintsika tamin'i Kristy mialoha ny hanolorantsika ny mofo sy ny Divay, vokatry ny hasasarantsika ka atolotra ho tonga mofo sy fisotro ho antoky ny fiainana satria sorom-pisaorana. 
 

"Ho Voninahitry ny Trinite Masina

Ny Voady

harilova | 08 Oktobra, 2007 19:45

Ataotaony fotsiny ve ny voadin-drelijiozy sa mba hiainany araka ny tena izy? Misy mahavita ny tsy hanambady izany ve ka hijanona hadio? Misy hahafoy ny hananany izany ve mba homena ny tsy taova tsy volovolo? Azo lazaina ho afaka ve ny olona manaiky hanao ny tsy sitrapony?

Ny 8 oktobra no fanaovan'ny Rahalahy Trinitera voady, araka ny mahazatra. Dia mba nandinika kely momba izany voadin-drelijiozy izany aho, hozaraiko aminao eto izao.

 (tohiny)

Fransoà Dasiza

harilova | 04 Oktobra, 2007 15:46

Fa ny olomasina ve mba nijaly toa antsika amin'ny fiadivana  amin'ny halemena sy ny fahazaran-dratsy? Malaza ny fifankatiavana nifamatoran'i Fransoa Dasiza sy Claire, Fifankatiavana nampamokatra ny Fitoriana ny Evanjely noho ny asan'ireo Fransiskana tohanan'ny Klarisy vavaka avy ao amin'ny klaozora! Fetin'i Fransoa Dasiza androany dia mba zaraiko aminareo eto ity Tantara nataon'i Antonio Pagano momba azy ity :  

Piangendo Francesco disse un giorno a Gesù:

" Amo il sole , amo le stelle,
amo Chiara e le sorelle;
amo le cuore degli uomini, amo tutte le cose belle.
O Signore,
mi devi perdonare,
perchè tu solo
io dovrei amare".
 
 Sorridendo il Signore gli rispose così:
" Amo il sole, amo le stelle,
amo Chiara e le sorelle;
amo il cuore degli uomini,
amo tutte le cose belle.

O Francesco, non devi piangere più, perchè io amo ciò che ami tu.

 

 (tohiny)

Lalàna ho an'ny fitiavana

harilova | 29 Septambra, 2007 11:22

Lazara lelafin'ny alika

Tsy mora ny manova ny fomba fiaina, tsy mora ny mahafoy ny tombontsoa mba hihainana ny maha-kristianina. Tsy mora nefa tsy hoe tsy azo atao!

 

 “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo” Raha nandray ny fampianaran’i Jesoa tamin’ny alahady heriny isika dia ho nandini-tena tokoa hoe : hatraiza no hiraiketan’ny olona amin’ny haren’ny tany! Firifiry ny ady sy fifanolanana ateraky ny harena mandalo! Dia hoy i Md Paoly manoratra ho an’i Timote : “Izay te hanan-karena dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy,[…] satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (I Tim 6, 9-10).[1]

Tsy midika anefa izany fa atao tsinontsinona ny fivoaran’ny maha-olona[2] izay tsy afaka ny tsy hampiasa ny vola aman-karena. Ny tian’i Jesoa hasiana tsindrim-peo dia ny hizorantsika araka ny fahamarinana[3]. Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany. Ny fananarana ataon’i Amosy mpaminany (Vak.I), momba ny tsy fahamarinana misy eo amin’ny fiaraha-monina dia mbola misy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika : ny omby mahia tsy lelafin’ny namany! Eny fa na dia Andriamanitra mitandro ny rariny, manome rariny ny ampahoriana, manome sakafo ny noana sy mamaha ny mpifatotra aza ny Andriamanitsika! (Salamo 145 setriny)

Mbola misy mpanakarena sy Lazara (Evanjely) eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Fa nahoana moa no io fanoharana io no nofidian’i Jesoa hilazany ny fomba hihainan’ny Farisiana fatra-pitia vola  ny Lalàna (and. 14)? Satria nambarany mazava fa ny Didim-pitiavana no mamintina ny Lalàna sy ny Mpaminay (Lk, 10, 25-28). Ny fahasahiranana mety hateraky ny asa aman’andraikitra tsy hahasakana ny asa fanasoavana[4]. Mahatsapa ny fahasarotan’ny fibebahana avokoa isika, samy te hanapa-kevitra nefa mahatsiaro tena fa voafatotra, tsy afa-manoatra, ka miandrandra fahagagana mba hiovana. Dia mova tsy ilay lazain’i Jesoa momba ilay Mpanankarena niangavy mba hisehoan’i Lazara amin’ny rahalahiny! “Raha tsy mino an’i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, tsy hino na dia misy mitsangana avy amin’ny maty aza”. Dia hiandry inona isika vao hibebaka?

Izay no antony nanafaran’i Paoly antsika ny zavatra tokony hotandremana : “hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy” (Vak. II). Izany no ady tsaran’ny Finoana. Ady satria misy tolona tsy maintsy ataontsika, misy anjara miandry antsika : ny fandinihina ny ohatra navelan’i Kristy, mba hanahafantsika Azy, araka ny fahamarinany. Izay no maha-Kristianina antsika, ary manampy antsika hamolavola ny fo amam-panahy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ilay Andriamanitra tsy sasatra ny manao soa (Salamo 146), maneho ny heriny amin’ny famelan-keloka sy ny famindram-po (Vavaka fangatahana), ka miantso antsika hanao toy ny ataony. Tsarovy mandrakariva fa “ny fitiavana no hitsarana antsika” (Mt, 25, 31-46).

Ezaka isan’andro ny hahita ny endrik’i Kristy ao amin’ny mahantra sy ny fadiranovana, ao amin’ny marary sy ny voafonja. Aza mangatak’andro ary dieny mbola manana fotoana hihainoana an’i Moizy sy ny mpaminany.



[1] Mialoha ny vakiteny faharoa (ITim 6, 11-16) io

[2] I Paoly tamin’ny heriny (1 Tim 2, 1-8) nilaza ireo zavatra efatra ilana vavaka mba ho lavorary ny fiaraha-monina : ny fiadanana sy ny fandriampahalemana etsy an-daniny, ny fahafahana sy ny fivoaran’ny isam-batan’olona etsy an-kilany (and. 2)

[3] Raha azonao atao ny mijery ny Boky nosoratan’’ny Papa, Jesus von Nazareth, ao amin’ny toko faha-efatra, momba ny hasambarana, (Edizione italiana pejy.113-114) milaza fa ny “fahamarinana”, araka ny Testamenta Taloha, dia ny fifikirana amin’ny Lalàna (Torah), fiainana araka ny Tenin’Andriamanitra, araka ny hampahatsiahivan’ny Mpaminany azy mandrakariva, dia  jereo Lk 16,16.31;  ao amin’ny Testamenta vaovao kosa, dia ny Finoana an’i Kristy izay tsy fifanoherana fa fandavorariana ny Lalàna

[4] Jereo Ilay Samaritanina Tsara fanahy (Lk 10, 25-37) Evanjely amin’ny alahady faha-15 D mandavantaona.

Te hanan-karena ve ianao?

harilova | 22 Septambra, 2007 14:44

Iza no tsy te-hanan-karena? Iza no tsy te-hampitombo ny harena efa azony? Asa mety hitady fomba mampanan-karena haingana ianao, na dia handehanana any amin'ny Mpimasy aza. Raha manam-potoana ianao dia vakio ity manaraka ity, somary lavalava ihany, fantatro izany, saingy hanampy anao hahita ny tena harena tokony hotadiavina : ny fivoaran'ny maha-olona : ny olona manontolo (vatana/fo/fanahy) sy ny olona rehetra.

Tandremo anefa fa Andriamanitra mihaino ny tarainan'ny mahantra, kanefa tsy midika izany fa ny an'ny mpanan-karena tsy mba henoiny ny vavaka ataon'izy ireo.

Dia mahazotoa mamaky e

Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.

Derao ny Tompo, ilay manandratra ny Mahantra avy ao an-jezika! Izany no Fiverenan’ny Salamo 112 setrin’ny Vakiteny, manambara indrindra ny fitiavana mameno ny fon’ilay Andriamanitra, maniry ny hiadanan’ny olombelona rehetra.

Mihaino ny mahantra Andriamanitra ary tsy manadino ny tarainany  (Vakiteny I) … kanefa mandrapahoviana no hijanonan’izy ireo ho voahosihosy amin’ny zo aman-kasiny? Ambaran’i Jesoa amintsika androany (vakio ny Lioka 16, 1-13) ny tokony hampiasantsika ny harena tsy marina hitadiavana harena maharitra.

Tsy azo odian-tsy hita anefa ny olana sedraina mba hahitana mazava ny tena sitra-pon’Andriamanitra amin’ny fitantanana ny harena eto an-tany. 42 taona lasa izay,[1] ny Fiangonana dia nahatsinjo hatrany ny fitomboan’ny olana sedrain’ny fiaraha-monina manoloana ny fihazakazaky ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny siansa, izay mampitombo ny elanelana misy eo amin’ny mahantra sy ny Mpanankarena, kanefa kosa manamafy fa natao ho an’ny olombelona rehetra haren’ny tany (GS 69). Lazainy fa harena tsy marina [2] (sandoka) ny haren’ny tany, ary ambarany fa tsy antsika akory aza.

Raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome  anareo izay tsy anareo? (and.12) Mazava fa tsy antsika ny harena, tsy tompony isika fa mpamerin-doha. Tsy midika anefa izany fa mifanohitra amin’ny maha-kristianina ny tombam-panana faritan’ny lalàna[3]. Ho an’izay mandàla ny maha-kristianina azy dia ezaka atao mandrakariva ny tsy hampiraikitra ny fo amin’ny haren’ny tany. Tsy azo adinoina ny tenin’i Tacite (55-120?) hoe : “Matoa mitombo ny lalàna, midika izany fa be ny zavatra tsy mandeha”, ary nambaran’i Md Paoly fa tsy ny fanarahan-dalàna no hanamarinana antsika fa ny Finoana izay ambony noho ny lalàna : “hanaraka ny lalàna am-pitiavana mba hahatonga ny fitiavana ho lalàna”.

Raha tsy antsika io harena io, na dia misoratra amintsika aza, inona àry no antsika? Ny maha-isika antsika : olombelona nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra, kanefa tsy ho feno fatra izany, hoy i Md Joany (1Jn 3, 2) – na azo jerena koa ny 1Kor 13, 12 – raha tsy any amin’ilay mifanatri-tava amin’Andriamanitra. Ny fahamalinana amin’ny fampiasana ny harena araka izany dia manampy antsika hahatsiaro mandrakariva ny tenin’i Jesoa hoe : Sarotra ho an’ny Mpanan-karena ny miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 18, 24-27).

Noho izany dia tokony hotantanana am-pahamalinana, ary hararaotina mba hahazoana sakaiza, rehefa ho avy ny andro izay haharerahana, [4]  ka tsy hahafahana mampiasa ireo harena ireo intsony, satria ny ain’ny olona tsy miankina main’ny haben’izay ananay (Lk 12, 15).

Inona tokoa moa ny soa ho azon’ny olona raha manana izao harena rehetra izao izy mba holovain’ny hafa rehefa miala ety? Mampandinika ahy ny tenin’i Teresa de Calcutta olontsambatra hoe : “Izay tsy ilaiko dia mavesatra amiko, ka omeko ny mahantra”… Firy amintsika no mahafoy izay tsy ilainy mba hanasoavana ny hafa? Angamba mety hanamarin-tena hoe mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika!

Ao amin’ny fampianarany (GS 69) dia milaza ny Fiangonana hoe : aoka tsy amin’ny ambim-bava fotsiny no hanampiana ny mahantra. Mitaky fahafoizana araka izany ny asa fanasoavana. Tamin’ny alahady heriny isika nandinika ilay zaza nandany ny haren-dRainy tamin’ny vehivavy janga sy ny filibàna… fa nahatsiaro ilay fitiavana nasehon-drainy ho an’ny mpiasa ao an-trano ka niverin-dalana. Dia aoka hotohizana ny fandinihan-tena : Mba manakory tokoa moa ny fampiasantsika ny harena nomena hotantanantsika? Hanasoavana ny hafa ve sa entina hisehosehoana sy hanjakazakana ihany, na sanatria entina hanafenana ny kileman’ny tena na ny maha-izy azy ny tena? (jereo eto).

Mila mandini-tena mandrakariva isika sao miala tsiny tsy manana raha ny amin’ny asa hanasoavana nefa miliba sy mirobaroba rehefa hiala voly sy hikoràna.

Ny tenany no natolotr’i Kristy hanavotana antsika hoy i Paoly (Vak.II) fa tsy ny vola aman-karena. Dia ho sahintsika ve ny hilaza fa hafohintsika ho Azy manontolo ny tenantsika raha toa ka ny fananana izay tsy ho entintsika hanaraka antsika rehefa hiala amin’ity fiainana ity aza tsy fointsika hanompoana azy amin’ny fanampiana ny mahantra?

Miezaha ary hamongotra ny fanosihosena ny zo maha-olona tanisain’i Amosy Mpaminany, hivavaka ho an’ny Mpitondra fanjakana, indrindra amin’izao ankatroky ny fifidianana izao, mba mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an'Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.

Ireo ny tanjona efatra tokony ho kendren’ny fitondram-panjakana (Jereo GS 73) : Fiadanana azo avy amin’ny fampivoarana ny maha-izy azy ny tsirairay, Fandriam-pahalemana amin’ny fanamafisana ny rafitra hiarovana ny aina sy ny fananany; Fanajana an’Andriamanitra (eusebia) manambara ny fahafahana (liberté religieuse = faratampon’ny liberté d’opinion) hahafahan’ny olona maneho ny tena maha-izy azy sy ny heviny; fahamaotonana (semnotes) : ny fivoaran’ny olona amin’ny maha-olona azy ka mahatonga azy ho mendi-kaja. Ny roa voalohany maneho ny fivoaran’ny olombelona rehetra (tout homme = soa iombonana), ny roa faharoa kosa fivoaran’ny olona manontolo (tout l’homme = zo maha-olona).

Manana adidy handray anjara amin’ny fampivoarana ny fiaraha-monina isika, na amin’izay vavaka izay na amin’ny fanatanterahana ny asa tandrify antsika araka ny Evanjely [5] sy araka ny seha-piainana misy antsika avy.

Dia miala tsiny nandiso fanantenana e, toy ny propagande ihany io.Satria raha mahatanteraka ny adidiny roa ireo ny olona fidianao androany, na tohananaon hofidiana (1/ Soa iombonana; 2/ zo maha-olona) dia hanan-karena tokoa ianao.

  


[1] [7 desambra 1965, fetin’i Md Ambroise, ilay Mpampianatra an’i Md Augustin, nilaza fa ny zavatra ananantsika mihoatra noho izay ilaina dia izay an’ny mahantra notazonintsika… Tamin’io andro io no namoahana ny Gaudium et Spes (GS), Foto-pampianarana ara-pitondrana (Constitution pastorale) momba ny Fiangonana manoloana ny Andro Ankehitriny]

[2] avdiki,a = tsy ara-dalàna, an-kafetsena… ny Mammon kosa, avy amin’ny teny arameana, dia adika hoe Harena

[3] fari-pananana, droit de proprieté

[4] Luke 16:9  Kai. evgw. u`mi/n le,gw( e`autoi/j poih,sate fi,louj evk tou/ mamwna/ th/j avdiki,aj( i[na o[tan evkli,ph| de,xwntai u`ma/j eivj ta.j aivwni,ouj skhna,jÅ Raha adika ara-bakiteny io andininy io dia hoe : “aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo namana handray anareo any amin’ny tranolay mandrakizay rehefa hanjavona (evkli,ph| = eklipsa = tsy hita intsony) ireo harena ireo.

 

Traduire : trahir? Pas toujours

harilova | 18 Septambra, 2007 11:19

Malaza ny fomba fiteny hoe : « Traduire, c’est trahir » kanefa tsy dia ho voatery marina mandrakariva akory izany, ary vao mainka aza hahazahoana ny hevitra tian-kambara.Anisan’ny mahavaka ny saina ohatra ny mandinika ny famindram-pon’Andriamanitra : Efa mpamindra fo Andriamanitra ka tsy aleo ve manota bebe kokoa mba misy havelany heloka ! (jereo eto)

 Dia vaka ny saiko mandinika ny fandikan-teny nataon’ny Mpandrindra ny Boky Fivavahana.

Amin’ny an’ny Italiana dia hoy izy ireo: « fa' che sperimentiamo la potenza della tua misericordia, per dedicarci con tutte le forze al tuo servizio »[1]  dia vakiana amin’ny teny gasy hoe : “Ataovy manompo anao amin’ny fonay tokoa izahay, mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao”…Samy dikan-teny ireo satria tamin’ny teny latinina no niandohany. Dia lasa nitady ny teny latinina aho. Izao no hitako tao :  « Tua nos, quaésumus, Dómine, grátia semper et praevéniat et sequátur: ac bonis opéribus iúgiter praestet esse inténtos »...

Dia jereo amin’izany : ilay ac (na atque) manko, amin’ny teny latinina dia afaka adika hoe : ary tsy izany ihany, na hoe fa indrindra indrindra... Raha adika amin’ny diikan-teny malalaka izany ilay vavaka latinina dia mety ho tahaka izao : Ho hitanay (dinihinay) mandrakariva anie ry Tompo ny Famindramponao ka hataonay ambonin’ny zavatra rehetra sy harahinay, ary (tsy izany ihany) fa hanosika anay hanao asa soa (tsaratsara kokoa)...

Izany hoe tsy misaraka ny fahatsapana ny Famindram-po sy ny Fihatsaran’ny Fitondran-tena. Hany ka raha olona nanisy tsindrim-peo amin’ny ezaka andrasana amin’ny olona, dia milaza fa “miezaha dia hanampy anao ny lanitra”. Raha toa kosa olona efa trotraky ny ezaka tsy namokatra loatra dia hihaiky fa “nahazo fahasoavana, ka tsy hipetrapetra-potsiny”...

Tsy misy raikipohy azo ampiharina manko hoe hatraiza no anjaran’ny fahasoavana ary hatraiza no andraikitry ny tsirairay amin’ny fanamasinan-tena : Miara-miasa mandrakariva ny fahasoavana sy ny ezaky ny olombelona hanamasi-tena.

Dia ny aza sendra dikan-teny tahaka izany ihany e



[1] Ara-bakiteny : “Aoka ho tsapanay ny herin’ny famindra-ponao, mba hanokananay tena hanompo anao amin’ny herinay manontolo”

Ny Kolontsaina

harilova | 13 Septambra, 2007 20:16

Anisan'ny mampijaly amin'ny fiaraha-miaina ny tsy fitoviana ara-kolotsaina, indrindra moa fa rehefa tsy afaka ny hifanakalo hevitra intsony. Zavatra tsy dia misy dikany loatra tahaka ny ho lazaiko anareo eto dia mety hanimba ny fiaraha-miaina amin'ny tsy mitovy fomba fisainana amin'ny tena.

Efa natsidiko teto ihany izy ity, jereo ireto. Ho an'ny tatsinanana dia mianavaratra an miankandrefana no ampiasaina hanondroana ny lalana. Ny Zavatra (objectif) no atao ivo. Ho an'ny tandrefana dia any an-kavanana na ny any ankavia no aleha... Tsarovy anefa fa mifono kolontsaia lalina izany, na maro amintsika no tsy mihevitra izany akory. Raha miankavanana ianao na miankavia, ny andrefana andrefana ihany... fa raha miantsinanana ianao no miankandrefana, ny ankavanana lasa ankavia.

Somary manao kilalaon-teny moa aho fa ny tiako hatongavana dia izao : rehefa ny olona no atao ivon'ny zava-drehetra dia manova zavatra betsaka izany. Tsy milaza ny maha-ratsy na maha--tsara ny kolontsiana iznay, fa milaza ny lafiny maha-izy azy ny kolontsaina ka tsy tokony hadino rehefa mifandray amin'ny hafa.

Ho an'ny vazaha ohatra, ankoatra ny toe-tsaina lazaina fa tsy misy fa tsapan'izay miara-miaina aminy isan'andro (Fiheverana ny fotsy ho ambony noho ny mainty) dia tsy tantiny ny miresaka aminao ka tsy jerenao izy (ilay olona miteny no omena lanja fa tsy ampy ny maheno sy mahazo ny zavatra lazainy)... eny fa na  dia manao zavatra aza ianao fa izy no tamy mampiresaka...

Ekena fa fanajana ny olona miteny ny fijerena azy, nefa aza adinoina fa ho an'ny tatsinanana dia tsy ho voatery ho izany, ny olona sosotra no mifampivandravandra, fa miresaka manary dia ny maso no mahazatra....

Ny namaliako ny vazah moa dia hoy aho hoe, rehefa mivavaka ianareo, rehefa miresaka amin'Andriamanitra, Izy mahita anareo, fa mba efa nisy taminareo ve ny nijery azy mba hanajana azy sa sanatria sarivongana no jerena dia Andriamanitra no hiresahana????

Fombafomba mety hampifandìtra ireny saingy kosa mampandinika antsika ihany mba tsy hisy fifanoherana amin'ny fiainana....

Ankehitriny moa tsy lazaina intsony ny hoe nahoana no afaka miresaka tsara an-telefoninna tsy mifampijery sa noho nya ntony ara-kolotsaina ihany no mahatonga ny vazah, (fa na ny gasy koa aza) mampiasa hatramin'ny tanana rehefa miresaka amin'ny olona an-telefonina?

Mba diniho ihany.

Fanasan'adala!!! sa manakory?

harilova | 01 Septambra, 2007 22:41

Rehefa manao lisitry ny fanasana ny kristianina dia tsy mba manaraka ny protocole voalazan'ny Evanjely mihitsy. Mandinika ity (jereo eto) eto aho no lasa ny saiko : Fa taiza no mbola misy fanamasinana pretra na fanokanana mpiandry na pasitera na amin'ny fitsofandrano fanambadiana kristianina ka ny mahantra no asaina??? Taiza no nisy voadin-drelijiozy ka nanasa an'i Manankavaly? Mazava anefa ny tenin'i Jesoa : ny Mahantra no hasao (jereo eto). (Mety misy aloha fa tsy mbola henoko)

Dia misy sahy milaza ve fa karazana fanasana hafa noho ireny no hanasana ny mahantra? Fanasana ho azy ireo manokana amin'ny Paka sy ny Krismasy??? Fa ny fanasana mahakasika ny fiainan'ny Mpanasa aleo hanasana ny manampahefana sy ny olo-manan-kaja ihany!!! Raha tsy hoe nisy fahavoazana angaha ilay nanasa. Raha tsy izany dia fanasan'adala...

Ara-bakiteny loatra angamba no nahazoako ny Evanjely fa raha misy afaka manazava hoe fanasana karazany inona no hanasan'ny Kristianina ny mahantra tsy mana-kavaly dia irariana...

Raha tsy izany manko dia lazaina tsotra izao hoe dèmodé ny Filazan-tsara... Tsy maharaka toetr'andro...

Angamba tsy izay fa ny toetr'andro no tsy naharaka... te ho katolika de lasa katolikALIKA... te ho protestanta dia lasa protes-TANTATA manmpidera akanjo vao fotsiny...

asa aloha

Lavi-tany

harilova | 31 Aogositra, 2007 22:20

Malaza aty an-dafy aty hoe mora maniry  faka ny afrikana raha vao tonga aty. Dia hoy aho hoe sao mba tsy marina izany? Angamba miankina main'ny tombontsoa sy ny sehatra iainana. Dia ho sanatria ve hoy aho mangidy ovy any an-tanàna no dia aty an-dafy no hikarama varimasaka?

Tsy azo lavina aloha fa ho an'izay mahita asa ivelomana aty an-dafy ka mahay miafy dia afaka mihary harena tsara lavitra no ny any an-tanàna. Aty Italia ohatra ny karama farany ambany (SMIG) dia mahazo lasantsy 390 litatra raha sara raha mahazo 25 litatra any Madagasikara! Tsy asiana resa-be moa ny amin'izany satria mahamenatra sady mahavaky fo!

Asa aloha ny hevitrareo aty an-dafy raha marina hoe mamboly koko koa isika sa mihary fotsiny hamelomana ny tanindrazana???

resaka vie privée

harilova | 23 Aogositra, 2007 22:19

"Les hommes couchent, les femmes font l'amour"...

nahatonga saina ahy io filazan'ny mpanoratra frantsay iray io, nandritra ny latabatra boribory nifanaovan'ny mpanoratra mikasika ny Vie Privée. Ny sasany manko manohana ny hoe : "tsy azo ary tsy ilaiina ampahafantarina ny olon-tianao ny zavatra ataonao na ny infidélité mety hisy". Ny sasany kosa milaza fa tsy  manova inona amin'ny tena fitiavana izany, ary efa nanoratra sy namoaka boky mikasika ny fiainany manoana mihitsy izy ireo.

Ny niafarany dia hoe : raha tian'ny vehivavy ny hiharo ny tokantranony dia sady tsy hitantara amin'ny lehilahy ny momba azy izy ary koa miezaka tsy manisy sira izay mety ho henony na mety ho fantany aza hoe kileman'ny vadiny...

Dia nofintinin'ny Baronne iray hoe : Aza adino fa ny lehilahy "couche" fa ny vehivavy "fait l'amour". Asa fa mahalasa saina izany... ny mpanoratra iray (champion de Rugby) moa milaza hoe : ka ny ahy mitovy ny filalaovako rubby sy ny fanaovako firaisana amin'ny vadiko. Ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny iray misy 80.000 mpijery....

Ny Fanjakan'ny Lanitra!

harilova | 23 Aogositra, 2007 07:55

10 "Dia niely eran'ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana". Dia hoy aho hoe  ka inona intsony no hiezahana fa na  ny tsara na ny ratsy samy ho tonga any amin'ny fanasana avokoa?

Rehefa namaky ny vakiteny androany ao amin'ny katolika.org aho dia lasa ny saiko hoe : ahoana tokoa moa ity famonjena ity? iza no ho voavonjy? Iza no handray anjara amin'y Fanasana? Ny heverina ho mendrika miavon-tsy feno tsy nety ho any... dia ny teny amin'ny arabe sy ny kion-dalana no tonga nameno trano.

Ny zavatra tiako ampitaina aminao fotsiny dia ny fomba fampitan'i Jesoa ny fampianarany : tsy miankina amin'ny fahamendrehanao tsy akory ny fiantsoana anao. Rehefa miantso Andriamanitra dia tsy mizaha tavan'olona na ny tsara na ny ratsy...

Tsy maintsy tsaroana mandrakariva anefa fa izay voaantso dia tsy maintsy miezaka mitondra ny akanjo ho amin'ny fampakarana...

dia io no mampatahotra ahy satria toa manararaotra be loatra ny fitiavan'Andriamanitra aho... ka manao izay tiako atao.

Tsy hitondra fiadanana hoe Jesoa fa hitondra fiandaniana

harilova | 18 Aogositra, 2007 22:08

Raha mamaky eto ianao dia mahita ao fa tonga hitondra korontana ao anatin'ny fianakaviana mihitsy aza i Jesoa...

Nihezaka ny hahazo izany aho ka izao zaraiko aminao izao :

“Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady!” Izay no anombohan’i Jesoa hilazana amintsika ny iraka nahatongavany (Lioka 12,  49-57) : ny mission amin’ny maha-Kristy (voahosotra) azy : hanipy afo… Tsaroako koa ny fiantsoana an’i Mose izany afo mirehitra izany : afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3, 3). Afo manambara ny Fisian’Andriamanitra eo anivontsika, fisiana izay tsy mahafoana ny maha-antsika antsika (hevitry ny kirihitr’ala tsy may) fa kosa mampiseho amin’izay maha-antsika antsika izay ny fahalehibeazan’Andriamanitra. I Mose manala ny Kapany, satria “mandia tany masina” dia milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy , araka ny fitenin-drazantsika hoe : manndiha tany ka mety ho solafaka

Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany. Dia efa mahazatra ny mahita ny sarin’ny Fo masin’i Jesoa mirehitr’afo : mirehitra fitiavana.  Ny mahalasa ny saina anefa dia ny nanohizan’i Jesoa ny filazana ny mission nanirahana azy : “tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa fisarahana aza (and. 51)…”

Dia ahoana no hilazan'ny katolika isaky ny lamesa hoe : “Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin'ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan'ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao.” (jereo eto ny vavaka mialoha ny komonio) raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa?

Manampy antsika hahazo izany ny nolazain’ny Olon'Andriamanitra iray hoe : “Manome antsika ny fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana”.[1]  Ny Fiadanana izay andikana ny hoe Paix amin’ny tenintsika eo amin’ny sehatry ny finoana na dia mahadika azy bebe kokoa aza ny hoe fandriam-pahalemana, dia ny fahafahantsika miaina ny maha-antsika antsika, araka ny nolazaiko tetsy ambony. Inona ny maha-antsika antsika? Ahoana no hihainantsika ny maha-kristianina  antsika?

Mampandinika ahy ny nolazain’ity mpanoratra iray ity momba ny Fivavahana nampianarin'i Jesoa hoe :

“aza milaza hoe Ray raha tsy miaina ny maha-zanak’Andriamanitra isan’andro… aza lazaina fa hoe Rainay raha toa ka mahafinariitra ano ny mikombona ao amin’ny fitiavantenanao… aza milaza hoe any an-danitra raha tsy misaina afa-tsy ny ety an-tany… aza milaza hoe hohamasinina anie ny anaranao raha tsy hajainao akory izany… aza milaza hoe ho tonga anie ny fanjakanao raha toa ka ny afangaronao amin’ny fanjakazakana ara-nofo ihany izany… aza milaza hoe ho tanteraka anie ny sitraponao raha toa ka tsy hohekenao ny sitrapony rehefa tojo ny sarotra ianao…

Aza milaza hoe omeo anay ny hahinay isan’andro raha toa ka tsy raharahanao akory ireo tsy manan-ko hanina sy tsy ampy fivelomana… aza milaza hoe avelao ny fahotanay raha tsy vonona akory ny hamela ny heloky ny hafa ianao… aza milaza hoe aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay raha mahafaly anao ny mikiribiby ao anatin’ny toe-pahotana… aza milaza hoe : manafaha any amin’ny ratsy raha tsy vonona akory hitolona handresy ny ratsy ianao. Ary milaza hoe AMEN raha tsy hinoanao akory izay vavaka ataonao.

Dia izay no hahazoantsika mahazo ny fifanoherana mety hisy eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra azy… Voaantso ho vavolombelon’ny fitiavana ny kristianina, voaantso haneho amin’ny fiainany fa Andriamanitra no ambonin’ny zavatra rehetra (vavaka fanombohana) eny fa na dia nety hanpifanohitra amin’ny havana aman-tsakaiza aza izany.

Raha babon'ny fitiavan'Andriamanitra ianao dia mba ampahafantaro ny olon-tianao koa izany fitiavan'Andriamanitra izany.

 

[1] Dio ci dà la Pace ma non ci lascia in Pace (Dieu nous donne la paix mais ne nous laisse pas en paix (tranquille)” (François d'Assise)

dialectique de l'etre : ny maha-izy azy ny tena no imasoy alohan'ny vola!!!!

harilova | 02 Aogositra, 2007 23:03

Inona no zava-dehibe amin’ny fiainana? Ny maha-izy azy ny tena sa izay atao? Na ny marimarina kokoa : miankina amin’izay ataony ve ny “maha-lehibe” na maha-“ambony” ny olona iray, sa ny maha-ambony azy, ny maha-izy azy no maha-lehibe sy mampanan-danja ny ataony?

Efa niezaka namaly io fanontaniana io aho, raha vao nanomboka nanoratra blaogy teto, herintaona lasa izay. Azonao jerena eto. Mba jereo ange, manoloana ny fanambarana ataon’ny olona iray, na ataon’ny haino aman-jery, na voasoratra anaty boky, eny fa na dia ny hita ao amin’ny internet aza, dia mankatò avy hatrany ny ankamaroan’ny olona, tsy hoe noho ny fahamarinan’ilay voalaza, fa mazàna, noho ny toerana omena ilay nilaza na nanoratra azy.

Misy lafitsarany izay, fa mety hitarika amin’ny lazaina hoe “fanatisme” na hoe “fondamentalisme” na “integralisme” tsotra izao. Raha tsorina dia hoe : tsy voatsikeran’ny “vérité objective” intsony ny “vérité subjective”[1].

Nanomboka namaky ilay Boky nosoratan’i Benoit 16 aho, ilay Jesus von Nazareth,[2] dia nifanehatra indray amin’ity trangan-javatra ity. Rehefa manazava ilay tenin’ny Ray amin’i Jeso avy natao batemy manko izy[3], dia milaza mazava, ary marina ny filazany, fa tsy milaza ny zavatra hataon’i Jesoa velively ny Ray (mission…) fa milaza ny « maha-izy azy » an’i Jesoa (l’être) : Zanaka malalan’ny Ray. Mazava loatra araka izany, fa tsy ny ataon’i Jesoa no iezahana hahafantarana ny maha-izy Azy, fa kosa ny maha-izy azy no hahafahana mahazo izay nataony. Azo raisina ohatra ny antony nanekeny hataon’i Joany Batemy. Raha batemin-pibebahana ny an’i Joany, atao akory no hihevitra fa nanatona hatao batemy i Jesoa satria nahatsiaro tena ho nanana fahotana hangatahana famelana? Araka izany tsy ny fanantonany hatao batemy no zava-dehibe fa ilay fahatsapany tena amin’ny iraka miandry azy (mission), dia ny fitondrany sahady eo an-tsorony ny fahotantsika olombelona rehetra, izay nonerany tamin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.

Dia apetrako ny fanontaniana hoe : manao ahoana tokoa moa no fandanjalanjan’ny olona ny  hoe : “l’être avant l’avoir”, ny maha-izy azy ny olona dia tsy ho voavidim-bola na oviana na oviana… ny maha-izy azy ny olona dia miha-matotra mandrakariva amin'ny traik'efa ananany, tsy lavina izany, satria tsy afaka ny hanoha-tena amin'i Jesoa isika, Izy ilay zanak'Andriamanitra. 

Ny fiezahana hanatsara ny kalitao (asa vita) dia manova ny mason'ny hafa momba ny tena sy mahamatotra kokoa ny maha-izy azy ny tena... Izany fanatsarana ny fahaiza-manao izany anefa dia minakina be dia be amin'ny fiofanana sy ny fikolokoloana ny maha-izy azy ny tena. Ny olana izany dia tsy amin'ny fifandraisan'ny maha-izy azy ny tena sy ny asa vita loatra, na dia efa nolazaiko aza fa mahatonga ny sasany "hihinana amam-bolony" ny hevitry ny matanjaka sy ny "nahita fianarana" izany indraindray....

Ny olana dia mazàna vokatry ny tsy fanatsarana ny maha-izy azy ny tena : azo jerena ohatra fa  vitsy ny mpianatra na mpiofana arak'asa no miezaka hanana fahaiza-manao, mahamay azy voalohany izay mety hahitana asa fotsiny ihany satria "ny Vola no maha-rangahy"... kanefa anie mazàna, ny "fananana" zary fanakonana ny maha-izy azy ny tena ihany, ka mahatonga fanjakazakana sy filazana fa mahavita azy! Iza no mahavita azy : ilay olona sa ny vola??? Aza adino ny hafatry ny Filozofantsika malaza, E.D. Andriamalala, izay nitondra avo ny literatiorantsika : "raha hadihadiana ny loharano ipoiran'ny harem-be rehetra, dia loto sy fotaka avokoa no mivoaka avy ao"....(Ilay vohitry ny nofy… )

Raha manahirana loatra ny mandanjalanja izany, aleo tsotsorina amin’ny mitovy fanònona hoe : andefaso taratasy alohan’ny hihaonana e (lettre [l’être] avant la voir [l’avoir]… dia vita ny "formation professionelle"... satria feno ny "lavoir"....



[1] Miala tsiny fa na dia nohezahako aza hatramin’izay ny handika araka izay azo atao ny teny rehetra, indraindray tsy azo tsara raha adika… Ny hevitra rehetra voalaza dia misy ampahany hamarinin'ny zava-misy marina ary misy ampahany miankina amin'ny mpilaza sy ny mpandray azy...

[2] momba an’i Jesoa ilay avy any Nazareta, boky lehibebe ihany satria lazainy fa ny fizarana voalohany, misy toko 10 dia 447 monja (version italiana).

[3] Mt 3, 18 : “Io no zanako nofidiako manokana, ankasitrahako indrindra”

Marta sy Maria : mpirahavavy mpiray tampo!!! ???

harilova | 21 Jolay, 2007 22:03

http://perso.orange.fr/leon.paillot/marthe02.JPGInona no mila asiana tsindri-peo? ny mivavaka sa ny milofo amin'ny asa? mety hanampy anao amin'izany ity fifampizarana ity.

Araka ny Vaovao mahafaly ao amin'i Lioka 10, 38-42 dia mitantara ny resaka Maria sy Marta ny Evanjelista, ka tonga ao an-tsaina ny mety ho fampitahana na ny fisafidianana ny asa amin'ny vavaka : ny fahambonian'ny Fihainoana ny Tenin'i Jesoa, tahaka an'i Maria, ilay nifidy ny tsara indrindra.

Tsy azo adinoina anefa ny lanjan'ìty evanjely ity satria toa tetezana mampitohy ny asa fitiava-namana amin'ny tena vavaka sitrak'Andriamanitra. Mialoha io manko (Lioka 10, 25-35) ny tantaran'ilay Samaritana (ara-bakiteny = Mpitily, Mpitsirika izay  ny zava-mitranga) izay nahatsikaritra ka namonjy ny fahorian'ilay navelan'ny Jiolahy. Amin'ny  manaraka azy kosa (Lioka 11, 1 ss), mitantara ilay  Vavaka nampianarin'i Jesoa : ampianaro mivavaka izahay.
http://perso.orange.fr/leon.paillot/marthe03.jpg
Dia eo no hahatsapantsika fa tsy dia resaka fampitahana loatra ny vavaka sy ny asa no tian'i Jesoa ambara, raha araka ny fahazako azy, fa kosa, te hametra-panontaniana momba ny antony hanaovantsika ny asa izy : nifidy ny tsara indrindra i Maria (ara-bakiteny, ny maria avy amin'ny matoanteny hoe Marah = mpikomy, mpanohitra, fa tsy ilay myriam, heverina ho avy amin'ny ejipsiana midika ho malala na lalaina tsy akory) satria tsy izay mahafinaritra azy no nataony, fa ny tian'ilay "notiaviny"... Aoka tsy ho be herehana toa an'i Marta isika (Marta ara-bakiteny midika hoe : tompontrano), tsy hanao ny asa fitiava-namana na ny asa fanompoana (diakonia) mba ho hitan'i Jesoa, ka hangata-maso hanao hoe : "tsy mampaninona anao ve... tsy hitanao ve izaho miasa io???", saingy amboamboarina ny fomba filaza azy. Ny fanomezan-tsiny an'i Maria manko midika fanamarinan-tena ihany....

Mpirahavavy iray tam-po i Maria sy Marta, ny Tompontrano sy ny Mpikomy, kanefa samy niisafidy ny anjarany, azon'i Maria ny tsara, dia hihalona izany ve i Marta? Sanatria ve fanalan-tsiny ny hakamoana ny an'i Jesoa???

Raha tianao hahasoa ny asa fitiava-namana dia aoka hanomboka amin'ny anjara tsara indrindra sitrak'i Jesoa : ny mahay mitily ny fahorian'ny mahantra toa ilay samaritana (aza adino fa hoy i Jesoa hoe : manaova tahaka izany koa) ary hahay hijery ny endriny ao amin'ny mahantra sy ny kamboty, hahay hitoetra eo an-tongony, hihaino mandrakariva ny feony, ka tsy hisahirana hanao afa-tsy ny sitrany ihany....

Vacances : fialam-boly sa f(y)ilam-bol(a)?

harilova | 13 Jolay, 2007 21:32

Vacances. Efa manana programa ve ianao sa tahaka ahy :  tototry ny faniriana te hamita mialoha ny tokony hatao amin'ny taona ho avy? Asa raha tsaroanareo ny sangisangy zary tenany nataoko tamin'ny herintaona tahaka izao. Jereo kely moa eto e.Ilay vodotongots'i Italia hita amin'ny saritany

Manomboka mandamina ny fandaharam-potoanan'ny vakansa moa aho izao fa vita tamin'ny alatsinainy teo ny fanadinana farany amin'ity taom-pianarana ity. Tsy hoe "hanala azy vita ..." toy ny Olombelona Ricky tsy akory no mivohitra ao, toa tsy azo adika hoe fialam-boly loatra ho ahy sy ho an'ny ankamaroan'ny mpandranto aty an-dafy aty. Toa tsy mba miala voly manko fa toa mila vola...

Mba hiatrehana ny taona ho avy dia araraotina daholo izay asa mety hatao. Ho ahy manokana dia harerahana no hitako raha izay kasaiko no ho tanteraka tokoa : ny asa hita dia atao, ny vaky boky eo an-daniny (satria tantara mitohy ny fianarana Système LMD), ny asa soratra etsy an-kilany.... ny fiarahana amin'ny sakaiza anefa tsy atao ambanin-javatra koa... Rehefa ataoko ny kaonty dia toa zara raha matory aho ....tsy mba miala sasatra fa mila sasatra.

Eo no mahalasa ny saiko andinika ny fakan-tahaka lovainstika amin'ny fandaharam-potoana anyan-tsekoly....Dia hoy aho hoe : atao inona ary ity vacances ity? ho an'ny aty an-dafy manko azo sainina ihany hoe maninona no atao volana jolay, aogositra sy septembre ny vacances : satria mafana dia tsy ho vita ny hijanona hihanatra any an-dakilasy... fa ny any an-tanindrazantsika kosa, manomboka ny hafanana dia manomboka mikatroka amin'ny fianarana. Soa fa anaty hatsiaka mamirifiry no manao fanadinana!!! asa na lafitsarany na lafiratsiny izany! mba vita fararano no manao fanadinana dia manomboka mianatra indray rehefa manomboka mihena ny ao an-tsopitra!!!!

Na izany na tsy izany anefa : ny manala azy vita fanadinana tsy hadino satria mba fidiram-bolan'ny artista e!

Aza adinoina anefa ny mampahatsiaro ny kilonga fa ny fahafahana fanadinana tsy fialana sasatra fa fanombohan'ny fihatrehana ny fiainana! Na ny safidy ho amin'ny fanohizana ny fianarana na ny firotsahana amin'ny sehatry ny asa.... dia endrika hisehoan'izay FIHATREHANA ny FIAINANA izay.

Mirary soa daholo e

Ho anareo mpitondra fiarakodia

harilova | 21 Jiona, 2007 21:19

Fiara diso lalanaAza adino fa mitombo folo indray ny lalànam-pifamoivoizana ho an’ny Mpamily katolika. Navoakan’ny “Seza Masina”[1] tamin’ny 19 jiona 2007 manko ireto didy folon’ny mpamily fiarakodia ireto (jereo eto) .

  

  1. Aza mamono olona
  2. Aoka mba ho fitaovam-pifamoivoizana mampiombona ny olona ny lalana fa tsy ho sanatria hampidi-doza mahafaty.
  3. Hanampy anao hisoroka ny tsy nahy mampidi-doza ny fahalalam-pomba, ny fandeferana sy ny fahamalinana.
  4. Aoka ianao halala-tanana, ka hanampy ny namana sahirana, indrindra ireo niharan’ny lozam-pifamoivoizana.
  5. Aoka ianao tsy ho sanatria hampiasa ny fiarakodia hireharehana ho matanjaka, na mpanjakazaka na ho sanatria hanosika anao hanao fahotana.
  6. Reseho lahatra am-pitiavana ny tanora sy ireo tsy tanora intsony mba tsy hikiry hitondra fiarakodia rehefa hitanao fa mety hampidi-doza izany.
  7. Tohano ny fianakavian’ireo niharan'ny lozam-pifamoivoizana.
  8. Amin’ny fotoana mampety izany dia ampihaony ilay niharan-doza sy ny mpamily nahavanon-doza mba higohan'izy ireo ny herim-panafahana azo avy amin’ny fifamelana.
  9. Eny an-dalana, aoka ianao hiandany amin’izay osa kokoa.
  10. Mahatsiarova tena mandrakariva ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ny hafa.

Dia ampiako iray izay tsy hiainan’ny ao Vatikana hoe :

"11. Aoka tsy hakarina intsony ny vidin’ny solika sy ny saran-dalana."


[1] Santa Sede,, Saint Siège… ka izay mipetraka eo anie mba ho tena masina ihany koa.

Eokaristia : Fanompoana

harilova | 09 Jiona, 2007 23:29

Ny Finoana fa ny Andriamanitry ny Katolika dia naka endriky ny Mofo sy ny Divay, dia tsy finoanoam-poana tsy akory fa hifotoran'ny fiainana manontolo mihitsy.

Santionan'ireo fampianarana  momba ny Eokaristia no hifampizarako aminao eto ma hahitana izay fifandraisan'ny Eokaristia sy ny Fiainana andavanandro izay :komonio

Ny Vatana aman-dRan'i Kristy

Azonao vakiana ireto andalan-tsoratra masina ireto hanampy anao bebe kokoa hahazo ny fifampizarana :

Vakiteny I : Jenezy 14, 18-20
Nanolotra mofo sy divay i Melkisedeka

Salamo 109 : Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka

Vakiteny II : 1 Korintiana 11, 23-26
Isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny nahafatesan'ny Tompo.

Evanjely : Lioka 9, 11b-17

Nihinana izy rehetra ka voky

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin'ny folo lahy nanao taminy hoe: "Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin'ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an'efitra isika izao". FA hoy Izy tamin'izy ireo : "Omenareo hanina izy". Dia namaly izy ireo nanao hoe : "Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazan-drano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin'ireo vahoaka be ireo". Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany : "Asaivo mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona". Dia nataon'izy ireo izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin'izay, noraisin'i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy ary novakiany sy nozarainy tamin'ny mpianany, mba haroson'izy ireo eo anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo.

 

Fifampizarana

Ankoatra ny "procession" entina hanehoana ampahibemaso ny finoana sy ny fanajana sy Sakramenta Masina atao amin'ity andro ity ao amin'ny Fiangonana Katolika, dia tiako ny manomboka ny fifampizarana ny Tenin'Andriamanitra amin'ny hoe "omenareo hanina izy ireo". Ilay tenin'i Jesoa tamin'ny Apostoly. Tsara homarihina fa ireo Apostoly ireo, (mialoha io Evanjely io, Vakio Lk 9, 1-11a) rehefa avy nitantara ny traikefam-piainany tamin'i Jesoa dia nentiny tany an-tany efitra, mangingina, mba hiala sasatra, mba haka fampianarana vaovao, na koa mba hila fanazavana amin'ny mety ho olana sedraina amin'ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Rehefa tonga anefa ny vahoaka dia noraisin'i Jesoa am-pitiavana. Toa tsy nahoany akory ireto mpianany niasa mafy ho Azy, mpianatra izay nanaraka ny teniny ka tsy nitaky karama fa nihinana ihany izay naroson'ny olona...

Nony hariva ny andro, nanomboka niakatra ny tambavin'ny apostoly, ankoatra ny harerahana, eo koa ny hanoanana efa mamely. Tsy tanan'izy ireo intsony ny ahiahiny ka naborany an'i Jesoa : "Ravao ny vahoaka hitady hanina sy kodoro". Raha miverina amin'ny traikefam-piainantsika andavan'andro isika dia hahatsapa fa tsy ny vahoaka loatra no noana, tsy ny vahoaka loatra no mitady kidoro hialana sasatra. Ny harerahan'ny Apostoly, ny hanoanan'ny Apostoly no nanosika azy ireo hiala tsiny ka nataony hisolo vaika azy ny vahoaka. Raha ny marina manko, zaran'ny vahoaka aza ny hitafa sy hitoetra miaraka amin'ilay Mpaminany izay efa nampitampim-bava an'i Eroda (Lk 9, 7-10).

Ao anatin'izany hanoanana sy harerahana izany indrindra no nanirahan'i Jesoa azy ireo "hanome hanina" ny vahoaka, hanompo ny vahoaka, hahatsapa ha ny faorian'ny tena, ny harerahana dia manokatra koa ny maso hahalala ny fahorian'ny hafa, kanefa tsy hijanona amin'izay fa hitady vahaolana. Ny hala olana amin'ny tsy fahampian'ny ho enti-manana tsy vahaolana manakana ho amin'ny "fanompoana". Ampy ho an'ny Tompo ny kely hany mba nananany : mofo dimy sy hazandrano roa. Ilainy kosa anefa ny zotom-po hisahirana, hisikina hanompo : mba diniho moa ny hamorona antoko zato izany e (5000 amin'ny tsi-dimampolo tsi-dimampolo), tsy asa moramora. Nefa dia notanterahin'ny apostoly an-jotom-po. Rehefa avy eo mbola nampihinana ny olona sy nanangona ny sisa tsy lany.

Izany no Eokaristia : Fanompoana. Raha nitantara ny Fanasana farany niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany i Joany dia tsy fanasana "sakafo" no notantarainy fa fanasana "tongotra" (Jn 13, 1ss) : ny fanaovany ny asan'ny mpanompo, ny andevo, ny fanasana tongotra. Raha mitantara ny namoronana ny Eokaristia i Paoly (vak II : 1 Kor 11)) dia nanafatrafatra hoe  "isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity ianareo dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-pihaviny". Izany tokoa satria notanterahin'i Kristy tamin'ny fanolorany ny tenany sy ny rany ho antsika izay nosantariny tamin'ny alakamisy masina niaraka tamin'ny Mpianany.

Fa isaky ny manolotra ny "mofo sy ny divay vokatry ny tany sy ny hasasaran'ny olombelona" isika[1] dia "mahatsiaro an'i Jesoa. Nafarany manko ny hanao lamesa "ho fahatsiarovana Azy"[2]. Fanatanterahana ny didiny izany.

Tsaroantsika ny Salamo 109 milaza hoe :
" Tenin'ny Tompo amin'ny Tompoko,
"Mipetraha eto an-kavanako
izaho hanao ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao"...
Ny Tompo ho eo ankavananao
mandripaka mpanjaka am-pahavinirana...

Ny eo an-kavanana, araka ny kolon-tsaina jody dia izay mpanatontosa iraka : noho izany rehefa manaiky hanatontosa ny didin'i Jesoa isika, manaiky hijjoro eo an-kavanany, dia izy kosa no hijoro eo an-kavantsika, hamaly ny vavaka ataontsika aminy... Mila fandinihana lalina io salamo io.

Fa inona moa ny didin'ny Tompo? Raha tsy ny didim-pitiavana, ilay fitia vonona hanompo hatramin'ny fara-fofonaina. Dia izay ny Eokaristia. Manaiky hanompo ny hafa, eny fa na dia taorian'ny asa aman-draharaha nanirahana aza tahaka ireto apostoly efa reraky ny asa fitoriana. Izany no hahafahantsika mifampizara ny kely mba hananana tahaka an'i Abrahama, hitsinjovana ny fiainam-piangonana sy ny mahantra (rakitra), na tahaka an'ireo apostoly tsy hihambahamba hanolotra ny iraimbilanja ho bemiray hampivoatra ny fiaraha-monina.

Misy heviny ary araka izany ny Sorona atolotra rahefa i Kristy no tsaroana eo am-panolorana azy, ka hampahafana ny fo amin'ny famoaboasana ny Tenin'Andriamanitra (Lk 24) sy hampahiratra ny maso hahita ny endrik'Andriamanitra tsy voakosoky ny fahotana sy ny fahantrana ao amin'ny mpanota sy ny fadiranovana. Ny tena olon'ny Eokaristia dia afaka mahita ilay olona nohariana hitovy endrika amin'Andriamanitra ao amin'ireo tokony hoheverina ho fahavalony...

Olon'ny Eokaristia ve ianao?

Aza kivy fa ivereno ventesina ny antsa mialoha ny Evanjely hoe :

Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara,

Mamindrà fo aminay

aoka ianao no hanina mamelona sy manohana anay

ary aoka ianao hampahita anay ny soa

any amin'ny tanin'ny velona.



[1] Jereo lamesa (fanomanana ny tolotra)

[2] Miverina in-droa amin'ny vak II

Niova farany ( 09-06-2007

Ny Finoana (Jn 16, 12-15)

harilova | 01 Jiona, 2007 18:37

Raha nanafatra ny mpianany i Jesoa hoe "mbola manana zavatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny..." (Jn 16, 12-15) dia midika fa mila fandalinana mandrakariva ny finoantsika. Tsy zavatra noraisina ka tahirizina manko ny finoana fa tahaka ny afo ka tsy maintsy mila ny kitay sy ny donak'afon'ny finiavana mba hitahirizana azy tsy ho faty.  

1- Lova ny Finoana

Ny Fanahy izay hitari-dalana antsika ho amin'ny marina rehetra dia "tsy hiteny araka ny nahiny" fa hanambara izay rehetra reny... atao ahoana no hino an'izay tsy mbola re, hoy i Paoly, ary atao ahoana no handre raha tsy misy mpitory? (Rom 10, 14-15). Araka izany, ny Finoana dia "zavatra" mialoha antsika, tsy sanatria noforonin'ny saina fa kosa Lova ifandovana, ka ny hany loharano ipohirany dia Andriamanitra Ray mandefa ny Fanahy hiteny sy hitsòka amin'izay tiany.

2- Ifandovana amin'ny traikefam-piainana ny Finoana

Ny fijoroana ho vavolombelona ihany no hahafahana mampita ny tena finoana (Jn 3, 32). Ny Fanahy handray ny Finoana avy amin'i Kristy dia hampita izany amintsika. Tsy hiteny ho azy ny Fanahy fa hilaza ny zavatra ho avy : ny fanomezam-boninahitra an'i Kristy. Ny fitsipika ho an'ireo te hitory ny finoana, hoy ny Papa Gregoire Lehibe (532–604), dia tokana ihany : ao amin'ny fibanjinana ny Misterin'Andriamanitra, tahaka an'i Moizy izay miditra matetika ao amin'ny Tranolay fihaonana mba hiresaka amin'Andriamanitra, mba ho vonona hanompo marina ny vahoakany.

Ilay lovam-panahy nolraisintsika dia mitsimoka, mivelatra ka zary hazo ialofan'ny Voromanidina (Mt 13, 31). Ny Mpamboly mikarakara, fa miankina amin'ny tany ihany koa ny famokarana. Dia ho sanatria ve misy saha tsy azo karakaraina sy asiana zezika mba hamokatra? Ny fiainan'ny tsirairay azy araka izany no zary endrika hitaran'ny finoana. Raha toa ka tsy lasa fiainana ho an'ny Mpandova ny Finoana dia tsy afaka ny hamokatra.

3- Mahakasika ny atifanahy lalina ny finoana

"Ahy izay rehetra an'ny Raiko" hoy i Jesoa. Nolazaintsika fa loharanon'ny finoana ny Ray, nefa ilay finoana raisintsika kosa dia iezahantsika ho zary aina ivelomana, ka tsy ny tahotra an'Andriamanitra na noho ny henamason'ny fiaraha-monina no hibaiko fa ny fo amam-panahy babom-pitiavana ka te hamaly fitiavana.

Dingam-piainana araka izany ny fahamatoran'ny finoana ka raha mbola tsy mandrakotra ny fahamariana rehetra izy tsy tonga amin'izany fahamatorana izany. Raha mbola mahita fahamarinana hafa ankoatra izay inoantsika isika dia mbola hivaralila hatrany. Ny "marina" manko no hanafaka antsika  (Jn 8, 32), satria izay miaina araka ny marina dia tsy hatahotra ny hijoro ho vavolombelona (Jn 3, 21).

Tsy natao hampatahotra antsika izany sanatria, satria ankoatra ny fahavononantsika hiasan'ny anahy dia ny Fanahy no handvorary izany ao amintsika. Tsy manafoana velively ny anjara tandrify antsika anefa ny fahasoavana fa mandavorary kosa izay efa natombony ao am-pontsika ary manosika ny finiavantsika hizotra ho amin'ny marina. Ny hany andrasany? Ny "ENY" tsy misy famahony avy amintsika.

Ny Trinite Masina

harilova | 31 Mey, 2007 16:51

jereo eto

Ascension!

harilova | 20 Mey, 2007 12:26

Niakatra any an-danitra hoe Ra-Zezo! Aleloia. Dia nanafatra fa ho eo amintsika mandrakariva!!! Ka tsy efa any an-danitra izany isika?

Voalaza fa amin'ny toerana rehetra izy (jereo eto), mahefa ny zavatra rehetra (jereo eto) ary nitsangan-ko velona fa nandresy ny fahafatesana (jereo eto).

Fa raha niakatra any an-danitra izy, ho inona amiko izany?

Hitohy.

Didy vaovao sy ... didy tranainy : mitovy fa tsy sahala

harilova | 05 Mey, 2007 23:31

Milaza amin'ny Mpianany i Jesoa fa hanome azy ireo

"Didy vaovao" :
ny mba hifankatiavan'izy ireo. (Jn 13, 31-33). Fa inona no mahasamihafa ity didy ity amin'izay efa nisy teo aloha?

Mba handalinana io fampianaran'i Jesoa io di mahafaly ahy ny hifampizara aminao zavatra roa : "Didy vaovao", "toy ny nataoko".

1. Didy vaovao :

Tsy hoe mamorona didy hafa ankoatra ireo "teny folo" voalaza ao amin'ny Lalàn'i Mose (Eks 34) akory i Jesoa sanatria. Raha izany anefa, ahoana no hilazany fa vaovao ity didy ity? Heveriko fa tsy hoe vaovao amin'ny tanjona kendrena tsy akory fa vaovao amin'ny dingana hanatanterahana azy. Misy dingana ny firosoana amin'ny fahamasinana, tsy ampy ny fandrarana, mila manao ny tsara ihany koa.

Noho izany, ny didim-pitiavana nomen'i Jesoa dia tsy hoe mandrara antsika tsy hamono olona fotsiny fa mamporisika koa hanasoa sy hampiroborobo ny fari-piainana, tsy ampy ny tsy mangalatra fa ilaina ny manao asa fanasoavana, tsy ampy ny tsy mandainga fa ilaina ny milaza ny marina, tsy ampy ny tsy mijangajanga fa ilaina ihany koa ny faniriana ny hadio fo, tsy ampy ny tsy mitsiriritra ny vadin'olona sy ny fananan'olona fa iezahana ihany koa ny mahay mifaly amin'ny hafalian'ny hafa.

Raha Andriamanitra sy ny manam-pahefana (ray aman-dreny) ihany no nomena lanja hajaina tao amin'ny testamenta tranainy, dia nanao dingana iray lehibe i Jesoa, tsy ny ray aman-dreny ihany no mila hajaina, fa noho ny fiitiavana an'Andriamanitra, dia hasoavina koa ny namana, indrindra ny mahantra sy ny madinika... samia mandini-tena raha toa ka afaka mahita ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny mpangataka amoron-dalana !

2. Toy ny ataoko :

Tsy hoe hitia fe hitia fotsiny ny kristianina fa kosa hitia toy ny hitiavan'i Jesoa azy ireo.

Dia hoy aho aminao hoe : efa mba nodinihinao ve hoe nanao ahoana no nitiavan'ny Tompo anao? Mandeha mamonjy lamesa ny Katolika, mankalaza ny Eokaristia (midika hoe Fisaorana tsara indrindra), izany hoe handeha hisaotra an'Andriamanitra. Marina fa ambaran'ny pretra amin'ny Prefasy ny antony hisaorana an'Andriamanitra, antony hitambarana amin'ny ankapobeny... nefa tsindrian'ny Papa amin'ny taratasy nosoratany farany , ao amin'ny lahar° 52 fa raha tsy misy hifandraisany amin'ny andavanandrom-piainan'ny tsirairay izany mistery ankalazaina izany dia tsy azo heverina ho feno ny fandraisana anjara.

Dia manontany tena aho hoe firy amin'ny kristianina tonga hamonjy lamesa no tonga hisaotra (hanao eokaristia)... Ny ankamaroany manko, asa na diso fijeriko azy, toa tonga mba hangataka na sanatria aza tonga mba hanefa adidy hampilamindamina feon'ny fieritreretana fotsiny. Raha mbola vavaka hataka no vavaky ny kristianina dia tsy afaka hitia toy ny nitiavan'i Jesoa izy ireo : matoa manko mangataka dia manantena ny hahazo... dia satria Jesoa mpamaly vavaka, manome izay ilaina ka izany no hoenti-mivavaka.

Mazava loatra fa "havana raha misy patsa" no hoentina mitia ny hafa. Miankina amin'ny endrika volavolaintsika ho an'Andriamanitra ny hifandraisantsika amin'Andriamanitra sy hifandraisantsika koa amin'ny hafa avy eo. Ny fanomanana tsara indrindra azo atao amin'ny lamesa araka izany dia ny famisavisana ny soa noraisintsika avy amin'Andriamanitra. Mety ho soa mety ho ny tsy soa loatra nefa "mahasoa"....

Ho an'i Jesoa manko, ny voninahitra dia tsy amin'ny fanaparam-pahefana loatra fa amin'ny fahafahana mitia, ny fahatapahan-kevitra hitia, eny fa na dia hatramin'ny hahafoizana ny aina aza.

Ndeha ary samy hanao dingana, hihaina ity "didy vaovao" ity, tsy hihonona fotsiny amin'ny fanompoana ny lehibe fa hisikim-ponitra hanompo ny farahidiny, satria isika mpanota no notiavin'i Kristy, isika mpanota no namoizany ny ainy, ka ho an'iza re no hamoizantsika ny soa ananatsika e? ho an'ny mpanota sa ho an'izay heverina hahazoana tombontsoa sy tombom-pitiavana sa sanatria ho an'ny mahantra sy ny tsy manan-kaly? Aza misy anie ny tsy toy izany...

Fiangonana Fiombonana : izay ny Paka

harilova | 28 Aprily, 2007 22:27

Lakroa triniteraMbola misy kristianina ve eto an-tany? satria manko ny fialonana sy fifankahalana dia hita na ao anatin'ny Fiangonana aza. Ny Fiombonana sy ny fifankatiavan'ny kristiana ihany anefa no hahalalana fa mino marina an'i Kristy izy ireo : " Ny hahalalan'ny olona fa mpianatro tokoa ianareo dia ny fifankatiavana asehonareo aminareo samy ianareo (Jn 13, 35).

Zavatra roa lehibe no tiako hifampizarana aminao anio : ny kristianina dia tahaka ireo trondro 153 tao anaty harato (Jn 21, 1-19) ka tsy misy afa-tsy ny fihainoany an'ilay Mpiandriondry no lalana tokana hahafahany miaina izany (Jn 10, 23-30).

1- Harato tsy rovitra : manambara ny Fiangonana

Rahefa tafatsangana i Kristy dia niseho tamin'ny mpianany teo  am-panaratoana (Jn 21, 1-19). Misy zavatra tiako homarihina anefa : io fisehoana io dia in-droa no miseho amin'ny tantaran'ny Evanjely manontolo : ao amin'i Joany 21 sy ao amin'i Lioka 5, 1-11, samy mialoha ny niantsoana an'i Simona Piera (Vato).

Ao amin'i Lioka 5, 1-11, taorian'ny harato feno trondro, dia nantsoin'i Jesoa i Piera nataony hoe "avia hanaraka ahy fa ataoko mpanarato olona ianao". Ao amin'i Joany 21, 1-19 koa, feno trondro vaventy 153 ny harato, fa ny fiantsoana an'i Piera kosa, tsy hanjono intsony fa hamahana ny ondry. Manambara ny dingana amin'ny Fitoriana tsy maintsy hiainan'i Piera izany : hanjono, hanarato, hampiasa kamahana, saingy rehefa avy eo kosa, hamahana sy hikolokolo ireo "voajono" na "azo an-keriny" (satria raha manarato, midika maka an-keriny).

Ny herin'i Kristy tafatsangan-ko velona irery anefa anefa no mitahiry ny harato tsy ho rovitra. Ao amin'ny fiantsoana voalohany tantarain'i Lioka dia rovitra ny harato, ao amin'ny fanankinana andraikitra lazain'i Joany kosa dia tsy rovitra velively ny harato : ny fitomboan'ny mpino tsy tokony hampitsiatra ny fiangonana, raha mino marina an'i Kristy tafatsangan-ko velona izy ireo.

2- Mpiandry ondry sy ondry :

Tsaroako ny fanampian'i Pisoa ahy tamin'ny herintaona momba ny tokony ho toetran'ny mpiandry ondry. Jereo eto. Rahefa tsy te-hihinana moa ny ondry, azon'ny Mpiandry hofahanana ve? Raha  filana tombotsoa sy voninahitra ihany no andehanana hivavaka, mazava loatra fa tsy maintsy hiteraka fialonana sy fankahalana an'izay manembatsembana izay zava-kendrena. Io fanembatsembanana io dia tsy azo ihodivirana, satria ny olona tsirairay avy samy mitady ny tombontsoany. Adala izay milaza fa tsy  mitady tombontsoa... fa manonofy antoandro ny mihevitra fa ho azy irery ny tombontsoa tadiavina.

Fa inona kosa no mampiavaka ny tombontsoan'ireo mino an'i Kristy? Ataoko angamba fa ny fahaizana mihaino ny feon'i Kristy, ny fahaizana manavaka ny feony : "Ny ondriko mihaino ny feoko" hoy Izy (Jn 10, 27-30) "ary manaraka ahy". Tsy ampy ny mahalala ny feon'i Kristy ho an'izay mino azy, mila ihany koa manaraka izay voalaza. Dia izay no tsy maintsy handinihina ny tombontsoa kendrena eo anatrehan'i Kristy, sao tsy mifanaraka amin'ny feony, dia ny "hifankatiavantsika" (Jn 13, 34).

Samia ary mandinika sao tsy mikatsaka loatra ny tombontsoa iombonana fa sanatria hanao izay handrovitana ny harato mampiombona ny Fiangonana. I Joany ao amin'ny Apoklipsa (7, 9-17) milaza fa "nahita vahoaka be avy amin'ny firenena rehetra, avy amin'ny foko rehetra, avy amin'ny fanjakana rehetra, avy amin'ny fitenenana rehetra..."

Heveriko fa tsy hoe fitia te hamerimberina famaritana mitovy hevitra (foko, fanjakana, fiteny, firenena...) mba hoenti-milaza ny hamaroana fotsiny, fa kosa hoentina milaza fa tsy mahasakana ny fiombonana velively na ny fahasamihafan'ny kolontsaina (firenena), na ny firazanana sy ny tantara mahatonga mifandrafy (adim-poko) na ny saranga misy eo amin'ny fiaraha-monina (mpitondra fanjakana na mpiasa tsotra...) na ny fahaizana (fiteny).

Azo atao ve ny mamongotra ny fankahalana? Mila miezaka hahatsapa aloha ireo rangory fototry ny afo mahatonga ny fankahalana sy ny tsy fifankahazahoana eo amintsika, eo anivon'ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana, dia avy eo miezaka koa hahatsapa ny tena zava-kendren'ny tena, izay vao afaka hizaha ny vahaolana : ny fihainoana sy ny fankatoavana ny tenin'ilay hany Mpiandry ondry, I Kristy Tafatsangan-ko velona. 

Inona no hahalalana fa mino ny olona iray???

harilova | 23 Aprily, 2007 10:08

Ra-Zezo nitsangan-ko Velona Raha mino amin’ny fonao tokoa ianao  dia hovonjena, hoy ny mpitoriteny... dia hoy aho hoe mba tena mino ve izy ireo, sa mitory mba hahazo laza na hahazo tombontsoa? Inona no hahafantarana fa mino ny olona iray?

Raha miresaka momba ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona isika dia mazàna lasa resaka habobo no atao. Terena hino ny tsy hain’ny tena hazavaina akory ny olona. Tsy misy afaka mampita ny finoana manko afa-tsy izay mino ihany.

Dia iza no mino? Ahoana no hahatsapantsika fa tena mpino isika? Sa dia atao valy boraingina fotsiny hoe rehefa mino ianao dia tsara, tsy mino ianao, raharahanao izany... (Jereo ny fanontaniana farany amin’ity fifampizarana ity)

Anisan’ny fanehoana izany finoana izany ny Sakramenta (Ny famaritana ny sakramenta dia Famantarana hita maso na tsapain’ny tanana na renesin’ny sofina, manambara sy mampahazo ny Fahasoavana), izay hifampizarako aminao etoana. Aorian’ny Paka manko no fotoana nandalinan’ny kristianina ny tena maha-kristianina azy, indrindra raha zohiana ny lovam-panahy nifandovana tamin’ny taonjato maro nifandimby, hatrany am-pihandohana. Nandritra ny karemy manko, ireo nantsoina hoe katekomena (avy amin’ny grika hoe κατηχοá½?μενος izay midika : mampianatra amin’ny feo avo, tsy azo afangaro amin’ny katesizy izay midika akon’ny fampianarana amin’ny fiainana) dia niomana ho amin’ny fandraisana ny batemy.

Tsy hoe ny efapolo andron’ny karemy ihany anefa no fiomanana fa efa nialohavana fotoana elaela nizahana toetra ireo nangataka hiroso ho amin’ny batemy. Raha tsy hita ny fahatapahan-kevitra hiaina ny fitsipi-piainana maha-kristianina, tsy miroso amin’ny sakramenta. Dia izay ilay hoe : “Miara-maty amin’i Kristy, ny amin’ny fahotana”.

Ireo alahady 7 amin’ny Paka, araka izany dia nandinihana ny sakramenta fito (Tsy hiady hevitra momba ny isan’ny sakramenta aho, satria manko ho an’ny Mpino an’i Kristy sasany, tsy misy afa-tsy sakramenta roa na telo...  ho an’ny fiangonana katolika dia notanana ho fito ny isan’ny sakramenta), loharanom-pahasoavana ho an’ny mpino.

Ny alahady voalohany dia niainana sy nanavaozana ny tokin’ny batemy (ankoatry ny fankalazana ny sakramentan’ny Batemy, ny litorjian’ny Jiro sy ny Rano dia manavao ny toky nomena tamin’ny batemy ny Kristianina).

Ny alahady faharoa, alahadin’ny famindrapon’Andriamanitra, hiderana ilay famindram-po tsy misy fetra : “Raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavela…” (Jn 20,19-31).

Ny alahady fahatelo dia ankalazana ny “mofo novakiana” : “teo am-pamakiana ny Mofo no nahalalan’ireo mpianatra an’i Jesoa” (Lk, 24, 13-35). Amin’ny taona A dia vakiana ny tantaran’ireo mpianatra roalahy nankany Emaosy (Lk 24, 13-35) amin’ny taona B dia tohizana ny famakiana io evanjely io (Lk, 24, 35-48), ary navohitran’i Lioka ihany ny tapaka hazandrano nohanin’i Jesoa tafatsangan-ko velona… amin’ny taona D kosa dia ny evanjely araka ny nosoratan’i Joany no vakiana, ny fanaratoana : trondro manambara an’i Kristy, ilay zanak’Andriamanitra, mpamonjy antsika (Jn 21, 1-19) kanefa mbola mivohitra ihany ny famakiana ny mofo sy ny hazandrano….

Ny alahady faha-efatra, alahadin’ny Mpiandry Ondry tsara, dia vakiana ny Evanjely araka an’i Joany (Jn 10, 1-30) : i Jesoa ilay vavahadin’ny ondry (taona A : Jn 10, 1-10), mahafohy ny ainy ho an’ny ondriny (taona B : Jn 10, 11-18) ary manome ny fiainana mandrakizay izay manaraka Azy (Taona D : Jn 10, 27-30). Izany no antony hivavahana manokana ho an’ny mpitondra fiangonana sy ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy ho relijiozy amin'io alahady io.

Ny alahady faha-dimy dia manisy tsindrim-peo amin’ny didim-pitiavana tokony hihainan’ny Kristianina : ny fifidianana ireo fito lahy hanompo sy hitantana ny fizarana ny fiantrana (Asa 7, 1-7 : vakiteny I taona A), araka ny didin’i Kristy dia ny hinoantsika Azy sy ny hifankatiavantsika (1Jn 3, 18-24 : Vakiteny II taona B / Jn 13, 31-33° : Evanjely Taona D), mba tsy hisy intsony ny alahelo amam-pitarainana (Apok 21, 1-5 : vakiteny II taona D). Amin’ny alahady fahadimy dia tsy milaza mazava momba ny sakramenta, fa mamporisika kosa hitsinjo ny mahantra sy ny osa, ary mazava loatra fa anisan’ireny ny marary. Ny sakramentan’ny marary manko tsy hoe hahazoan’ny marary fahasitranana am-panahy sy ara-batana ihany fa porofom-pitiavana asehon’ny fiangonana ho an’ny zanany osa.

Ny alahady faha enina dia ny fampanantenana ny mpanafaka alahelo. Hangataka amin’ny Raiko aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo (Jn 14, 15-21 : Taona A), dia nidina tamin’ny Jentily ny Fanahy Masina (Asa 10, 25-48 :vakiteny voalohany Taona B), ilay Fanahy hampahatsiaro izay rehetra nolazain’i Kristy (Jn 14, 23-29 : taona D).

Ny alahady faha-fito kosa, ialohavan’ny Fiakarana any an-danitra ‘Ascension’ amin’ny faritra sasany, alahadin’ny fiakarana ho an’ny sasany, dia mamintina ny vavaka nataon’i Kristy ho an’ny fiangonana : mba ho iray ihany izy rehetra. (Jn 17, 1-11a [taona A]; 11b-19 [taona B]; 20-26 [taona D], mampahatsiaro ilay sakramenta manambara ny misterin’i Kristy sy ny Fiangonana, ny misterin’ny Fitiavana (Vakio ny Taratasin’i Paoly ho an’ny Efesiana (Ef 5, 21-33) milaza momba ny Fifankatiavan’ny lahy sy ny vavy).

Raha manaraka ireo tsipihevitra lazaiko ireo ianao dia hahatsapa fa ny fandinihana manokana ny sakramenta tsirairay dia manambara ny fifandraisana misy amin’izy ireo tsirairay avy. Ny zava-dehibe dia ny fiverenantsika matetika amin’ny fandinihana ny hasarobidin’ny fiantsoana niantsoana antsika.

Ny tanjon’ny fotoana mystagogique dia ny hanavaozantsika ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ny sakramenta rehetra dia manambara ny misterin’ny Paka, ary manova ny fiainantsika rehefa ekentsika ny hiara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana, mba hitsanganantsika miaraka aminy.

Dia samia mandinika ny fiainany hoe tamin’ny inona no niarahako maty tamin’i Kristy... ho ahy manokana manko, mbola manana matoatoa (ireo fahotana sy ireo zavatra nolaviko mba hanarahako ny Tompo, nefa avy eo toa mahafinaritra ahy indray ny miverina aminy avy eo... toa tsy foiko hofongorana tanteraka) mandehandeha ao am-poko aho ka mazava loatra ireo no manakana ahy tsy hihaina tanteraka ny misterin’ny Paka.

Dia sahy hilaza ve aho hoe : mino?
Mino aho Tompo fa mba vonjeo re ity tsy finoako... (Mk 9, 23-24)

Paka! Fandalovana...vetivety any am-piangonana

harilova | 11 Aprily, 2007 10:52

Lakroa triniteraPaska na Paka, dia fandalovana raha adika ara-bakiteny. Dia ho gaga ve isika raha mba mandalo any am-piangonana ny ankamaroan'ny kristianina na dia ho tsidi-pahitra ihany aza izany? Teo no nahalasa saina ahy, hoe raha hanoratra ho anao, hiarahaba fa nahatratra ny Paka, hirary soa fa nahatratra ny fety... dia hoy aho hoe "Midika inona amiko ity fiarahabana ity : Arahabaina hoe nahatratra ny Paska! Dia samy ho tratry ny ho avy indray..."

Ny firariantsoa sy ny famaliana ireo mailaka tonga anefa tsy maintsy atao, dia hoy aho namaly ireo firariantsoa azoko :

...any ianareo rehetra mino fa nitsangana tokoa ny Tompo,
Any ianareo rehetra nino, mino ary mbola hino fa tsy habobo na angano ny fitsanganany...
sambatra ianareo,
satria manko rehefa mijery ny tenako aho,
amin' ny fahazarako sy ny fahotana kely sy lehibe mangeja ahy,
amin'ny mahazatra sy ny mahafinaritra ahy izay mazana tsy mahasoa akory...
toa tsy afa-mikopoka fa voageja... toa tsy manantena akory fa hitsangan-ko velona...
Sambatra ianareo mino marina fa na ny maty aza afaka mitsangana,
ny mpanota ho voavela heloka ka hibebaka...
ary ireo rahalahy sy rahavavy ataon'ny tontolo fanondro molotra, ho mpanota matevin-koditra
hinoanareo sy atokisanareo fa hibebaka sy hihazo ny lalam-pamonjena...
Miarahaba anareo, ary mivavaha ho anay tsy mbola mino,
mba hahatsapanay ny halehibeazan'ny Famelan-keloka sy ny fitiavana, 
ka hinoanay tokoa fa tsy herin-draolombelona izany fa herin'ilay efa nandresy ny fahafatesana...
Mirary paka sambatra ho anao sy ho an'ny Fianakaviana sy ny fahavalonao rehetra.... 
 
Tsy azo odian-tsy hita manko ny zavatra hiainana, ary tsy hoe pessimiste aho akory sanatria, fa hitako ihany ny zava-misy... Paka tokoa manko ny andro raha toa ka afaka mandia tany maina eo afovoan'ny ranomasina mena ny Kristianina.. izany hoe afaka miaina  ny maha-kristianina azy ao anatin'ny fisamboaravoaran'ny fanatontoloana sy ny vokany eo amin'ny fiaraha-monina. 
Rehefa nilaza momba ny fiara-maty miaraka amin'i Kristy ao amin'ny Batemy i Paoly (jereo ohatra Kol 2, 12 // Rom 6, 4) dia tsy azo adinoina fa ireo natao batemy tamin'izany dia ireo olona resy lahatra ny amin'ny finoany, ka na noterena aza tsy nanaiky hivadika amin'izany finoana izany, naleony maty toy izay hanota. Ireo no antsoin'ny fiangonana hoe Martiora.
Ankehitriny, ireo milaza ho mpino an'i Kristy nitsangan-ko velona, aleony miala any am-piangonana ka mitady fiangonana hafa toy izay teriterena hanao ny tsara na hanao izay sarotra tanterahina...
terena hanao ny tsara indray vao tsy manao...
Ny vokatr'izany dia mazàna odian-tsy hita eo amin'ny fiainana : mandritra ny karemy dia lalàn'ny fiangonana katolika ny mifady hanina, tsy hoe hampijaly tena loatra fa mba hanomezana hanina ny mahantra. Dia manao tokoa ny ankamaroany, eny fa na dia hisehoana ho tia ny mahantra eo imason'ny hafa ihany aza. FA mba diniho moa e, diniho amin'ny fo tsy miangatra, raha kristianina ianao, voaantso hitia sy hitsinjo ny mahantra, ampitahao sao sanatria mihoatra ny voahangona sy ny foinao ho an'ny mahantra ny nolanianao ho an'ny fahafinaretana nandritra ny Lundi de Paques.
Dia avy eo lanjalanjao raha tena paka marina tokoa ho anao ity Paka ity.
Dia izay ny mahatonga an'i Paoly milaza fa "raha tsy nitsangana ny Tompo, dia foana ny finoantsika..."  (1 Kor 15, 17)
Raha tsy hita taratra eo amin'ny fiainantsika ny herin'io Fitsanganana io dia tsy misy finoana azo heverina akory...
Raha sanatria mitovy amiko ianao mahatsapa fa tsy mbola manam-pinoana tokoa, dia miaraha amiko mangataka amin'ny Tompo satria Fanomezana avy aminy ny Finoana. Tsy ny rehetra anefa no tolorana fanomezana... fa izay mila izany ihany.
Raha hilaza ianao hoe : izaho mila nefa tsy nomeny... diniho tsara sao efa mba nomeny io fanomezana io ianao fa ianao mihitsy no nandà tsy handray azy....
Tsy tara fa angataho aminy indray koa...

Est-il possible d'aimer?

harilova | 31 Martsa, 2007 21:54

Est-il possible d’aimer?[1] Manoloana ny faharavan’ny fanamadiana, ny olana sy ny fitaka hifanaovan’ny mpifamofo Ny Papa Benoit 16sy ny mpifankatia, ny famaritana ny atao hoe fitiavana… dia mametraka fanontaniana isika hoe : sao mba nofinofy sy fampandriana eritreritra fotsiny izao “fitiavana” izao fa tsy hery fanohitra hoenti-manavao ny fiainana tsy akory.
Tsia hoy ny Papa, ho antsika tanora. Tsia… satria ny tena fitiavana marina dia mahatoky, mafy orina ary loharanon-kafaliana sy fiadanana, mampifamatotra ny mpifankatia an-kahalalahana sy ao anatin’ny fifanajana tanteraka.
Misy dingana telo tsy maintsy harahina anefa, hoy Ilay voatsodrano[2], raha tiantsika ny hihaina izany fitiavana marina izany : ny loharanon’ny fitiavana, ny modelin’ny fitiavana ary ny faniriana te hitia marina.
1.      Ny Loharanon’ny fitiavana dia Andriamanitra irery ihany : Andriamanitra dia Fitiavana (1 Jn 4, 8.16) ny Misterin'ny Trinite Masina dia tara-pahazavana ho antsika mba hahitantsika ny Fanahy izay mampiray ny Ray sy ny Zanaka.
2.      I Kristy kosa, ilay Teny tonga nofo mba hanavotra antsika dia nahafoy ny ainy ho antsika mpanota (Rm 5, 8 ) no nampiseho antsika ny modelim-pitiavana : izay tia mahafoy,  eny fa na dia hatramin’ny aina aza.
3.      Izany no mampandinika antsika ka rehefa voakasiky ny tena fitiavana ny fontsika dia te hitia toy ny nitiavany antsika. Ilay hetahetan’i Jesoa teo ambony Hazofijaliana dia ny faniriany hamongotra ny fahotana sy ny fankahalana manakana ny fontsika tsy hitia. Ny hoe tiavo ny namanao tahaka ny tenanao dia mitaky fahatsapana ny fitiavan’i Kristy izay manosika antsika hitia hatramin’ny fahavalo, hitia hatramin’ny farany.

Raha te ho vavolombelon’ny fitiavan’i Kristy isika hoy ny Papa dia amin’ny lafim-piainana telo no tsy maintsy hanehoantsika izany : ao am-piangonana, amin’ny fanomanana ny ho avy, eo amin’ny seha-piainana andavanandro.
·         Afaka mivelona ny fitiavan’i Kristy isika ao amin’ny fianakaviam-be ara-pinoana. Ny hahalalana fa mpianatr’i Kristy isika dia ny fifankatiavana asehontsika (Jn 13, 35). Tokony ho hita taratra eo anivon’ny Paroasy, ao amin’ny Fikambanana Masina sy amin’ny seha-pikatrohana rehetra izany fifankatiavana izany.
·         Eo am-panomanana ny ho avy dia tokony hesorina ao an-tsaina ny hevi-diso milaza fa manakana ny fivelaran’ny tanora ny fiangonana, tsy mahara-damaody, efa lany andro… tsy mahay afa-tsy ny mandrara homana… Mikatsaka ny soa ho an’ny tanora mandrakariva manko ny Fiangonana ary mikendry mba hahamatotra ny fitiavana fa tsy ho sanatria fitia natao ho filàna fotsiny ka voagejan’ny fitiavan-tena sy ny fahafinaretana izay tsy afaka hivelatra ho an’ny hafa na sanatria hampivelatra ny hafa. Na ho an’ireo efa nifanaraka hanorina tokan-trano (mpifamofo) na ho an’ireo mahatsapa fa voaantso ho amin’ny fiainana voatokana na ho amin’ny filaharana, ny laharam-pahamehana dia ny mikatsaka sy manamafy orina ny seha-piainana sitrak’Andriamanitra hampivelaranareo ny fitiavana.
·         Midika izany fa isan’andro no hiezahana hahamatotra ny fitiavana indrindra amin’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fitiava-namana. Tsy amin’ny fisehosehoana sy ny fifaninanana na amin’ny fisehoana ho mahomby ihany anefa fa amin’ny fanajana ny fahasamihafana izay harena mandrakariva. Ilaina ary tsy azo atao ambanin-javatra araka izany ny fiofanana sy fandalinana ny fampianaran’ny fiangonana mba hitandrovana mandrakariva ny fitiavana, izay tsy manam-pahataperana.

Ny ohatra navelan’ireo olomasina no porofo azo tsapain-tanana fa tsy rediredy ny fahafahana miaina ny tena fitiavana marina, satria ny herin’ny fitiavana no hany afaka manova tanteraka ny fon’ny olona ary afaka manova izao tontolo izao mihitsy aza. Tsy zoviana amintsika ny oha-pitiavana niainan’i Terezy tany Calcutta (India) izay niezaka hizaha ny endrik’i Kristy ao amin’ny mahantra sy ny fadiranovana.
Ny Tsiambaratelon’ny Fitiavana araka izany dia ao amin’ny fihaonana amin’ny Tompo indrindra ao amin’ny Eokaristia. Izy irery ihany no afaka manampy antsika hitia. Ny fifampizarana ny Mofo sy ny fiombonantsika aminy no hery, fanohitra , vy miaina hanentana antsika hahafoy tena hanompo ho fanasoavana ny hafa.
“Ry Rahalahy, aza mitia amin’ny teny sy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny fahamarinana. Izany no hahalalantsika fa tao anatin’ny Marina isika no teraka.” (1Jn 3, 18-19). Efa ampiomanin’ny Papa sahady isika ho amin’ny fihaonana any Sidney 2008, ny tenin’Andriamanitra zary aina ho amin’ny fihaonana any moa dia ny hoe : “Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo ka ho vavolombeloko” (Asa 1, 8 ).
Miaraka amin’i Maria, matoky isika miombom-bavaka amin’ny Papa sy homban’ny tsodranony hampanakoako ny hiaka hany afaka mitondra aim.baovao ho an’izao tontolo izao : “Fitiavana Andriamanitra”.
Di ahoy aho hoe : ry tanora, efa mba voakasiky ny TENA FITIAVANA MARINA ve ny fonao?



[1] Dikan-teny malalaka no ataoko ho anao eto. Io Rohy io azonao hijerena ny hafatra amin’ny dikanteny ofisialy frantsay.

[2] Benedetto (Benoît )

Les tentations du Christ : lumière pour la vie religieuse en crise.

harilova | 26 Martsa, 2007 13:58

Les changements actuels de la société et la diminution des vocations pèsent sur la vie consacrée. Les œuvres apostoliques de nombreux Instituts et leur présence elle-même dans certaines Eglises locales sont mises en danger. Malgré le témoignage et le service offerts à la construction de l’Eglise, aucun Institut ne puisse prétendre à la pérennité. Pourtant ‘l’engagement de la fidélité’, souligné par l’Exhortation apolitique Vita Consacrata, –maintes fois menacé, voire compromis par celui de la réussite et de l’immediat – devrait être plus prophétique que jamais, dans leur mission de témoigner le mystère du Royaume de Dieu.
Jésus lui-même, avant de commencer sa mission de prédication (Mt 4,17), est conduit par l’Esprit dans le désert pour être tenté par le Diable (Mt 4, 1-11). L’Evangile précise que le tentateur s’approche de lui uniquement après le jeûne de quarante jours, quand il est déjà au bout de sa force. Cette épisode de la triple tentation de Jésus nous fait réfléchir aux trois défis principaux adressés à l'Eglise elle-même et auxquels la mission prophétique de la vie consacrée doit répondre : les défis de toujours qui, sous une forme nouvelle et peut-être plus radicale, sont lancés par la société contemporaine. La marche de quarante ans de désert des Israélites (Dt 8, 2-4) trouve sa continuité dans la vie du nouvel Israël, mais doit être éclairée par la victoire du Christ : victoire sur trois modèles de messianisme contrastés en trois différents lieux :  au désert surgit la dimension matérielle et sociale (changer les pierres en pain), dans la ville sainte celle thaumaturgique-spectaculaire (se jeter en bas) et sur une très haute montagne celle politique (les Royaumes du monde et le pouvoir satanique).
Si dans le désert, – symbole d’une situation chaotique mais devenu dans le langage biblique celui d’un passage vers la promesse, vers une espérance – le Christ a refusé de changer les pierres en pain pour se nourrir, cela ne lui empêche pas de multiplier le pain pour faire nourrir la foule venue à sa rencontre dans le désert (Mt 14, 17). L’identité d’être Fils de Dieu ne se montre pas dans le miracle de l’immédiat mais dans la charité et l’option préférentielle envers les pauvres et doit être nourrie tous les jours par la lecture et l’assimilation de la Parole de Dieu. Le pape dans l’encyclique Deus Caritas est (n.31.c) parle même de la gratuité de la charité, en elle-même témoignage de Dieu lui-même qui est « Amour ». Ainsi, quand la pauvreté évangélique est au service des pauvres, le « matérialisme avide de possession, indifférent aux besoins et aux souffrances des plus faibles et même dépourvu de toute considération pour l'équilibre des ressources naturelles » trouve son antidote.
La « culture hédoniste » de la ville, dans la recherche d’une satisfaction et de plaisir momentanés ne doit pas mettre en crise l’identité de la vie consacrée. Le Christ, conscient de l’amour du Père, ne veut pas le tenter, lui-même qui a émis un cri sur la croix : Pourquoi m’as-tu abandonné ! (Mt 27, 46) continuant pourtant à remettre son esprit entre les mains du Père (Lc 23,46). Le monde a besoin des personnes qui croient à la force de l’amour. Aussi les religieux sont-ils appelés à vivre « la pratique joyeuse de la chasteté parfaite, comme témoignage de la puissance de l'amour de Dieu dans la fragilité de la condition humaine ». La personne consacrée atteste que « ce que la majorité tient pour impossible devient, avec la grâce du Seigneur Jésus, possible et authentiquement libérant ». La menace du manque de vocation ou de la perte de l’identité ne devient ainsi cause des initiatives ambitieuses et spectaculaires qui pourraient devenir un contre-témoignage à la confiance à l’Amour de Dieu. Les difficultés, résultant de la réduction du personnel et de la diminution des initiatives, ne doivent en aucune manière faire perdre confiance dans la force évangélique de la vie consacrée, qui sera toujours d'actualité et agissante dans l'Eglise.
Sur la haute montagne, le panorama d’un monde avide de pouvoir, la corruption des autorités et de la politique suscite l’importance d’un troisième défi de la vie consacrée : la liberté dans l’obéissance. L’acceptation des compromis pour sauvegarder le propre avantage risque toujours d’être la compromission même de l’identité. Jésus, conscient de sa vocation d’évangélisation, de son devoir « d’accomplir ce qui est juste » (Mt 3, 17), déclare que la clef du Royaume consiste dans l’accomplissement de la volonté du Père (Mt 7, 21). La vie consacrée offre ainsi un chemin dans l’obéissance et dans un ‘dialogue précieux’ pour découvrir cette volonté du Père, et puis l’accomplir dans un esprit de communion.
Même si certains Instituts sont menacés de disparition, "la vie consacrée continuera à nourrir parmi les fidèles la réponse de l'amour envers Dieu et envers les frères". Pour cela, le destin historique d'un Institut peut se transformer voire disparaitre à cause des changements dus aux circonstances mais la mission ecclésiale de la vie consacrée comme telle est appelée à durer. La pénurie de vocation doit être donc assumée avec sérénité et dans une ferme confiance qui se manifeste dans l’adhésion spirituelle au Seigneur et dans la persévérance à la mission.

Dans les tentations du Christ, l’Eglise retrouve ses propres tentations. Cela ne devrait nous épouvanter, malgré les problèmes encourus de la vie consacrée et tant d’Instituts religieux. Il nous a promis d’être toujours avec ses disciples jusqu’à la fin du monde (Mt 28, 20). Paul nous encourage que personne ne sera tentée au delà de sa force (I Co 10, 13ss), cette force que les personnes consacrées puisent dans la Communion avec le Christ et à l’écoute de la Parole de Dieu et qu’elles consument dans leur mission d’offrir un « horizon eschatologique dont tout homme a besoin pour pouvoir orienter les choix et les décisions de sa vie », comme a souligné le Pape dans l'exhortation apostolique Sacramentum caritatis, du 22 février dernier.

Misy ve ny lanitra???

harilova | 17 Martsa, 2007 15:44

Misy ve ny lanitra?

Manoloana ny zava-misy diavintsika izao, ny hamafin’ny fiainana etsy andaniny, ny hasarotan’ny fitandremana mba hadio fitondrantena etsy an-kilany, dia manontany tena aho hoe : “Misy ve izao lanitra izao?”

Ny Filazantsara anio hifampizarako aminao dia ny ao amin’i Lioka 15[1], mitantara ilay zanaka mpandany, nangataka ny anjara lovany mba hiala ao an-tranon-drainy. Mazava loatra fa ny mangataka lova mbola velona izany, hafahafa ihany satria toa milaza amin-dRainy hoe : tsy misy ilako anao ra-Bainina fa omeo ny saosy de samy vita. Tsy miditra amin’ny resaka lalàna na amin’ny mety ho fihetsiky ny Rainy aho[2], fa te hanisy tsindrim-peo kosa amin’ity fihetsiky ny zanaka nitsipa-doha laka-nitana.

Dia lasa ilay zatovo nandany ny fananany tamin’ny vehivavy janga sy ny filibàna. Tsy nivaky loha ny hihary ka niafara tamin’ny fiandrasana kisoa[3]. Dia teo vao nody ny sainy, teo vao tsapany fa kay tsy niteniteny foana ny Ntaolo nilaza hoe “Velezo ny vy dieny mafàna”, na hoe “Mitsangàna dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony”. Entina ilazàna indrindra  ity toetra izay tsy mba nitsinjo ny vodiandro ho merika … satria leon'ny asa sy ny irakiraka tao an-tranon-dray kanjo voan'ny tsy fidiny any an-tany lavitra.

Dia tapa-kevitra ny hody, satria toa tsaratsara kokoa ny an-devo ao an-tranon-drainy noho ny mpiasa any an-tranon’olona…

Dia niverina tany an-tranony… ary mbola lavitra dia notsenain-dRainy, ary nampiankanjoiny, nokiraroiny ary nasiany peratra ny tanany[4]

Fa ny tena loza dia ity : kay ilay zokiny koa tsy faly amin’ny rainy fa tsy sahy niala tao an-trano fotsiny : “izaho nanompo anao teto foana nefa tsy avelanao mirevy hiaraka amin’ny namako akory…” Fialonana ve? Zavatra mahazo antsika matetika izany, heveriko fa tsy izay loatra no tian’i Jeso holazaina… Tsy hoe sanatria tsy mandrava ny maha-zanaka ny hadalana vita, ka andeha hanararaotra hanao izay danin’ny kibo koa ilay zokiny… Ny lanitra ho Azy, izany hjohe ny fahasambarana, dia ny mitoetra ao an-tranon-dray, na dia lanaky ny asa sy ny fanompoana aza, kanefa mahatsiaro fa zanaka…

Ny faratampon’ny fahasambarana ho an’ny Kristianina dia ny mahatsapa fa “zanak’Andriamanitra”. Sady i Jesoa no nilaza fa ny Fiainana mandrakizay dia ny “mahalala an’Andriamanitra ilay tokana – ilay Rain’i Jesoa Kristy–  sy Jesoa Kristy ilay nirahiny.” (Jn 17,3)

Dia samia ary mandini-tena izay milaza ho mpikatsaka ny fanjakan’ny lanitra raha mahatsapa izany fahasambaran’ny maha-zanaka izany, na sanatria ho toa ilay zokiny, tsy te hiala ny tranon-dRainy nefa mahatsiaro tena ho mitovy amin’ny andevo…

Ny fahasarotan’ny Fiainana ve manampy antsika  hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra? Ataoko fa tsy fandemen-tsaina velively ny mikatsaka fahasambarana. Efa natoron’i Kristy antsika ny lalana ho amin’izany fahasambarana izany : ny Fitiavana izay manosika antsika hiarina mandrakariva raha sendra lavo, manakana antsika tsy hivari-lavo… ilay fitiavana manampy antsika hahita mandrakariva ny endrik’Andriamanitra tsy azo kosehina ao amin’ny olon-drehetra, eny fa na dia ao amin’ireo heverin’ny fiaraha-monina ho fahavalom-pirenena aza.

Mampalahelo anefa fa maro no mitalaho amin’ny Tompo ny famindram-pony fa vitsy no mahazo ny famindram-po avy aminy satria tsy sahy nanokatra ny fony mba hino fa azo atao tsara ny mibebaka[5]….



[1] Lk 15, 1-3.11-32 : ilay zanaka mpandany niverina an-tranon-dray.
[2] Mila fitandremana manko ny milaza fa Ray Andriamanitra indrindra ho an’izay nanana ray tsy niaina ny maha-ray azy, mpamono zanaka na manampatra fahefana … ho an’i Jesoa, ny tena Ray dia izay afaka mampiseho ny fitiavany an-janany, eny fa na dia handanilany foana ny fananany manontolo aza. Fetin’ny ray moa ny 19 marsa any Italia any ka hafatra manokana ho an’ny Ray koa izany…
[3] Miandry kisoa ho an’ny olona tsy mihinana kisoa, entina ilazana ny asa farany ambany indrindra, kanefa tsy vitan’izany fa ny hanin-kisoa no nohanina.
[4] Ny kirary dia mariky ny maha-zanaka satria ny andevo tsy nikiraro, ny peratra dia mariky ny fiombonana amin’ny fianakaviana araka ny fomban-tany tamin’izany. Tian’i Jesoa hasiana tsindrim-peo fa ny fahotana sy ny hadalàna tsy nalana ny zo maha-zanaka azy ary tsy naharava ny roim-pianakaviana…karazana ala faditra izany amin’ny kolotsaina malagasy…
[5] Misy oha-bolan’ny Ntaolo hoe : ny tanana zatra mitsotra tsy afaka mivonkona intsony… heveriko fa ho an’ny Kristianina mino ny lanitra tsy marina izany… Ho an’izay mino ny fibebahana tsy afaka hanameloka ny hafa amin’ny fahazaran.dratsiny. Tsarovy fa ny fitiavana ihany no mampiova ny fo… izay mahatsapa fa tiana no afaka mibebaka. Fa afaka mino ny fibebahana ve izay mbola tsy voakasiky ny fitiavana? …Efa tsapanao nahakasika anao ve ny Fitiavan’Andriamanitra sa sanatria mbola ilay zoky… tsy sahy mandao ny tranon-dray fa manakana koa ny hafa tsy himpody an-tranon-dray????....

8 marsa, tantara mitohy! Arahabaina ny Vehi-vavy

harilova | 07 Martsa, 2007 22:41

Resaka  vehivavy sa resaky ny vehivavy sa resa-behivavy? Ny 8 martsa[1], na dia vao tamin’ny 1977 aza no nankalazaina maneran-tany ho andro ho an’ny vehivavy, dia mifono tantara sy toetsaina toa zary tandra vadin-koditry ny taranak’olombelona.

Ao amin’ny Baiboly dia nohariana hiankin-doha amin’ny lehilahy ny vehivavy. Nohariana mba hitondra ambohoka ny sombiniaina, voajanahary izany, araka ny natiora. Teo amin’ny tantara dia matetika notsinotsinoavina ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina, ao an-tokantrano, ary mazàna tsy mba nomena fahafahana hampivoatra ny maha-izy azy loatra ny vehivavy, hany ka lasa fanambaka sy nolazaina ho “fanaka malemy”.

Raha mahazo ny zony hifidy, handray anjara amin’ny fiainam-bahoaka, handray anjara amin’ny fiofananana sy ny asa fivelomana fataon’ny lehi..lahy ny vehi..vavy, – eny fa na dia tsy amin’ny lafiny rehetra aza izany,[2] – dia mazàna nanjary nifangaro ny fitoviana sy ny fitovian-jo.

Ny omby na lahy na vavy dia samy omby. Ny olona kosa, ny lahy natao hoe Lehi… ny vavy natao hoe vehi…

Heveriko fa tsy nataotao foana izany fanavahana ny olona amin’ny biby izany. Ny fitovian’ny zò dia mitaky fanajàna ny zò sy fanatanterahana  ny andraikitra. Raha mitovy zò ny lahy sy ny vavy, ny zò no mitovy fa tsy ny maha-lahy na ny maha-vavy. Midika izany fa mila hajaina ary mila manaja tena amin’ny maha-lahy  na maha-vavy. Tsy ny lehilahy velively no hanjary bevohoka satria tsy hanaiky izany intsony ny vehivavy… Aza gaga raha nanjary tsy mahamenatra ny olona intsony ny hifanambady samy lahy na samy vavy satria heverina ho efa mitovy ny lahy sy ny vavy…

Ho ahy manokana, ny andro anio, mba ho tena fanandratana ny fahambonian’ny vehivavy fa tsy ho sanatria vao mainka indray ho fanambaniana sy fanehoana ny kilema nanararaotan’ny lehilahy azy ireo hatramin’izay, dia mila jerena sy tsaroana fa ny nampiova ny tantara dia ny fahaizan’ny vehivavy vitsy an’isa nisongadina,  nampiseho ny hasina sy ny fahafahany mandray andraikitra.[3] Ny “Kala Zaninina” tantarain’ny tarika Ny Ainga ao amin'ny Kantony tsy ho foana tsy akory, aza adino fa ao koa ry Ikoto Jean… miara-mijaly sy ambakaina miaraka aminy. Ny Mpanambaka sy ny mpamoritra anefa ho ahy no tena tsy valahara sy tsy misy heritreritra... Na ampitoviana zo aza moa, ho aiza ny zanaky ny mahantra? Tsy aleo ve hihinan-kely toy izay mandry fotsy...

Raha manana mpiasa an-trano ianao, mba diniho ny fomba hanajanao azy, ary jereo fa mazàna ny vehivavy samy vehivavy no tena mifamoritra... Mitaky asa vita tsara nefa hosanatriavina ny handefa an'iKala Zaninina any antsekoly mba handrani-tsaina ka ho afaka hanao tsara ny asa...

Miarahaba ny vehivavy manokana aho, ary mirary koa raha mirary mba tsy ho andro hanehoana ny fahalemena fa ho fisehoana ho “firenena” androany. Ho antsika malagasy dia manana ny fihamboniany ny vehivavy… Tsarovy anefa fa ny zò, tsy tombontsoa hotavanina tsy akory fa kosa adidy hololoavina, ka aza ny ratsy no hifaninana amin’ny lehilahy fa ny fandraisana andraikitra ho fanarenana ny Firenena. Tadidio fa ny “reny” no maha-firenena ny firenena… farafaharatsiny ho antsika malagasy…



[1] Raha jerena ny tantara dia ny fitokonan’ny Vehivavy mpiasa tamin’ny tenona tany Etazonia no nitolona voalohany ho an’ny zon’ny vehivavy. Jereo eto. Ho antsika malagasy anefa ohatra, efa hatramin’ny taonjato faha-18 no nanana ny zo feno ny vehivavy... talohan’izany dia efa nanana mpanjaka vavy isika...
[2] Ao amin’ny fiangonana Katolika  ohatra, natokana ho an’ny lehilahy ihany ny sakramentan’ny Filaharana. Tsy midika velively ho fanilihana ny vehivavy amin’ny fiainan’ny Fiangonana anefa izany.

[3] Eo ihany ny resaka Lysistrata, na “grêve sexuelle” izay nentina namaizana ny lehilahy, fa ny vehivavy ihany no tsy nahatanty voalohany... Ny antsika malagasy manokana dia manana ny anjara toerany ny vehivavy (Mpanjaka, Mpam... sy Mpam...) kanefa mampalahelo raha sanatria vao mahazo fahefana (tsy azo afangaro amin'ny zò) dia manitsaka : jereo ny tantaran'ny maritiora malagasy voalohany, asa na lahy na vavy ny Mpanjaka. 

Karemy : Resaka Fakam-panahy

harilova | 25 Febroary, 2007 01:02

Vao manomboka ny karemy dia resaka fakam-panahy no resahina : “Nentinin’ny  Fanahy any an’efitra i Jeso mba halaina fanahy...” (Lk 4, 1-13). Lalana tsy maintsy hodiavina araka izany ny fakam-panahy saingy kosa ahoana no fomba hiainana azy? Andriamanitra ve no maka Fanahy?
I Jakoba, Apostoly nanoratra fa tsy Andriamanitra no maka fanahy, fa avy amin’ny filan-dratsintsika (Jk 1, 13). I Paoly kosa indray milaza fa tsy maka fanahy mihoatra izay zakantsika isika, fa isaky ny fakam-panahy dia anomezany antsika fahasoavana hahazakana azy (I Kor 10, 13ss) ...I Jeso rahateo no nampianatra antsika hivavaka, mba tsy hoentin’Andriamanitra amin’ny fakam-panahy... I Lioka manokana ao amin’ny Evanjely nosoratany dia milaza fa ny Fanahy no nitondra an’i Jeso ho any an-tany elitra mba halaina fanahy… ny Demony[1] no mpaka fanahy.
Misy zavatra telo tiako hotsipihana manokana : nahoana isika no alaina fanahy? Inona ny fakam-panahy mety hahazo antsika? ary ahoana no handresena azy?

Ny anton’ny fakam-panahy :
Raha vao vita batemy tao amin’ny ranon’i Jordany i Jesoa dia lasa tany an’efitra. Raha ny tena marina dia tsy ny halaina fanahy loatra no anton-diany [raha jerena ny fizotry ny tantara], fa kosa ny hanomana ny asa fitoriana nanirahan’ny Ray azy (“mission”)[2]. Dia mazava loatra araka izany fa tsy manakana velively ny fakam-panahy ny fahasoavana raisintsika amin’ny sakramenta fa vao mainka aza manosika antsika ho amin’ny fakam-panahy. Mazava loatra fa fanamafisana ny fiantsoana izany ny fakam-panahy. Ny faniriantsika te hivavaka, te-hanapa-kevitra ho masina satria karemy ny andro, dia tsy maintsy hisedra ny fakam-panahin’ny Demony. Tsy sakana velively ho amin’ny fanamasinan-tena araka izany ny fakam-panahy.

Ny karazam-pankam-panahy
Niala maina ny demony rehefa nahatapitra ny mety ho karazana fakam-panahy mety hisy tamin’i Jeso. Nofintinin’ny evanjely ho telo ny fakam-panahy mety hahazo ny olona, efa nosantarin’i Jeso tao amin’ny tenany : ny hanina, ny hery amam-boninahitra, ny maha-izy azy ny tena.

Ahoana no handresena ny fakam-panahy?

Ny fakampanahy dia fitsapana, ka ny fanamafisana ny SAFIDY no hahafahana miady aminy. Tsy afaka maka ohatra hafa ankoatra izay efa nomen’i Jesoa antsika isika. Raha nalain’ny demony fanahy mba hanova ny vato ho tonga mofo izy dia nisafidy ny hampitombo mofo hamokisana ny vahoaka an’arivony... Tsy hampiasa ny harena hitiava-tena fa kosa hanasoavana ny sahirana sy ny mahantra[3]. Raha nalaim-panahy ho tonga mpifehy ny tontolo izy, dia nisafidy ny hanaiky hatramin’ny fahafatesana, satria ny ny sakafo ivelomany dia ny manao ny sitrapon’ny Ray (Jn 4, 34//)[4].  Raha nalaim-panahy hampiseho ny maha-izy azy i Jesoa dia nisafidy ny hanaja ny fitiavan’ny Ray Azy. Tsy ho feno fatra ny hafaliantsika raha tsy ao amin’ny fiombonam-piainana amin’Andriamanitra. Heveriko fa ny faratampon’ny fahasambarana dia ny fahatsapana fa zanak’Andriamanitra[5].

Fa ny modely lehibe indrindra navelan'i Jesoa ho antsika dia ny hoe : "nentin'ny Fanahy"... Tsy haharesy ny fakampanahy amin'ny herintsika irery isika fa mila ny fanilovan'ny Fanahy sy ny fanampiany. Tsy manamaivana ny adidy miandry antsika anefa izany.

Ndao ary hikely aina hihaina ity Karemy ity hihaina sy hankafia ny fahasoavan’Andriamanitra atobany amintsika, HISAFIDY hatrany ny hiara-dalana aminy.



[1] Demony : raha ny marina dia diabolon no maka fanahy… dikan-teny moa no hiainantsika ka diable na démon dia lasa demony sy devoly avokoa. Ny Diable anefa, Diabolon (mifanohitra amin’ny symbolon = mampiombona), dia hoe “mpanasaraka” no heviny, ilay mpaka fanahy araka izany dia te hanasaraka antsika amin’ny namana sy amin’Andriamanitra; ny démon kosa indray, fetsy no dikany, génie, izay tsy voatery ho amin’ny ratsy mandrakariva. Hajaintsika anefa ny dikanteny hoe demony amin’ity fifampizarana ity.

[2] Mety hilaza ianao hoe ka hatramin’izay izany izy tsy nanao ny nanirahana azy? Mazava ny teniny : “Nahoana no mitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy miahy ny asan’ny Raiko aho?” (Lk 2,49). Ny tiako holazaina eto dia ny fanombohany hametraka ny vatofototry ny fiangonany amin’ny alalan’ny fitoriana ankarihary sy ny fiantsoana ny Mpianatra.
[3] Ny voadin’ny fahantran’ny Relijiozy, manao an’Andriamanitra ho hany harena ka ampiasa ny fananana ho enti-manitatra ny fanjakan’Andriamanitra.
[4] Ny Relijiozy manao voadin’ny Fanekena, mba ho poroso hampahatsiaro io fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra io, amin’ny zavatra rehetra.
[5] Dia manao Voadin’ny fahadiovana ny relijiozy mba hanehoany ny fo tsy voazarazara, afaka hitia ny mahantra sy ny madinika araka ny fon’o Kristy.

Karemy : any an'efitra...

harilova | 21 Febroary, 2007 17:58

Karemy, tsy lalan-davitra any an'efitra toy ny nataon'ny zanak'Israely fahiny no atao, fa lalana tsy mihoatra ny 2 (roa) metatra ao an'efitra, dia ao amin'ilay efitrano irian'i Jeso hirindrinan'izay te hivavaka marina tokoa amin'ny Ray, ilay Ray izay mahita ny miafina sy mamaly soa mangina (Mt 6, 1-18)...
Raha toa ka tany an-tany efitra no mahazatra ny Jody amin’ny fanomanam-panahy, dia ao amin’ny efitra manginan’ny fo no iantsoan’i Jesoa antsika kosa hisantatra ity Karemy ity. [Evanjely vakiana ny  andro fanosorana lavenona io.]
Ny mihositra lavenona dia fomba nolovaina avy amin’ny kolotsaina jody. Lavenona izay sady midika ny maha-tsinontsinona ny olombelona, no midika ihany koa ny tena fibebahana marina…
Ny efapolo andro fanomanana ny Paka[1] araka izany, dia manomboka ao an-tampon-doha, amin’ny fanosorana lavenona, mandalo ao amin’ilay efitrano manginan’ny fo mba hivavaka sy hifady hanina[2], hiezaka ho tonga any am-paladia, dia ilay fanasan-tongotra nataon’i Jesoa ho an’ny Mpianany…ny alakamisy masina…(Jn 13, 1-20).
Raha ny Paka no fototry ny finoantsika kristiana (IKor 15,17ss) dia mazàva loatra fa tsy azo atao ambanin-javatra ny fanomanana izany fety izany… asa angamba hoy ianao hoe inona ary no hatao?
Azonao jerena ny hafatry ny Papa, fa ny afatrafarako aminao dia ity : ny hahafantaranao fa mandroso ho amin’ny fankalazana ny Paka ianao, dia ny fanekenao hihetry tena hanompo ny hafa…
Tsarovy fa i Joany, raha nitantara ny namoronana ny Eokaristia, ilay santatry ny Paka, dia nisafidy ny fanasan-tongotra…
Roa metatra no angatahina aminao, tsy lalana lavitra nefa tsy vita mora, tsy ho vitanao amin’ny herinao irery nefa tsy hanary toky isika satria efa tia antsika Andriamanitra.
Mety hanontany ahy ianao hoe : raha tia antsika izy, nahoana no atsahatra ny fiderana azy mandritta ny Karemy ka tsy hiraina ny “aleloia?”



[1] Raha manisa ianao dia mahita 46. ny antony dia satria ny alahady dia fankalazana ny Paka isan-kerinandro ka tsy nampidirina ho anisan’ny andro fiomanana, ka raha esocrina ny alahady 6 dia 40 no sisa tavela…

[2] Tsy azo adinoina fa tsy ny fijalian’ny ny hanoanana no mahafaly ny fiangonana fa ny fahafoizana izay tsy hohanina mba hamonjena ny tsy manan-ko hanina. Vavaka fisaorana (prefasy) fanao amin'ny Kremy dia milaza fa manaketraka ny fitiavan-tenantsika ny fifadian-kanina ka mampahazo hanina ny mahantra... mampisondrotra ny fanahy ka manome hery hiady amin'ny fahazaran-dratsy no sady mampitombo ny hatsaram-panahy...

Hafatry ny Papa

harilova | 21 Febroary, 2007 17:31

Tsy lalan-davitra any an'efitra toy ny nataon'ny zanak'Israely fahiny no atao, fa lalana tsy mihoatra ny 2 (roa) metatra ao an'efitra, dia ao amin'ilay efitrano irian'i Jeso hirindrinan'izay te hivavaka marina tokoa amin'ny Ray, ilay mahita ny miafina sy mamaly soa mangina (Mt 6, 1-18)...
Mahafaly ahy ny mizara aminao ny hafatry ny Papa amin'ity Karemy[1] ity. Hafatra izay manampy antsika hizotra io la lana any an’efitry ny Karemy io.
Hijery ilay nolefoniny izy ireo” (Jn 19, 37)
Andalan-kevitra efatra no entin’ny Papa milaza fa ao amin’i Jesoa voafantsika eo ambony hazofijaliana no hahafahantsika mahita ny hafenoan’ny Fitiavan’Andriamanitra.
Izany fitiavan’Andriamanitra izany, dia tsy fitia te hanolo-tena ho antsika fotsiny[2] fa fitia miandry antsika hamaly fitia. Ny fanekentsika ny fiantsoany no hiraisantsika aina aminy ho amin’ny famonjena antsika.
Ny hazofijalian’i Kristy no nanonitra ny fahotantsika, manaporofo izany fitiavan’Andriamanitra antsika izany, ka ny Rano sy Rà nivoaka ny lanivony tamin’Izy nolefonina no zary loharanon’ny sakramenta ho antsika. Ny ratra navelan’ny lefona no nieken’i Thomas apostoly ny maha-”Tompo sy Andriamanitra” an’i Jesoa, taorian’ny fitsanganany ho velina.
Izay no manampy antsika hihaina ny Karemy, ao amin’ny misterin’ny Eokaristia… ka ny fahatsapantsika ny fitiavan'i Kristy antsika no hanosika antsika koa, ampian'ny fahasoavany, mba hitia tsy misy fetra ny olombelona rehetra toy ny itiavan'i Kristy antsika.



[1] Karemy : avy amin’ny teny frantsay hoe carême, izay avy amin’ny teny latinina hoe XL (quadragesima), midika hoe efapolo (40) : isa enti-milaza zavatra iray manam-petra, ary mazàna hoenti-milaza ny fotoana fiomanana. Jereo ohatra ny 40 andron’ny tondra-drano (Jenezy 7,17) ; ny 40 taona tany an’efitra ho an ‘ny zanak’Israely (Det 8,2) na ny 40 andro tany an’efitra  niomanan’i Jeso hitory teny (Mt 4,2)… Fiomanana ho amin’ny zavatra tsaratsara kokoa…
[2] Agapè, izany hoe “amour ablatif” izay tsy mitady afa-tsy ny hahasoa ny olon-tiana…
Eros, izany hoe “amour désidéreux”, izany hoe mitady ny tsy ampy ao amin’ny olon-tiana, mba hifamenoana ho amin’ny fahasambarana.

La St Valentin : indray andro hono...

harilova | 14 Febroary, 2007 11:44

Raha indray andro ihany no fetin'ny Mpifankatia, hanao akory no iainana ny andro sisa rehetra tsy hankalazana ny fety?

Io no fanontaniana apetrako amin'ity andro anio ity. Toa lasa fety hifaninanan'ny tolotra sy ny tinady ihany manko ny fifankatiavana, toy ny hafa rehetra (krismasy sy paska hidirana indray maka isan-taona am-piangonana)...

Ao amin'ny Blaoginy dia nanoratra i ASNAH hoe : "Ny fitiavana dia tsy ny fijerin'ny andaniny ny ankilany fa ny fitiavana dia ny fiaraha mijery ny ho avy".

Dia nametraka hevitra aho hoe : Mazàna ny fiantombohan'ny fitiavana rehetra dia fifampijerena, tsy hoe lany andro mifampijery fa kosa mahalany andro ifampijerena... mialoha ny tena hiatrehana ny fiainana, araka ny tora-kevitr'i Tokinao sy i Soanja.

Heveriko araka izany, fa andro tsy hifampibanjinana loatra ny andro anio, fa kosa hanamafisana ny fifankatiavana.

Raha mandinika ny fiarahanao amin'ny olon-tianao ianao, aza adino ny hasarobidin'ny fahendrena tatsinanana manao hoe : "izay vadiana no tiavina" miohatra amin'ny tandrefana hoe "izay tiana no vadiana". Ny fitiavana dia mila kolokolo, tsy miankina amin'ny fifankafantarana loatra, satria mistery ny olombelona, fa miankina amin'ny fahafohizan-tena...

Dia saintsaino ny fahendrena kristianina hoe : "Manaova soa an'izay mankahala anao, mivavaha ho an'izay manenjika anao..." (Lk. 6, 27ss). Tsy sanatria hivavaka ho azy mba ho faty haingana sanatria, tsy fivavahana izany, fa kosa ny mivavaka ho azy mba hahafahanao mikatsaka ny soa ho azy...

Tadidio mandrakariva fa ny fitiavana no manova ny fo sy ny fomba fijery ny hafa : "Izay tiana no mitombo tarehy"... fa tsy ny fironan'ny fo no hitiavana sy hankahalana... na dia izay aza no mitranga mandrakariva...

Fa inona ny fitiavana?

Oviana aho no ho faty?

harilova | 07 Febroary, 2007 19:34

Naheno ny fahafatesan'ny rahalahiko any an-tanàna aho, dia nanoratra eto izao. Matin'ny Cancer tamin'ny aty hono : areti-mandoza fa ny aza mba voany. Na natao ny fitiliana sy ny fitsabona dia ny aina no nanaraka, sady fotoana fohy monja dia lasa taolana mifono hoditra...

Tampoka ny fahafatesana na hiomanana mandrakariva aza, na dia efa fantatra izao aza fa tsy maintsy ho faty ny manan'aina rehetra: Lalana hoe ny fahafatesana, fa tsy sanatria fiafarana... Tenim-pinoana anefa izany, ka ataon'ny tsy manam-pinoana ahoana ny hahazo azy?

Dia hoy aho hoe : tampoka ny fahafatesana, tsy mbola manan-kavaly ny sain'ny olombelona eo anatrehan'ny fahafatesana. Soa ihany lahy raha tsy izany ho nanao ny tenany ho andriamanitra ra-fikarohana (science).

Manoloana izany aina indramina izany koa dia nanontany tena aho hoe mba oviana tokoa aho lahy no ho faty? Sao mba fiantsoana ahy hanomana ny fahafatesako ny fahafatesan'ny hafa?

Tsy natao ho an'ny mpino ihany ny fahafatesana. Tsy fampiononan-tsaina akory ny fiheverana azy ho fandalovana. Tsy fandemen-tsaina ny fampianarana momba ny fiainan-ko avy. Ilay Tompon'ny Aina no mandahatra ny zavatra rehetra, hainy ny maka, hainy koa ny mamerina azy ho amin'ny hafenoany.

Sanatria ve dia tsy hisy ny lanitra, ka sady very ny filibàna teto an-tany ireo nikatsaka azy no ho diso fanantenana amin'ny any an-koatra?

Hoy i Pascal namaly azy hoe : "Mino ny lanitra aho, ny fiezahako ho mendrika azy tsy sanatria ezaka very maina fa nanampy ahy hivoatra amin'ny maha-olon ahy... hany ka na sanatria tsy misy aza izany lanitra izany (nefa lazaiko mazava fa misy izy), dia tsy matiantoka aho... ireo tsy nino kosa, tsy nandraharaha ny hampisy vidiny ny fiainana, raha tsy misy ny lanitra, tsy nahazo na inona na inona satria tsy hanaraka any an-koatra ny filibàna, fa raha misy kosa ny lanitra, ho very ny zava-drehetra izy ireo satria tsy misy na inona na inona ho azo atao intsony."

Handry ao amin'ny Fiadanan'ny Tompo anie ny fanahinao, ry rahalahiko léon-Paul Razanaparany.

 (tohiny)

Fifanakalozan-kevitra! Possible ve?

harilova | 28 Janoary, 2007 23:56

Heveriko fa laharam-pahamehana ho an'ny tontolo hiainantsika izao ny fahaizana mifanakalo hevitra. Nefa manahy aho hoe azo antenaina ve ny hahatanterahan'izany?

Taorian'ny herinandro nivavahana ho an'ny Firaisam-pinoana dia nanontany tena aho hoe : mba misy fanantenana ve ny hiraisan'ny Mpino? Asa... Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra....

Fa ankoatra izany, na dia somary mifanohitra ihany aza ao amin'ny lalam-panorenana malagasy ny finoana an'Andriamanitra sy ny fahalalahana amin'ny sehatry ny finoana, dia tsy ho afaka ny hoterena velively ny finoana...

Mba hahafahana mifanakalo hevitra (dialogue) dia misy zavatra iray tsy maintsy apetraka ho fepetra : ny tsy fitompoana teny fantatra... Raha mihevitra ho manana ny marina ny andaniny dia mety hanana ny marina koa ve ny ankilany?

Rehefa mifanena amin'ny tsy Mpino ny mpino, hanaiky ny tsy finoany ve sa hanivahiva azy satria izay no safidiny, asa noho ny fahitany fa toa tsy manova inona loatra eo amin'ny fiainan'ireo mpino ny finoana narahiny... na vao mainka aza lasa fanafintohinana satria miaina ratsiratsy kokoa noho ny tsy mpino!!!

Zavatra roa no heveriko hiorenan'ny fifanakalozan-kevitra, ary zavatra tsy azo hiadian-kevitra : ny lalam-pitondrantena sy ny foto-pisainana.

1- Ny lalam-pitondran-tena (Morale)

Rehefa manizingizina ny fihambonian'Andriamanitra ny silamo na ny Kristianina dia heverina ho misy fiantraikany eo amin'ny fitondran-tena izany... Afaka manao izay tiany ny olona raha foanana ny finoana ny lanitra sy ny afobe... tsy hisy intsony ny tsara sy ny ratsy fa izay tiako sy ny mahafinaritra ny saiko no ataoko...

Raha mandinika tsara anefa isika, tsy azo adinoina fa ny fitondrantena ratsy ataon'ny hafa dia efa zary afobe sahady ho antsika, efa zary fijaliana, samy mizaka ny vokatr'izany... Araka izany, tsy ny finoana ny lanitra sy ny afobe loatra no iankinan'ny lalam-pitondrantena, fa ny fiaraha-miaina. Ka atao ahoana no hanafoana ny fiaraha-miaina? Araka izany tsy maintsy misy fepetra sy drafitra arahina mba hampirindra fiaraha-monina...

2- Ny Foto-pisainana

Ny tiako holazaina eto ny sain'ny olombelona iavahany amin'ny biby, ahafahany "miahy" sy "manahy". Dia nampiasain'ny olona marina tokoa ny saina ka hitantsika ny vokatry ny fikarohana siantifika izay toa tsy misy fetrany intsony...

Dia  lazaina hoe tsy ilaina intsony Andriamanitra izay nanankinana ny tsy takatry ny saina hatrizay... Dia manjary resa-be ny bioéthique sy ny fikarohana ara-tsiantifika... te hanisy fetra amin'ny lafiny fikarohana ny mpitondra fivavahana satria hono hoe : lasa tsy misy vidiny intsony ny maha-olona fa zary seha-pikarohana sy fanaovana andrana toy ny natao tamin'ny bitrovoalavo fahiny...

Tsy ny fisian'Andriamanitra velively anefa no olana, tsy ny izy velively no hanakana ny olona tsy hisaina... Tsy ho zary takatry ny saintsika na oviana na oviana koa ny tontolo... ampahany ihany ary ampahany amin'ny ampahany nohalalinina manokana... Ny hainao tsy haiko, ny ato antsaiko tsy fantatrao...

Ny foto-pisainana dia ny zavatra manery antsika hanao safidy eo amin'ny fiainana... NAHOANA AHO NO MANAO ITY ZAVATRA ITY?

Rehefa mahita ny valin'io fanontaniana io ianao dia aza adino ny mametraka ny hafa manaraka : FA MANINONA AHO RAHA TSY MANAO ITY?.. Raha toa ka natao tsy am-piheverana, ankoatry ny fijerena sy fizakana ny vokany... dia miforona tsikelikely ny foto-pisainana rehefa tsapanao fa tsy irery ianao fa manana mpiara-monina ka manontany tena hoe : ARY MBA TIAKO VE RAHA (N)(H)(M)ANAO TOY IZANY KOA NY HAFA?

Fehiny dia hoe : hany fepetra hahafahana mifanakalo hevitra ny fifampitsinjovana mba hanao amin'ny hafa izay tianao atao aminao...

Tsy sanatria anefa hanakana anao tsy handrara ny hafa tsy hanao izay tsy mety ataonao izany fa kosa hanome hery anao hamporisika azy hitsinjo mandrakariva ny fiaraha-monina amin'ny fifampizakana ny kilema sy ny fiezahana tsy hanao izay tsy tianao ataon'ny hafa aminao...

Ho anao ry Teofily!

harilova | 21 Janoary, 2007 14:46

"Ho anao ry Teofily manan-kaja no nanoratako ny Filazan-tsarako, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao". (Lk, 1, 1-4).

 Rahefa manomboka mamaky ny evanjely nosoratan'i Lioka ianao, dia mahita ny antony nanoratany azy. Tsy ho an'ny rehetra, fa ho an'i Teofily. Tsy anarana toy ny anaran-tsamirery rehetra akory io fa kosa anarana entiny milaza sokajin'olona : ireo "sakaizan'Andriamanitra".
 Iza no sakaizan'Andriamanitra? Ireo efa nandray ny  fampianarana momba an'i Jesoa Kristy, ka te handalina izany...
Dia hoy aho hoe : Mba anisan'ireo sakaizan'Andriamanitra ireo ve ianao? 
 Ny mahagaga manko, araka ny efa nolazaiko teo aloha (jereo eto) dia indraindray, na matetika mihitsy aza, lasa kobaka am-bava ny fitiavana an'Andriamanitra.
Raha samy sakaizan'Andrimanitra ary, mety ho fahavalon'ny sakaizan'ny sakaizako ve aho? 
 Tsy midika ho amin'ny tandrametaky ny "Andriamanitra iray ihany" anefa izany...
'Ndao hisikim-ponitra ho fitaovana hampiray ny olombelona... ny Fitiavana no mampiray. 

 

Ny firaisam-pinoana! Rediredy sa revin-gadra?

harilova | 17 Janoary, 2007 23:32

Revin-gadra ve sa rediredy ity Firaisam-pinoana ity? Fiaraha-mivavaka eny an-kianja! na any an-tempoly... Fiarahana manohana am-bavaka ny firenena sy ny Mpitondra azy... Vavak'i Jeso (Jn 17) ny mba haha-iray ihany ireo rehetra hino Azy!

Izay hino Azy : mino fa tsy afaka hivavaka tsaratsara kokoa noho i Jesoa, kapiteniny. efa ho 2000 taona izay (latsaka kely foana) no nandaozan'i Jesoa ny tany, na dia milaza fa mitoetra eo anivon'ny fiangonany mandrakariva aza izy... nefa toa vao maika aza miady kitrana ny "mpino Azy"... Fa tsy mandaitra va re ny vavaky ny Zanak'Andriamanitra?

Heveriko fa tsy ny Vavaka nataony no tsy nandaitra, fa ny hino azy no sarotra hotadiavina : "Amin'ny andro hiverenan'ny Zanak'olona, mbola hisy finoana va re ety an-tany???"

Dia hoy aho hoe : revin-gadra sa sentosento ity vavaka atao mandritra ny herinandro ity? (18-25 janoary)?

Ekomenisma (oikoumené)  hono e, Firaisam-pinoana!!! Fiaraha-mivavaka... Isaorana anie Andriamanitra. Mampandinika ahy anefa dia hoe : Fa tena mino an'i Jesoa ve ireo miara-mivavaka ireo? Mitovy ve ny fiheverana ny atao hoe Fivavahana? Sa mba fombafomba ihany ?

Heveriko fa ankoatra ny fiaraha-mivavaka, tokony hohamafisina ny fifanakalozan-kevitra fa indrindra ny fiaraha-mandinika ny atao hoe : Finoana sy ny fivavahaha, sao ny nantenaina hanirina vao maika hampivandravandra!

Samy manana ny foto-pisainana nanabeazana azy manko ny kristianina arakaraka ny foto-pinoana nanabeazana azy, ary mazàna ny fampitana sy fanazavana izany foto-pinoana izany dia ny Fanaratsiana na ny fitsikerana ny hafa... Tsy azo hodian-tsy hita izany : ao ny "mpivavaka amin'ny sarivongana", ao ny "kristianina tafasaraka"... dia voizina ny hoe "ny antsika ny sakramenta tsy 7 fa 2, tsy roa fa zato, tsy zato fa arivo... mitovy zò ny lahy sy ny vavy ka ny anay ny vavy koa azo atsangana ho mpitondra fivavahana!!!" Dia tsy mahagaga raha afaka mifanambady ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy satria efa samy mitovy!!!

Ny lalàna sy ny fampianarana ifotoran'ny Finoana no tena mampisaraka! Amporisihina ny rehetra hahay hiara-miasa hanorina fiarahamonina mandroso sy milamina...

Ny vavaka ataoko amin'ity herinandro ity sady amporisihako anao dia hoe :

"Tompo o!
Ampio aho hampiasa ireo lalàna ireo ho amin'ny fitiavana!

Ampio aho hizotra avy amin'ny Fitiavana ny lalàna ho amin'ny Lalàn'ny fitiavana!" Amen

Fahagagana!!!

harilova | 14 Janoary, 2007 12:47

Mino ve ianao fa misy fahagagana ety ambany masoandro! Tsy "impossible" akory ny fahagagana fa zavatra tsy takatry ny herintsaina raha tsy ampian'ny Finoana...

Misy fomba fiteny hoe : impossible mais vrai! Dia tsy azoko mihitsy, satria raha toa ka "vrai" dia efa tanteraka, noho izany "possible". Tsy hoe zavatra tsy afaka hitranga tsy akory no atao hoe fahagagana fa zavatra tsy noheverina hitranga, ka hahitana ny asan'ny hery miafina izay mazana tsy takatry ny saina...

Mahagaga! Namaky ny resaka fahagagana [famantarana (archè)] tao amin'ny Evanjely (Jn 2, 1-12) aho maraina io, dia nihaino sy nijery tao amin'ny internet ny fampianarana momba io Evanjely io, dia samy milaza fa ny Rano novàna ho divay dia santatry ny hafaliana entin'i Kristy ho antsika eo amin'ny fiainana...

Ilay tenin'i Maria hoe "Tanteraho avokoa na inona na inona holazainy aminareo", dia manambara ny "vavaka" hifandraisantsika a,min'Andriamanitra... Tsy ny manatanteraka mazàna no mazana fa ny mahafantatra ny lazainy...

Fa mba hahafantatra izay lazainy, dia heveriko fa ny voalohany indrindra andrasana amintsika dia ny manasa an'i Jesoa ho ao amin'ny fampakaram-bady ...

Fampakaram-bady : izany hoe ny fisantarana ny fiainana, fanombohana ny fikasana ho mandramaty... I Kristy no hanampy antsika hisedra ny mety ho tafiotra raha ekentsika hitsabaka amin'ny raharahan-tokantranontsika izy...

Dia hoy aho hoe : angamba, io fanasàna omentsika an'i Jesoa hanatrika ny fetintsika io, fanasana Azy ho eo anivontsika, io no antsoina hoe : Vavaka!!!

Io no fanokafana ny maso hahita ny fahagagana!

Bedao ny fandrianao, dia mandehana mody!

harilova | 12 Janoary, 2007 18:48

Namaky ny Filazantsaran'i Jeso aho ny maraina (Mk, 2, 1-12) dia nahita hoe : "bedao ny kidoro dia mandehana mody any an-tranonao."
Resaka fanasitranana ilay malemy nentin'ny havany teo aminy moa io Evanjely io. Tsy ny finoan'ny havany nandoaka ny tafon-trano loatra no tiako hifampizaràana aminao eto. Efa mahazatra ny maheno ny  amin'izany...
Tsy ny toetsaina Jody izay mihevitra fa vokatry ny fahotana ny aretina sy ny loza mitranga, izay boka sy malemy dia nanota, na izy na ny ray aman-dreniny... tsy izany ihany koa...
Ity no hifampizarako aminao : "Batao ny fandrianao, dia mandehana mody"
Sady nanaporofo ny fahefany afaka amamela heloka i Jesoa no nilaza ny tokony hataon'ilay voavela heloka : "mibata fandriana" dia "mandeha mody any an-trano"...
Heveriko fa tsy moramora amin'io vao avy nositranina io ny hibata ny fandriany natoriany nandritra ny taona maro... Mety heverintsika hoe : satria tsy manana afa-tsy iny izy ka na mitahiry fahatsiarovana ratsy ho azy aza iny dia tsy maintsy hoentiny mody!
Raha ampifandraisina amin'ny tsy finoan'i Tomà Mpianatraio, izay nahita ny loaky ny fantsika taorian'ny fitsanganan'i Jeso ho velona (Joany 20,27) dia ahafahantsika manatsoaka lesona iray lehibe : "ny fahatsiarovana" (memoire!).
"Ny lasa anie tsy mety maty" hoy ny tononkiran'ny Ny Ainga... Ny famelan-keloka tsy akory tsy manafoana na mamafa ny fahatsiarovana...toy ny fitsanganan-ko velona tsy nanala ny loaky ny fantsika.
Heveriko fa ny manaiky hibata fandriana handeha hody any an-trano no mafy indrindra amin'ny sehatry ny fibebahana. Izay ny fanetren-tena. Izay no mafy indrindra amin'ny sehatry ny famelan-keloka. Nefa io no ivon'ny atao hoe : "famindram-po".
Ny tsiahy ny adalana sy ny fahalemen'ny tena no ahafahana miverina any an-trano. Tena sitrana izay afaka mibata ny fandriany ka mody any an-tranony!
Rehefa mitamberina ao an-tsainao ny haratsiam-panahin'ny hafa mety nampitondra faisana anao : iny ianao maniry ny soa indrindra ho azy iny, iny no antsoina hoe "famindram-po"...
Dia hoy aho e : "efa mba namindra fo ve ianao?"
"Avelao ny fahotanay, tahaka izay amelanay izay nanao ratsy taminay". Amen
 

Epifania : Fisehoan'ny Tompo!!!

harilova | 06 Janoary, 2007 22:41

Mankalaza ny Epifania ny Fiangonana katolika amin’ny alahady manaraka ny taombaovao. [1]. Epifania, avy amin’ny teny grika á¼?πιφάνεια,, midika hoe fisehoana, toy ny hoe “mivoaka hitàny” ho an’ny avy nifana!
Ankoatr'ireo Fisehoana telo asongadin'ny litorjia dia heveriko fa manamarika ny fiainan'ireo nisafidy ny fiainana voatokana (Relijiozy) ireo fisehoana ireo. izay no holazaiko anao ao amin'ny tapany faharoa amin'ity fifampizarana ity.

I- Telo ny fisehoan’i Jesoa asongadin’ny Litorjia :


1-     ny fisehoana tamin’ny Majy


Ireo mpikaroka manampahaizana avy any amin’ny firenen-kafa, nahita ka nanaiky hotarihin’ny kintana ka tonga nitady ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka (Mt. 2, 1-12). Nifanehatra tamin’i Eroda izy ireo, Eroda izay endriky ny fialonan’ny olombelona te handringana izay mety hisongom-bitana.[2] Nihaiky ny zava-nitranga izy ireo ary nikatsaka hatrany ny fahamarinana ka tafahaona tamin’ilay Mpanjaka afa-miteny amin’ireo mihaino ny marina (Jn 18, 37).
Ny fanomezana nomen’ireo majy an’i Jesoa dia Volamena, emboka ary ditin-kazo manitra. Araka ny kolontsiana tamin’izany dia manambara ny maha-Mpanjaka, maha- Andriamanitra ary ny maha-olombelona an’ilay tolorana azy ireo fanomezana ireo.
Ho an’ny Kristianina, ny Eokaristia no faratampon’ny fisehoan’i Kristy aminy. Dia inona no mba atolotsika Azy amin’izany fihaonana izany? Moa ve tsy ny fahavononana hampanjaka ny fitiavana, izay ambony lavitra noho ny volamena; ny vavaka sy ny fitalahoana amin’ny fo torotoro izay ambony lavitra noho ny fanatitra rehetra sy ny emboka manitra (cf Sal 51, 17…) ; ny fiezahana ho lavorary izay fanambarana fa tonga nofo tokoa ao am-pontsika ny Teniny?
Tsy ho adinointsika koa anefa fa nisy Majy iray (araka ny lovan-tsofina[3]), variana nizara ireo fanomezana nentiny ho an’ny mahantra hitany teny an-dalana, ary tafahaona tamin’i Jesoa Zazakely nitrotro ireo fanomezana nomeny ny mahantra… Izay manome ny mahantra, hoy i Joba, mampisambotra an’Andriamanitra.


2-     Ny Fisehoana tamin’ny Batemy :
Ilay Fanahy Masina nidina naka endri-boromailala (Lk 3, 15-22) dia manambara an’i Jesoa nanamasina ny rano hanaovana batemy, ary mampisy heviny vaovao ny Batemy hanaovana batemy ireo hanara-dia Azy: Izy ilay tsy mila fibebahana manko nandray ny batemim-pibebahan’i Joany mba hanambarany ny hasarobidin’ny “Fitsobohana” ao amin’ny Reniranom-pahasoavana… dia ny Fanahy Masina…
Io Fanahy io no ananganana izay vita batemy ho zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy, ka ny Fiombonana amin’i Kristy no mampisy heviny ny fiainana…
Tsy azo adinoina fa naka endri-boromailala ny Fanahy, ilay voromailala nanambara ny faran’ny safodrano tamin’ny andron’i Noe (Jen 8, 6-12) izay midika fa tsy sazy intsony no tokony hibebahan’ny olona fa ny famindram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra[4].


3-     Ny fisehoana tamin’ny fampakarambady tao Kanà
Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesoa, izay lazain’i Joany Evanjelista hoe “famantarana” (Jn 2, 1-11) dia manambara fa na dia efa tsy manan-kantenaina intsony aza isika, lavitry ny hafaliana – efa lany divay –, dia eo i Kristy, loharanon-kafaliana… kanefa kosa, tsy azo adinoina ny hafatr’i Maria Reniny amintsika : “Ataovy avokoa, na inona na inona holazainy aminareo…”, na inona na inona… Mitaky finoana izany.


II- Fiainan-drelijiozy


Ho an’izay nifidy ny fiainan-dRelijiozy, ireo fisehoana telo ireo dia mamintina ny voady telo natao teo anatrehan’Andriamanitra :


a) Nanaiky an’i Jesoa ho mpanjakan’ny Mpanjaka ireo Majy… Ny faneken-dRelijiozy dia mifototra amin’izay fiaikena ny maha-mpanjaka an’i Kristy izay, ka hikatsahana mandrakariva ny sitrapony, eny fa na dia tsy maintsy hanontany ny hevitr’i Eroda aza, ary hanaiky ny toroheviny… mandrapahita an’i Kristy…[5]


b) Ny fanamasinana ny ranon’ny Batemy dia manambara ny sitrapon’i Jesoa te hanadio ny fon’ny Relijiozy ho afaka hitia ny olon-drehetra araka ny fon’i Kristy… ka tsy hikolokolo fitiavana manokana mety hanakana izany fahafahana mitia izany : ny voadin’ny fahadiovana!


d) Ny Fampakarambady tao Kanà kosa manambara fa tsy ny divay loatra no tena hafaliana hameno ny fontsika fa i Kristy. Ny fitokisana amin’ny Teniny sy ny Tenany no Harena sy antoka hahafahana mamakivaky ny fiainana, dia moa ve tsy izany ny voadin’ny fahantrana izay fiezahana hampiasa ny haren’ny tany hanitarana ny haren’ny lanitra!


Raha te hihaona amin’i Kristy ianao dia miangavy anao aho : aza adino ny manomana ny fanomezana hatolotrao azy!



[1] Ankalazaina ny faha-6 janoary amin’ny toerana sasany
[2] Tsy azo adinoina fa toe-tsaina tsy vahiny amintsika io, misy amin’ny kolotsaina malagasy… ohatra ny teraka alakaosy…
[3] Baltazara
[4] Tsy azo adinoina fa ny “mission” nanirahana an’i Jaona mpanao batisa dia ny hampahafantatra ny olona fa ny “famonjena”, dia azo avy amin’ny famelana ny heloka natao (Lk 1, 77)

[5] Tandremana ho an’izay mpandidy sao manao ohatra an’i Eroda !

 (tohiny)

Arahaba nahatratra ny taona

harilova | 04 Janoary, 2007 00:16

Arahabaina nahatratra ny taona. Ny firarian-tsoa ataoko anao dia ny tso-drano izay nasain’ny Tompo ataon’i Mosé (Nb 6, 23-27) tamin’i Aarona sy ny zanany manao hoe : “Hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo… Hampamirapiratra ny tavany amino sy hiaro anao anie Izy…. Hanopy ny masony amino anie ny Tompo ka hanome anao ny fiadanana”.
Raha natokana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny fiadanana manko ny Taombaovao (1 janoary) dia mahatsiaro ny tenin’i François d’Assise tamin’ny rahalahiny, notantarain’ny pretra iray izay aho hoe : “Andriamanitra dia manome antsika ny fiadanana, fa tsy mamela antsika hiadana”. Toa mifanohitra nefa izany tokoa : amin’ny teny frantsay dia hoe: “Dieu nous donne la Paix nais ne nous lasse jamais en paix”.
Manamafy izany ny Hafatry ny Papa ho an’ny andron’ny Fiadanana : « Fanomezan’Andriamanitra  ny Fiadanana no sady ezaky ny mpiara-belona »[1]. izany hoe fanomezana mampiasa... tsy mamela hipetrapetraka...

Dia hoy aho aminao :
Enga anie…
Enga anie mba tsy hisy tanteraka izay irinao mandritra ity taona ity…
…. Afa-tsy izay mahasoa anao.
Ka izay tanteraka dia hahatsapanao ny fitiavan’ny Tompo nitsinjo anao…
Izay tsy tanteraka kosa hahatsapanao ny adidy tsy vita sy ny halemen’ny olombelona miara-monina aminao… izay mila ny fahasoavanana avy amin’ny Tompo…
Raha lazainao ho fahalemen-tsaina[2] ny ahy dia lazaiko anao fa tsy mahery saina noho iza ianao ka hahatanteraka izay irinao… izay mazàna hafa noho izay lazainao amin’ny olona.
Tsy maro manko ny olona tena sahy mamboraka ny faniriany lalina amin’ny hafa, fa aleo ny faniriana mety ho tanteraka na izay faniriana tsy holazaina ho “revin-gadra” no lazaina… ary vitsy no tena mahalala ny faniriany marina tokoa... ary asa firy no tena mahalala ny mahasoa azy... saiky ny mahafinaritra mandrakariva manko no ironan'ny safidy... (soa fa saika...)
Samia hotahian’ny Tompo mandritra ny Taona…



[1] Jereo Hafatry ny Papa  § n° 3 : « La paix est aussi à la fois un don et une tâche. S'il est vrai que la paix entre les individus et entre les peuples — capacité de vivre les uns à côté des autres en tissant des relations de justice et de solidarité — représente un engagement qui ne connaît pas de répit, il est aussi vrai, et même encore plus vrai, que la paix est un don de Dieu. »

[2] Na fatalisme na finoanoam-poana na zavatra hafa….

Miarahaba anao nahatratra ny Noely

harilova | 21 Desambra, 2006 22:36

Miarahaba anao nahatratra ny  Noely[1], ary mirary anao mba hanaiky marina fa misy ny Noely

Mampalahelo manko fa maro no miandry ny Noely nefa vitsy no mino azy… Satria efa nifangaro ny varotra sy ny filàna  tombony. Tsy mahagaga raha nosoloina Coca-Cola ny Kintana manandrambo… Ny vola no maha-fety ny fety. Ny Noely natao hankalazana ny hadalan’ny olombelona nampiantrano tany an-tranonomby ny Zanak’Andriamanitra dia lasa fety mampanjonitra ny tsy manan-katokona amin’izao fotoana izao…

Ireo mijaly any an-tranon’omby miaraka amin’i Kristy (mahantra sy tsy mana-kialofana!) ve no manao Noely sa ireo mitavana sy mianjaika amin’ny fitafiana vaovao?

Hanampy anao handinika ny Mistery fonosin’ny Noely ity sary ity. Zava-kanto nambabo ny foko ary heveriko fa namintina izany Mistery izany. Raha vonona ny hizaha izany mistery izany ianao, dia jereo ity sary ity, ary indro omeko anao ny fanazavana.

1- Ny Noely dia ny Fihaonan’ny Fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fahalemen’ny olombelona… Andriamanitra Ray naniraka ary nanara-maso ny Fanahy, hahatonga  nofo ny Zanaka tao an-kibon’i Maria. Ny Fanahy tsy nikasika ny vatan’i Jesoa fa ny Fahandrianana maha-Andriamanitra Azy…

2- I Maria kosa, heveriko fa tsy mandray loatra (ao amin’ny sary), fa manolotra kosa ny Fahalemen’ny olombelona miaraka amin’i Jesoa. Ny Fanekeny no nahazoantsika ny Famonjena… Tonga mpandova ny Satro-boninahitra maha-Renin’Andriamanitra izy…

Noho izany tsy afaka ny hankalaza ny noely isika raha tsy mino izany fihaonan’ny olombelona amin’Andriamanitra izany. Fihaonana izay manambara ny Finoana, Finoana izay azo lazaina hoe fandraisan’ny olombelona eo am-pelatanany ilay fanomezana (=maimaim-poana) atolotr’Andriamanitra azy…

Fandraisana an-tanana (tompon’andraikitra) izany hoe : ny maha-fanomezana ny finoana tsy manamaivana ny anjara andraikitra tandrify antsika  izay efa nosantarin’I Maria tamin’ny FANEKENY… fa manome hery antsika kosa hihatrika ny Fiainana izay ekentsika fa “ady”.[2]

Ny Noely dia ilay Andriamanitra eo anivontsika… Emanoela…

Eo anivontsika mandrakariva izy, Noely lalandava ny andro raha tsy malaky mandao Azy isika… satria fantatro fa tsy izy velively no handao antsika…

Mirary anao hanao Noely Sambatra aho... ary mirary anao hihaiky ny fahalementsika olombelona ka hiandrandra ny Fahasoavan’Andriamanitra izay tsy hiala amintsika na oviana na oviana…



[1] Nahatratra sa tratra ??? Ny noely 2007 efa miandry antsika ao amin’ny tetiandro

[2] Izay tsy manaiky mametraka hevitra!

Joyeux Noel

harilova | 21 Desambra, 2006 21:40

Noël ne peut être que Joyeux… autrement ce n’est pas “noël”…

Je saisis cette occasion à te partager la vraie signification d’une telle fête qui, au fond, laïcisée et ne se distingue plus des mouvements du consumisme.

Noël est la Naissance de Dieu. En anglais, c’est la « messe » du Christ… Mais une messe pour le Christ ou un Christ pour une « messe » ?

Mais pour moi, j’avais rencontré un chef d’œuvre dont je ne connais pas l’artiste qui manifeste en entier mon humble considération pour cette fête de Noël. Si tu es prêt(e) à en découvrir, tu peux voir l’art ici, et en voici les significations :

1- Noël est le croisement de la paternité divine avec la Maternité humaine. C’est un Mystère… voyez ces yeux miséricordieux du Père qui surveillent la touche de l’Esprit (la Colombe) sur l’Auréole (symbole de Divinité)…

2- Et la femme, à ton avis, reçoit ou offre ?
Je pense qu’elle offre la faiblesse de notre humanité pour être protégée de la grâce divine… en fait, elle aussi est touchée de la sainteté radieuse du Christ, même si d’un degré inférieur…

Noël est donc cet échange d’amour entre Dieu et l’homme. L’acte de foi y trouve son essentiel… En effet, la foi est un don de Dieu reçu entre notre main… Ne parlons pas de noël si nous n’avons pas encore reçu entre nos mains, avec notre engagement ce don de Dieu…

Le seul souhait que je fais, pour toi, et pour tout le monde :

Que ce jour te soit vraiment « NOËL »… et que Dieu soit toujours avec toi…

Ce qui me fait peur mais je le dis quand même, même si cela peut te scandaliser, car ce n’est pas vrai du tout ce dont je viens de dire… « Que tu sois toujours avec Dieu… » Car Dieu ne t’abandonne pas, ton choix de rester avec lui que me fait peur…

Joyeux Noël… Croyez-en !!!

Felice Natale

harilova | 21 Desambra, 2006 21:01

E' Natale! E' la festa di Emmanuele, il Dio con noi...

Ma pure non possiamo negare la festività del consumismo che accade accanto al significato profondo cristiano. Vorrei proporti un cammino a scoprire questo significato. Insieme a quest'immagine d' un autore a me sconosciuto, possiamo vederlo meglio.

Se sei pronto ad impegnarti per saper che significa natale : vedi l'immagine, se possibile, stampala e ti darò il mio modesto contributo di interpretazione.

Andiamo

1- Natale è l'incontro  della Paternità divina con la maternità umana. Più che un incontro, è un legame d'amore che diventa per noi sorgente di gioia e di grazia.

2- Lo spirito Santo, infatti non tocca la persona fisica di Cristo ma l’aureolo della sua divinità. Lo Spirito è mandato dal Padre che sorveglia quest’opera di Salvezza…

3- La Vergine Maria invece, prende in mano Gesù Bambino, non perché l’ha ricevuto da Dio, ma per offrir a Dio la nostra debole umanità che è bisognosa della grazia santificante di Dio… natale è perciò regalo...

Natale è questo Dio-con-noi, l’Emmanuele. Il saluto del Sacerdote “Il Signore sia con Voi” finisce dunque con l’Avvento… Stiamo a Natale e quindi, il saluto deve essere cambiato “il Signore rimane (sia) SEMPRE con voi” perché sta già in mezzo a noi…

Auguro dunque u per tutti quanti Buon Natale, cioè un tempo di natale che non finisce mai più…  

Sforziamo di non andare all'inferno (dove non c'è Dio) dopo una decina di giorni... 

 (tohiny)

Mifalia mandrakariva!

harilova | 17 Desambra, 2006 23:29

Mifalia mandrakariva... ao amin'ny Tompo! (Fil, 4,4).

Dia nandinika aho hoe aiza tokoa moa ny loharanon-kafaliako? Inona no mahafaly ahy? Raha ho avy ny Krismasy, toa ireo fetifety isan-karazany, na ny any am-piangonana aza no tiako kokoa, noho ilay Andriamanitra tonga niara-nonina tamiko...

Raha te hifaly marina isika dia tsy maintsy mitady izany hafaliana izany, ao amin'ny Tompo... Dia hilaza ianao izany hoe ny tsy mpino izany tsy mba ho faly?

Raha ataontsika hoe fahasoavana sy fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Finoana, dia miangatra Andriamanitra tsy nanome izany ireo tsy mpino... nefa sao sanatria tsy hoe Andriamanitra no tsy nanome fa izy ireo no tsy nandray!

Ny tena fahaliana manko dia maharitra. Tsy azo afangaro ny hafaliana sy ny fijaliana. Misy aza karazana aretin-tsaina mitady hafaliana amin'ny fampijaliana (masochisme), efa resaka hafa moa izany...

Ny hafaliana ao amin'ny Tompo dia ny fahitana fiadanana amin'ny manodidina, mety ho amin'ny fifampizarana ny manta sy ny masaka izany (jereo Lk 3,10), mety koa ho amin'ny fifandeferana amin'ny fahalemena, izay antsoin'ny Kristianina hoe "Famindram-po"...

Tsy ao amin'ny zava-mahadomelina ny tena hafaliana fa mandalo ihany ny hafinaretana azo avy ao... tsy avy amin'ny  revirevy sy ny hafinaretan'ny nofo ny hafaliana, fa na ny fitiavana aza ataontsika sarim-po maratran-jana-tsipika...

Ny hafaliana maharitra  dia ny fanekena ilay Andriamanitra eo anivontsika... nanaiky hiara-monina amintsika... ary Fitiavana mamindra fo amintsika mandrakariva.

Mba diniho kely moa ny zavatra tena mamppitebiteby anao e, mazàna ny fiezahana hanafina ny marina, ny fiezahana tsy hanaiky ny zava-misy na ny fetran'ny tena...ataoko fa ireo no mampijaly ny olona indrindra eto an-tany... Tsy enjehin'ny eritreritra loatra, toy ny lazain'ny Ntaolo, fa te handidy alohan'ilay mandahatra ny zava-drehetra...

Ny fanekena an'Andriamanitra hiara-monina amintsika dia tsy vaha-olana hitondra fahagagana loatra, fa fanalahidy hanokatra ny masontsika hiaiky ny marina, hanaiky ny fetran'ny tena ka hidodododo hangataka ny fahasoavan'ilay Mahefa ny zavatra rehetra...

Noely : ekenao tokoa ve fa misy izany? Ekenao tokoa ve fa ankatroky ny noely isika? Matahotra aho hoe tsy izany loatra... Ny kintan'ny Majy efa nosoloan'ny sasany Coca Cola... Ilay Andriamanitra eto amintsika (Noely na Emanoela) efa niova anarana ho "vola"...

Dia mifalia fa noely ny andro e, fotoana fandaniana ny vola sy ny kely voahangona, ny sisa tsy lany mbola hiaretan-tory amin'ny taom-baovao... Dia aorian'izay, mino aho fa hitohy ny hafaliana rehefa manembonembona ny noely tsy hiverina raha tsy amin'ny herintaona indray... dia avy eo dia mba enga anie ho latsa-panenenana hanao hoe : "tahaka izay...! nifaly  tao amin'ny Tompo..."

 (tohiny)

Premier tour de vita!

harilova | 14 Desambra, 2006 19:42

Mahatsiaro ny fitsofana sifflet “premier tour de vita” tamin’ny 2002 aho, amin’izao ankatroky ny fiandrasana voka-pifidianana ofisialy izao. Tsy te hiditra amin’ny mbola tsy fahamatorana ara-politika eto amintsika aho tsy akory, satria ireo milaza ho mpanohitra tsy nahita kandidat iray hitambarana. Rah atao izany ny kajikajy dia efa nandany 1750000000 farantsa isika ho amin’ny fisoratana anarana fotsiny, dia misaotra an’Andriamanitra aho raha vita premier tour ity mba tsy handaniana vola hafa indray amin’ny pro-pagande.
Pro-pagande manko io, izany hoe : aloha mialoha, fa asa na honerana na tsia aoriana…Dia ho Tari-bady tsy lasam-bodiondry ve sanatria!
Fa ny hafatra ho an’ny antsasa-manila nahalany ny olona iray : “fahamatorana” ny fanajana ny safidy. Na samy te hampandroso an’i Madagasikara daholo  aza ny mpanao politika  (fara-fahakeliny ahay araka ny lazainy) dia samy manana ny fombany avy amin’izany fampandrosoana izany : ao ireo manomboka izany amin’ny tenany aloha (ary nahita fahombiazana tamin’izany fa lasa mpanefoefo tampotampoka...), ao kosa ireo miara-mifofotra amin’ny vahoaka mba hahafahan’ny rehetra manangon-karena (fa tsy hanan-karena). Araka izany, ny Mpitondra raha ny tena izy tsy manampy ny saramba-be mba handroso, fa manampy azy kosa hanana fahafahana hiary an-kahalalahana sy ho voaharo amin’ny fananany.
Raha matotra amin’ny safidy ary ny tia tanindrazana malagasy dia hifanome banana, hahatsapa ny fahasarotam-piainana atrehina ary hisiki-ponitra, tsy hatahotra ny masony fa efa nividy ny lohany
Na iza na iza ho lany, tsy misy fahagagana handrasana afa-tsy ny stramba-be mihoatra ny antsasa-manila mahasahy milaza hoe : io ny anay, tohananay amin’ny fanarenanana fiaraha-monina anjakan’ny fahamarinana sy lavitra ny kolikoly.
Dia ny ahy ny firarian-tsoa efa ataoko satria efa fantatro fa Mr le Président no ho lany eo.
Dia miarahaba anao Mr le Président, ary mirare soa mba tsy handao anao ny antsasa-manila nametra-pitokisana taminao…

 (tohiny)

Amboary ny lalan'ny Tompo!

harilova | 10 Desambra, 2006 12:54

Injao misy feo miantso any an'efitra : "amboary ny lalan'ny Tompo" (Lk 3,4). Hira maredona ataon'ny Katolika amin'ny andro fiaviana ireo, ary hira mifono zava-dalina tokoa :

Injao misy feo miantso mafy any an'efitra :

Fa nahoana no any an'efitra no miantsoantso i Jaona Mpanao Batisa? Ataoko fa ny antony itanisan'i Lioka ireo mpitondra sy mpanapaka fahizany mialoha ny hilazany an'i Jaona (vakio) dia mba hanamafisany ny hasarobidian'ny tany efitra : tsy ny fahefan'olombelona no entin'Andriamanitra mitory ny filazan-tsarany fa ny fahatsoran'i Jaona. Manampy antsika hanatsara ny toe-po enti-mivavaka izany, tsy ny rentirenty loatra fa ny fahatsoram-po. Toy izany koa ny toeram-pivavahana hivondronantsika,  amin'ny fahatsapana ny hasarobidin'ny "fahanginana".

Amboary ny lalan'ny Tompo!

Tsy hoe anamboary lalana ny Tompo, fa hoe : Amboary ny Lalan'ny Tompo. Lalana efa voasoritry ny Tompo io araka izany, fa isika kosa no antsoiny hanatsara azy, hamerina azy amin'ny laoniny : izay no fibebahana. Matetika manko, tsy isika no mizotra ny lalan'ny Tompo, fa Izy no terentsika hanaraka ny sitrapontsika...

Tsy fiandrasana loatra araka izany ny Fiaviana fa Lalana hizorana mandeha hitsena ny Tompo.

Efa eny an-dalana ve ianao?

  

 (tohiny)

Masina Maria tsy azon-keloka! 8 desambra

harilova | 07 Desambra, 2006 23:15

Masina Maria tsy azon-keloka : 8 desambra 1854 nambara mazava ho anisan'ny foto-pinoana katolika. Tsy hoe didy jadona tsy maintsy hinoana tsy akory no anton'ny DOGME (foto-pinoana) fa kosa mba hisorohana ny resa-be tsy misy farany, izay mazana vokatry ny tsy fahampianan'ny fandalinana, na dia eo amin'ny samy mpino katolika aza.

Ny Fankalazana an'i Masina Maria tsy azon-keloka (immaculée conception) dia ho an'ny Katolika, fa fety hitambaran'ny rehetra, indrindra any Eoropa, satria tsy hiasana fa handraisan-karama sy hahafahana mahazo kely amin'ny varotra sarimasina... Tsy ady hevitra amin'ny resaka Masina Maria na resaka fahotana tamin'ny fototra no holazaiko aminao eto, azo resahana amin'ny manaraka ireo, fa kosa, ny maha-zava-dehibe ity fety ity ho antsika...

Raha tsy voakasiky ny fahotana i Maria satria nofidiana ho renin'ny Mpahary azy dia mazava loatra fa fahasoavan'Andriamanitra izany, Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ... Ny fety androany dia tokony ho fanavaozana koa ny hadiovam-pon'ny Zanak'i Masina Maria rehetra, izay nahazo koa ny fahasoavan'ny batemy, manala ny fahotana rehetra... ary mbola afaka manararaotra ny famelan-keloky ny Fampihavanana...

Ny lalana tokana hahafahana mitandrina izany hadiovana izany anefa dia tsy misy afa-tsy ny "lalan'ny TENY TONGA NOFO", nosantarin'i Maria tamin'ny fiarahaban'ny anjely (Lk 1,28), fa kosa notohizany mandrakariva tamin'ny fandinihana izany rehetra nitranga momba an'i Jesoa tao am-pony (Lk 2,51)...

Raha tsy tonga nofo eo amin'ny fiainantsika ny teny, tsy ho afaka ny hiombona amin'ny hafalian'i Maria isika, tsy izy no hivavahana, fa modely sy mpitari-dalana izy, tsy ho azontsika atao tsinontsikona ny anjara toeran'i Maria satria na ny hilaza aza isika fa i Jesoa irery no modely, nandray anjara tamin'ny fanabeazana an'i Jesoa i Maria, mazava ny Soratra Masina milaza fa nanaiky an'i Josefa sy Maria i Jesoa (Lk 2,51).

Ankoatry ny fanampian'ny fahasoavana dia lalana lavitr'ezaka no tsy maintsy hizorana mba hahatonga nofo ny Teny... Mila ny vavaka, fa indrindra ny fahatsiarovan-tena fa nivavaka, izany hoe : afaka mametraka mandrakariva ny fanontaniana hoe : inona no nolazain'Andriamanitra tamiko teo amin'ny fiainako? Inona no sitraky ny fony hataoko? Izay no vavaka...

Arahaba ry Maria... Feno hasoavana, dia ho sanatria ho adalana ve? Sanatria anie izany...

 (tohiny)

Fiavian’ny Tompo : ho antsika advantista rehetra.

harilova | 02 Desambra, 2006 09:07

Fotoana maha-advantista ny katolika ireto herinandro telon’ny fiaviana ireto. Amin’ity taona ity(2006) no fohy indrindra io fotoana io. Maha- advantista ny katolika satria mandritra ireto fotoana ireto no iandrasany ny “fiavian’ilay efa tonga sady miara-monina mandrakariva amin’izy ireo.
Izay no misterin’ny Fiaviana, mampisy fotony ny finoan’ny Kristianina. Tsy hoe sanatria toy ny foto-pisainana grika tsy akory ka ny omaly tsy miova (cyclique) fa kosa finoana tonga tantaram-piainana ka ny tsirairay afaka manavao mandrakariva ny finoany mifandraika amin’ny zava-baobao entin’ny Tantara (linéaire).
Ny foto-pisainana kristianina izay mizotra manaraka ny tantara (linéaire) araka izany dia hitrangana fiovana, mariky ny fandrosoana. Tsy ny foto-pinoana sanatria no miova, fa ny fahafahan’ny olona mandalina sy maneho izany finoana izany no mivoatra araka ny tantara. Izay no maha-mistery[1] an’Andriamanitra : tsy hoe tsy azo sainina, fa kosa tsy mety ho takatry ny saina ho amin’ny hafenoany...
Izay fiainam-pinoana nifandimbiasan’ny taona maro izay no mampisy hasiny ny lovam-panahy (tradition), tsy ho amin’ny fanoroan-dalana fotsiny fa indrindra indrindra harena mitondra amin’ny fivoarana. Fivoarana manao ahoana anefa no ho lazaina amin’ny sehatry ny finoana?
Fivoaran’ny taona litorjika miverimberina isan-taona ve? Tsy izany sanatria, fa fivoaran’ny fiainam-panahin’ny tsirairay. Izany no nahatonga ny Fiangonana katolika handrafitra ny atao hoe : taona litorjika, tsy famerimberenana ny mahazatra tsy akory fa mba hahafahan’ny Kristianina mandinika sy mankalaza amin’ny hafenoany ny fiainan’i Kristy, fa indrindra ireo heverina ho manan-danja indrindra : ny fahatongavany ho nofo (noely) sy ny nahafatesany ka nitsanganany ho velona (paska).
Ankoatra izay fahafahana mandinika ny fiainan’i Kristy izay dia mba hahafahana mitsinjara koa ny hamakiana ny baiboly manontolo araka izay azo atao mandritra ny telo taona (dia izany no mampisy ny taona A-B-D).
Ny Fiaviana (adventus) dia ny fotoana mialoha ny noely, hanomanana ny krismasy. Nanjary nifangaro amin’ny busness isan-karazany moa izany, ka mazàna ny ara-panahy mandefitra amin’ny fanomanana ny fety hahazoana fahafinaretana sy tombontsoa.
Araka ny lovam-panahy izay tsy dia fampiasa firy intsony amin’ny fiangonana maro, misy ny labozia efatra miaraka amin’ny fehezam-boninkazon’ny fiaviana (couronne de l’avent), manambara ny fifandraisan’ny tantara (azo jerena eto).
Mankalaza ny Fiaviana ny katolika, fa na izay tsy katolika aza afaka misintona lesona hanatsarana ny fiainana lalandava, mba tsy ho ny omaly tsy miova ny fiainana fa na zavatra mitovy aza no atao, ny fomba sy ny toe-tsaina hanaovana azy, azo hatsaraina mandrakariva...
Tsy adalana tsy akory ny mamerimberina fa fanamafisana mba ho “antitra” (“mamerina indroa manana ny antitra”), izany hoe manana ny fahamatorana izay tsy azo indray maka fa ezaka tsikelikely. Aza matahotra fa hiverina Janoary isika aorian’ity volana desambra ity, saingy mandiniha tena ny amin’ny fiovana tsapanao ao anatinao, sao mba misy ezaka azo atao ihany ho entina miandry ny Tompo...



[1] Mistery : na dia avy amin’ny matoanteny  “Muo” midika hoe “mitampim-bava”, tsy dia hoe tsy zavatra tsy azo lazaina fa tsy takatry ny herin-tsain’olombelona. Mila ny Fanambarana (révélation).

Faran'ny Taona : Fetin'ny Mpanjaka?

harilova | 23 Novambra, 2006 20:46

Mankalaza an'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao ny katolika amin'ny alahady faran'ny taona litorjika (1). Zavatra roa no tiako hozaraina aminao eto : ny momba an'i Kristy Mpanjaka sy ny vokatr'izay eo amin'ny fiainan'ny Vahoakany...

1- Kristy Mpanjaka :

Tamin'ny alahady teo dia novakiana tao am-piangona amin'ny fanompoam-pivavahana Katolika ny Evanjely nosoratan'i Marka (13, 23-32). Efa fanomanana ny fety io Vaovao Mahafaly io satria milaza ilay Zanak'olona tsy mahalala ny farandro... Andriamanitra voafetra ve izany ilay Jesoa Mpanjaka? Tsy dia izay loatra angamba fa kosa mampianatra antsika ny fahalalana sy ny fiaikena ny fetran'ny tena... Tsy anisan'izao tontolo izao ny Fanjakany... (Jn 18,33-37) marina izany satria raha jerena ny tantaram-piainan'ity Mpanjaka ity dia tsy araka ny heverin'ny kristianina loatra indraindray ka matetika mahamenatra azy ny haneho izany toe-piainana izany araka ny tokony ho izy : teraka tao an-tranon'ondry na omby, dia mazavaloatra fa ny lalitra sy ny fofon-tain'omby no nitsena azy tonga tety an-tany ; avy eo tsy afa-pana akory dia nandositra sesitany tany Ejipta ; vao lehibebe dia nadi-doha nilentika tany an-Tempoly ; avy eo nanomboka nandrafitra nanampy an-dRazozefa rainy ; avy eo niezaka ny hanabe ireo roambinin'ny folo lahy, saingy "tsy nahavita" nanova hevitra an'i Jodasy akory ; noendrikendrehana ho mpanongam-panjakana ka voaheloka ho faty, ny tena marina moa dia nanembatsembana ny tombotsoan'ny lehiben'ny Mpisorona noho ny teny nolazainy... dia maty tamin'ny fahafatesana mahafa-baraka. Rehefa nitsangana inday dia tsy mba niseho tamin'ny vahoaka fa "ankinafinafina" tamin'ny Mpianatra ihany... hita dia tsy hita indray, avy eo dia nipoitra indray afaka havaloana dia avy eo laza any "an-danitra"... Fa Mpanjaka manao ahoana izany?

Rehefa mankalaza ny fetin'ny Mpanjaka anefa ny Kristianina, ny tranon'omby ovany ho tranokely mahafatifaty, mahasarika ny maso, mirentirenty fatratra eny fa na dia ezahana hajaina aza ny endriny ...

2- Fa inona no fiantraikan'izany?

Ny fiantraikan'izany fanovana izany eo amin'ny fiainanan'ny Kristianina dia maro... Hadino ihany koa fe ny mpanjakany dia efa nanaiky hiombona anjara amin'ireo mpitsoam-ponenana matetika voatositosika... ny Mpanjakany nanaiky hifampizara ny ozon'ny hatsembohana hihinana hanina... ny mpanjakany tsy mba nanery na oviana na oviana amin'ny fibebahana sy ny finoana : na i Jodasy na ny vahoaka Jody namono azy, azony natao ny nampiasa ny fahefany hahamenatra azy ireo, saingy Mpanjakan'ny Fahafahana Izy, ka nanome ohatra ho amin'ny fandeferana, ny fahalalana ny fetra...izay fototry ny fahafahana marina... Loza ho anao raha an-tery no entinao mampita ny finoana satria na ny Mpanjakanao aza tsy nanao izany...

Ny mety hanaitra anao ary mila hotandremana fatratra, efa nolazaiko taminao ihany dia ity : tsy ny firesahanao azy na ny firesahanao aminy (2) no hahavonjy anao fa ny fitiavanao azy ao amin’ireo endrika tiany hisehoana ireo : ny mahantra, ny mijaly tsy manan-kianteherana, ny marary, ny any an-tranomaizina… noho ny fitiavana… Mpanjakan’ny Fitiavana io Mpanjaka io… Tandremo fa mety hialoha anao any amin’ny Fanjakan’ny lanitra ny vehivavy janga sy ny hafa heverina ho mpanota…

3- Kristianina o! Indro ny Mpanjakanao...

Tsy mora ny mahay mahita an’i Kristy ao amin’ny mahantra raha toa ka beazina hitondra tena toy ny eo anatrehan’ny "mpanjaka araka an'izao tontolo izao" isika (3)… Fa nahoana no tsy hekena ho tonga any ampiangoanan ny fahazarana eny anivon'ny fiaraha-monina? Satria ve ratsy? Rehefa mahita ny olona miresaka am-piangonana aho dia faly na dia ho fanafintohinana ho an’ny Mpitondra fiangonana maro aza izany. Nahoana? Satria hoy aho hoe sahy maneho ny fifankatiavany eo anatrehan’ny mpanjakany ny Kristianina. Fa firifiry moa ny ao am-piangonana, milaza ho vahoakan’ny Mpanjakan’izao tontolo izao, no tsy mifampiteny akory, mifanao an-dolom-po… dia hodiana tsy hita fotsiny. Ankoatra izany anefa, tsy ny tsy hiresahan'izy ireo no mety hanekeko ny hampanginana azy ireo fa kosa hanampy azy ireo bebe kokoa hiresaka amin'ny Mpanjakany, tsy azo hanadinoina manko ny hiresaka amin’ny mpanjaka ao anatin'ny  Fivavahana (4) fa izany no hanampy antsika hahita Azy ao amin'ny mahantra sy ny kamboty.

(1) Momba ity faran'ny taona ity dia samia manao fandinihan-tena ny niainany ny Evanjely nosoratran'i Marka : I Jesoa Kristy, Zanak'Andriamanitra. Ny fahamatoran'ny finoana nitondran'i Marka antsika dia ireto :
a- Rehefa nandao an'i Jesoa ny vahoaka satria mafy loatra ny manara-dia azy sy ny mahazo izay tiany holazaina dia nanaiky i Piera hoe : ianao tokoa no Kristy...
b- Rehefa voalefona teo ambony hazofijaliana i Kristy, dia niaiky ilay kapiteny hoe : tena zanak'Andriamanitra marina io lehilahy io, hitany hoe lehilahy...satria nahatana ny teniny...
 

Fa ianao, rehefa manoloana ny fahasahiranana, manoloana ny fahoriana, manoloana ny fijaliana, iza i Kristy ho anao? io no lalana natoron'i Marka nandritra ny taona litorjika...

(2) Hafa ny miresaka aminy, afa ny miresaka azy ( jereo ny momba ny vavaka)… maro no mahay miresaka Azy sy ny momba Azy fa vitsy no mahay miresaka aminy…

(3)  Mpanjakan'izao tontolo izao i Kristy fa tsy niseho na oviana na oviana ho toy ny Mpanjaka heverintsika amin'ny fisainan'izao tontolo izao

(4) Rehefa avy mivoaka ny fiangonana ianao, milaza fa avy nivavaka dia mba manontania moa tena hoe inona no noresahako taminy (mety efa noheritreretina mialoha iny) fa indrindra ny hoe : " Dia inona no mba nolazainy tamiko?". Raha tsy misy valiny ireo roa ireo, tsy niresaka taminy ianao, noho izany "tsy" nivavaka... asa naninona?

Fiangonana! Ady masina sy fifandirana...

harilova | 15 Novambra, 2006 21:53

Aza gaga ianao raha toa ka maro no tsy miditra am-Piangonana intsony, noho ny ataon'ny namany mpivavaka, na ny mpitondra fivavahana... tafintohina izy ireny. Mety hanome tsiny azy ireny ianao hanao hoe : ny adalany ny azy fa angaha mompera na Pastera no ivavahana?

Tsy ny rehetra no nianatra sy nandalina katesizy sy sekoly alahady ka afaka hahatakatra ny atao hoe : Ny olona no fiangonana... Tsy ny silamo rehetra no hamaky ny Coran ka hahita ny Soraty [37,42 sns] milaza fa izay manao asa soa no ho any am-paradisa, tsy ho tratry ny fahafatesana faharoa amin'ny andro fitsarana...

Ny fifampitsikerana, na amin'ny samy mpino (mety ho mitovy antokom-pinoana aza) na amin'ny mpino sy ny tsy mpino dia tsy mba nanova ny andaniny sy ny an-kilany ho amin'ny tsaratsara kokoa fa nampisy ady sy fifandirana, lonilony sy valifaty tsy mbola levon'ny taranaka arivo taona aty aoriana...

Ny fivavahana kristianina, nararaotin'ny Mpanjaka sy ny Mpanao politika hanitarana ny fanjakany, sady hanampy azy ireo amin'ny fifehezana ny vahoaka... raha toa ka ny fiadiana amin'ny hevi-diso isan-karazany momba ny foto-pinoana no nimasoana talohan'izany...

Nisy ihany ireo nahatsiaro tena fa efa tafahoatra loatra ny fanararaotam-pahefana sy ny fahalovana, indrindra tao anivon'ny fitantanana, dia nanapa-kevitra ny hisintaka... tsy nanova zavatra firy fa vao mainka aza nanitatra indray ny fery...

Misaotra an'Andriamanitra isika fa mahay miara-monina ny mpino... tsy azo adinoina ny ady an-trano nisy tany Eoropa (nifanaovan'ny Katolika sy ny Protestanta)....Lava be raha hotohizana e 

Nahoana no miady ny mpino samy mpino? na kristianina na silamo?... Mpitory fiadanana hoe no dikan'ny islam (Fiadanana) nefa rehefa lazaina ho "masina" ny ady (Djihad) dia tsy haiko intsony ny hamaritana ny atao hoe Fiadanana... paix...pax...fandriam-pahalemana sa mandry an-driran'antsy? satria ny fiadiana enti-matory ary mody "tsy miady tsy miady fa ny kobay an-kelika ihany!"...

Tsy milaza aho hoe tsy mahasoa ny tsikera na hoe tsy ilaina sanatria, fa kosa mialoha (fa raha tsy nahavita, tsy  tara na atao aoriana aza) ny hitsikerana ny hafa, mba jereo koa ny nataonao...

Sao sanatrian'izany isika miambo ho kristianina, ho voaheloka, fa ireo nanao soa tamin'ny mahantra (nefa tsy nahalala an'i Kristy akory hoy ny Evanjely) no ho voavonjy?... Evanjely amaranan'ny Katolika ny Taona litorjika io ka mampandinika ahy fatratra hoe : miverina  ihany isan-taona, fa misy vokany amin'ny  toe-piainana ve? Amin'ity taona ity izao dia hoy ny Evanjely hoe "Tsy anisan'izao tontolo izao ny Fanjakan'i Kristy"... dia tohizan'ny zava-misy hoe "na izany aza dia miady ny oloko mba ho anisan'izay matanjaka indrindra amin'izao tontolo izao"... dia samy mihambo ho mpanara-dia azy...

Sao ireo milaza hoe "oviana no mba nahita anao izahay ry Jesoa..." no ho voavonjy? Mampandinika ihany amin'ny toe-tsaina hoenti-mifandray amin'ny hafa finoana, na amin'ny tsara sitra-po tsy mino akory...

Fa matoa izy ireny tsy mino... misy antony...

 (tohiny)

Dialogue interreligieux

harilova | 06 Novambra, 2006 21:18

Dialogue : izany hoe tenin'olon-droa! Olona, na hevitra roa izany no mifanakalo.
Raha vao milaza izany resaka "dialogue" izany isika dia tonga ao anatin'ny saina mazàna ny hoe "marimaritra hiraisana...
Tsy azo adinoina anefa fa misy fetrany ny marimaritra iraisana, hatraiza?

Sarotra ny hilaza hoe ny fifanantonan'ny samy mpino, ny fiaraha-midinika ataon'ny Kristianina sy ny silamo na ny silamo sy ny indòista dia fitadiavana ny marimaritra iraisana.

Manasa anao aho hanaraka hamaha ity olana ity, tsy lazaiko hoe ny lehibe indrindra amin'ny olan'ny fiaraha-monina, fa kosa lazaiko hoe ny saro-pady indrindra, satria manko na lasa mirona ho amin'ny fanatisme (integralisme = ny ahy ihany no marina) na ho amn'ny syncrétisme (izay mahasoa ataon'Andriamanitra = "Mitovy aby rehefa fivavahana, Andriamanitra iray ihany...", dia manao finoana vary amin'anana)

Raha mahita hevitra ianao dia mba lazao ihany? Indraindray manko ny kristianina manizingizina fa efa nolazain'i Kristy ny  marina rehetra, marina izany. Izy no hafenoan'ny fanambarana nefa tsy azo adino na oviana na oviana fa nilaza koa Izy fa tsy mbola zakan'ny lohantsika ny hafenoan'ny fahamarinana nambarany, ho avy ny Fanahy hoy Izy, ka nahoana no tadiavin'ny Kristianina hotaperina tamin'ny Patenkotin'ny Apostoly ny fidinan'ny Fanahy Mpanoro antsika ny Marina?

Sao sanatria lahy, mba nisy fahamarinana tian'ny Fanahy nambara tamin'ny alalan'i Mahomed, na tamin'ny alalan'i Boudah... na amin'ny hafa koa?

Asa lahy...

 (tohiny)

Ny fahatsiarovana ny maty!!! Mamoha fota-mandry!

harilova | 30 Oktobra, 2006 18:31

Ny 2 novambra dia natao hahatsiarovana ireo efa nodimandry. Fahatsiarovana nipoitra avy ao amin’ny Fivavahana katolika izy io[1], saingy ohatra ny fety kristianina rehetra, hany ka manjary hajaina fatratra, na tsy noho ny antony ara-pinoana aza, noho ny antony ara-ekonomika…
Tsy hojerena mandrakariva amin’ny lafiny ratsy anefa ireny fanararaotana ireny, satria ankoatra ny tsy fananana, zara aza tsy amin’ny zava-dratsy no hitadiavan’ny olona ny sakafo hohaniny, angamba mba famalian’ny Tompo  ny fangatahana any “hanina sahaza isan’andro” ireny, ka tokony hampitomboana sy atao matetitetika ny fety….
Ny mahalasa ny saiko dia hoe : nahoana kosa ny kristianina no tsy mba manararaotra ny fety hampielezana ny Finoany? (Na dia ny kristianina ihany aza no ankamaroan’ny Mpivarotra sy mpividy). Izay no mahatonga ahy hampahatsiaro kely ny tokony ho toe-tsaina sy ny toe-panahy tokony hanentana ny fo hahatsiaro ireo nodimandry.
Tsy azo adino aloha fa mahatsiaro ireo ny nodimandry ny Katolika isaky ny Sorona Masina, ankoatra ny Fanolorana Sorona Masina ho an’ireo nodimandry. Araka izany, raha Fisaorana an’Andriamanitra no hevitry ny hoe “Eokaristia” dia miainga avy amin’izay ny toe-tsaina enti-mahatsiaro ny maty : “Misaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra” (1 Tes 5, 16-18). Tsy hoe mahafaly antsika ny fahafatesan’ny havana sanatria fa kosa fiaikentsika fa tsy tompon’ny aina isika, Andrimanitra irery no Tompon’ny aina ka hainy ny hamerina izany araka ny famindram-po izay efa nosantariny tao amin’ny Zanany maty fa nitsangan-ko velona, dia i Jesoa Kristy Tompo.
Araka izany, ny vavaka ho fialantsasatry ny fanahin’ny maty, dia mitory finoana lalim-paka ny amin’ny fiainana any an-koatra. Miaraka amin’ny fety ankalazaina ny 1 novambra, ny olomasina rehetra, dia izay no mandrafitra ny Fiangonan’i Kristy : Ny Eglizy mifaly (ireo efa tafita any an-danitra), ny Eglizy mijaly (ireo mbola manefa ny sazim-pahotana) ary ny Eglizy Mpivahiny mahatsiaro fa mpindrana ny aina am'ity tany fandalovana ity.
Raha mivavaka ary isika mba ho tafita soa any an-danitra ireo havantsika, tsy azontsika atao ny tsy hiezaka ho mendrika ny lanitra koa, satria raha tsy izany, izy ireo ho tonga any ary isika ho very, dia vao mainka ho tafasaraka mandrakizay amin’ireo havantsika nodimandry isika.
Samia ela velona mandrapaha-fatiny.



[1] Araka ny tantatra ( Il santo del giorno di Mario Sgarbossa sy Luigi Giovannini, Ed. Paolini  1986 Torino) dia tamin’ny 998 no tena nielezan’ity fomba ity tao amin’ny monastera benediktina teo ambany fifehezan’ny Lehibe tao Cluny, Md Odilon, ary tafaely hatrany Roma tamin’ny taona 1311 tany ho any. Ny Papa Benoit 15 no nametraka azy ho fahatsiarovana ho an’ny Fiangonana manontolo tamin’ny taona 1915.

Ny ho avin'ny firenena!

harilova | 13 Oktobra, 2006 10:17

Ny tanora hono no ho avin'ny Firenena...

Dia manontany tena aho hoe : "sao mba izany no mampahantra lava ny firenentsika ity?"...

Ireo tanora nilahatra tamin'ny fanagasiana ny fampianarana, natao fitaovana politika hitadiavan'olom-bitsy tombontsoa fotsiny tamin'ny '72, dia efa zokiolona amin'izao fotoana izao, kanefa ilay ho avy nandrandraina tamin'izany fotoana izany, vao maika ratsiratsy kokoa....

Ny fiandrandrana ho avy mamirapiratra ankinnina amin'ny tanora dia famonoana ny firenena... Tsy ny tanora no ho avin'ny firenena fa izay ataontsika miaraka amin'ny tanora amin'izao fotoana izao...

Raha atao antsirambina ny ankehitriny dia ny ampitso no handoha ny tsosan'izany...

Ho avy izao ny fifidianana, mampalahelo raha mbola fampandriana adrisa ho an'ny ampitso no hambaboana ny mpiara-belona... Na "Fanantenana" vaovao, na "Dingana lehibe" na zavatra hafa... tsy tompon'ny ho avy isika fa izay ataontsika amin'izao fotoana izao no hitsaran'ny ho avy antsika...

Anjaranao ny misaintsaina izay anjara biriky azonao hanarenana ny ho avy... mety tsy ho anao, fa kosa tsy hanadinoan'ny tantara anao...

Ady Masina! Tsy misy fandriam-pahalemanana miorina ambony valifaty...

harilova | 24 Septambra, 2006 13:28

ady masina! azo ekena ve izany? Tsy azontsika hanamarinana ny zava-dratsy ataontsika ny anaran'Andriamanitra hoy ny Papa. Ampy izay ny fiantsoana ny anaran'Andriamanitra hiadiana sy hamonoana olona. Tsy misy ady masina...

Vitsy no namaky na nihaino ny tena fampianarana nataon'ny Papa tany Regensburg, indrindra any amin'ny tontolo silamo. Mampalahelo anefa fa notsaraina ho mpiantsy ady ny Papa ka tokony hangata-pamelana am-pahibemaso, tokony hilaza am-pahibemaso fa ny Fivavahana silamo dia avy amin'Andriamanitra ary mitandro ny rariny sy ny fandriam-pahalemana koa (Imam Ejipsiana iray)...

Dia hoy aho hoe : "Tsy misy Fandraimpahalemana ho vanona ao anatin'ny lonilony sy ny valifaty", raha mitandro ny filaminana tokoa ny silamo  dia hampiseho izany amin'ny fihetsika ataony...(tsy hoe tsy mitandro izany tsy akory izy ireo sanatria fa misy kosa ny mahery fihetsika -- fondamentalistes -- izay manafangaro ny tombontsoan'ny mpitondra amin'ny filalaovana ny saim-bahoaka)

Isaorana Allah, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitry ny silamo, Andriamanitry ny Kristianina, fa nampitony ny fihetsiketsehana ny fanambarana nataon'ny filoham-pirenena Iraniana hoe : "manaja ny Papa aho, fa kosa manankiana ny kristianina sasany (mamely ny Amerikana sy ny eoropeana) izay milaza ho mpanara-dia an'i Kristy nefa tsy mahalala azy akory ary tsy manana fifandraisana aminy akory na amin'ny toe-piainana na amin'ny fomba fisainana..."

Mampandinika izany ho an'izay milaza ho Kristianina...

Dia manentana anao hitondra am-po sy am-bavaka ny fiaonan'ny Papa amin'ireo ambasadaro silamo ny alatsinainy tolak'andro.

Omeko anao amin'ny manaraka ny santionan'ny Letio magistralis nataon'ny Papa. Azonao jerena moa ny discours de Ratisbone amin'ny teny frantsay. somary lavalava aloha e

Fandriam-pahalemana

harilova | 11 Septambra, 2006 09:50

World Trade center 2001...

MIVAVAHA HO AN'NY FIADANANA ERAN-TANY...

Azo antenaina ve ny hisian'ny Fandriampahalemana eto an-tany raha toa ka famonoana miaramila amerikana iray any Iraka no hita amin'ny faha-5 taonan'ilay loza vokatry ny herisetra tany USA?

Teolojiana protestanta iray malaza tokoa, i Dietrich Bonhoeffer, dia efa nilazalaza momba ity fandriampahalemana eran-tany ity, tamin'ny savorovoron'ny ady lehibe faharoa ireny.

Rehefa mihena ny fitokisantsika an'Andriamanitra dia mitombo ny fitadiavantsika hevitra hametraka fiarovan-tena, hametraka arofanina.

Mety ho lazainao ho adala aho  satria tokoa moa ve tsy fahendrena  izany mitsinjo lavitra izany?

Mety ho fahendrena ihany angamba nefa fahendrena tsy azo ianteherana loatra satria tsy fantatsika ny ho avy... Ny fihenan'ny fitokisana an'Andriamanitra dia miteraka zavatra maro eo amin'ny Fiaraha-monina...

Ny Kristianina milaza fa matoky an'Andriamanitra MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA, manjary mitady vonjy any an-kafa fa toa tsy mahavonjy ny Andriamaniny...

Mba hisy ny Fiadanana eto an-tany dia ao am-pon'ny olona no tany ambolena azy...

Ny masom-bolin'ny Fiadanana dia ny famolahan-tena (Fifadian-kanina matetika no ilazana azy) satria ny rariny sy ny hitsiny  mamela antrsika hanao valifaty, fa ny famolahan-tena kosa dia manery hamindra fo...

Ny olon'ny Fiadanana, i Mahatma Gandhi, dia nanome ohatra tsara ho antsika : ireo tanora notaizainy dia naditra sy nigafy tany amin'ny fiaraha-monina... tsy zakan'ny fiaraha-monina mihitsy aza... mba ho sazin'ireo tanora ireo, dia izy tompon'andraikitra no nifady hanina...

Soa fianatra fa aza adino fa na mitsiry ao am-pontsika aza ny faniriana fiadanana, ny rano tsy mahamaina ny tany haniriany dia ny fitokisana an'Andnriamanitra, ary ny fitokisana an'Andriamanitra, vokatry ny finoana, ny Finoana fanomezana mila angatahina mandrakariva amin'Andriamanitra...

Mba hisy fiadanana izany dia mila MIVAVAKA SY MAMOLA-TENA.

Fandriam-pahalemana

harilova | 06 Septambra, 2006 12:55

Tena mampioron-koditra ny maheno fa indrindra ny mahita ity ady tsy misy farany ity. Vaovao alefan'ny TV Italiana matetika  ny fandehanan'ny miaramilany misatro-manga hampandry tany any Liban.

Fa inona moa ny Fandriampahalemana?

Ara-bakiteny (foto-teny : mandry sy alina) dia ny fahafahana matory tsara amin'ny alina no atao hoe fandriam-pahalemana. Ny mifanohitra aminy dia ny mandry tsy lavo loha...

PAX, PAIX na PACE... Shalom sy Shalam... dia enti-milaza ny fandriam-pahalemana izay manjary mitovy hevitra amin'ny hoe fiadanana ...

Ny tiako hifampizarana aminao fotsiny dia izao : ilay ohabolana anglisy malaza hoe : Charity begins at home, manomboka ao an-trano ny fifampitsinjovana. Tsy afaka ny hanome fiadanana ny hafa ianao raha tsy ianao mihitsy aloha no efa miaina izany fiadanana izany...

Dia ahoana no hahafahana miaina ny fiadanana?

Dingam-piainana !

harilova | 11 Aogositra, 2006 14:13

Fotoana hirosoan'ny ankamaroan'ny olona amin'ny dingam-piainana manaraka izao fotoana izao...

Ho an'Antananarivo manokana, eo amin'ny s ehatry ny fivavahana katolika dia mazàna amin'izao fotoana izao no hirosoan'ireo pretra sy relijiozy amin'ny Sakramenta sy ny Voady... tsy vitsy koa anefa ireo miroso ho amin'ny fanambadiana... dingam-piainana izany.

Ny tiako hisarihana ny sainao fotsiny dia izao : na ny voady (farany hoe!) ataon'ny relijiozy, na ny fanomezan-toky ataon'ny mpivady dia samy dingam-piainana nefa koa samy mandrakizay...

Mety ho gaga ianao hoe fa inona moa no olana amin'izany! Dia eo indrindra no olana...

...Dingana ho amin'ny mandrakizay izy io, tsy tanjona fa dingana...

Raha mahatsapa ny Relijiozy sy ny Pretra fa dingana no ataony fa tsy famaranana lalana dia tsy dingana ho amin'ny fihatoana tsy akory fa fanombohana dingana ho amin'ny mandrakizay ka izorana tsy ampisalasalana intsony ho amin'ny lalam-pahamasinana...

Dia toraka izany koa, raha raisin'ny mpivady ho dingam-piainana ny andron'ny mariazy, dia ho zary fanohitra lehibe ny fahatsapana fa hay moa olombelona ilay silaky ny aina nifanolorana fitiavana ka na mitoetra sy miha-mitombo aza ny fahitana ireo toetra mambabo, dia tsy ilaozan'ny tandra vadin-koditra, izay handrefesana ny halalin'ny fitiavana ka hahatonga ny fanambadiana ho sakramentan'ny Fitiavana, dia ilay Fitiavana nahatratra ny fahataperany teo ambony hazofijaliana rehefa nanaiky ho faty ho an'ny mpanota ilay tsy manan-keloka...

Fa na eo amin'ny sehatry ny asa aza, raha heverin'ny tanora nahavita fianarana ho dingam-piainana ny firosoany eo amin'ny tontolon'ny asa, dia minoa ahy ianareo fa ho lasa lavitra ity Firenentsika ity...

Tiako ary ampahatsiahiviko anao, na dia tsy mbola haintsika aza ny miaina azy ilay sombiteny malaza hoe : "sahia manao  dingana lehibe"

 (tohiny)

Ny Tena Fanabeazana!

harilova | 03 Aogositra, 2006 11:35

Entiko hamaritana ny atao hoe : FANABEAZANA, ny hoe "Fikatsahana ny Fanjakan'Andnriamanitra", araka ny Soratra Masina (Mt 13, 44-46ss). Araka ny voasoratra ao manko dia tahaka ny voahangy sarobidy ny Fanjakan'ny Lanitra, ka izay mahita azy dia hivarotra ny voahangy efa voahangony ka hividy io voahangy tsara io;

Araka izany, ny asan'ny mpanabe, indrindra ireo nahazo andraikitra manokana hanabe ara-pinoana (Raiamandreny, Mpampianatra sekoly alahady sy katesizy...) ny manampy ireo olona ankinina aminy hikaroka io voahangy tsara io, hikaroka ilay rakitra nafenina tany an-tsaha.

Marina fa araka ny fomba fitantaran'ny Vaovao Mahafaly dia mety tsy ho natao anton'asa ny fitadiavana na ny rakitra na ny voahangy, fa kosa eo am-piasana ny saha na eny am-pitsangatsanganana, nefa tsy maintsy hanao ezaka hividy ny saha... Mety ho anton'asa koa anefa, toy ilay mpivarotra mitady voahangy lafo vidy!!!

Fa ny tsy azo lavina fa lalana iray tsy maintsy hizoran'ny fiainana dia ny fahafoizana...

Ny fanabeazana rehetra dia fanabeazana hahafoy izay nanana mba hananana tsaratsara kokoa. Ny tena mpanabe araka izany dia tsy sanatria izay manery ny beaziny hanary na hivarotra sahady ny kely ananay mialoha ny hahitana izay tsaratsara kokoa...

Ny fampitana ny soatoavina (valeur) no tena fanabeazana ary marika handrefesana ny fanabeazana mahomby ny fahafohizan'ny beazina izay nananany hilofosany hahazo ny tsaratsara kokoa, mandrapahitany ny tsara indrindra.

Tandremana anefa satria anisan'ny fahosan'ny olombelona ny mety hahadiso ny fiheverana ny atao he tsara (conscience erronée)

vacances!

harilova | 26 Jolay, 2006 01:51

Elaela kely tsy nahita Blaogy indray e, Vacances hoe. Ataoko hoe Vacances, satria ny tena dikany amin'ny tenintsika dia hoe "fahabangana toerana" (vacance de poste) fa ny mahalaza azy kosa dia hoe "Miala sasatra dia mitaona zezika".

 

Tsy nanam-potoana hanoratana Blaogy ho anao aho elaela izay satria tena tsy nanam-potoana firy aho fa vacances ny dabiliom-pianarana fa izaho kosa nitombo ny asa niandraiketana.

 

Fialan-tsasatra hoy isika, nefa araka ny tsapako, asa raha miombon-kevitra amiko ianao, toa vao maika fotoana tsy misy ialana sasatra.

 

Tsy hiditra  amin'ny famakafakana ny dikan-teny loatra aho fa sao izaho no lasa "vacances" eo, izany hoe ho very toerana, satria toerana banga no tiana holazaina amin'ny hoe "Vacances";

 

Manampy antsika anefa izany, indrindra izay te hampiasa ny fotoana toy itony ho amin'ny mahasoa, handamina ny tokony hatao.

 

Araka izany, rehefa vacances ny andro, ny dabilio any an-tsekoly no vacances fa tsy ny Mpianatra, izay no maha- 'pluriel' azy mandrakariva fa maromaro angamba ny dabilio;

 

Mazana anefa mifamadika ny rasa, ny mpianatra indray no lasa vacances fa tsy ny sekoly, izany hoe tsy mandraharaha ny fianarany intsony ny mpianatra raha tsy amin'ny fidirana indray.

 

Ny ankamaroan'ny fomba aty an-dafy izay heverina hampidirina koa amin'ny fampianarana ambony any amintsika, amin'ny fanangonana credits (système LMD) dia mahatonga fitohizana sy fifampiankinan'ny taom-pianarana, ka tsy hahafahana manadino izay nianarana satria manko mitohy tanteraka ny fampianarana sady mifampiankina.

 

Ny antsika any Madagasikara moa, indrindra ho an'ny zanaky ny Mpamboly dia fotoan'ny fiasana tany ny fialan-tsasatry ny sekoly izany hoe fotoana mahabe ny asa. Ho an'ny aty Europa kosa dia amin'ny fotoana mafana be tsy hahafahana miasa no anaovana ny vacances, ary mahagaga ahy fa maro no manemotra ny fanadinana ho amin'ny session faharoa amin'ny septembre, izany hoe manararaotra ny vacances (fahabangan'ny dabilion-tsekoly) ho fotoana fanomanana fanadinana.

 

Dia irariako tsy ho toa ahy ianareo fa izaho manko tamin'ity vacances ity vao mainka matory tara, mikorana sy milalao miaraka amin’ny namana satria tsy matahotra ny hatory am-pianarana (sady tsy manam-potoana ny atoandro fa samy revo manenjika asa e), dia vao mainka reraka satria na ny fotoana mba natokako ialana voly amin'ilay reraky ny fianarana iny aza lasa fotoana hanenjehana ny tsy vita noho ny fiarahana amin'ny namana na noho ny fitsangatsanganana... fa indrindra noho ny "contre-temps".

 

Aleo miala sasatra dia mitaona zezika...

 

Dia izao e...

 

Raha tianao hitondra fahombiazana ho an'ny taona manaraka ny fialam-boly dia tokana no torohevitro  ho anao : aza avela handeha ho azy ny fotoana fa asio fandaharana mazava amin'ny fandaniana azy.

 

Ny hiezahako manao izao dia ny mianatra manaraka fandaharam-potoana maty paika, azoko atao samirery tsy voafehin'ny  Fianarana sy ny asa, fa sady mampitombo ny fahamatorako izay no antoky ny fahasamalako... amin'izay tsy izaho no vacances (banga) fa ny toerana avelako fotoana fohy fa mbola hiverenako.

Salamo 123(122)

harilova | 07 Jolay, 2006 11:10

Salamo manambara fitokiana amam-pangatahaha eo anatrehan'ny fanaratsian'ny fahavalo ity Salamo ity, kanefa ihany koa salamo mamintina ny fomba hifandraisan'ny Mpino amin'Andriamanitra.

Ao anatin'ny fitantarana "ilay Mpaminany tsy masina an-taniny" moa no androsoan'ny Litorjia Katolika ny fandinihana ity Salamo ity.

 I Ezekiela (2,2-5) dia voahiraka ho eo ampovoan'ny Vahoaka mafy loha sy tsy mety hihova, mba hampahatsiaro mandrakariva fa eo afovoan'ny vahoakany ny Tenin'Andriamanitra (izay no asan'ny Mpaminany).
I Paoly anefa milaza fa na eo aza izany asa sarobidy izany dia mazàna ilay voahiraka mihitsy no tonga malemy mba tsy hirehareha amin'ny fahombiazany fa hifikitra mandrakariva amin'ny fahasoavan'Andriamanitra (2Kor 12,7-10).
Dia tohizan'i Marka (6,1-6) hoe "tsy ho masina an-taniny ny mpaminany".

Lavitra ilay samy masina an-taniny fitenintsika ity. Nahoana tokoa moa no tsy zakan'ireo mpiray tanàna aminy ny maha-Mpaminany an'i Jesoa?

Tsy ho azontsika izany raha tsy verenana jerena manontolo ny fitantaran'i Marka ny atao hoe Finoana fa indrindra ilay Jesoa toa tsy mandraharaha akory ireo mpiara-belona aminy fa variana "matory" fotsiny.

Ity Salamo ity ary, dia azo heverina fa mamintina ny mety ho fifandraisantsika amin'Andriamanitra, indrindra manoloana ny mety ho olana diavina eo amin'ny Fiainana.

Fa ahoana tokoa moa izany Fiandrandràna ny tanan'ny Tompony izany? Inona no andrandraintsika avy amin'ny tanan'ny tompontsika?

  • Ao ireo tsy miandrandra afa-tsy karama avy amin'ny tanan'ny Tompony. Dia mimenomenona fatratra raha tsy mahazo na mahazo kely: Ireo ilay manao an'Andriamanitra ho Fiitaovana ka rehefa tsy mahafa-po ny filàny dia ezahany ahilika tsy ho eo amin'ny fiaraha-moniny.
  • Ao kosa ireo tsy miandry avy amin'ny tanan'ny tompony afa-tsy ny baiko midina, ny fanondro milaza ny asa atao : dia lasa Andriamanitra masiaka ilay Andriamanitra Fitiavana, lasa Andriamanitra tsy azo ihodivirana fa mandahatra ny zava-drehetra. Andriamanitra naka ny fahafahana ao amintsika.

Vokatr'ireo foto-pisainana roa ireo dia misy ny mpino manadino ny ezaka tokony hataony satria hoe : Andriamanitra no mandahatra ny zava-drehetra, ka izay "mahasoa ataon'Andriamanitra". Misy kosa ny madino ny Fahasoavana hahafahany miroso ara-panahy ka manao araka ny fahendreny fotsiny.

Ny famintinan'i Ignace de Loyola (mety hanampy anao) izany dia hoe "mivavaha ho toy ny miankina amin'Andriamanitra ny zava-drehetra, ary miasaha ho toy ny miankina aminao ihany koa".

Mandrisika antsika handanjalanja mandrakariva izany mba tsy ho sanatria ny fangatahana ny fahasoavana no hisosoan'ny hakamoana ka hanadinoana ny ezaka tokony hatao, na koa ho sanatria ny filofosana hanao ezaka no hanadinoana fa raha tsy "Izy" tsy mahefa na inona na inona isika.

Miandrandrà ny tanan'ny Tompontsika, matokisa Azy fa sady miaro antsika amin'ny fahavalo izy no manome izay ilaintsika. Aza adino koa anefa fa manondro izay lalana tokony hombantsika koa Izy...


 

 (tohiny)

Minoa fotsiny ihany

harilova | 04 Jolay, 2006 00:38

Nahoana ary no tsy tafavoaka ny Firenena sa tsy nino? Zavatra mba tsikaritro ao amin'ny Lalam-panorenantsika anefa fa "mino an'Andriamanitra Andriananahary isika malagasy" na dia "repoblika laika" aza ka malalaka ny resaka ara-pinoana!!!

> Inona marina izy ity? Ny resaka finoana efa manjavozavo na any amin'ny tany mandroso aza. Ny "moines amin'ny endriny vaovao" lazain'i Hery ireny ve izao mivavaka am-pinoana sa amin'ny hakamoana?  Jereo eto  . Avelao any aloha izany fa raha nino isika mety ho nandroso ihany ny fiirenena!

Raha tohizina ny resaka momba ilay vehivavy nositranin'i Jesoa (Tamberina) dia tsy ny zavatra nihatra tamin'ny tenany, fa ny henony nolazaina momba an'ity Mpaminanin'i Nazareta ity no atao hoe : finoana.

Nino izy satria naheno fa nanao soa tamin'ny hafa i Jesoa. Araka izany dia tsy hiandry ny soa azontsika isika vao ho afaka hino.

Mety hilaza ianao hoe : ngah moa tsy mandroso ity firenentsika ity no lazaiko hoe tsy mbola mino? Tsy te ho mpitsara izany aho sao lazain'ny sasany ho manao fampielezan-kevitra eto. Fa izao kosa...
Angamba hoy aho, na misavoritaka aza ny fomba filazako azy, (fa sady ara-pinoana no ara-politika ): "mila mijery ny soa nataon'i Jesoa tamin'ny Firenena mandroso isika mba hinoantsika ihany koa ny atao hoe : FANDROSOANA".

Dia asa na oviana vao tena hisy "angaredona" ny fifidianana ataontsika, ka hahita fa amin'ireo firenena heveriko ho nino ny fandrosoana mazàna dia mivondrona ho antoko roa ny mpifaninana rehetra (ny hery ankavanana sy ny hery ankavia).

 Kanefa mampalahelo fa na ny ankavanana sy ankavia aza tsy mbola haintsika manavaka! na mba tsy hamely mafy kokoa satria mba nianatra ihany izy ireo, tsy hain'ny mpanao politika eto amintsika mifidy...

Dia minoa fotsiny ihany! an-dRa-Politika... fa izaho aloha zavatra efatra no inoako :

  1.  Mino ny fahefan'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra aho.
  2. Mino ny mamha-zava-boahary voafetra an-dRa-Olombelona aho.
  3. Mino ny kobaka am-bavan-dRa-Mpanao politika aho
  4. Mino ny baranahina ataon-dRa-Vahoaka tsy mandady harona aho...

Fa mbola mangataka amin'i Jeso toy ilay Raim-pianakaviana niangavy Azy aho hoe : "mino aho fa mba vonjeo re ity tsy finoako", mba hinoako koa fa "tsy hisy risoriso amin'ny fifidianana ho avy"

Minoa fotsiny ihany

harilova | 01 Jolay, 2006 23:42

Tsy zoviana amintsika ny lazan'izany teny izany, dimy taona lasa izay. Dia tena marina tokoa ve fa ampy ny mino fotsiny ihany?

Tsy resaka politika no hozaraiko aminao eto na dia tao amin'ny rivotra politika aza no nivoizana izany "slogan", nefa tenin'ny Evanjely izany fa kosa fihezahana hifampizara hoe inona tokoa ny Finoana?

Raha fakafakaintsika ireto Vakiteny ireto : Fahendrena (1, 13-24), 2Korintiana (8, 7-15) ary ny Filazantsara araka an'i Marka (5, 21-43), dia ahitantsika ny votoatin'ny atao hoe Finoana.

Ny Bokin'ny fahendrena dia manohy ny fandinihana momba ny Misterin'ny olombelona : nohariana ho sambatra sy nitovy endrika amin'Andriamanitra ny  olombelona ka nahoana no mijaly? Mafimafy kokoa moa no ilazan'ny Bokin'i Joba an'io hoe : nahoana no tra-pahoriana ny olo-marina?

Mametraka olana momba ny fahamarinan'Andriamanitra izany fijalian'ny olomarina izany, ary toa mampieritreritra hoe : "Faly mahita antsika mijaly Andriamanitra"... Tsy izany anefa...

Ny fijaliana dia manjary misy heviny hoy i Paoly fa hahafahantsika miombona amin'i Kristy sy maka tahaka azy izay nanaiky hijaly mba hamonjy antsika... Dia Izy Kristy rahateo no niezaka hanafaka ny rofy rehetra sy nanao soa tamin'izay nandalovany.

Eo am-pamakiana io Evanjely io (Mk 5, 21-43) dia niheritreritra aho hoe : dia tsy maintsy hiandry roa ambin'ny folo taona ve aho vao ho henoim-bavaka tahaka ny zanaka vavin'i Jaira na tahaka ilay vehivavy nitsi-drà?

Tsy dia izay loatra fa ireo no mampiseho amintsika fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Finoana fa tsy ezaka avy amintsika olombelona, hany ka sitrany ny manome antsika izany finoana izany, rehefa lany ny fahaizantsika olombelona, tahaka an-drazazavavy nandany vola tany amin'ny mpanao fanafody, tahaka an'i Jaira efa niandry ny  zanany vavy ho ambahoana...

Dia mino fotsiny ihany...

Amin'izay ilay finoana tsy hoe fiandrasana fotsiny izay mitranga fa kosa fitokisana amin'ny Fitiavan'Andriamanitra, manome mihoatra ny herintsika. Izay no manova ny fomba fihevitra sy ny fiainantsika, hanova ny fomba fivavahantsika satria i Kristy tsy nanao fahagagana mba hinoantsika fa mitaky ny Finoana mba hanao fahagagana.

Raha mahatsapa izany isika dia tsy hangataka intsony ny fahagagana ho tanteraka fa hangataka kosa ny Finoana hahafahany manao fahagagana eo amin'ny Fiainantsika...

Amin'izay dia ny vavaka ataontsika dia ho fisaorana zy, ho fametsovetsoana ireo soa nomeny, na ho antsika na ho an'ny hafa, ary izay fitanisana ny zava-tsoa vitany izany no hampitombo ny fitokisantsika Azy, tahaka an'ilay vehivavy nino Azy satria naheno ny lazany, ka hahatonga antsika koa hanana ilay finoana manery antsika hikasika ny rambon'akanjony : izany no fahagagana hahafahantsika milaza hoe "ampy ny mino fotsiny ihany".

 

Fahaiza-miaina (tohiny)

harilova | 28 Jiona, 2006 01:05

Resaka baolina no tantaraiko aminao eto kanefa mampandinika ihany  ka mety hanampy antsika amin'ny fanatsarana ny fahaizana miara-miaina.

Tamin'ny match Italia vs Australie no nahitako ity : rahefa avy nanome karatra mena an'i Materassi ilay mpitsara dia nimenomenona ny italiana hoe : miangatra ny mpitsara ary tena tsy mahay n'inon'inona.

Fa rehefa ho tapitra ny lalao ka nanome ilay penalty ho an'ny italiana ilay mpitsara na dia tsy ho tokony ho mbola ho penalty aza izany raha oharina amin'ireo hadisoana nataon'ny italiana koa, dia niova indray ny endrik'ilay mpitsara : "tena mahay io, tena tsara ilay mpitsara".

Dia izany no fiainantsika matetika : tsy mitsara araka ny zava-misy fa araka ny tombontsoan'ny tena sy ny mahafalifaly ny fo ihany koa.

asa lahy, mety ho manonofinofy ve i Harilova raha toa ka milaza aminao hoe tsy tokony ho izany no izy.

Mba diniho ihany....

Natory tao an-tsambokely ny Tompo

harilova | 24 Jiona, 2006 23:12

Ny Fanontaniana napetraky ny Tompo manoloana ny fisalasalan'ny Mpianatra no  zaraiko aminao : "tsy manam-pinoana ihany ve ianareo?" (Mk) na ny hoe "Ry kely finoana" (Mt) na ny an'i Lioka hoe "aiza ny finoanareo?"

Fa inona ny finoana, ary raha amiko no apetraka ireo fanontaniana ireo dia inona no avaliko Azy?

Ny Evanjely araka an'i Marka (Mc 4,35-41) no niaingako hanaovana ity fifampizarana ity aminao. Tsy nolazain'i Marka ao ny famaritan'i Jesoa ny Finoana, izay "hery" ahafahana manao zava-mahagaga hatramin'ny mahafindra tendrombohitra (Mt 17,20 na Lk 17,6).

Raha lazaina ambangovangony dia toa zavatra mandeha fatrany ny finoana ao amin'i Matio (kely na lehibe) ary misy na tsy misy ao amin'i Lioka. Tsy ny habehany anefa no inona fa ny fananana azy.

Ao amin'ny laharana faha-37-39 amin'ny taratasy ansiklika nosoratany dia manazava ny toe-po tokony hananantsika ao anatin'ny adim-piainana ny Papa. Ny taraina mety hataontsika toy ny nataon'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana hoy izy dia tsy hoe sanatria fanomezantsiny an'Andriamanitra hamela antsika ho irery fa kosa fanamafisana ny finoantsika ny Fitiavany izay tsy handao antsika na oviana na oviana.

Araka izany ary, ny Finoana dia ny fitokisana io Fitiavana izay Mahefa ny zavatra rehetra io.

Manana izany ve aho?

Ny azoko zaraina aminao dia hoe : Tsy indray andro no handalinana ny finoana, fa amin'ny fizotran'ny fiainana isan'andro vaky, ka hijerena mandrakariva hoe : "Inona no anjara toerana mba omeko an'Andriamanitra eo amin'ny Fiainako?"

Indraindray manko, efa tsy afaka manohitra ny tafiotra isika, efa nanao izay tratry ny hery, dia izay vao mahatsiaro fa "toa matory izany Tompo ka mamela antsika ho irery".

Tsy aleo ve manontany azy, mamoha azy aloha nanontany hoe : inona no tokony hataoko? izany hoe : manome Azy ny toerana... voalohany!!!


 

Ny Eokaristia Masina

harilova | 18 Jiona, 2006 23:05

Fetin'ny Sakramenta Masina omaly, ankoatra ireo fanajana fanaon'ny Fiangonana toy ny procession sy ny vavaka fitsaohana dia  nampandinika ahy fatratra ny Evanjely nosoratan'i Marka momba ny Eokaristia : Marka 14, 12-31 izay novakiana tamin'ny Sorona Masina omaly. ka zaraiko aminareo :

Misy hevitra telo notsoahiko avy amin'ny votoatin'io andalan-tSoratra Masina io :

  • and. 12-16 : ny fanomanana ny Paka
  • and. 17-21/27-31 : ny famadihan'i Jodasy sy ny fandavan'i Piera
  • ny Fankalazana ny Eokaristia

Avy amin'izay no nisintonako ireto fandinihana ireo izay heveriko mety hahasoa anao:

  1. Mila fanomanana ny fankalazana ny Eokaristia
  2. Didy avy amin'i Jesoa ny fankalazana ny Eokaristia
  3. Miantraika amin'ny fiainana ny fankalazana.
  • Ny Fanomanana ny Eokaristia :

Mila fanomanana ny fankalazana ny Eokaristia. Mba hahafahana milazany fanomanana ilaina amin'izany dia tsara ny mamaritra aloha hoe inona no tiana holazaina amin'izany Eokaristia izany. Tsy mivaona amin'ny hevitra ara-bakiteny isika mamaritra hoe : "ilay fisaorana tsara indrindra", vavaka fisaorana...

Raha vavaka fisaorana ary ny Eokaristia dia ilaina ny manomana ny fo amam-panahy amin'izany fisaorana izany. Ankoatra ny Prefasy, vavaka ataon'ny pretra manokana hisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny Lamesa, dia tokony hanana ny "prefasy" azy tsirairay koa ny mpino, hanana ny antony mahavelom-pisaorana Azy...

Indraindray anefa tsy hita loatra izay endri-pisaorana izay fa saron'ny fangatahana sy ny "ampio (omeo) ihany"...

Ny hasarobidin'izany fanomanana izany dia azontsika fintinina amin'ny lazain'ny evanjely fa efa efitrano voaomana no natolotra ny apostoly kanefa mbola mila fandaminana mba ho mendrika ny fankalazana ny Paka : ho fankalazana ny zava-mahagaga nataon'ny Tompo tamin'ny Razana...

  • Ny fankalazana ny Eokaristia :

Tsy fombafomba vokatry ny fisainana fa didy avy amin'i Kristy ny Fankalazana : tsy tompony isika fa mpamerin-doha...

Ireo lalàna sy fitsipika mifehy ny fankalazana dia tsy mamefy akory fa vao maika aza manampy antsika hifantoka amin'ny didin'i Kristy hoe : "Ataovy izao ho fahatsiarovana ahy".

Tsy didy vao noforonina omaly manko ireny fa vokatry ny Fiainam-panahy nifandovana tao amin'ny Fiangonana ka natao indrindra haneho ny fiombonana sy ny fifankatiavana...

Ny fitandrovana ny rafitra litorjika dia fitandrovana ny maha-tsimialonjafy ny Fiangonana... na aiza na aiza ianao hamonjy lamesa dia tsy hahatsiaro ho vahiny fa zanaka an-trano mandrakariva...

  • Ny Fiainana ny Eokaristia :

Tsy misy heviny ny Eokaristia, raha tsy nahafoy ny rany ho antsika i Kristy... ny fahatsiarovana ny nataony araka izany dia tsy mijanona amin'ny fankalazana fotsiny fa mitohy amin'ny fanekena ho sorona ho an'ny hafa...

Tsy mora anefa izany, rehefa miray aminy amin'ny komonio isika dia miredareda fitiavana ka mirehareha toa an'i Piera hoe tsy handao azy intsony...

Noho ny avonavona dia adino fa "raha tsy Izy, tsy mahefa na inona na inona isika". Ny nataon'i Piera dia manampy antsika tsy hahatoky tena be loatra fa hiantehitra amin'ny fitiavany sy ny famindram-pony, ka na inona na inona fandavana nataontsika azy, taorinan'ny nandraisantsika azy (toa an'i Piera, avy nandray Komonio dia nilaza ho tsy nahalala azy), mbola omeny fahasoavana mandrakariva isika hanavaozantsika ny Fitiavana Azy, ka hahatonga ny famindrampony ho loharanom-pisaorana tsy mety ritra ho antsika... 

Rehefa handeha hamonjy lamesa ary isika dia mba ataovy an-tsaina izay antony hisaorantsika an'Andriamanitra ary rahefa avy namonjy lamesa isika dia italahoy ny famindram-pony mba hahitantsika ny tavany, toy ny nitodihany tamin'i Piera taorian'ny maneno akoho fahatelo, ka hahafahantsika manavao mandrakariva ny fitiavantsika Azy.

Fahaiza-miaina ( tohiny )

harilova | 13 Jiona, 2006 02:00

Mora ny miteny hoe : "Mandefera" fa sarotra ny miaina ny "Fandeferana".

Valan-dresaka anankiray momba ny maha-tsy azo ravana ny mariazy nataona pretra iray izay no nisintonako ity famakafakana zaraiko aminao ity :

"Mandalo 'crise' ny fiainam-panambadiana ankehitriny" hoy ity pretra iray. Marina izany, ary iarahantsika mahalala fa mihamaro ankehitriny ny faharavan'ny tokantrano, noho ny antony maro samihafa.

Ny filazana amin'ireo iharan'ny fisarahana anefa hoe : mifanaraha, mandefera dia somary sarotsarotra ihany...

"izay natambatr'Andriamanitra, aoka tsy hosarahin'olombelona" hoy  Mompera... fa vitan'izay ve izy ity?

Lasa manko ny resaka hoe : nahona ry Mompera sy masera no miala rehefa tsy zakany ny fiainana, na ny tena mahavaka dia hoe : nahoana no alefa mody ny mpiofana rehefa tsy nahatàna intsony ilay hafanam-po nananany tamin'ny vao nandraisana azy ho mpikambana, kanefa tsy azo alefa mody ny vady rehefa tsy ao intsony ny fitiavana ka ady kitrana no hany sisa tavela?

Tsy manome vahana ny fisarahana aho sanatria satria ankoatra ny tsy fitandremana ny teny nifanomezana hoe "tsy hanary anao aho, na ho boka na ho kilemaina!!!" dia iaraha-malala ny fiantraikan'ny fisarahana eo amin'ny fanabeazana ny taranaka...

Ny tiako hisarihana ny saintsika dia hoe : samia mandinika hoe : ahoana no hiarahana monina amin'ny olona ankahalaina na mankahala ny tena? ahoana no hihainana ny Fahendren-dRazana izay toa adinodino hoe :
"Ny Fihavanana toy ny landy ka raha tapaka, mora atohy!"...

Asa lahy fa raha efa mba efa niaina izany atao hoe : Fandeferana izany ianao, dia mba zarao aminay... Tsy ilay fandeferana mandra-paha... anefa, fa ilay fandeferana "na inon-kidona na inon-kihatra...".

Ny hany azoko lazaina dia ilay fampianarana malaza hoe : rehefa tsy  misy V ny mpivady, rehefa tsy misy Vavaka, tsy misy toerana ho an'Andriamanitra, ilay hany fitiavana, dia mpi.ady no sisa tavela...

Kanefa atao ahoana no hamerina an'Andriamanitra eo anivon'ireo toa nilaozany, na sanatria nandao Azy?

Fahaiza-miaina ( tohiny )

harilova | 08 Jiona, 2006 23:25

Inona no fepetra tsy maintsy harahina amin'ny fifanakalozan-kevitra?

(jereo ny http://harilova.blaogy.com/post/182/1067 )

Araka ny traikefam-piainako, fa koa araka ny fandinihan'ireo mpahany momba ny fifandraisan'ny olombelona dia mila fahamatorana ny fahaiza-miady hevitra.

Mandritra ny fitomboan'ny maha-olona (vatana/saina/fanahy) dia misy dingana ataony. Tsy mitovy anefa ny fomba hiatrehana ireo dingana ireo fa arakaraka ny toetra sy ny tontolo iainana misy ny tsirairay. Dia araka izany ihany koa ny faharetany.

Amin'ny resaka ataony ary dia miezaka mitady valiny amin'ny fanontaniana mifaningotra amin'ny fiainany ("ontologique") ny olona iray.

Akaka ny mpandinika (ohatra hoe Erik Erikson ao amin'ny bokiny Childhood and society, NY 1950) dia misy efatra ny fanontaniana miandry valiny mivantana na ankolaka ka mandrafitra ny fifandraisan'ny olona  :

  1. Ny voalohany dia ny fahalalana ny tena : Iza aho? Miezaka hampiseho ny tenany sy ny maha-izy azy ny olona iray. Mifandrindra amin'ny dingan'ny fialana sakana io fanontaniana io. Mazava ho azy araka izany fa ny fanehoana hevitra sy ny fitsarana ny hevitry ny hafa dia miankina amin'izay fiarovana ny hevitry ny tena izay, na dia indrainday aza tsy dia mitombona loatra ka voatery manaiky ny an'ny hafa izay toa tsara fototra sy mitombina kokoa... Io no fotoana hisafidianan'ny olona ny soatoavina, izay nahababo ny maha-izy azy notompoiny hatrizay ka hisokafany amin'ny hafa...sy haniriany izay mety ho fomba hanehoany ny maha-izy azy (safidim-piainana).
  2. Eo ampanatanterahana izay safidim-piainana izay no hifanenany amin'ny hafa izay mbola voafetra ihany aloha dia mipoitra ny fanontaniana hoe : Iza aho miaraka aminao? Voaantso hisokatra amin'ny hafa ny olona rehefa nahatsapa io filàna io. Dia manomboka mikolokolo ny tontolon'olon-droa, hifampijerena ihany anefa fa tsy mbola hiaraha-mijery... dia mifantoka amin'ny fiarovana izay tontolo mbola mikombona izay ny resaka ...
  3. Tsy maharitra ela loatra anefa izay fikombonana izay noho ny fifankatiavana tsy fifampijerena fa fiaraha-mijery hany ka voatery misokatra amin'ny hafa indrindra rehefa teren'ny zava-misy noho ny asa na ny andraikitra sahanina, ka manomboka mametraka ny anontaniana hoe : Iza aho miaraka amin'ny hafa sy araka ny hevitry ny hafa? Dia miompana amin'izay hahombiazan'ny asa sahanina sy izay nimasoana ny resaka sy ny foto-pisainana...
  4. Fa rehefa mandroso ny fiainana  dia mahatsapa fa tsy araka ny vivavina loatra ny zava-mitranga dia mipetraka ny fanontaniana hoe : Iza aho anatrehan'ny lasako sy manoloana ny ho aviko? Dia miezaka maka toky amin'ny fiatrehana ny ady farany dia ny fahafatesana izay tsy azo hodivirana...

Izany dingam-piainana izay no tsy maintsy jerentsika rehefa miresaka amin'ny olona iray ka te hifankahazo resaka aminy...

...ny olana anefa dia na isika na ny hafa mety tsy nahavaly ny iray amin'ireo fanontaniana ireo tamin'ny fotoanany ka mety mampandringa ny fahamatoran'ny maha-olona izay hany hahafahana mifanakalo hevitra tsara...

 

 

 (tohiny)

Ny fanapahan-kevitra

harilova | 04 Jiona, 2006 23:04

Anisan'ny mahavaka ny saintsika ny mandinika sy mihevitra hoe inona ny sitrapon'Andriamanitra amiko ! Izany no nahatonga ahy hizara aminao momba ny Soratra Masina nankalazaina tamin'ny fetin'ny Pantekoty izay manampy antsika amin'izany.

Ny Vaovao Mahafaly araka an'i Joany moa no novakiana tao am-piangonana : "ny Fanahy Masina no hanoro anareo nylalana mankamin'ny marina,  dia ny marina ao amin'ny hafenoany"...[Jn 15,26-27;16,12-15], miampy ny Taratasin'i Paoly ho an'ny Galata ( 5, 16-25) izay milaza fa "ny vokatry ny Fanahy dia Fitiavana, hafaliana, fiadanam-po..."

Raha ireo no fakafakaintsika tsara dia azo ambara mazava izany fa tsy vokatry ny fahaizantsika na ny hakingan-tsaintsika no hahalalantsika ny sitrapon'Andriamanitra fa Fanomezana maimaim-poana avy amin'ny Fanahy Masina.

Tsy hilaza aminao aho hoe ahoana ary ho hahalalana fa bitsiky ny fanahy izany... izao no azoko lazaina avy amin'ireo Vakiteny masina ireo :

Tsy afaka manapa-kevitra araka ny Fanahy isika raha ao anatin'ny fifandirana (mifanohitra amin'ny Fitiavana), na ao anatin'ny hatezerana (mifanohitra amin'ny fifaliana) na ao anatin'ny fahasahiranan-tsaina sy ny olana (mifanohitra amin'ny fiadanam-po)...

Ny olana anefa dia saika mazàna ao anatin'ireo no handraisantsika fanapahan-kevitra, na miaraka na samirery...

Aza adino fa indraindray isika manosi-bohontanana ny Fanahy, miantso azy mialoha ny fivoriana nefa ny zavatra holazaina efa voasoratra an-taratasy na efa voavolavola mialoha  ka tsy tiana hovana intsony na ny marimarina kokoa tiana hoeken'ny rehetra...

Anjarantsika ny mampanjaka ny Fanahy ao anatin'ny Fitiavana, ny Hafaliana, ny Fiadanam-po.

fahaiza-miaina (tohiny)

harilova | 31 Mey, 2006 11:21

Dia atao ahoana ary ny hangina rehefa fantatrao izao fa anao ny rariny?

Ny rariny itompoana mody heloka hoy ny Ntaolo, nefa kosa miankina amin'ny toetran'ny tsirairay ny fahaiza-mangina sy ny fahaizana mandefitra.

Tsy misy raiki-pohy azo ampiarina amin'ny fahaiza-miaina satria "mistery" ny olombelona. Ny zavatra niainako tsy afaka hiainan'ny hafa koa, tsy hoe tsy azo ianaran aho na hoe izaho no mahavita azy, fa ianao koa tsy azo ianarana fa azo koa hakana lesona...

Ny traikefam-piainana no hahafahantsika miaina miaraka amin'ny hafa. Ny hany azoko lazaina anao fa hanampy anao amin'ny fifandraisanao amin'ny hafa dia ireto zavatra manaraka ireto :

  • Iombonan'ny mpandinika momba ny toetr'olona rehetra ny atao hoe : "système de transfert". Ny hafa no fitaratra hahitantsika ny tenantsika tsaratsara kokoa. Ny zavatra tsy zakantsika ao amin'ny hafa dia toetra tsy mbola voafehintsika ao amin'ny tenantsika ihany koa....

==> Miainga avy amin'ny fanetren-tena izany no hahafahana mahafantatra ny tena misimisy kokoa ka hahafahana mandray ny hafa amin'ny maha-hafa azy.

  • Ny fenitra hahafahana miara-monina ka sady ampivelatra ny hafa no mamppivelatra ny tena dia ny "fanetren-tena" (humilité)

==> Tandremana koa ny atao hoe "orgueil déguisé", na hoe ny avonavona izay miseho amin'ny fanetren-tena sandoka... lazaintsika hoe "complexe".

Io complexe io no mahatonga antsika handà rehefa angatahana manao zavatra : "Tsy mahay an'izany aho!"... mba hiandrasana ny hafa hilaza hoe "ataovy fa vitanao io", izany hoe fakàna toky ...

Ny Fanetren-tena tena izy dia ny fahalalana fa misy fetra ny tena fa manana ny talenta ihany koa... fa etsy an-kilany dia manaiky koa fa ny hafa dia manana ny maha-izy azy sy ny fetrany...

Amin'izay dia afaka miara-miaina tsara...

Mety hilaza ianao hoe : "tsy nofinofy ve izany?"...

Misy lalana amin'ny ambaratongany hahafahana manatanteraka izany :

Ny Fahanginana (http://harilova.blaogy.com/post/182/906)

Ny Fifanakalozan-kevitra ...

mbola hitohy

Fiaraha-miaina

harilova | 27 Mey, 2006 12:36

Ny olona efa nanana traik'efa momba ny fiaraha-miaina dia mahatsapa ny fahasarotan'ny atao hoe fiaraha-miaina... indrindra rehefa miaraka amin'ny olona tsy afaka ny hifankahazo noho ny fomba fiainana samy manana ny azy...

Ilazako traikefa nahazo ahy ianareo...

Niaraka nipetraka tamina zokiolona iray izay aho, nanampy ahy tokoa izy amin'ny fampitaovana sy ny kojakoja isan-karazany fa nianatra moa aho tamin'izany ka nanaiky izy ny hiantoka ahy...tany am-pitan-dranomasina.

Nanana solosaina iray izay izy ka azoko ampiasaina tsara io, fa izy kosa ireo mpiasa ao aminy no ampanaoviny ny asa ao... milina fanoratana no iantsoany ny solosaina...

Indray andro, voatery niasa alina aho fa misy asa nasain'ny mpampianatra enjehina maika... dia voatery mangataka aminy mba hamela ny biraony mivoha hahafahako mianatra ao amin'ny solosaina...

Ianareo Tanora hoy izy tsy mamaky boky intsony fa miaingitraingitra amin'itony milina fanoratana itony...

Dia tsaroanareo angamba ilay blaogy momba ny asan'olona sy asan'ny omby iny...

Tsy afaka namaly intsony aho satria fantatro fa ny famaliako tsy hanova ny heviny raha tsy ampianarina azy angaha ny mahasamihafa ny milina fanoratana sy ny solosaina...

Dia inona ary no nataoko?

(mbola hitohy)

Fahaiza-miaina

harilova | 27 Mey, 2006 11:57

Rahefa mifanerasera amin'ny hafa isika dia mahatsapa fa misy fomba amam-panao tsy mitovy... Tsy fahampian'ny fanabeazanana ve izany? Ratsy taiza ve ny hafa tsy maharaka ny fenitry ny atao hoe : "Fahaiza-miaina"?

Raha jerentsika ohatra ny momba ny fisakafoanana, dia misy ireo fomba fipetraka sy zavatra sasantsasany mila tandremana... indrindra amin'ny sakafo iaraha-manao amin'ny hafa, miaraka amin'ny olona manan-kaja ...

ireny zavatra ireny anefa tsy zavatra indray andro no ianarana azy fa fomba amam-panao izarana ao an-tokantrano...

Fa ny hadino indraindray dia ny fombafomba no ianarana fa ny antony nandraiketana ny fombafomba tsy ampitaina akory amin'ny beazina...

Fa maninona ohatra no tsy azo apetraka eo ambony latabatra ny kiho rehefa misakafo? misy antony ve sa kosa karazana filamatra hanavahana ny sarangan'ny "mahalala fomba" fotsiny?

Dia lasa tontolon'ny fombafomba ny tontolo...

Vakaka

harilova | 25 Mey, 2006 11:34

Ity vavaka ity dia azo lazaina ho famintinana ny toe-panahin'ny olona iray votom-pinoana ka afaka mivavaka marina tokoa amin'ny Fanahy sy Fahamarinana : Vavaka famaranana ny andro izy ity
(Azo jerena ao amin'ny tohiny ny dikan-teny niaviany; ny sora-mandry dia fanazavana hanampy hampahazo ny hevitry ny antsa):

Ry Tompo o! Akimpio ny masoko
Mba hahita indray ireo zava-mahagaga vitanao
Ka amin'izao andro efa mandrorona izao,
Meteza ianao hampiposaka hazavana vao indray
Hamirapiratra ao anatin'ny alina.

Tsy mety hahita ny fahasoavana azontsika avy amin'Andriamanitra isika raha toa ka mbola variana amin'ny zavatra ivelany ny masontsika. Mila mikimpy ny maso mba hahatsapa fa tsy ny hitany na izay ezaka nataontsika no nampamokatra ny zavatra nisasarana fa ny fahasoavany irery ihany.
Izay no mahatonga ny mpino hahatoky mandrakariva na dia tonga haizina sy tsy misy fanantenana aza ny fiainana : Izy ilay mampitsimoka ny voa rehefa matory ny mpamafy...

Enga anie ny fahanginana manodidina ahy
Hankahery ahy amin'ny halemen'ny finoako
Reko manakoako ao anatiko ao manko
Ireo Teny izay naloaky ny vavanao.

Raha mbola maheno ny tabataban'ny tontolo manodidina isika tsy afaka ny haheno ny tenin'Andriamanitra izay mibitsika ao anatin'ny mangina. Ny fahanginana no manampy antsika haheno sy hampiditra ao anaty ny tenin'Andriamanitra.

Ry Tompo o! Raha mbola miposaka ny andro
Dia hatolotro anao ny fanahiko
Ampy ho ahy ny fahasoavanao
Ka izy ihany no italahoako aminao.

Ny fanantenana ny ampitso vaovao dia apetraka mandrakariva eo ampelatanan'Andriamanitra. manampy antsika be dia be kosa tsy hioha-pefy ny hafatr'i Ignace tany Loyola hoe : "rehefa miasa ianao dia hevero ho miankina aminao ny zava-drehetra... rehefa mivavaka hevero ho miankina main'Andriamanitra avokoa..."

 (tohiny)

Méthodologie

harilova | 16 Mey, 2006 12:28

Tsy haiko loatra ny handikana amin'ny teny malagasy ity "méthodologie" ity, misy anefa mangataka azy io matetika, indrindra rehefa akaiky ny fanadinana...

Tantaraiko anareo ny zava-nitranga indray mandeha tany Antanàna tany :

Nisy mpampianatra iray izay nilaza fa tsy maintsy afaka fanadinana izay manaraka ny "methodologie" omeny, fomba fianatra angaha no hilazantsika azy!

Dia notangosany enina arivo isan'olona izahay mba hahazo izany methodologie izany, te ho afaka fanadianna moa ny tena...

Inona hoy ianareo no nampianariny tao? zavatra vaovao hono hoy izy...

Dia nasainy namaky indray mandeha ny lesona izahay... nasainy namerina namaky... dia naverina hatramin'ny in-dimy ny famakiana...

Tsy fanaovana tsianjery anefa izany fa fidirana amin'ny antsipirihan-javatra kosa... asa lahy.

Dia lany ny enina arivo fa izahay kosa nahazo méthodologie : ny adalanareo no handoavanareo vola mba haneren'ny olona anareo hianatra...

Sahalahala amin'izany ihany no nadoavanay dimy alina mba haneren'ny mpampianatra anay hianatra hitendry masinina tsy an-kijery...

Raha tsy ao ny sitra-po hianatra dia hararaotin'ny hafa fotsiny isika...

Ny sitrapo hianatra anefa tsy ho azontsika rsha tsy mazava ao an-tsaina ny zavatra atao, ny tiana atao sy ny mety ho vita...

io no ilana olona hitantana mba tsy ho voafitaky ny nofinofy fotsiny ihany...

Ahoana ny mivavaka?

harilova | 13 Mey, 2006 07:19

Lazain'ny Kristianina matetika ny hoe : andeha hivavaka aho, ny sasany mampiasa ny  hoe : andeha hiangona ny alahady...

Fa inona no atao hoe : mivavaka?

Raha ny teny hoe vavaka, raha vao lazaina dia adika avy hatrany hoe hataka atao amin'andriamanitra. dia hoy isika matetika hoe : mba mangata-bavaka aminareo aho fa ...

Fa tsy voafetr'izay fangatahana izay ihany ny vavaka ...

Ny vavaka dia ny traikefam-piainana miaraka amin'Andriamanitra, ny fahaizantsika miresaka amin'Andriamanitra. Tsy hoe teny atao amin'Andriamanitra araka izany fa teny hifanaovana amin'Andriamanitra.

Tokony hatao an-tsaina fa izay mino an'Andriamanitra dia tsy izay mahay miteny momba an'Andriamanitra fa izay mahay miteny (miresaka) amin'Andriamanitra.

Ny resaka, araka ny fantatsika dia hifamaliana, ka raha tsy mahafeno izay fepetran'ny fifamaliana izay izany ny vavaka ataontsika dia tsy mbola resaka...

Fifamaliana (tsy amin'ny hevitra hoe fifandirana tsy akory): izany hoe tsy teny (fangatahana) ataontsika amin'Andriamanitra fotsiny, fa koa fahaiza-mihaino koa izay lazain'Andriamanitra amintsika koa.

Izay no hahafahantsika manatanteraka ny didy hoe : mivavaha mandrakariva...

Afaka miresaka amin'Andriamanitra mandrakariva isika,  amin'ny fanolorana aminy ny fiainantsika fa koa amin'ny fitadiavantsika mandrakariva ny sitra-pony manoloana ny zava-mitranga.

Misy fepetra sy toe-po tsy maintsy kolokolointsika anefa mba hahafahantsika miaina izany fivavahana izany...

Iray amin'izany ohatra ny Fahanginana...

http://harilova.blaogy.com/post/182/906

Ny fahanginana

harilova | 12 Mey, 2006 04:44

Ilain'ny sain'ny olombelona ny mahay mangina, ary mety fanafody hahasitrana ny aretina sasany mihitsy aza...

Mba hahafahana milaza ny soa azo avy amin'ny fahanginana dia tsara ny mamariparitra mialoha ny tiana holazaina amin'ny teny hoe Fahanginana. Mety sty hitovy manko ny fomba filazana na fahazoana azy ka hiteraka adihevitra tsy hamokatra afa-tsy tabataba ihany.

Ny fahanginana dia tsy hoe tsy fitenenana, fa raha izany dia ho mahay mangina ny moana, nefa izy ireny no tena manao tabataba indraindray...

Tsy tahaka ny fahanginan'ny latabatra na ny vato ny fahanginan'ny olona : izany hoe : tsy hoe fandeferana tsy hanelingelina ny hafa, heno matetika manko ny hoe : "aleoko mangina" rehefa misy ady hevitra ka misy anankiray tsy azo toherin-kevitra (nefa mazàna tsy anankiray fa ny andaniny sy ny an-kilany samy miziriziry amin'ny heviny, tsy mahay manazava izay tiana ho lazaina).

Ny fahanginana dia fahaizana mihaino :

  • Fanaiza-mihaino ny hafa manodidina...
  • Fahaiza-mihaino ny feon'ny fieritreretana sy ny tena fanirian'ny tena ; tsy azontsika lavina fa matetika (na ataoko hoe : indraindray hahay) ny zavatra lazaintsika dia lazaina mba hifanaraka amin'ny modely sosialy fa ny ao am-pontsika dia tsy dia mirona amin'izay loatra...Ny fahanginana dia fahaizana mihaino ny fo, tsy hamitaka ny tena ho amin'ny hevi-dravina mety hitarika amin'ny aretin'andoha fotsiny, na mety hitarika aretim-bavony, noho ny tsy fifanarahan'ny atao sy ny tiana atao ary ny tsy maintsy atao.
  • Ny fahanginana izany dia lalana iray hahafahana mandrindra ireo lafin-javatra telo ireo : ny tokony hatao, ny tsy maintsy atao ary ny tiana atao. Ny fifanarahan'ireo telo ireo no hitarafana ny fahamatoran'ny olona iray...
  • Fa koa...

Ny fahanginana no hahafahantsika mihaino ireo zavatra na hevitra na mety ho fisainana mihoatra ny herintsika, ny fahanginana no hahafahantsika mihaino ilay "Teny" izay tonga nofo, araka ny lazain'ny Filazan-tsara...

Ny fahanginana, izay fahaiza-mihaino no hahafahantsika mihaona amin'ilay "Andriamanitra" izay tsy azontsika fehezina araka ny fahalalantsika...

Io no atao hoe : vavaka

http://harilova.blaogy.com/post/182/913

Ampianaro mivavaka izahay

harilova | 09 Mey, 2006 04:46

Mba mametraka fanontaniana amin'ny tenako aho hoe : mbamihaino vavaka va re izao Andriamanitra izao? Dia ahoana no fomba fivavahana aminy araka ny sitrapony?

Dia nanaitra ahy fatratra ilay vakiteny indray alahady izay milazalaza ny hafatr'i Jeso ho an'izay mino azy manao hoe : "Tsy maintsy toriana eran-tany ny Fibebahana sy ny famelan-keloka, manomboka eto Jerosalema..." (Lk 24, 34-48)

Dia nandinika aho ... manomboka eto Jerosalema... izany hoe : manomboka eo amin'ny toerana nisy ny Mpianatr'i Jeso, ho ahy izany dia manomboka ao amin'ny fianakaviako sy izay mifanolo-bodirindrina amiko no hitoriako ny Fibebahana sy ny famelan-keloka... fa indrindra indrindra, manomboka ao am-poko...

Dia nahatsiaro ny tantaran'ity Manamboninahitry ny tafika iray ity aho. Mpivavaka be izy io ka mandany ora maro isan'andro hivavahana.

Vao tanora izy dia efa manam-boninahitra ka nivavaka mafy mba hanana ny hery haharetany, hampiasany ny fahefana nomen'Andriamanitra azy mba hitondrany fiovana ho an'izao tontolo izao...

Dia nandeha ny andro, nandeha ny volana, ka nony efa nahazohazo taona izy dia nahatsapa fa toa tsy nisy zava-bita akory amin'izay fanovana tiana hatao...

Dia nahatsapa izy fa ao an-tokantranony aloha no tokony hovana mialoha, ka nivavaka mafy izy mba hiova ho soa ny tokatranony ho tonga tokantrano sambatra sy matahotra an'Andriamanitra...

Fa efa nanomboka nandindona ny fahafatesana noho ny fahanterana, nandinika ny zava-bitany tao an-tokantrano izy  ka nahita fa toa tsy misy fiovana akory...

ka nahatsapa fa tsy izay no tokony ho laharam-pahamehana nimasohany fa ny hanova ny ao am-pony aloha. Dia vaky vava izy nivavaka tamin'Andriamanitra hoe : Hay aho lany andro niezaka hanova ny tontolo, nefa ny foko no tokony ho novàko mialoha.

Dia nivavaka izy mba homen'Andriamanitra azy ny fahasoavana hanova ny fony ho tonga mahalefitra sy matahotra azy...

Soa fa tsy tara loatra izy nahita fa hay afaka manova ny fahitana izao tontolo izao ny famindrampon'Andriamanitra.

Dia hoy aho hoe : tsy mbola tara aho fa ndeha hivavaka mba hiovan'ny foko...

Dia nanjary misy heviny ho ahy ny hafatr'i Jeso hoe : manomboka ao Jerosalema no hitoriako ny famindram-pony... Hainy ny manitsy ny diako raha sanatria mitady hanao dingan-davitra any ivelany...

Mazàna manko isika mivavaka ho an'ny hafa fa tsy mahatsiaro fa isika no tokony ho vonton'ny fivavahana voalohany...

Ho an'ny ondry

harilova | 07 Mey, 2006 06:53

Tohin'ny ho an'ny mpiandry ondry

Ny ondry kosa hoe tokony hahafantatra ka hihaino ny feon'ny Mpiandry... Hihaino ny feon'i Kristy.

Dia mandinika aho hoe iza no tena henoin'ny olona kokoa : ny dokam-barotry ny fahitalavitra sa ny fampianaran'i Kristy?

Dia tsy afaka manao safidy matotra indraindray ka ny lamaody natao hahatarika ny maso sy tsy maotina hita amin'ny dokam-barotra dia tonga hatrany am-piangonana...

Mila mandalina ny finoana isika satria indraindray ny fihetsika tsy voatandrina ataon'ny ondry kely iray no hamongoran'ny sasany ny ondry iray vala...

 

Mpiandry ondry tsara! ho an'ny Mpiandry ondry

harilova | 07 Mey, 2006 06:26

Hafatra ho an'ny mpiandry ondry  ity e

Ankalazain'ny Katolika androany ny fetin'ny Mpiandry ondry tsara, alahady fahaefatra aorian'ny Paska io. Dia nalahatra hovakiana amin'ny fanompoam-pivavahana androany ny Vaovao mahafaly, na Filazan-tsara nosoratan'i Jaona (10, 11-18) mitantara an'i Jeso mpiandry ondry tsara...

Dia lasa ny eritreritro...

Voalaza ao ireto toetran'ny Mpiandry ondry tsara ireto :

  • Mahafoy ny ainy ho an'ny ondriny,
  • Mialoha ny ondriny ho any amin'ny tanimbilona ny mpiandry ondry, izany hoe mijery mialoha ny toerana misy vilona hitondrana ny ondry...
  • Dia mpiandry ondry mamela ny 99 ao am-bala mba handeha hitady ilay tokana nania io...
  • ...

Ireo ihany aloha no entiko mijery ny zava-misy ka lazaiko amin'ny fo tsy miangatra ...

  • misy ireo "mikarama" mba hiandry ny ondrin'ny Tompo, manao ny asa fitoriana ho asa fivelomana ambonin'ny zavatra rehetra ...
  • mazàna ny Mpandry mandroaka ny ondry avy aty aoriana, ka manery azy indraindray any amin'ny tany tsy misy vilona akory... Dia ho sanatria ho toy ireo fariseo lazain'i Jeso hoe mametraka ny lalàna eo an-tsoroky ny olona nefa ny ratsan-tanany aza tsy atehiny eo akory...

Fa ity no tena manaitra ahy :

  • Ny Mpiandry ondry tia bebe kokoa ny ondry tsy mila ambenana loatra.

Ny lazaiko amin'izany dia ireo mpiandry ondry (ray aman-deny, Mpampianatra, mpitondra fiangonana...) izay milaza fa kristianina, izany hoe mpianatra izay ataon'i Kristy, nefa tsy mahafoy ny 99 ao am-bala ka ny ataony aza dia ny mamela ho very any an-tendrombohitra ny tokana nania...

Ampitapitao amin'ireo Mpitantana sekoly kristianina mandroaka mpianatra maditra ny hafatra, satria raha roahany izy ireny mba hiadanan'ny 99 "hendry" (toa tsy mila fanabeazana akory) dia aiza sy aiza no toerana ametrahana ny hafatr'ilay Mpiandry ondry tsara lazaina fa harahina?

Tsy misy vahaolana mora raisina ny amin'izany anefa satria sarotra izany, nefa mampandinika ihany...

 ... mahatsapa ny habibiana mitranga etsy sy eroa isika, mety mba efa nandalo teny amintsika teny ny sasany tamin'ireny olona ireny fa nahilika satria "ratsy" ka tsy nahazo ny fanabeazana tokony ho azony...

Soa fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ka mihaino ny vavaka ataon'ny Talen-tsekoly Kristianina ho an'ny Mpianatra maditra noroahiny... Enga anie 

hitohy http://harilova.blaogy.com/post/182/868

Hevitro... Hevitr'i surdoué

harilova | 06 Mey, 2006 00:27

 "Tena siora ve i harilova fa tsy namaky boky hafa mihitsy raha nanoratra ireo hevitra be dia be ireo ? Raha eny dia miarahaba anao fa tena "surdoué" izany ianao.[Fiffi] "

Io Fanontaniana napetraka tamiko any amin'ny Forum momba ny sarivongana dia niainga ihany amin'ny lazain'ingahy Marozevo hoe: tena hevitrao irery ve ireny?

Tena namaky boky be dia be tokoa aho, ary azoko lazaina fa anisan'ireo "voalavon'ny tranom-boky", kanefa ny mahagaga ahy dia tsy mba hitan'i Marozevo sy Fiffi ny filazako ny hevitr'ireo olona nanaitra ahy ka namolavola ahy hanana ny hevitro.

Hevitro hoy aho satria manko "tsy noho ny filazan'izy ireo intsony no mahatonga ahy hahita ny fahamarinany  fa izaho mihitsy no mahatsapa izany".

mampahatsiaro ahy andalan-tSoratra Masina iray izay io, momba ilay vehivavy tao Samaria nahita fa mpaminany Jeso... dia nitantara tamin'ny iray tanàna...

Rehefa nitoetra telo andro tao i Jeso dia hoy ny olona hoe: "Mino izahay, tsy noho ny filazan-dRavehivavy fa ny Masonay no nahita, ny sofinay no nandre..."

Ivereno vakiana ny sasantsasany amin'ireo site ireo dia hahita ianareo fa misy hevitra mety efa hitanareo tanya n-toeran-kafa ao, saingy kosa tsy lazaiko tsy hoe mangalatra hevitra aho, fa kosa tsy fantatro intsony hoe iza no nahita azy voalohany, satria ny fomba filaza hevitra dia mivoatra araka ny zava-misy, ary ny hevitry tsirairay kosa, mihamatotra amin'ny fifampikasohany amin'ny an'ny hafa...

Raha zavatra siantifika no lazaina fa zavatra misy azo raisina, toy ny nolazain'i marozevo amiko hoe : " > Novakiako ilay site, manaitra fa tsy misy ho raisina satria tsy scientifique fa vetsovetso sy sentiment no betsaka ao.farafaharatsiny mba asiana bibliographie na boky iray ihany aza"

dia diniho ihany satria aoriana kely izy milaza hoe : Zao koa ary fanontaniako : "Tena siora ve i harilova fa tsy namaky boky hafa mihitsy raha nanoratra ireo hevitra be dia be ireo ? Raha eny dia miarahaba anao fa tena "surdoué" izany ianao" , izany hoe: tena misy ho raisina tsara mihitsy ny zavatra nosoratako, fa tsy fantatra hoe aiza no hanovozako hevitra... dia mahavaka ny hevitro hoe : inona no tena hevitr'i marozevo!!!

Ny hevitrao no hanovozako hevitra, ianao dia tsy iza fa ilay hafa fijery noho izaho fa mahita ny lafin-javatra mety tsy hitako, na nahita azy tamin'ny fooana mialoha ny nisiako... tsy ho hary ho voatanisako "ianao" ka aleoko tsy tanisaina ara-tsiantifika...

NB. Miala tsiny fa notanisaiko ao ny nilaza ireo hevitra ireo dia i Fiffi sy marozevo satria matahotra aho sao toriany any amin'ny Omda...nefa ny ara-baiboly aza mazana tsy apetrako ao ny toko sy andininy satria fantatro fa tsy hitory ahy amin'ny OMDA ra-Jeso

 

Inona ny hevitrao?

harilova | 05 Mey, 2006 11:25

Mazàna rehefa anontaniana ny heviny ny olona iray dia milaza ny hevitry ny olona malaza iray hanohanana ny azy...

Fomba ampianarina any ampianarana, indrindra amin'ny sekoly ambony ny manao "référence" amin'ny fanohanan-kevitra. Tsara tokoa ny milaza fa tsy izaho irery no adala manohana ity hevitra ity fa ireto koa efa nilaza izany...

Dia mahatsara ny naoty omen'ny mpampianatra, mahafaly nysofin'ny mpiaino, mambabo ny fon'ny mpamaky raha asiana fehin-kevitr'olo-malaza iray ao anaty lahatsoratra...

Fa fahendrena ampianarina koa ny milaza ny hevitr'olon-kendry mifanohitra amin'ny lazain'ny tena... dia avy eo ra- Mpianatra mazoto manao fehin-kevitra handravonana ny asasoratra ka ny farany, na izy aza tsy mahalala ny tena heviny fa nanao marimaritra iraisana fotsiny...

Raha ny Papa no milaza dia manaiky avy hatrany ny katolika... dia izany no nampamonoana an'i Galilea rehefa nilaza fa tsy anjaran'ny Papa ny mandinika ny momba ny lanitra (habakabaka) fa ny hahatongavana any an-danitra (paradisa) no anjarany, satria nahita i galilea fa ny tany no mihodina fa tsy ny masoandro...

Efajato taona aty aoriana vao mifona ny amin'izany i Joany Paoly II...

Nahalasa saina ahy manko ny nolazain'i Marozevo ao amin'ny [http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m444e6e864eac3] momba ny sarivongana hoe : "Novakiako ny hevitrao... fa tsy misy raisina satria tsy misy sitation na référence..."

Maheno olona miresaka aho matetika dia milaza hoe :"Tena marina izany... satria efa hitako tao anaty boky..."

Fa angaha ny ao anaty boky no marina? tsy izay lazaiko koa anefa ho hiambohoko ho marina, tsy hevitra nipoitra avy amiko manko ny ankamaroan'ny hevitro, fa hevitry ny hafa nampindraminy ahy tamin'ny fampianarana nataony sy ny fianarana nataoko fa narindran'ny fisainako ho tonga "hevitro".

tsy afaka mihambo ho mpamoron-kevitra isika kanefa kosa mila manefy ny hevitra antsika ireny...

Mila tsikeraina mandrakariva anefa ireny hevitra ireny, fa hoy ny ohabolana frantsay hoe "ny adala irery no tsy mety mihova hevitra..." lazain'ny razantsika amin'ny fahendreny hoe "adala nomen-tanan'ondry, na hosoloina hofany aza tsy tia"...

Anjaranao ny mandinika ny antony hanohananao ny hevitrao, sy nya ntony tsy ankasitrahanao ny hevitry ny hafa... tsy noho izy be mpanaraka na noho izy nolazain'ny olomalaza, fa noho izy mifanaraka amin'ny marina sy ny tokony ho izy...

Mbola hitohy

Lahatr'Andriamanitra sa Safidin'olombelona?

harilova | 30 Aprily, 2006 01:49

Fanontaniana mipetraka matetika ny hoe : lahatr'Andriamanitra ve ny zava-mitranga sa safidin'olombelona? Andriamanitra ve no mandahatra ny fiainantsika mialoha sa isika no misafidy izay atao?

Raha Andriamanitra manko no mandahatra ny zava-drehetra, dia tsy misy tokony hataontsika na ezaka hisasarantsika intsony izany satria mahefa ny zavatra rehetra Izy (http://harilova.blaogy.com/post/182/721).

Ny zava-misy andavanandro anefa dia toa milaza fa tsy misy izao Andriamanitra izao, satria raha misy izy dia nahoana no avelany hiady ny olona, nahoana no avelany ho faty mosary ny tany sasany, nahoana no ampitondrainy fijaliana aho...?

mahefa ny zava-drehetra ve izy dia hijery fotsiny ny fahoriako? Ataoko angamba fa ny valin'izay fanontaniana izay dia ny tenin'i Jesoa voahombo teo ambony hazo hoe : "Andriamanitra o! nahoana no dia nilaozana re ity izaho?"

Midika io fa azontsika atao tsara ny mitaraina ny fahoriantsika amin'Andriamanitra, tsy hoe hahazoana valliny eo noho eo, tsy hoe hiandrasana fahagagana sanatria, fa hanamafisana ny fitokisana aminy, ka hamaliany antsika sy hananganany antsika amin'ny fotoana hitany fa mahamety izany.

Diniho tokoa moa raha toa ka mampiasa ny fahefany hamaly ny vavaky ny mpanompony Andriamanitra, kanefa Izy aza mifampizara andraikitra (http://harilova.blaogy.com/post/182/721) na samy mahefa ny zavatra rehetra, raha toa ka mamaly ny vavaka ataontsika eo noho eo Andriamanitra, mbola hatoky azy ve isika sa hampiasa izany fahasoavana azo izany fotsiny hanangonana izay mahasoa ny tena na hamongorana izay mety manelingelina amin'ny fiainana?

Mazava loatra araka izany fa ny fijaliana sy ny fahoriana mahazo antsika tsy azontsika hilazana fa tsy afaka mandahatra ny zavatra rehetra Andriamanitra.

Ka raha izy ary no madahatra, azontsika atao ve ny manihitra izay voalahatr'Andriamanitra?

"Ilay nahary antsika tsy niera tamintsika, hoy i Augustin (mpandinika ny momba an'Andriamanitra tamin'ny taonjato fah-efatra) dia tsy hamonjy antsika tsy miaraka amintsika". Izany hoe miandry ny safidintsika mba hamonjeny antsika.

Raha efa voalahatra avokoa ny zavatra rehetra, dia tsy misy heviny ny vavaka ataon'ny mpino. Kanefa  hita ao amin'ny Baiboly fa ny vavaky ny olomarina manery an'Andriamanitra hiova hevitra (hanenina amin'ny loza nokasainy hafitsoka ny vahoaka, ohatra tany Niniva tamin'ny andron'i Jaonasa Mpaminany).

Ny valin'ny fanontaniana napetratsika araka izany dia miankina indrindra amin'ny fanekentsika  ny fahefan'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.

Azo ampifandraisina amin'ny resaka "lahatra" sy "anjara" araka ny fisainana malagasy io... na koa amin'ny fitenenana frantsay hoe "l'homme propose, Dieu dispose".

Ny olana anefa tsy hoe isika afaka na tsy afaka manao izay tiantsika hatao, satria tsy tompon'ny fotoana sy ny zava-mitranga isika, ary ekentsika marina tokoa fa misy hery hafa noho isika izay tsy azontsika tsinintsinoavina tsy hahafahantsika manatanteraka izay kinasa indraindray...

Ny olana dia hoe raha mandahatra ny zavatra rehetra Andriamanitra, nahoana ary no ...

Mbola hitohy...

manompo sampy ve ny manaja ny sary sy ny sarivongana?

harilova | 25 Aprily, 2006 03:29

Ny Katolika indrindra indrindra no manaja sy miankohoka amin'ireny sarivongana ireny, manompo sampy fa mivavaka amin'ny sarivongana...

Dia raikitra  ny ady mazàna, satria ny mpanenjika tsy mahafehy akory ny zavatra lazainy, ny enjehina indraindray tsy nandalina firy ny tena vontoatin'ny lovam-panahy arahiny ka ny ivelany fotsiny no fantany...

manompo sampy tokoa ve ny manao sary na sarivongana hajaina ao am-piangonana?

Lazain'ny Baiboly aloha fa tsy tokony hanao sarivongana ianao ka hiankohoka eo anoloany satria saro-piaro ny Andriamanitrao... Dia voizina izany hevitra izany hanenjehana ny katolika satria feno sary sy sarivongana ny Fiangonany sady izay miditra dia miankohoka na miondrika amin'ireny sarivongana ireny... Asanao lahy ra-Katolika...

Fa raha mbola tohizana ny famakiana ny Baiboly raha tsy hoe  angaha odiana fafàna  ny andalana sasany mitondra fanorisorenana na tsy mifanaraka amin'ny hevitry ny tena, dia ireo zanak'israely ireo, nitondra ny Didy Folo natao tao anatin'ny Fiaran'ny Fanekena ka najaina tao an-tranolay, ary ny Mpanjaka Davida tsy nahatanty izany ka nanao hoe : "Sanatria raha izaho hitoetra ao an-tempoly sedera, ka ny Tompo kosa ao an-tranolay..."

Azo jerena koa ny momba ny bibilava varahina izay nataon'i Mosè ka nijeren'ny Israelita mba hahasitrana azy : tsy ny bibilava no nahasitrana fa ny finoana an'Andriamanitra izay manome hery araka izay sitraky ny fony...

Ilay fanaovana sarivongana voalaza fa noraran'ny baiboly dia ilay sariomby anidina (varahina) izay nataon'ny zanak'Israely satria hoe tsy fantatra na maty na velona i Mosè lasa any Horèba... tsy sarin'Andriamanitra fa sary andriamanitra araka ny fomban-tany ejipsiana sy ny tany manodidina, tsy Andriamanitra no noezahany naseho tao amin'ny sary fa ny harena sy ny tsiron'ny hen'omby nahamanina azy tany Ejipta...

Midika araka izany fa ilay Fiaran'ny Fanekena dia tandindona nampahatsiaro an'Andriamanitra teo anivon'ny vahoakany, tsy ilay Fiaran'ny Fanekena no hajaina fa ilay Andriamanitra ambarany.

Tsy fanompoan-tsampy araka izany ny fanajana ny sary raha toa ka entina hampahatsiaro antsika ny olona ambarany izy. Ny fanajana ny olomasina aza moa hoa n'ny katolika dia fanajana sy fankalazana ny asan'Andriamanitra ao amin'ny halemen'ny olombelona...

Ankoatra izany, manana fahafahana manambara ny tsy hain'ny vava (teny) sy ny soratra ambara ny sary, fa sady famintinana ny tiana ambara izy no koa milaza mihoatra izay azo ambara :

Raha hiteno aho ohatra hoe Andriamanitra tokana olona telo, ohatrohatr'izao ny Ray, tahatahaka izao ny zanaka sy ny Fanahy, dia ataoko sary izany ka na ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza, raha tsy hoe sanatria jamba dia afaka mandinika sy mahazo izay ambaran'ny sary.

Izay mampiasa ny baiboly araka izany nefa milaza fa tsy azo atao sary Andriamanitra dia tokony handini-tena satria na ny baiboly aza izay soratra dia karazana sary ihany, ka tokony hodorany...sanatria anie izany.

Mila fitandremana ihany anefa satria indraindray ny zavatra miseho ataon'ny katolika na ny hafa izay tsy dia lalim-pinoana loatra dia entin'ny sasany hanaratsiana ny finoan'ny Fiangonana manontolo.

Mampandinika indraindray ny mahita ny mpino sasany manaja kokoa ny olomasina noho ilay Andriamanitra loharanon'ny Fahamasinany...

Anjaranao ny mandinindinika sy misaintsaina fa koa mampahatsiaro ny tokony ho izy amin'ny hafa...

Ny maha-Trinite an'Andriamanitra

harilova | 24 Aprily, 2006 02:14

Mampaninona ahy tokoa moa raha toa ka Trinite na tsia izao Andriamanitra izao?

Ny Silamo manenjika ny kristianina, indrindra ny katolika fa hoe mino Andriamanitra maro (Polithéistes), satria hoe tsy Andriamanitra izao Jesoa izao fa na ilay Kristy aza (ilay Voahosotra) dia Mpaminany lehibe fotsiny.

Ho an'ireo milaza ho mino an'Andriamanitra Trinite tokoa dia tsy afaka ny hanao valin-teny bontolo be fotsiny izao mba hampita izany foto-pinoana izany amin'ny hafa, indrindra amin'ny mbola tsy mino.

Angamba efa mba nanana traikefa miresaka zavatra iray amin'ny olona tsy mahalala izany mihitsy ianao fa ny heviny ihany no asesiny...

Ny mety hoy Tonino Bello izay, rehefa miresaka momba an'Andriamanitra amin'ny mbola tsy mahalala azy ka manontany hoe : "Fantatrao ve Andriamanitra?" dia valio hoe :"fantatrao ny omby? Fantatrao ny olona?... Anontanio izay zavatra fantany... dia farano hoe : "tsy ireny Andriamanitra fa Hafa izy..."

Atao ahoana tokoa moa no hitenenanao amin'ny olona iray ao anaty fahoriana sy fijaliana fa tia azy Andriamanitra, raha toa ka tsy miezaka hampiseho aminy ny atao hoe : Fitiavana ianao? Ny teny hilazana an'Andriamanitra amin'ireny olona ireny dia fanesoana azy raha tsy ialohavan'ny asa fiantrana nambabo ny fony...

Izany no entiko mampiditra ny resaka hilazana fa tsy ho afaka hilaza isika hoe Fitiavana Andriamanitra, raha tsy Izy aloha no miseho ho taratra amin'izany Fitiavana izany. Vakio ireo nosoratako momba ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra, fa fanehoam-pitiavana ireny...

Mba ho tara-pitiavana ho antsika no nisehoan'Andriamanitra ho antsika... Nahoana ary no tsy roa izy na tokana monja na efatra... fa telo?

Ankoatr'izay mety ho azo ambara dia tsara ho fantatra fa ny fisehoan'Andriamanitra amintsika araka ny baiboly dia tsy vokatry ny saina na ny Fikarohana fa kosa Fanambarana (RéVélation), ka ireo olona nentanin'ny Fanahin'Andriamanitra no nanoratra araka ny Fanambarana, kanefa koa araka ny foto-pisainana sy ny literatora nisy tamin'ny fotoana nanoratany...

Raha jerenareo ireo andala-tSoratra Masina milaza ny Trinite, atomboka ao amin'ny fahariana (Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika [Jenezy]...) izay mifanahaka amin'ny fomba fitantaran'ny Tatsinanana ny Fahariana tamin'izany fotoana izany... dia hita ireo olona telo ireo : ny Mpahary, ny Teny nentina nahariana ary ny Fanahy nampisy aina ny voahary. Taorian'ny nampidiran'i Tertullien(115-222) ny teny Trinitas ao amin'ny voambolana latinina  dia hoy i Augustin (354-430) hoe Ireo ilay Mpitia, ilay Tiavina ary ilay enti-mitia (Fitiavana).

Io isa telo io dia misy heviny lalina amin'ny kolotsaina jody : manambara  ny zavatry ny lanitra io (ny isa efatra kosa manambara ny momba ny tany = ny Fito maneho ny fitambarany, ny hafenoana, isa masina).

Tsy hoe kisendrasendra araka izany no maha-olona telo an'Andriamanitra tokana fa kosa fanehoam-pitiavana amin'ny hafenoana. mahalasa saina antsika trimurti an'ny finoana hindò...

Raha mijery ireo sary fanehoana an'ireo olona telo ireo isika dia mahita fa tsy mitovy mandrakariva ny fipetrak'ireo olona telo ireo : ny sarin'i Roublev ohatra  (sary) dia eo ampovoany ny Zanaka, amin'ny sary hafa kosa indray dia ilay Fanahy no eo afovoany...

Araka ny toe-tsaina sy ny foto-pisainana jody dia izay eo afovoany no manao ny asa, ny eo an-kavanana no mpaniraka, ny eo an-kavia mpanolo-tsaina.

Araka izany, ny Ray dia teo ampovoany tamin'ny fotoan'ny Fahariana ; ny Zanaka tamin'ny fotoan'ny Fanavotana, ary ny Fanahy kosa amin'izao fotoana farany izao, mandavorary ny zavatra rehetra.

Tsy afaka ny hilaza isika araka izany fa Fitiavana Andriamanitra raha tsy amin'ny alalan'izany fisehoana sitrany hahalalantsika azy izany. Mistery izany ka tsy ho takatry ny saintsika, kanefa raha iezahantsika hihainana ny Fitiavana ary misokatra ny masom-panahitsika hahita ireo asa fanehoam-pitiavana manodidina antsika fa tsy akimpin'ny fialonana sy ny avonavona, dia afaka hahita bebe kokoa ny maha-Trinite an'Andriamanitra.

 (tohiny)

Ilaina ve ny milaza ny fahotana amin'ny pretran'ny Fiangonana?

harilova | 22 Aprily, 2006 01:07

Adihevitry ny taona maro ny momba ny konfesy : Andriamanitra irery ihany ny anay no mamela heloka ka tsy ilainay velively ny hikonfesy any amin'i Mompera...

Sendra namaky ny vaovao mahafaly amin'ny Jaona amin'izay milaza ny fitsanganan'i Jeso ho velona aho, dia nahita ny teny hoe : "Fiadanako no omeko anareo... raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia voavela, izay hotananareo dia ho voatana".

Lasa ny saiko hoe dia tena fanomezana fahefana hamela heloka tokoa ve izany?

Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny Katolika inahy no mikonfesy fa ny hafa koa : ny loteranina ohatra dia mikonfesy koa ka anontanian'ny Mpitandrina raha toa ka inoany ny famelana dia omena azy...

Tsy ady hevitra momba izay no tiako homena anao eto fa kosa singan-kevitra vokatry ny fandinihako momba ity famelan-keloka ity :

ahoana tokoa moa no any amin'Andrimanitra irery ihany aho no tokony hibebaka sy hifona satria izy irery ihany no mpamela heloka?

Mba hampahazava izay tiako holazaina dia aleo aloha omeko anao n y famaritana ny atao hoe Fibebahana araka ny hevitro. Raha ny dikan-teny vahiny milaza azy dia ny teny grika hoe "metanòià" midika fiovan'ny atifanahy; amin'ny teny ebrio dia hoe "shob" na hoe todika ivoho.

ity farany ity no tiako kokoa satria ny fibebahana ho ahy dia miainga avy amin'ny fahatsapako fa tsy nety ny nataoko ka mila miiova lalana aho.

Raha fiovana lalana ary ny fibebahana, mba hiverina any amin'Andriamanitra aho satria nanota dia any amin'Andriamanitra ve no  lalako?

Tsia hoy aho : ny fahotana sy ny heloka rehetra nataoko dia tsy hoe nataoko mivantana amin'Andriamanitra, tsy misy nivantana tamin'Andriamanitra na iray aza, fa kosa nampitondra fahoriana ny olombelona nifanerasera tamiko, dia nahoana moa rehefa miverina aho no handeha "direct" any amin'Andriamanitra?

Izay dia mampisy heviny ity konfesy ity, sitrak'Andriamanitra ny fanetrentsika tena eo anatrehan'ny olona omeny fahefana, fa mialoha izany aza eo anatrehan'izay nahadiso antsika ka  mangata-pamelana aminy sy mitady fomba hanonerana izany heloka izany...

satria tokoa manko, raha toa ka zavatra tsy mifandanja akory amin'ny heloka vitako no atoron'ny pretra ahy ho aza fanonerana, rariny ve izany eo anatrehan'izay niharitra ny mafy noho ny hadalana vitako?

anjarantsika ny mandini-tena...

Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra

harilova | 22 Aprily, 2006 00:20

Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ary mahalala ny zavatra rehetra.

Amin'ilay sary nataon'i Roublev (jereo ity http://www.chemin-neuf.org/tychique/144/icone.html) dia samy misy ilay faribolana mazava (auréoles) manodidina ny lohan'ireo olona telo : entiny manambara ilay Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra (omniscient).

Ireo olona telo ireo anefa, na mahalala ny zavatra rehetra aza dia nifampiera hatrany. jereo ohatra ny tany amin'ny tantaran'ny fahariana izao tontolo izao : "Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, manahaka antsika". Toy ny hoe misy fifampierana ao. Fa ny tena mistery ambony indrindra amin'ity fahefan'andriamanitra ity dia ilay tenin'ny Zanaka hoe : "tsy misy mahalala ny farandro, na ny zanaka aza fa ny Ray ihany no mahalala izany".

Tsy dia hoe fetra ho amin'ny fahalalan'ny Zanaka izany tsy akory, fa koa fifanajana andraikitra : ny Ray no mandamina ny fotoana, ka hajain'ny Zanaka hatrany izany. Tsy anjarany ny manambara izany ka manaja ny toetra maha-zanaka azy izy.

Tsy ny hamakiantsika loha hikaroka sy hamehy ny misterin'Andriamanitra tsy akory no tanjona fa kosa ny handraisantsika lesona hoenti-miaina amin'izany Fifampikasohana amin'ny Mistery izany. Ny Finoana dia manova ny fiainana, ka raha mino isika fa mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra, kanefa mifanaja amin'ny fanapahan-kevitra, mifanaja amin'ny fanatanterahana ny andraikitra, ahoana no mba hihezahantsika hanaja ny hevitry ny hafa, hanontany ny hevitry ny hafa mety ho voakasiky ny fanapahan-kevitra raisintsika?

Mazàna manko ny fahalalana kely mba ananantsika dia tsy hoentintsika hanampy ny hafa, hifanampiana amin'ny hafa fa hiheverana kosa ho mahavita tena. Ny Fianarana sy ny fandalinana tiantsika atao, ataontsika na koa mety zaraintsika amin'ny hafa, dia tokony hizotra amin'izany famporisihana hiara-miasa izany, famporisihana ho amin'ny fiombonana.

Ny ady dia fifanoheran-kery hijerena izay matanjaka kokoa ka hahafahana manjakazaka amin'izay resy, ny fitadiavana hampanjaka ny an'ny tena no anton'ny ady...

Ny Fandriampahalemanana sy ny Fiadanana kosa, na dia fanomezan'Andriamanitra aza, dia hoy ny Papa Joany 23 izay hoe miankina amin'ny andry efatra ilàna ny fiaraha-miasan'ny olombelona :

Ny Fiekena ny marina momba ny tena sy momba ny hafa ka hanekena izany na dia mifanipaka amin'ny tombotsoa manokan'ny tena aza ; ny Fahamarinana izay hanajako ny zo aman'andraikitry ny hafa tahaka ny hitiavako hanajana ny zoko sy hiezahako koa hanatanteraka ny andraikitra mifandraika amin'izany; ny Fitiavana izay hamaha ny olana mety hitranga amin'ny tsy fanajana ny fahamarinana, ka na tsy hajain'ny hafa aza ny zo aman'andraikitro dia eo ny famindram-po hiezaka hanaja ny azy hatrany; ny Fahafahana izay tsy hoe fanaovana izay tiana hatao fa kosa fananana tanjona hotratrarina ka hananana risi-po hifehy tena sy handà izay rehetra mifanohitra amin'izany tanjona izany...

Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra ...ary fantany fa osa sy malemy isika olombelona...

Amin'ny toerana rehetra Andriamanitra

harilova | 21 Aprily, 2006 09:01

Raha mandinika ilay sary nataon'i Roublev isika dia mahita fa samy manana elatra ireo olona telo nentiny nanambara ny olona telo ao amin'ny Trinite Masina. Ny elatra dia manambara ny fahafahana mivezivezy eran'ny tontolo, tsy voafetry ny elanelan-tany : amin'ny toerana rehetra Andriamanitra.

Na izany aza anefa dia tsy mba misara-toerana na oviana na oviana ireo olona telo, fa izay misy ny iray, misy azy telo. Izaho sy ny Ray dia iray ihany hoy i Kristy.

Mampianatra antsika izany fa na dia eo aza ny elanelantany mety hampisaraka dia tokony hotandrovana mandrakariva ny firaisam-po sy ny fihavanana. Tsy tokony ho sakana hivoizana ny hoe "lavitry ny maso, lavitry ny fo" izany.

Izany no fahefan'Andriamanitra mampianatra antsika ny tena fiombonana.

Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra!

harilova | 20 Aprily, 2006 01:15

Ny Finoana an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia azo dinihina avy amin'ny sary nataon'ny Manakanto tantsinana iray, André Roublev. Azo dinihina hoy aho, satria mistery ny momba an'Andriamanitra, ka tsy azontsika atao ny milaza fa mamintina ny momba azy io sary io, satria tsy azontsika fintinina ny momba an'Andriamanitra.

Amin'io sarin'ny Trinite io dia manambara an'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra (omnipotent), Manerana ny toerana rehetra (omniprésent), ary mahalala ny zavatra rehetra (omniscient).

Ny voalohany dia ambaran'ny tehana izay tazonin'ireo olona telo : mahagaga anefa fa tsy mitovy ny fandrin'ny tehana eny antanan'ireo olona telo. Na mahefa ny zavatra rehetra aza Andriamanitra dia ny Ray NAHARY, ny Zanaka NANAVOTRA, ary ny Fanahy kosa MANDAVORARY ny fahamasinanatsika.

Mazana kosa ny fiainantsika dia fanjakazakana, ka izay vitako tsy mba tiako hiantsoana ny hafa hanampy ahy, ary ny talenta ananako tsy mba foiko hanampiana ny hafa...

Ireo toetra sitrak'Andriamanitra hisehoana amintsika, ka azontsika dinihina dia sitrany hotarafitsika hoenti-manamasina ny Fiainana satria Izy irery no masina ka ny fanamasinana ny Fiainana dia ny fakana tahaka ny fahamasinany : Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo...

Ny Fahefan'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra araka izany dia entiny hanambarana amintsika fa fifanampiana ny Fiainana, ka ankoatra ny Finoana sy ny fianteherana amin'ny Heriny dia manampy antsika koa mba hahay hifampitsinjo isika samy isika.

Ny maha-olona telo an'Andriamanitra dia hanehoany amintsika fa FITIAVANA izy, tsy roa fa telo, araka izany dia FISOKAFANA amin'ny hafa ny fitiavana fa tsy fikombonana ao amin'ny Fifampijeren'olon-droa.

Ho hitantsika amin'ny manaraka ireo toetra roa hafa : Mahalala ny zavatra rehetra sy amin'ny toerana rehetra...

 (tohiny)

Finoana

harilova | 20 Aprily, 2006 01:03

araka ny nolazain'i lapino hoe : ny finoana mafy orina eo ambony vatolampy tsy mihotsona, araka ny ao amin'ny Baiboly dia tiako ny mizara aminareo ny fantatro momba ity finoana ity :

Marina izany kanefa tsy hahita vatolampy hanorenanao ny finoanao ianao na oviana na oviana, izany hoe ny tontolo iainantsika dia ifangaroan'ny tsara sy ny ratsy... I Kristy kosa  niantso an'i Simona hoe Kefasy (Vatolampy amin'ny teny malagasy) hanorenany ny Fiangonany eo ambon'izany vatolampy izany, ny finoan'ny Fiangonana dia tsy hihozongozona na oviana na oviana nefa kosa, na masina aza ny Fiangonana, mpanota no mitambatra hanorina azy, kanefa mpanota miezaka ho amin'ny fahamasinana (Augustin, taonjato faha-efatra).
Tsy afaka mino irery isika fa mandova io finoan'ny Fiangonana io, ary araka ny lazain'i lapino ihany, raha oharina amin'ny tao-trano ny finoana, dia hoy ny Ntaolo razantsika hoe : tsy efan'ny irery ny taotrano, sady izay indray, mandrapahavitany (izany hoe tsikelikely), dia mila mitandrina sao ravan'ny rivo-doza, sady mila mitetika izay holaniana hoy ny baiboly, sao mba nanomboka nanao trano, nefa tsy nahavita akory...

I Jakoba ao amin'ny taratasiny dia milaza fa io finoana io dia maty raha tsy arahina aza. Ny asa enti-manaporofo ny finoana no entina mitahiry azy koa, noho izany, asa fanorenana ny finoana, tsy afaka mirehareha ny amin'ny finoana efa noraisina isika, satria fantaro fa ny trano iray, na mafy orina aza, mba mila fikarakarana ihany koa mba hahatsara endrika azy.

Voalazan'ny Baiboly koa fa ny  Fiangonana dia Trano arafitr'Andriamanitra ho Tempoly, ka izay mino no vato andrafetana azy. Miala tsiny fa tsy mba mametraka ny andininy aho ho an'izay zatra mijery ireny, fa kosa manentana anareo tsy hanao sekta, izany hoe hanao famakiana baiboly amin'ny ampahany ihany ka minia tsy mahita ny andalan-teny sasany.

Raha mino isika izany, dia tsy isika no hahita ny Finoantsika, tsy izay monina ao anaty trano no mahita ny trano fa izay any ivelany, tsy fireharehana ny finoana fa kosa hery manosika avy ao anaty mba hahatonga antsika hiasa.

Aza mihevitra fa mandeha ho azy ny fiainan'ireo olona hitantsika fa nanana finoana lehibe tokoa ka nahavita nitana izany hatramin'ny farany...

Manana modely amin'izany isika malagasy : Rasalama maritiora, Rasoamanarivo...

 

Mino an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ve ianao?

harilova | 19 Aprily, 2006 01:45

Finoana!

Mino aho!

Isaky ny fiangonan'alahady, ary isak'irony vavaka firaisam-pinoana irony dia avaozina mandrakariva ny FINOANA an'izany ANDRIAMANITRA MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA  izany, ilay ANDRIAMANITRA TSITOHA,

dia mametraka fanontaniana aho matetika hoe: tena mba marina ve izany finoana izany?

Mba saintsaino angeh ity e :

Ilay Mino fa mahefa ny zavatra rehetra ny Andriamaniny, ny hariva, sendra nisy zavatra hadino tany an-tokotany ka voatery hamoha varavarana mba hivoaka haka izay, dia miantso vonjy amin'ny hafa mba hitsilo, na mba hiaraka satria matahotra sao... "tsy mahefa hiaro azy ny Andriamaniny".

Izany Finoana an'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra izany ve tsy hampisy fahasahiana handresy ny tahotra amin'ny mety ho hasomparan'ny fahavalo?

Mety hilaza angamba ianao hoe inona no hifandraisan'izany, ary mety hanontany ahy koa ianao hoe ianao izany dia tsy matahotra na inona na inona mihitsy!!!

Fantaro fa adihevitry ny taona maro ny Fijalian'ireo matoky an'Andriamanitra, kanefa ny natoky azy indrindra no nohombohana toy ny famono jiolahy, i Kristy.

Ny Fijaliana na ny mety ho hasomparan'ny fahavalo amin'izay mino tsy hoe tsy Fiarovan'Andriamanitra tsy akory fa kosa, fampisehoany ny heriny aza, hahalananantsika ny tena fitiavana.

Amin'izay resa-pinoana izay ihany dia nahita adihevitry ny Fifadian-kanina aho tao amin'ny dinika serasera tao, fa hoy ny Mpino iray (Pierre Chrysologue) izay hoe : "atao ahoana moa ny hahatsapa fa mafy anie ny noana  ka mila ampiana ireo tsy mba manana ho hanina tsy fidiny, raha tsy mba manandrana izany hoe noana izany isika... dia izany fahatsapana izany no hanokanana izay nofadiana hanampiana azy ireny..."

Indraindray tokoa manko mahavita mifady hanina isika fa tsy mahavita miharitra ny hanohanana noho ny asa na noho ny antony hafa tsy miankina amintsika...

==> Tsara ataontsika Kristianina fandinihana ny tenin'ilay olokendry Hindò iray (Gandhi) hoe : "Hifady hanina aho hanonerako ny ditran'ny Mpianatro..."

Hojerentsika amin'ny manaraka ary ny hoe "mahefa ny zavatra rehetra tokoa ve Andriamanitra?"

Ny tiako hotsoahintsika amin'ity lahatsoratra eto ity dia hoe : miandalana ny finoana an'Andriamanitra ary tsy azo itompoan-teny fantatra ny Finoana satria tsy mba zavatra azo indray mandeha fa "toy ny afo" ka ny fahaizantsika mitady ny "kitay" hitairizana azy no mampateza azy. Mety ho faty, nefa azo arehitra indray...

Hojerentsika amin'ny manaraka izany Andriamanitra Tsitoha izany...

PAKA

harilova | 16 Aprily, 2006 01:11

Ity misy tari-dresaka kely holazaiko anao momba ny Paka...

Tsy mila lazaina hono na dia fomba enti-mamerina milaza azy ihany aza fa Fankalazana ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan'ny Tompo tamin'ny maty ny Paka. Fety Jiosy nolovain'ny Kristianina, ka izay diavolan'ny Volana Nissan (Aprily) no ankalazana azy. Ho an'ny Kristianina dia ny Alahady manakaiky indrindra ny diavolana eo anelanelan'ny 22 martsa sy ny 26 aprily no atao alahadin'ny Paka. Ny 16 aprily izy tamin'ity satria ny 13 aprily no fenomanana ny volana.

 Tsy mba miova ny andro ankalazana io  fety io ho an'ny Ebrio fa ny faha-14 Nissan izay diavolana mandrakariva satria mifandraika ny diary manaraka ny volana sy ny diary fanisan'andro (toy ny tetiandro ntaolo malagasy ihany moa izany : ny Alahamady, alohotsy...).

Ny tena votoatin'ny fety dia tsy misy hafa afa-tsy ny fampitana amin'ny taranaka ny zava-mahagaga nataon'i YHWH tamin'ny Ntaolo tany Ejipta. Mba tsy ho very tadidy izany zava-dehibe izany dia natao fomba holovan-taranaka mba hitantarana fa nahefa zava-mahatalanjona ilay Tsitoha.

Ho an'ny Kristianina izay mandray ny testamenta Taloha ho tandindon'ilay Vaovao sady Mandrakizay, i Kristy, dia mankalaza ny fitsanganany. Tantara ihany izany, fa ny tiako hisontonana ny sainao manokana dia hoe : mampaninona antsika tokoa moa ny Paka? fombafomba fotsiny toy ny lazain'i Hery ve?

Ny Tantaran'ny Evanjely, na ny Filazantsara amin'ny Fotoam-pivavahana katolika amin'ity andro ity, dia milaza fa Vehivavy no nisehoan'ny Anjely mba hitory. Ny vehivavy anefa araka ny fomba ebrio tsy afaka akory hijoro ho vavolombelona amin'ny zava-mitranga, tsy manan-jo hanohana hevitra akory, nefa nofidian'i kristy ho Mpitondra voalohany ny hafany...

I Petera sy Joany niazakazaka nankany amin'ny Fasana vao maraina...

io Piera (Petera) io no tiako hisarihana ny sainao manokana...

Ilay nandà ho tsy mahalala an'i Kristy, roa andro lasa dia nentanin-jotom-po hidodododo ho any am-pasana hihaona amin'i Kristy.

Raha tsy manana io finoan'i Piera io ianao, mahatsapa fa mahery noho ny fahafatesana ny Fitiavana, ary na teo ny fahalemena dia ambony lavitra noho izany ny Famindram-po, aza milaza ho mino ny Paka...

Raha mbola mitana alahelo amin'ny hafa ianao, raha mbola mihevitra fa tsy afaka hiova intsony amin'ny fahazaran-dratsiny ny hafa... tsy mbola mino ny Paka fitsanganana ianao ka hahavita hanao tahaka ireo Mpanora-dalàna hanakarama ny Miaramila hampiely fa nangalarin'ny Mpianatra ny alina ny Fatin'i Jesoa raha natory izy ireo. Tsy ho afaka hiaiky ny helony na dia manoloana ny zava-mahagaga nataon'Andriamanitra ho azy aza.

Aleloia. Paka

 (tohiny)
1 2 3 ... 27 28 29  Manaraka»
 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb